Seminera sy Institiota
Lesona 5: I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha


Lesona 5

I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha

Fampidirana

Raha nijoro ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy ireo mpaminany ankehitriny dia nanambara hoe: “Izy ilay Jehovah Lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). I Jesoa Kristy, tamin’ny naha Jehovah Azy, no nametraka ny filazantsara mandrakizain’ny Ray any An-danitra teto an-tany, nandritra ireo fotoampitantanana rehetra hatrizay mba hanangonana ireo zanak’ Andriamanitra tsirairay izay very. Afaka ny ho mafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa fantatsika ny toetrany izay tsy miovaova, sy ny filazantsarany mandrakizay.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 86–89.

  • “The Abrahamic Covenant,” The Pearl of Great Price Student Manual (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2000), 93–98.

  • “Enrichment Section A: Who Is the God of the Old Testament?” Old Testament Student Manual: Genesis –2 Samuel, 3rd ed. (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 45–48.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Eksôdôsy 3:11–14; 6:2–3; Jaona 8:52–53, 56–59; 18:5, 8; 3 Nefia 15:5; Abrahama 1:16; 2:8

I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha

Asao ny mpianatra hizara anarana na fiantsoana sasantsasany an’ny Mpamonjy izay fantatr’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Lazao amin’ireo mpianatra fa androany ianareo dia hiresaka mikasika ny anarana na fiantsoana manan-danja anankiray, izay nahafantarana an’i Jesoa Kristy talohan’ny asa fanompoany teto an-tany. Asao izy ireo hamaky mangina ny Jaona 8:52–53, 56–59. Avy eo dia apetraho ny fanontaniana hoe:

  • Inona avy ireo fanontaniana napetraky ny Jiosy tamin’ny Mpamonjy?

  • Inona araka ny hevitrao no tian’i Jesoa lazaina tamin’ny valin-teniny hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama dia Izy Aho”? (andininy 58).

Mba hanampiana ny mpianatra hamaritra ny teny hoe “Izy Aho,” dia zarao tsiroaroa ny mpianatra ary iangavio izy ireo hamaky ny Eksôdôsy 3:11–14; 6:2–3, ary hitady hoe ahoana no fomba niantsoan’ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha ny Tenany. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, dia inona avy no anarana nampiasain’ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha entina ilazana ny Tenany? (Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ny Eksôdôsy 6:3 dia hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitra Tsitoha, ilay JEHOVAH Tompo. Ary moa tsy fantatr’izy ireo va ny anarako?” Jereo ihany koa ny Abrahama 1:16.)

  • Ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo manazava ny hevitry ny tenin’i Jesoa Kristy hoe: “Fony tsy mbola ary i Abrahama dia Izy Aho”? (Tokony ho fantatry ny mpianatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha sy ilay IZY AHO lehibe.)

Zarao ireto fanambarana manaraka ireto:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Izany no fanambarana mazava sy mivantana indrindra nataon’olona na azon’olona atao momba ny maha andriamanitra Azy. ‘Talohan’ny nisian’i Abrahama, dia efa nisy aho, Izaho Jehovah.’ Izany hoe: ‘Izaho no Andriamanitra Tsitoha, ilay IZY AHO lehibe. Izaho no Ilay Tokana Mandrakizay izay nisy noho ny herin’ny tenako ihany. Izaho no Andriamanitry ny razanareo. Ny anarako dia: IZAHO IZAY IZY’” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:464).

Jehovah no “anarana araka ny fanekempihavanana sady fiantsoana an’ilay Andriamanitry ny Isiraely. Izany dia manambara ‘Ilay Tsy Miova’” (Bible Dictionary, “Jehovah”).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha? (Tokony ahitana ity fahamarinana manaraka ity ny valiny: Andriamanitra dia nitantana hatrany ny filazantsarany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Jereo ihany koa ny 3 Nefia 15:5, izay mirakitra ny fampianaran’ny Mpamonjy fa hoe Izy no nanome ny lalàna.)

Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972):

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ny fanambarana rehetra hatramin’ny fahalavoana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay ilay Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha. … Ny Ray [Elôhima], dia tsy mbola nifandray mivantana na manokana tamin’ny olona hatramin’ny fahalavoana, ary tsy mbola niseho tamin’ny olona mihitsy raha tsy hoe mba hampahafantatra hijoro ho vavolombelona momba ny Zanaka” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:27).

  • Ahoana no ahafahanao manana finoana an’i Jehovah, na i Jesoa Kristy, rehefa mahafantatra fa tsy miovaova izy? (Ny valiny dia mety hoe ny fahalalana fa tsy miova i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hanana finoana fa tsy misy hafa amin’ny nitazonany ny fampanantenany tamin’ny vahoaka izay vakiantsika ao amin’ny soratra masina ny tantarany, dia hitazona ny fampanantenany amintsika koa Izy.)

Mariho fa tamin’ny vaninandro taoriana kelin’ny tantara farany ao amin’ny Baiboly dia noheverina ho masina loatra ka tsy azo tononina ilay anarana amin’ny teny Hebreo milaza an’i Jehovah (izay mazàna lazaina hoe Yahveh ao amin’ireo lahatsoratra). Ho an’ny Jodaisma ankehitriny, dia nosoloina ny teny hoe Adonai, izany, izay midika hoe “Tompo.”

Genesisy 13:14–16; 17:1–9; Mosesy 6:51–52, 64–66; Abrahama 1:18–19; 2:8–11

Efa fahiny i Jehovah no nametraka ny filazantsara mandrakizay

Iangavio ireo mpianatra izay efa miara-miasa tsiroaroa hamaky ny Mosesy 6:51–52, 64–66 ary hamantatra izay zavatra nampianarin’i Jehovah an’i Adama. Lazao azy ireo fa ao amin’ny andininy 51–52, i Jehovah dia miteny eo amin’ny toeran’ ny Ray. Anontanio avy eo hoe:

  • Inona no tsikaritrao mikasika ny filazantsara nampianarina an’i Adama? (Mitovy amin’ny filazantsara ampianarina ankehitriny ihany izany. [Jereo ny 2 Nefia 31:10–16 ho toy ny ohatry ny filazantsara izay nampianarina tany Amerika.] Azonao atao ny manantitrantitra io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fanoratana ity fanambarana ity eo amin’ny solaitrabe: Maharitra mandrakizay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary tsy miova nandritra ny fotoampitantanana ny filazantsara tsirairay izay nisy.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa tamin’ny fotoampitantanana taty aoriana i Jehovah dia nanavao ny filazantsarany mandrakizay tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana niarahana tamin’i Abrahama izay antsoina hoe ny fanekempihavanan’i Abrahama. Zarao roa ny mpianatra. Tendreo ny antsasaky ny mpianatra handalina ny Genesisy 13:14–16; 17:2–8; Abrahama 1:18–19; 2:8–11 ka hanao ny lisitr’ireo fampanantenana izay nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama. Tendreo ny antsasany sisa amin’ny mpianatra handalina ny Genesisy 17:1–5, 9; Abrahama 1:19; 2:8–11 ary hanao ny lisitr’ireo zavatra izay nasaina nataon’i Abrahama mba hahafahany mahazo ireo fitahiana nampanantenaina. (Fanamarihana: Rehefa mianatra ny fomba fitadiavana lisitra ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra, dia ho afaka hamantatra kokoa ireo teboka manan-danja izay ninian’ireo mpanoratra ny soratra masina antitranterina.)

Eo ampandalinan’ireo mpianatra dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao ity, ary asio malalaka hitanisana ny valiny:

Fanekempihavanan’i Abrahama

Fampanantenana natao tamin’i Abrahama

Andraikitr’i Abrahama

Omeo fotoana ampy izy ireo, ary avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy isaky ny andiany mba ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra izay zavatra hitan’izy ireo eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Azonao atao ny mamintina ny fanekempihavanan’i Abrahama amin’ny alalan’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity, ka mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

“Nandray ny filazantsara i Abrahama ary nohosorana ho amin’ny fisoronana avo (F&F 84:14; Abr. 2:11), ary niditra tao amin’ny fanambadiana selestialy, izay fanekempihavanan’ny fisandratana (F&F 131:1–4; 132:19, 29). Nahazo fampanantenana i Abrahama fa hatolotra ho an’ireo taranany eto an-tany ireo fitahiana rehetra entin’ireo fanekempihavanana ireo (F&F 132:29–31; Abr. 2:6–11). Ireo fanekempihavanana sy fampanantenana ireo mitambatra no atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama. Io fanekempihavanana io dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny Andro Farany, fa amin’ny alalan’izany no hitahiana ny firenena rehetra maneran-tany (Gal. 3:8–9, 29; F&F 110:12; 124:58; Abr. 2:10–11)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanan’i Abrahama”; scriptures.lds.org).

Antitrantero fa efa hatrany am-piandohana ny Ray no efa nanao fanekempihavanana tamin’ireo zanany mba hanangona azy ireo miaraka amin’ny alalan’ireo fahamarinana sy ôrdônansy ary fitahian’ny filazantsara mandrakizay. Tafiditra ao amin’ny famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny ny famerenana ny fanekempihavanan’i Abrahama amin’ny laoniny. Izany hoe: ny fanekempihavanan’i Abrahama dia ampahany manan-danja amin’ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizay, dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantaranao fa taranak’i Abrahama isika ary mpandova ireo fitahiana rehetra nampanantenain’ Andriamanitra taminy, eo amin’ny fomba fiainanao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana ho mafy orina kokoa sy ahafahantsika mahazo fitarihana eo amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika rehefa eo ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy ny taranany?

Asao ireo mpianatra hizara ireo fomba izay hahafahany mahazo ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ity fanekempihavanana ity, ho azy ireo manokana, sy ho an’ny fianakavian’izy ireo na efa lasa na ankehitriny na mbola ho avy.

Josoa 24:3–13; 1 Nefia 17:23–32

Nitahy sy nitantana an’i Isiraely fahiny i Jehovah

Lazao ny mpianatra fa anisan’ny fanekempihavanan’i Abrahama, dia nampanantena ireo fitahian’ny filazantsara i Jehovah ho an’ny taranak’i Abrahama sy ireo izay mitambatra amin’izy ireo. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky ny Josoa 24:3–13, ary ny antsasany ambiny hamaky ny 1 Nefia 17:23–32. Asao ireo mpianatra hitady ireo teny na andianteny izay mampianatra ireo zavatra izay nataon’i Jehovah ho an’ Isiraely fahiny. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Fintino eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Mba ahitana ny antony nahatonga an’i Jehovah nanao ireo zavatra sasantsasany izay nataony ireo dia miangavia mpianatra iray hamaky mafy ny Eksôdôsy 6:2–6. Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona ny antony nolazain’i Jehovah fa nahatonga azy nanao ireo zavatra izay novakianareo tao amin’ny Josoa sy 1 Nefia?

  • Inona no ambaran’izany aminao mikasika ireo fampanantenana izay nataon’ny Tompo taminao? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity: Rehefa miaina amim-pahatokiana isika dia hitazona ny fampanantenana izay nataony tamintsika ny Tompo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Koa satria Andriamanitra dia mahatoky hatrany ary mihazona hatrany ny fampanantenany tany aloha, dia afaka manantena amim-pahatokiana isika fa hitazona ny fampanantenana ataony amintsika Andriamanitra ankehitriny sy amin’ny ho avy. Amin’ny fotoanan’ny alahelo dia azontsika atao ny mifikitra mafy amin’ny fanantenana fa ny zavatra rehetra dia ‘hiara-hiasa ho tombontsoan[tsika]’ [F&F 90:24]” (“Ny Hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 23).

  • Ahoana no fomba ahafahanao mahazo fanampiana mandritra ny fitaom-pitsapana raha mahafantatra mikasika ny asa nataon’i Jehovah fahiny?

  • Inona no nataony ho an’i Isiraely fahiny ka mbola ho ataony ho anao ihany koa?

Mijoroa ho vavolombelona fa isaky ny fotoampitantanana tsirairay dia nomen’i Jesoa Kristy ny filazantsara mandrakizay ireo zanak’ Andriamanitra. Tahaka ny nandraisan’ireo vahoakan’ny fanekempihavanana fahiny ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny Tompo, no ahafahantsika mahazo izany ihany koa noho ny fankatoavantsika.

Vakitenin’ny Mpianatra