Seminera sy Institiota
Fampahafantarana ny I Jesoa Kristy sy ny Filazantsara Maharitra Mandrakizay - Bokin’ny Mpampianatra


Fampahafantarana ny I Jesoa Kristy sy ny Filazantsara Maharitra Mandrakizay, Bokin’ny Mpampianatra (Fianarana ny filazantsara faha 250)

Inona no andrasana amin’ny mpampianatra filazantsara?

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia zava-dehibe ny mhahatakatra ireo Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], x).

Afaka manatratra io tanjona io ianao raha miaina ny filazantsara, sy mampianatra amin’ny fomba mahomby ny filazantsara ho an’ireo mpianatra, ary mitantana araka ny tokony ho izy ny kilasinao na ny fandaharam-pianaranao. Rehefa miomana sy mampianatra ny filazantsara araka ireo fomba ireo ianao, dia ho mendrika hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Fahafahana ho anao ny manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo mampahatanjaka ny finoany sy hampiorim-paka ny fiovam-pony. Afaka manampy ireo mpianatra hanatanteraka izany ianao rehefa mitarika azy ireo mba hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapa ny fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ka miomana hampihatra izany.

Ilay boky torolalana hoe Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia loharano tena ilaina mba hahatakarana ny fandehan’ny fampianarana sy ny fomba hahitana fahombiazana ao an-dakilasy. Jereo matetika io boky torolalana io.

Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?

Ity fampianarana ity hoe: I Jesoa Kristy sy ny Filazantsara Maharitra Mandrakizay (Fianarana ny Filazantsara faha 250), dia manome fahafahana an’ireo mpianatra handalina ny asa fanompoana mandrakizay ataon’i Jesoa Kristy, ka mifantoka amin’ny anjara asany avy any an-danitra hatramin’ny fiainany talohan’ny tety an-tany sy ny fiainany tety an-tany ary ny fiainany aorian’ny fiainana an-tany. Ireo soratra masina nankatoavina, sy ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ilay taratasy mitondra ny lohanteny hoe “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2–3) dia ampiasaina ho loharano nentanim-panahy ho an’ity fampianarana ity. Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Mamporisika anareo amim-pahavitrihana aho hanao drafitra fandalinana manokana mba hahatakatra bebe kokoa sy hankasitraka bebe kokoa ny vokatry ny zava-bita tonga lafatra nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny antso masina nanendrena Azy, izay tsy manan-tsahala sy mandrakizay ary tsy misy fetra, amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy. Ny fisaintsainana lalina ataon’ny tena manokana momba ny soratra masina miaraka amin’ny fandalinana sy ny vavaka avy amin’ny fo dia hanamafy ny fahatakaranareo sy ny fankasitrahanareo ny Sorompanavotany izay tsy voavidy vola” (“Velona Izy! All Glory to His Name!” Ensign na Liahona, Mey 2010, 77).

Rehefa takatr’ireo mpianatra sy ankasitrahany ny maha-zava-dehibe ilay antso avy any an-danitra nomena ny Mpamonjy sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo, dia hihamatanjaka izy ireo manoloana ireo olana eo amin’ny fiainana ary hahatsiaro ho vonona kokoa hifanakalo hevitra momba ireo anjara asa masin’ny Mpamonjy ao amin’ny drafitry ny famonjena, izay tafiditra tanteraka ao anatin’izany ny fiainan’izy ireo manokana.

Inona no andrasana amin’ireo mpianatra?

Tokony hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireo lahatenin’ny mpaminany voatanisa ao amin’ilay fizarana hoe Vakitenin’ny Mpianatra hita ao amin’ny lesona tsirairay ireo mpianatra. Tokony hahafeno ireo fepetra takiana mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana ihany koa ireo mpianatra ary haneho fahaizana momba ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fampianarana.

Ahoana no firafitr’ireo lesona ao amin’ity boky torolalana ity?

Ity fampianarana ity dia narafitra ho an’ny fampianarana mandritra ny tapa-taona ary ahitana lesona 28 izay nosoratana ho an’ny fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Raha mianatra indroa isan-kerinandro ny mpianatrao dia mampianara lesona iray isaky ny fotoam-pianarana. Raha indray mandeha isan-kerinandro ihany ny mpianatrao no mianatra mandritra ny 90 na 100 minitra dia mampianara lesona roa natambatra isaky ny fotoam-pianarana. Ny topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona tsirairay dia ahitana fizarana efatra:

  • Fampidirana

  • Vakiteny Enti-mandalina

  • Sosokevitra Enti-mampianatra

  • Vakintenin’ny Mpianatra

Fampidirana

Io fizarana io dia manome fampahalalana fohy momba ny lohahevitra sy ireo tanjon’ny lesona.

Vakiteny Enti-mandalina

Io fizarana io dia manolotra loharanom-pitaovana hovakiana, toy ny hafatra avy amin’ny mpaminany maoderina, izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo fotopampianarana sy fisipika ary ireo fahamarinan’ny filazantsara izay tafiditra ao amin’ilay topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana fitaovana izay manampy anao mba hahafantatra ny hoe inona no ampianarina sy ny hoe fomba ahoana no hampianarana azy (jereo koa ny fizarana 4.3.3 sy 4.3.4 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara). Ireo asa ampanaovina ho enti-mianatra izay aroso dia narafitra mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ary hampihatra fahamarinana masina. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo izay tolo-kevitra na izy rehetra rehefa ataonao izay hampifandray azy ireny amin’ny fomba fampianaranao sy izay hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra sy mety amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha mahay tsara ny fitaovana ampiasaina amin’ny lesona izay ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina avy eo. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakampanahy hanomboka amin’ny fampifanarahana raha tokony hoe manomboka amin’ny fanarahana. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka aloha vao mampifanaraka dia tena fomba tsara ahafahana mijanonana amin’ny tany marina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, Aog. 7, 2012]; si.lds.org).

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana fanambarana iray fara-fahakeliny miseho amin’ny sora-matevina mikasika fotopampianarana na fitsipika iray. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ka mizara ny zavatra nianarany izy, dia mety tsy hitovy amin’izay voasoratra ao amin’ity boky torolalana ity ny teny ampiasainy. Rehefa izay no mitranga, dia tandremo sao manao izay hiheveran’izy ireo hoe diso ny valinteniny. Na izany aza, raha misy fanambarana izay azo ahitsy mba ho marina kokoa, dia ataovy amim-pahamalinana izay hahatakaran’izy ireo izany mazava tsara.

Mba hanampiana ireo mpianatra ho lasa mpianatra soratra masina mandritra ny androm-piainany, dia ampianaro azy ireo ny fomba fampiasana ireo fitaovana fanampiana handalina izay hita ao amin’ireo soratra masina navoakan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Araraoty ireo fahafahanao manampy ireo mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana mba hampiasa ireo fahaiza-manao sy fomba fandalinana soratra masina (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 20–23). Rehefa manao izany ianao, dia hitombo ny fitiavan’ireo mpianatra ny soratra masina, hahazo hery izy ireo hahita ny valin’ny fanontaniany, ary hianatra ny hotarihin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Vakitenin’ny Mpianatra

Io fizarana io dia mitanisa andinin-tsoratra masina sy lahateny nataon’ny manampahefana ambonin’ny Fiangonana izay hampitombo ny fahatakaran’ireo mpianatra ireo lohahevitra hita ao amin’ireo lesona. Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo fitaovana ireo alohan’ny handehanany hanatrika ny fotoam-pianarana tsirairay. Rehefa mandalina ireo fitaovana nentanim-panahy ireo izy dia tsy vitan’ny hoe ho vonona kokoa handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, fa hahazo fahatakarana misimisy ihany koa momba ireo lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pianarana. Omeo ny lisitry ny “Vakitenin’ny Mpianatra” rehetra ireo mpianatra amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

Ahoana no ahafahako miomana hampianatra?

Hanampy anao ny Tompo rehefa miomana ny hampianatra ianao. Rehefa miomana ianao, dia mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao:

  • Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Efa nandalina ireo andinin-tsoratra masina sy vakiteny enti-mandalina nasaina novakiana ve aho?

  • Efa namaky ny fandaharam-pianarana ve aho sy namaritra raha misy zavatra tokony amboarina mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny mpianatro?

  • Ahoana ny fomba ahafahako manara-maso ny vakitenin’ny mpianatra mba hahazoako antoka fa mahazo ny tombontsoa betsaka indrindra avy amin’izany ireo mpianatra.

  • Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara feno amin’ny lesona?

Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto:

  • Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireo lahatsoratra nasaina novakiana alohan’ny lesona tsirairay.

  • Andraso amin’ny mpianatra ny hanatontosany ny anjara asany amin’ny maha-mpandranto fahalalana azy.

  • Omeo fahafahana matetika ireo mpianatra hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny fomba filazany azy manokana sy hizara traikefa izay tena manampy ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantany sy tsapany.

  • Ovaovao ireo asa ampanaovina sy ny fomba fampianaranao isaky ny fotoam-pianarana ary koa ovaovao isan’andro.

  • Mamorona tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy Masina ary hahazoan’ireo mpianatra fahafahana sy andraikitra hifampianatra (jereo ny F&F 88:78, 122).

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ataovy izay hisian’ny fandraisana anjara betsaka satria ny fampiasan’ny mpianatra ny fahafahana misafidy toy izany no manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra. … Rehefa tenenin’ireo mpianatra ny fahamarinana, dia voamarina ao amin’ny fanahin’izy ireo izany ary manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana” (“To Understand and Live Truth” [evening with Elder Richard G. Scott, Feb. 4, 2005], 3; si.lds.org).

Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona ho an’ireo izay manana kilema?

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo atrikasa sy ny zavatra takiana mba hanampiana azy ireo hahomby. Ohatra, misy mpianatra sasany mety hahazo tombontsoa amin’ny fahafahana mahazo ny soratra masina natao amin’ny raki-peo. Azo alaina mora foana izy ireny ao amin’ny LDS.org.

Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharano ho an’ireo manana kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana mikasika ny Kilasy sy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ireo Mpianatra manana Kilema ao amin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara.