Seminera sy Institiota
Lesona 26: Hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy hitsara izao tontolo izao i Jesoa Kristy


Lesona 26

Hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy hitsara izao tontolo izao i Jesoa Kristy

Fampidirana

“Hanapaka amin’ ny maha-Mpanjakan’ ny mpanjaka sy hanjaka amin’ ny maha-Tompon’ny tompo Azy [i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona], ary handohalika ny lohalika rehetra ary ny lela rehetra hidera Azy. Isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany araka ny asa sy ny fanirian’ ny fontsika.” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra fa tsy mila miandry ny Arivotaona izy vao hahazo ny fitahian’izany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Toko 45, “Ny Arivotaona,” Ny Fitsipiky ny Filazantsara [2009], 307–12.

  • Toko 46, “Ny Fitsarana Farany,” Ny Fitsipiky ny Filazantsara [2009], 313–19.

  • Raha misy: Toko 37, “The Millennium and the Glorification of the Earth,” Doctrines of the Gospel Student Manual, boky faharoa (Church Educational System manual, 2010), 104–6.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:1–6

I Jesoa Kristy Tenany mihitsy no hanjaka etỳ an-tany

Asaivo mitanisa ireo zavatra fangatany tsy tapaka amin’ny alalan’ny vavaka ireo mpianatra ary asaivo soratany amin’ny taratasy izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany raha tsy mampaninona azy ny manao izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65. (Raha tsy manana ny soratra masina natonta tamin’ny 2013 ireo mpianatra dia hazavao fa ity fizarana ity dia fanambarana momba ny vavaka izay nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.) Hazavao fa milaza amintsika ny zavatra izay tokony hangatahintsika amin’ny alalan’ny vavaka ny Tompo ao anatin’ity fanambarana ity, indrindra fa amin’izao fahatanterahan’ireo zavatra efa nambara tamin’ny faminaniana fa hitranga amin’ny andro farany izao.

Mangataha mpianatra roa hifandimby hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny famaritan’ny Mpamonjy ny fampielezana ny filazantsara. Manontania avy eo hoe:

  • Hatraiza no hiely ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Tokony hamantatra izao fotopampianarana izao ny mpianatra: Handeha hatrany am-paran’ny tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

  • Araka ny andininy 2, inona ilay vato nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ity aorian’ny valintenin’ny mpianatra:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … no ilay fanjakana, naorin’Andriamanitry ny lanitra, izay tsy ho rava na havela ho an’olon-kafa mandrakizay. … Tany am-piandohan’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo no tonga ilay andro … [izay] nananganana ny Fiangonana. Kely izy tamin’izany, nahitana mpikambana enina fotsiny, raha ampitahaina amin’ilay vato nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hanorotoro ireo firenena hafa sy hikodiadia ary hameno ny tany manontolo. … Mikodiadia mameno ny tany ilay vato ankehitriny” (“The Stone Cut without Hands,” Ensign, mey 1976, 8, 9).

  • Midika inona aminao ny maha-mpikamban’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany anao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:3–4. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny andininy 5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny torohevitry ny Tompo mikasika ny zavatra izay tokony hangatahintsika amin’ny alalan’ny vavaka. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Araka ireo andininy ireo, inona no tokony hangatahintsika amin’ny alalan’ny vavaka eo am-piomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hampitaha ny andininy 6 amin’ny teny ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo hita ao amin’ny Matio 6:10.)

  • Inona avy ireo fanjakana roa resahina ao amin’ny andininy 6? (Ny “fanjakan’ Andriamanitra” eto an-tany [na ny Fiangonana] sy ny “fanjakan’ny lanitra.”)

  • Inona ny didy nomen’ny Tompo an’ny “fanjakan’ Andriamanitra” eto an-tany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero ity fotopampianarana manaraka ity: Hiparitaka eran’izao tontolo izao ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, ka hanomana ny mponin’ny tany amin’ny fanjakan’ny arivotaona an’i Kristy.)

(Fanamarihana: Azonao atao ny manamafy fa hampihatra ny fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana eo amin’ny tany manontolo i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona. [Raha misy dia jereo ny Doctrine and Covenants Student Manual, 2nd ed. (Church Educational System manual, 2001), 139–40.])

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity na ataovy amin’ny taratasy kely dia zarao amin’ireo mpianatra (aza soratana ny zavatra ao anaty fononteny):

Sary
taratasy zaraina, I Jesoa Kristy sy ny Arivotaona

I Jesoa Kristy sy ny Arivotaona

Inona no hataon’i Kristy mandritra ny Arivotaona?

Isaia 9:6–7; 33:22; Apôkalypsy 11:15; 1 Nefia 22:24

(Hitondra ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany Izy. Ho mpitsara sy ho mpanao lalàna Izy ary hanavotra antsika.)

Aiza i Kristy no hanjaka mandritra ny Arivotaona?

Zefania 3:15–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; 45:59

(Hitoetra eto an-tany eo anivon’ny olony Izy.)

Ahoana no hanjakan’i Kristy mandritra ny Arivotaona?

Apôkalypsy 19:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:21–22

(Ho mpanjaka sy mpanao lalàna i Kristy.)

Hiteraka inona ny fanjakan’i Kristy?

Isaia 2:2–4; 1 Nefia 22:25–28; 2 Nefia 30:10–18

(Fiadanana, firaisan-tsaina ary fahamarinana no haorina ato an-tany. Tsy hanan-kery eo amin’ny fon’ny olona i Satana.)

(Fanamarihana: Azonao atao ny manazava fa ity asa ity dia natao mba hanehoana ny mahatsara ny fandalinana ny soratra masina araky ny lohahevitra indraindray. Rehefa mandalina ny soratra masina araky ny lohahevitra isika, dia afaka mahita ny antsipiriany—tahaka ny maodely na ny foto-kevitra—mazava kokoa.

Zarao ho vondrona misy mpianatra tsiefatrefatra ny kilasy. Asao ny mpianatra iray isaky ny vondrona mba handalina ny andinin-tsoratra masina sy hamaly ny fanontaniana eo amin’ny tsivalana voalohany amin’ny tabilao. Asao ny mpianatra iray hafa ao amin’ny vondrona tsirairay hanao toy izany koa amin’ny tsivalana faharoa, ary toy izany hatrany hatrany. Toroy hevitra ireo mpianatra hijery manokana ny teny sy andian-teny manampy azy ireo hamaly ny fanontaniana nomena azy. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Asaivo mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany amin’ny mpiray vondrona aminy ny mpianatra rehefa avy nomena fotoana ampy ho azy ireo.

(Fanamarihana: Raha misy mandritra ny fanomanana ny lesona dia jereo ity boky torolalana ity ho an’ny fanazavana ny1 Nefia 22:26: Book of Mormon Student Manual [Church Educational System manual, 2009], 48.)

Dia apetraho avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Avy amin’ny zavatra noresahinareo, inona no tena andrandrainareo amin’ny Arivotaona? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana ity aorian’ny valintenin’ny mpianatra: Ny Mpamonjy Tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany mandritra ny Arivotaona.)

  • Milazà fomba vitsivitsy ahafahantsika mamela ny Mpamonjy hanjaka ao amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao.

  • Ahoana no mety ho fiovan’ny fiainantsika raha mamela an’i Kristy hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika?

Vakio mafy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball ity:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Rehefa voafatotra i Satana ao anatin’ny tokantrano iray monja—rehefa voafatotra i Satana ao amin’ny fiainana iray monja—dia efa nanomboka sahady ny Arivotaona ao anatin’izany tokantrano izany, ao amin’izany fiainana izany” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 172).

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra hataon’izy ireo hanasana ny Mpamonjy hanjaka ao amin’ny fiainan’izy ireo.

Jaona 5:22; Matio 12:36–37; Apôkalypsy 20:12–13; Môsià 4:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9

Ho mpitsara antsika i Jesoa Kristy

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na soraty eo amin’ny solaitrabe:

Jaona 5:22

Matio 12:36–37

Apôkalypsy 20:12–13

Môsià 4:30

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9

Asaivo alain’ireo mpianatra sary an-tsaina ny hoe inona no mety havalin’izy ireo raha misy namana mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto: “Iza no ho mpitsara antsika amin’ny Andron’ny Fitsarana?” ary “Mifototra amin’inona no hitsarana antsika?” Omeo minitra maromaro ireo mpianatra handalinana ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo ary hamolavola valin’io fanontaniana io. Rehefa afaka fotoana vitsivitsy dia asaivo mifanakalo hevitra amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ny mpianatra momba ny valinteniny. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no nianaranareo momba ny Andro Fitsarana? (Tokony hamantatra izao fotopampianarana izao ny mpianatra: Ho mpitsara antsika i Jesoa Kristy.)

  • Mifototra amin’inona no hitsaran’ny Mpamonjy antsika? (Tokony ahitana ireto fotopampianarana ireto ny valiny: Hitsara antsika araka ny tenintsika, ny eritreritsika, ny asantsika ary ny fanirian’ny fontsika ny Mpamonjy.)

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Nanana fiainana tonga lafatra sy tsy nisy ota ny Tompontsika ka noho izany dia tsy niharan’ny fitakian’ny fahamarinana Izy. Tanteraka Izy amin’ny toetra rehetra, anisan’izany ny fitiavana, fangorahana, faharetana, fankatoavana, famelan-keloka ary fanetrentena. …

“Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fangirifiriany izay tsy takatry ny saina sady tsy voavidim-bola dia nahazo ny zo ho Mpanavotra sy Mpanelanelana ary Mpitsara Farany antsika ny Mpamonjy” (“The Atonement Can Secure Your Peace and Happiness,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 42).

  • Mampiova inona amin’ny zavatra tsapanao mikasika ny Fitsarana Farany ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy no “Mpitsara Farany”?

Amporisiho hanoratra amin’ny karatra kely na taratasy izao fanontaniana manaraka izao ny mpianatra ary asaivo ataony amin’ny toerana hita maso sy miavaka izany: Ahoana no hamelako an’i Jesoa Kristy hanjaka eo amin’ny fiainako androany?

Vakitenin’ny Mpianatra