Seminera sy Institiota
Lesona 11: Nandehandeha nanao soa i Jesoa Kristy


Lesona 11

Nandehandeha nanao soa i Jesoa Kristy

Fampidirana

Ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia mampianatra fa “‘nandehandeha nanao soa’ [i Jesoa] (Asan’ny Apôstôly 10:38), nefa dia natao tsinontsinona noho izany” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia tokony hanaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny fanaovana soa na dia mety ho voaenjika aza. Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra hoe nahoana ireo izay manisy ratsy antsika noho ny finoantsika no tokony hanehoantsika fitiavana sy fanajana tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ireo izay nanenjika azy. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika, dia hahazo herimpo hiaina sy hiaro ny finoantsika ary ho afaka hanampy ny hafa hanakaiky kokoa ny Tompo.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 5:43–47; 9:9–13; 12:22–30; Marka 3:1–6; 11:15–19; Jaona 11:43–53

Nenjehina i Jesoa Kristy noho ny fanaovany soa

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Rehefa mieritreritra ny fiainana tonga lafatry ny Mpamonjy ianao, dia inona tamin’ireo soa rehetra nataony nandritra ny fiainany tety an-tany no tena manaitra anao indrindra?

Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia vakio (na zarao amin’ny fomba izay ilazanao azy) ity tantara iray ity izay notantarain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny rahavavy misiônera anankiroa:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ao anatin’ny fiderana sy famporisihana ireo rehetra izay mila miorina mafy amin’izao andro farany izao no ilazako amin’ny rehetra, indrina amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herimpo no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

“Ohatra, vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: ‘Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo akaikin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vongan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: “AZAFADY KELY HOE!” Saingy tsy nanao izany aho.” (“Ny Sarany efaina—sy ireo Fitahiana azo—amin’ny maha mpianatr’i Kristy,” Ensign na Liahona, Mey 2014, 6).

Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny Matio 5:43–47 ka hitady fitsipika iray izay nampianarin’i Jesoa tao amin’ny Toriteny nataony teo an-tendrombohitra izay nampiharin’ireo rahavavy misiônera ireo. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hampiasa ilay fahaiza-mandalina soratra masina hoe manolo ny anarana mandritra ny famakiany mba hahatonga ilay hafatra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho toy ny hoe natao ho azy ireo manokana. Mba hampiharana io fahaiza-mandalina io dia tokony hampiasa ny anarany ireo mpianatra ho solon’ny teny hoe hianareo na ianao.)

  • Inona no fitsipika iray izay nampianarin’i Jesoa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita ity fitsipika ity izy ireo: Raha te hanaraka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy isika, dia tsy maintsy mianatra mitia ireo fahavalontsika sy maneho hatsaram-panahy amin’ireo izay manenjika antsika.)

  • Inona no maha-sarotra ny miaina io fitsipiky ny filazantsara io?

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity filazana manaraka ity:

“ ‘Nandehandeha nanao soa [i Jesoa]’ (Asan’ny Apôstôly 10:38), nefa dia natao tsinontsinona noho izany” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2).

Hazavao fa na dia neken’ny olona maro tany Galilia sy i Jodia aza ny Mpamonjy, sady maro no nahita ireo asa tsara nataony ho porofon’ny maha-andriamanitra Azy, dia nisy ireo hafa izay tsy niraharaha Azy sy nanenjika Azy noho ireo asa soa nataony.

Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto eo ambanin’ny hoe “Nandehandeha nanao soa i Jesoa”:

Matio 9:9–13

Matio 12:22–30

Marka 3:1–6

Marka 11:15–19

Jaona 11:43–53

Zarao ho vondrona kely ireo mpianatra ary asaivo mandalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay ny asa soa nataon’i Jesoa sy ny fihetsiky ny olona manoloana izany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hilaza ny zavatra hitany. Mariho fa ireo andiana andinin-tsoratra masina ireo dia maneho maodely iray eo amin’ny fiainan’ny Tompo izay azontsika ianarana. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no tsikaritrao momba ny fomba fihetsiky ny Mpamonjy manoloana ny fanenjehana izay niainany?

Amporisiho ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny zava-nitranga izay tantaraina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina halalininy. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no eritreritra na fahatsapana mety ho nanananao raha nanatri-maso an’i Jesoa ianao tamin’io fotoana io?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Jesoa hianaranao avy amin’ny teny nolazainy sy ny zavatra nataony tamin’io fotoana io? (Mety hahita ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Rehefa mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanaovana soa isika, dia indraindray tsy maintsy miaritra fanenjehana.)

Matio 5:9–12, 21–24, 38–41; 6:14–15; 7:1–5, 12

Ny fihetsika haseho manoloana ny fanenjehana

Lazao amin’ireo mpianatra fa tao amin’ny Toriteny nataony teo an-tendrombohitra dia nanoro hevitra an’ireo mpianany i Jesoa Kristy ny amin’ny fomba fihetsika manoloana ny fanenjehana mahazo azy ireo. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny sy andinin-tsoratra masina manaraka ity, ary angataho ny mpianatra tsirairay hamaky farafahakeliny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina. Angataho ireo mpianatra hitady fitsipika iray nampianarin’i Jesoa ao amin’ilay andinin-tsoratra masina novakiany izay afaka hitari-dalana azy ireo eo amin’ny fomba fifandraisany amin’ny hafa.

Inona no hatao manoloana ny fanenjehana

Matio 5:9–12

Matio 5:21–24 ( jereo koa ny 3 Nefia 12:22)

Matio 5:38–41; 7:12

Matio 6:14–15 (jereo koa ny F&F 64:9–10)

Matio 7:1–5

Rehefa nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra dia angataho izy ireo hanazava ireo fitsipika hitany sy ny fomba hiharan’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Rehefa mizara fitsipika hitany tao amin’ny Matio 5:21–24 ireo mpianatra, dia azonao atao ny manamarika fa ny 3 Nefia 12:22 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith Matio 5 dia tsy ahitana ny teny hoe “foana” (Matio 5:22). (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia antintrantero ity fahamarinana manaraka ity: Manantena antsika ny Ray any An-danitra mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa enjehina noho ny finoantsika.)

Asehoy ireto filazana manaraka ireto izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Arovy amim-panehoana fahalalam-pomba sy indrafo ny finoanareo, kanefa mba tena arovy izany” (Jeffrey R. Holland, “Ny Sarany efaina—sy ireo Fitahiana azo—amin’ny maha mpianatr’i Kristy,”Ensign na Liahona, Mey 2014, 9).

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ireo mpanaradia an’i Kristy dia tokony ho ohatra amin’ny fahalalam-pomba. Tokony ho tia ny olon-drehetra isika, hahay hihaino, ary haneho fahalianana amin-kitsimpo mikasika ny zavatra inoan’izy ireo. Na dia tsy miombon-kevitra aza isika dia tsy tokony hanafintohina. Ny fanehoantsika hevitra sy ny filazana ataontsika mikasika ny lohahevitra mampiady hevitra dia tsy tokony hiteraka fifandirana. Tokony ho hendry isika rehefa manazava sy mijoro amin’ny foto-kevitsika sy rehefa mitaona ny hafa. …

“Rehefa mifanohitra amin’ny fenitra arahantsika ny fironan’ny daholobe sy ny lalàna dia tokony hoekentsika amim-pahalalam-pomba izay voka-dratsiny ary haneho fahalalam-pomba isika amin’ireo fahavalontsika” (Dallin H. Oaks, “Fitiavana ny Hafa sy Fiainana ao anatin’ny Fahasamihafana,”Ensign na Liahona, Nôv. 2014, 27).

Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ireo mpianatra momba ireo fanamby sy ireo fitahiana azo noho ny fanarahana ny torohevitry ny Loholona Holland sy ny Loholona Oaks. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:9–12.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia inona avy ireo fampanantenana nomen’i Jesoa izay mety hanamora ny mampiseho fihetsika araka ny fomban’i Kristy rehefa enjehina isika noho ny finoantsika?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahazoan’izy ireo mampihatra ny iray na mihoatra amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Torinteny teo an-tendrombohitra eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny olona anankiray ankehitriny na ny fomba mety ho nampiharany izany tamin’ny zavatra niainany tamin’ny lasa. Anontanio raha misy mpianatra manaiky hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Misy ny olona sasany diso eritreritra hoe ny fihetsika toy ny fahanginana, ny fahalemem-panahy, ny famelan-keloka sy ny fijoroana ho vavolombelona amim-panetrentena dia manara-drenirano na malemy. Kanefa ny ‘[mitia] ny fahavalo[ntsika] ary [mivavaka] ho an’izay manenjika [antsika], manao soa ho an’ireo izay mankahala [antsika], sy mivavaka ho an’ireo izay maniratsira [antsika], sy manenjika [antsika] ’ (Matio 5:44) dia mitaky finoana sy hery ary indrindra indrindra fahasahian’ny Kristiana. …

“Rehefa tsy mamaly isika—rehefa manome ny takolaka iray hafa sy manohitra ireo fahatsapana feno fahatezerana—dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ihany koa isika. Mampiseho ny fitiavany isika, izay hany hery afaka hanohitra ny fahavalo sy hamaly ireo mpanendrikendrika antsika kanefa tsy amin’ny fanendrikendrehana azy ireo. Tsy fahalemena izany. Fahasahian’ny Kristiana izany. …

“Rehefa mamaly ny hafa isika dia tsy hitovy ny toe-javatra miseho tsirairay. “Soa ihany fa fantatry ny Tompo ny fon’ireo mpanameloka antsika sy ny fomba mahomby indrindra ahafahantsika mamaly azy ireny. Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy ireo tena mpanaradia marina an’i Kristy dia mandray fitaomam-panahy izay mifanentana tsara amin’izay mifanehatra amintsika. Ary amin’ny fifanatrehana rehetra dia mamaly amin’ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo tena mpanaradia marina …

Amin’ny maha mpianatr’i Kristy marina antsika, dia ny mahasoa ny hafa no tokony ho raharahiantsika fa tsy ny fanehoana fa marina isika. Ny fanontaniana sy fanakianana dia manome antsika fahafahana hanolo-tanana amin’ny hafa sy maneho fa manan-danja amin’ny Raintsika any An-danitra sy amintsika izy ireo. Ny hanampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana no tokony ho tanjontsika, fa tsy hiaro ny maha izy azy antsika na handresy amin’ny adihevitra ara-teôlôjika. Ny fijoroantsika ho vavolombelona avy amin’ny fo no fihetsika manan-kery indrindra manoloana ireo mpanendrikendrika antsika” “Fahasahian’ny Kristianina: Takiana amin’ny Maha- mpanaradia,” Ensign na Liahona Nôv. 2008, 72, 73–74).

Omeo fotoana ireo mpianatra hamakiany sy hanisian’izy ireo loko ireo fitsipika nampianarin’ny Loholona Hales. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Raha ilaina, dia mifanakaloza hevitra momba ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny zavatra ataontsika amin’ny hafa hampiova ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra? (Ampio ireo mpianatra hahita ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy isika amin’ny fomba famaliana amim-pitiavana sy amim-pahalemempanahy an’ireo izay manohitra antsika, dia afaka manamafy ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra isika sy manamafy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ihany koa.)

  • Nahoana no tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra tamin’ny batisa ny fitondrana ny hafa toy izany? (Fomba iray manan-danja izany hijoroana ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra [jereo ny Môsià 18:9].)

Anontanio ireo mpianatra raha efa niaina traikefa izy ireo izay nanarahany ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ka nahafahan’izy ireo nanampy olon-kafa hanatona bebe kokoa ny Tompo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Amporisiho ireo mpianatra handinika ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa, sy hitady fifandraisana iray izay azon’izy ireo hatsaraina, ary hirakitra an-tsoratra ny fomba izay hampiharany ireo fitsipika izay nifanakalozana hevitra androany amin’io fifandraisana io.

Vakitenin’ny Mpianatra