Seminera sy Institiota
Lesona 23: Namerina tamin’ny laoniny ny fisoronany sy ny Fiangonany ary ny filazantsarany ny Mpamonjy


Lesona 23

Namerina tamin’ny laoniny ny fisoronany sy ny Fiangonany ary ny filazantsarany ny Mpamonjy

Fampidirana

Nijoro ho vavolombelona ireo Apôstôly maoderina manao hoe: “Ambaranay amim-panajana fa ny Fisoronan’i [Jesoa Kristy] sy ny Fiangonany dia naorina indray eto ambonin’ny tany” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao dia ampio ireo mpianatra hahatakatra fa anisan’ny asa fanompoana mandrakizay nataon’ny Mpamonjy ny fitarihana ny Famerenana tamin’ny Laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fandalinana akaiky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no manambara fa i Jesoa Kristy no mitarika ny fanjakan’ Andriamanitra etỳ an-tany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • James E. Faust, “The Restoration of All Things,” Ensign na Liahona, mey 2006, 61–62, 67–68.

  • Tad R. Callister, “Inona no Rafitry ny Fiangonan’i Kristy?” (Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 janoary 2014); LDS.org.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1: 18–20

Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany tamin’ny andro farany

Asao ny mpianatra hitanisa fanontaniana manan-danja vitsivitsy izay mety hapetraky ny olona iray amin’ny Ray any An-danitra, mba hoentina hanombohana ny lesona. Rehefa avy nanome valiny maromaro izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:18–19 Manontania avy eo hoe:

  • Inona no fanontaninana napetrak’i Joseph Smith tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no namalian’ i Jesoa Kristy izany? (Mariho fa ny andininy faha- 20 dia milaza fa nohamafisin’ny Mpamonjy ny valinteniny: “Norarany indray ny hilatsahako ho mpikambana ao amin’ny izy ireo.”)

  • Raha “diso avokoa” ireo fiangonana rehetra tamin’izany, inona no nilaina hitranga mba hahatonga ny Fiangonan’ny Tompo ho eto an-tany indray? (Nilaina ny nisian’ny famerenana tamin’ny laoniny ilay Fiangonan’ny Tompo tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha James E. Faust

“Mino isika fa famerenana amin’ny laoniny ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy tany am-pihandohana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay natsangana ‘teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra’ [Efesiana 2:20]. Tsy fiangonana niorina avy tamin’ny fiangonana hafa akory izany” (“The Restoration of All Things,” Ensign na Liahona, mey 2006, 68).

  • Midika inona ny filazantsika fa Famerenana amin’ny laoniny ilay Fiangonan’ny Mpamonjy naorina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Lazao ireo mpianatra fa tsy ampy ny fotoanan’ny kilasy raha hampitaha ireo singa tsirairay tao anatin’ny Fiangonan’ny Tompo voalohany (izany hoe tany am-piandohana) amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Kanefa azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamerina hijery ny Lioka 6:13; 10:1; Asan’ny Apôstôly 14:23; Efesiana 4:11; Filipiana 1:1; ary ny Titosy 1:5 ka hamantatra ireo singa tao anatin’ny firafitry ny Fiangonana voalohany izay mbola misy ihany koa ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. (Ho ohatra fanampiny, amporisiho ireo mpianatra hamaky ny “Inona no rafitry ny Fiangonan’i Kristy?” nataon’ny Rahalahy Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, izay hita ao amin’ny Vakitenin’ny Mpianatra amin’ity lesona ity.) Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Rahalahy Callister ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Tad R. Callister

“Raha toa ka mampitaha … ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana amin’ny fiangonana rehetra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ny olona iray, dia hahita izy fa raha singa tena mitovy, raha fandaminana tena mitovy, raha fampianarana tena mitovy, raha ôrdônansy tena mitovy, raha voa tena mitovy, ary fanambarana tena mitovy dia fiangonana iray ihany no mifanaraka amin’izany—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Inona no rafitry ny Fiangonan’i Kristy?” [Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 janoary 2014]; LDS.org).

  • Nahoana no zava-dehibe ny manana fijoroana ho vavolombelona fa famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy tany am-piandohana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? (Manampy antsika hahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marin’ny Tompo ankehitriny ny fananana fijoroana ho vavolombelona toy izany. Satria tsy miova omaly, anio ary mandrakizay ny Tompo dia tokony handrasantsika amin’ny Fiangonany koa ny hananany ireo singa ao anatiny hitovy hatrany isaky ny fotoampitantanana.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 38; 18:34–35

Mitarika ny asan’ny Famerenana amin’ny Laoniny i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:17 sy hamantatra ny zavatra nandidian’ny Ray any An-danitra an’i Joseph Smith mba hataony (mihaino ny Zanany). Vakio mafy avy eo ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy avokoa no tonga ireo fanambarana rehetra hatramin’ny fahalavoana” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:27).

Mba hanehoana ity fahamarinana ity dia asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 38; 18:34–35 miaraka amin’izao fanontaniana manaraka izao ao an-tsaina: Ahoana no ahafahan’ireto andinin-tsoratra masina ireto manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana fa mitantana sy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy? Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Gary J. Coleman ao amin’ny Fitopololahy ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Gary J. Coleman

“Testamenta iray amin’ny andro farany momba ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy ho an’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminany sy ireo mpanompon’ Andriamanitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary maneho ny fomba masina fandraisana ny fanambarana izay mitantana ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao anatiny ankehitriny” (“You Shall Have My Word: The Personal Ministry of Jesus Christ in the Restoration,” ao amin’ny You Shall Have My Word: Exploring the Text of the Doctrine and Covenants, ed. Scott C. Esplin, Richard O. Cowan, ary Rachel Cope, The 41st Annual Brigham Young University Sidney B. Sperry Symposium [2012], 3).

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ankehitriny ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana araka ny voalazan’ny Loholona Coleman? (Tenivavolombelona iray amin’ny andro farany momba ny asa fanompoan’i Jesoa izany ary mampiseho fa tarihan’ny fanambarana ny Fiangonana ankehitriny.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ny mahatakatra io fahamarinana nampianarin’ny Loholona Coleman io?

Mijoroa ho vavolombelona fa ampahany iray manan-danja ao amin’ny asa fanompoana mandrakizain’ny Mpamonjy ny fisehoany sy ireo fanambarany ary ny fanomezany ireo hery sy fanalahidin’ny fisoronana nandritra ny Famerenana tamin’ny Laoniny. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita miavaka bebe kokoa ny fomba notarihan’ny Mpamonjy ny Famerenana tamin’ny Laoniny ny filazantsara mandrakizay sy ny Fiangonany amin’ny andro farany dia asehoy ity tabilao manaraka ity na ataovy amin’ny taratasy zaraina dia zarao amin’ireo mpianatra (aza atao ao ireo andian-teny anaty fononteny):

Sary
taratasy zaraina, Mitarika ny asan’ny famerenana amin’ny laoniny ny Mpamonjy

Mitarika ny asan’ny famerenana amin’ny laoniny ny Mpamonjy

Fotopampianaran’ny Fiangonana

Ôrdônansy ao amin’ny Fiangonana

Fitarihana ao amin’ny Fiangonana

Sasintenin’ny fizarana sy famintinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 (Ireo fanjakam-boninahitra, fiainana aorian’ny fahafatesana)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–39 (Fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1, 15, 18 (Batisa ho an’ny maty amin’ny alalan’ny fisoloana tena)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 (Ilaina amin’ny fisandratana ny fanambadiana selestialy)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:6–10; 138:29–35 (Afaka ny hanana fahafahana handray ny fanavotana ireo izay maty tsy nahalala ny fahamarinana)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 20:37, 72–74 (Ireo fepetra izay takiana amin’ny batisa sy ny fomba marina fanaovana izany)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70 (Fitsofan-drano ny ankizy)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–77, 79 (Fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:33–39 (ireo ôrdônansin’ny Tempoly)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7, 15–20 (Fanambadiana mandrakizay)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–59 (Ireo andraikitra amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:61–62 (Fanaovana fihaonamben’ny Fiangonana isaky ny fotoana voatondro)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2 (Faneken’ny rehetra)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22–27, 33–35, 64–67, 85–91 (Ireo andraikitra ao amin’ny fitarihana ny fiangonana)

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra ary omeo tsanganana iray avy ny vondrona mba hohalalininy. Asaivo mamaky andinin-tsoratra masina telo na efatra ao amin’ny tsanganana tandrify azy ny mpianatra tsirairay ary hiomana hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Inona no maha-zava-dehibe ireo fitsipika sy fombafomba hitanao tao?

Rehefa afaka minitra maromaro dia asaivo mizara ny zavatra izay hitany ireo mpianatra. Eo am-pizarany izany dia antitrantero fa i Jesoa Kristy no mitarika ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Mametraha fanontaniana mitovy amin’ireto manaraka ireto raha ilaina izany:

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa manohy mitarika ny asa sy ny mpitarika ny Fiangonany i Jesoa?

  • Inona avy ireo traikefa nanampy anao hahafantatra fa ity Fiangonana ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Raha mbola ampy ny fotoana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Rehefa avy nandinika izay noresahantsika androany ianareo, nahoana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo”? (Satria izy irery no hany fiangonana eto ambonin’ny tany manana ny fahefana masina hampianatra ny filazantsara marina an’i Jesoa Kristy sy hanatanteraka ireo ôrdônasin’ny famonjena izay ilaina ary handray fanambarana mitohy amin’ny alalan’ireo mpanompo voatendrin’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42 mba hamaranana ny lesona ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra. Mijoroa ho vavolombelona fa famintinana ny asa fanompoana mandrakizain’ny Mpamonjy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Omeo fanamby ireo mpianatra handinika ny zavatra izay azony atao hanomezany voninahitra an’i Jesoa Kristy izay nanatanteraka ny Sorompanavotana mba hahatonga antsika ho voahasina sy voadio ary voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny Ray.

Vakitenin’ny Mpianatra