Seminera sy Institiota
Lesona 16: Nanao ny Sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny olona rehetra ny Mpamonjy


Lesona 16

Nanao ny Sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny olona rehetra ny Mpamonjy

Fampidirana

Natolon’i [Jesoa Kristy] ny ainy mba ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra. Fanomezana lehibe no nataony ho an’ izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany” (“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 2). Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “ny Sorompanavotana no ilay singa fototry ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra. Raha tsy io singa io dia tsy ho nandeha izany drafitra izany ” (“Velona Izy! Ho Azy anie ny Voninahitra rehetra!” Ensign na Liahona, mey 2010, 76). Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny fijaliana fatratra niainan’ny Mpamonjy, izay nanomboka tao Getsemane ka nifarana teo ambonin’ny hazofijaliana, ary hamariparitra ny fomba hahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ny fahotantsika sy mankahery antsika amin’ny fiainantsika isan’andro amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 14:33–36; Lioka 22:39–44; 2 Nefia 9:21

Niaritra an-tsitrapo ny fangirifirian’ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fihirana ny “Endrey Mahagaga Ahy” (Fihirana, lah. 44) na hira hafa momba ny Mpamonjy ny lesona. Avy eo, rehefa manomboka ny lesona, dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Nahoana ny fihirana ny “Endrey Mahagaga Ahy” (na fihirana hira hafa momba ny Mpamonjy) no manomana anao handalina ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asao hamaky mangina ny Marka 14:33–36 ny mpianatra, ary hitady ny andian-teny izay mamariparitra ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane. Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny andian-teny izay hitan’ny mpianatra.

  • Midika inona aminao ireo andian-teny ireo?

Asao ny mpianatra handalina ny Lioka 22:39–44; 2 Nefia 9:21; ary ny Mosià 3:7 mba hahitany zavatra fanampiny mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy nandritra ny Sorompanavotana nataony. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo fahamarinana ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona ireo fahamarinana manan-danja ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fijaliana izay niaretan’ny Mpamonjy ho antsika? (Tokony hahitana izao fahamarinana manaraka izao ny valim-panontaniana: Ny fijalian’i Jesoa Kristy tao Getsemane dia nahatonga Azy hivoa-dra amin’ny mason-koditra tsirairay.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Sorompanavotan’ny Jesoa Kristy dia mandrakotra ny fijaliany ho an’ny fahotantsika tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana, ny nandatsahana ny rany, ny fahafatesany teo ambonin’ny hazofijaliana ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Tsy mahafantatra isika, tsy afaka milaza isika, ary tsy misy sain’olombelona afaka mahatakatra ny tena dikany fenon’ilay zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane.

“Fantatsika fa nivoa-drà ny mason-kodiny tsirairay rehefa nisotro hatramin’ny farany ilay kapoaka mangidy izay natolotry ny Ray Azy Izy.

“Fantatsika fa nijaly Izy, na ara-batana na ara-panahy, mihoatra noho izay azon’ny olombelona zakaina, afa-tsy ny fahafatesana. …

“Fantatsika fa niankohoka tamin’ny tany Izy rehefa nampangovitra azy ireo fanaintainana sy fangirifiriana avy amin’ilay enta-mavesatra tsy misy fiafarana, hany ka naniry ny tsy hisotro amin’ilay kapoaka mangidy Izy” (“Ny Hery Manadion’i Getsemane,” Liahona, apr. 2011, 57).

  • Inona no zavatra tsapanao manoloana ny fijalian’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana?

Jaona 15:13; 1 Petera 3:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19

Nijaly i Jesoa mba tsy hitakiana ny hijaliantsika tahaka Azy

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Araka ny hevitrao, inona no antony nanosika an’i Jesoa ny hijaly fatratra an-tsitrapo ho antsika?

Asao ny mpianatra handalina mangina ny Jaona 15:13; 1 Petera 3:18; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19 , ary hijery ny antony namporisika ny Mpamonjy ny hiaritra an-tsitrapo ny fanaintainan’ny Sorompanavotana. Rehefa nahazo fotoana ampy hanaovana izany ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Rehefa mamaly ny mpianatra, dia fintino eo amin’ny solaitrabe tahaka izao ny valitenin’izy ireo:

Haneho ny fitiavany lehibe antsika.

Mba tsy hahatonga antsika hijaly tanteraka noho ny fahotantsika.

Mba hahafahantsika mibebaka sy ho voavela heloka.

Mba hanomezana voninahitra ny Ray.

Mba hahafahantsika hiverina any amin’ Andriamanitra.

Hitondra antsika any amin’ Andriamanitra.

Rehefa mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ianao, dia omeo fotoana ny mpianatra handinika ny valiteniny alohan’ny fanasana azy ireo hamaly. (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa mianatra ny misaina momba ny zavatra hitany ao amin’ny soratra masina izy ireo, dia matetika ny Fanahy Masina no hanambara fahamarinana fanampiny ho azy ireo.)

  • Inona no ampianarin’ireo antony nijalian’i Jesoa Kristy ireo anao momba Azy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahakasika anao manokana ireo antony ireo?

Antitrantero amin’ny mpianatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, dia lasa Mpisolo Tena antsika i Jesoa Kristy—naka ny toerantsika Izy, nivesatra ny enta-mavesatsika Izy, nijaly hoan’ny fahotantsika Izy. Ny Apôstôly Paoly dia nilaza izany tahaka izao: “Izay [Kristy Ilay Zanaka] tsy nahalala ota [izany hoe i Jesoa dia tsy nahalala ota] dia efa nataony [Andriamanitra Ilay Ray] ota hamonjy antsika; mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5:21). Izany dia toy ny fanaovan’ny Tompo sy Mpamonjy antsika izao fanasana manaraka izao ho antsika tsirairay avy: “Mankanesa atỳ Amiko. Hoentiko ny fahotanao, ary homeko anao ny fahamarinako.”

Mijoroa ho vavolombelona fa noho ny nahatanterahan’i Jesoa Kristy ny Sorompanavotana, dia afaka ny ho voavela ny helotsika raha toa ka mibebaka isika. Noho ny sorona nataony teo amin’ny toerantsika, dia voaomana ny lalana mba hahafahantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra ho fianakaviana mandrakizay. Nanaiky hiharan’ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy noho ny fitiavany lehibe ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany antsika. Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahany mikatsaka tsaratsara kokoa sy mankafỳ bebe kokoa ny fitahian’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Almà 7:11–13

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manolotra antsika ny fahasoavany na ilay hery mampahatanjaka ananany

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Rehefa nitranga tamin’ny fahafenoany ny fanaintainana, dia tena lehibe izany, mbola nangirifiry lavitra noho izay noheveriny, eny fa na dia Izy ilay manana saina matsilo tsy manam-paharoa aza! …

“Ny vesatra mivangongon’ny fahotan’ny olona rehetra—ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy—dia nobaben’ilay Fanahy tonga lafatra, tsy manan-tsiny ary feno fangorahana! Ny rofintsika rehetra sy ny aretintsika rehetra dia tafiditra ihany koa ao anatin’ireo zavatra mahatsiravina voaisa ao amin’ny Sorompanavotana. (Jereo ny Almà 7:11–12; Isa. 53:3–5; Mat. 8:17.) …

“… ny fijaliany—izay makadiribe ampitomboina amin’ny tsy manam-pahataperana—dia nanambara ny fitomaniany farany teo ambony hazofijaliana, ary izany dia fitomaniana izay naneho fa nilaozana Izy. (Jereo ny Mat. 27:46.)” (“Willing to Submit,” Ensign, mey 1985, 72–73).

  • Araka ny hevitrao, inona no tian’ny Loholona Maxwell lazaina amin’ny hoe “ireo zavatra mahatsiravina voaisa ao amin’ny Sorompanavotana”?

  • Ankoatran’ny fahotantsika, inona ihany koa ny zavatra hitan’ny Loholona Maxwell izay nahatonga ny Mpamonjy hijaly?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 7:11–13 . Asao ny mpianatra sisa hanaraka sy hijery ny zavatra hafa momba ny fiainana eto ambonin’ny tany izay nijalian’ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany ary soraty eo amin’ny solaitrabe ny valitenin’izy ireo. (Ny valinteny dia tokony hahitana ny fanaintainana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny aretina, ny rofy ary ny fahafatesana.) Manaova fifanakalozan-kevitra mikasika ny dikan’ireo zavatra ireo sy mikasika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa miatrika ireo zavatra ireo isika.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny Mpamonjy dia tsy nijaly fotsiny noho ny fahotantsika fa koa noho ny tsy fitoviana, ny tsy fahamarinana, ny fanaintainana, ny fahoriana, ary ny olana ara-pihetsehampo izay tonga eo amintsika. Tsy misy fanaintainana ara-batana, na tebitebin’ny fanahy na fahorian’ny fanahy, na aretina na fahalemena iainantsika mandritra ity diantsika eto an-tany ity izay tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Izaho sy ianao rehefa ao anatin’ny fotoan’ny fahalemena dia afaka mihiaka hoe: ‘Tsy mba misy olona mahatakatra izany. Tsy mba misy na iray aza mahafantatra izany.’ Angamba tsy mba misy olombelona mahafantatra izany. Saingy ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra sy mahatakatra, satria Izy dia nahatsapa sy nilanja ny enta-mavesantsika talohan’ny nahatsapantsika sy nilanjantsika izany. Ary satria nandoa ilay sarany faratampony Izy sy nilanja ilay enta-mavesatra dia tena mahatakatra tanteraka ny zavatra tsapantsika ary manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony eo amin’ny lafin-javatra maro ao anatin’ny fiainantsika. Afaka manome tanana sy manohina ny fo ary manampy Izy … ary manome hery antsika mba hahatonga antsika amin’ny toerana ambony kokoa mihoatra noho izay afaka hisy antsika hatrizay ary hanampy antsika hanao zavatra izay tsy ho vitantsika velively raha miankina amin’ny herintsika manokana fotsiny isika” (“Ny Sorompanavotana sy ilay Dia Eto An-tany,” Liahona, apr. 2012, 47).

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamintinany ny fampianaran’ny Loholona Bednar. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitahiana ateraky ny Sorompanavotana manome antsika fahafahana hiverina indray eo anatrehan’ny Ray any An-danitra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia afaka mandray fampiononana sy hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika mba hiatrehana ny “fanaintainana sy ny fahoriana ary ny fakam-panahy isan-karazany” [Almà 7:11].)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay hery mampahatanjaka ananan’ny Mpamonjy, na ny fahasoavany, dia asao izy ireo handalina ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto sy hiomana ny hizara izay zavatra ianarany. (Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto.)

2 Korintiana 12:7–10

Môsià 3:19

Môsià 24:10–15

Almà 31:24–25, 31–33, 38

Etera 12:27

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Jereo ny fomba nankaherezan’i Jesoa Kristy ny olona voaresaka ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Tamin’ny fotoana ahoana ianao na ny olona iray hafa fantatrao no nahazo hery toy izany?

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa afaka mampiasa ilay hery mampahatanjaka ananan’i Jesoa Kristy isika?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Isika tsirairay avy dia tsy maintsy manamafy ny fahatakarantsika ny dikan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hahatonga izany ho fototra tsy azo hozongozonina hanorenantsika ny fiainantsika. …

“Mamporisika anareo amim-pahavitrihana aho hanao drafitra fandalinana manokana mba hahatakatra bebe kokoa sy hankasitraka bebe kokoa ny vokatry ny zava-bita tonga lafatra nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny antso masina nanendrena Azy, izay tsy manan-tsahala sy mandrakizay ary tsy misy fetra, amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy” ( “Velona Izy! Ho Azy anie ny Voninahitra rehetra!” Ensign na Liahona, mey 2010, 77).

Amporisiho ireo mpianatra eo am-pamaranana mba hanao drafitra fandalinana manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Vakitenin’ny Mpianatra