Seminera sy Institiota
Lesona 24: Velona Izy!


Lesona 24

Velona Izy!

Fampidirana

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy: “Ary ankehitriny, aorian’ ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy! (F&F 76:22). Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra fa velona ny Mpamonjy ankehitriny, Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray ary lasa “ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra” isika amin’ny alalan’ny finoana Azy (F&F 76:24; jereo koa ny Galatiana 3:26).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1; 76:19–24; 110:1–4

Velona i Jesoa Kristy ankehitriny

Vakio mafy ity tantara niainan’ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901) ity, izay notantarain’ny zafikeliny vavy, dia i Alice Pound:

Sary
Filoha Lorenzo Snow

“‘Teo amin’ilay lalantsara lehibe hiditra mankany amin’ny efitrano selestialy, rehefa nandeha lavidavitra nialoha an’ny dadabe aho dia najanony ary hoy izy: “Andraso kely ry Allie fa manana zavatra hotenenina aminao aho. Teto no niseho tamiko ny Tompo Jesoa Kristy tamin’ ny fotoana nahafatesan’ ny Filoha Woodruff. Naniraka ahy izy ny handehanako ary handamina avy hatrany ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana fa tsy hiandry tahaka ny tamin’ny nahafatesan’ireo filoha teo aloha ary izaho no voafidy handimby an’ny Filoha Woodruff.”

“‘Rehefa izany dia nandroso nanantona akaikikaiky kokoa i dadabe ary naninjitra ny tànany ankavia ka nanao hoe: “Teto izy no nitsangana, tokony ho iray metatra miala ny tany. Toy ireny nijoro teo ambonin’ny takela-bolamena ireny izy.”

“‘Nolazain’i dadabe ahy ny halehiben’ny voninahitry ny Mpamonjy ary nofaritany tamiko ny tànany, ny tongony, ny endriny ary ny akanjony fotsy tsara tarehy izay tena feno voninahitra ny hafotsiany sy ny famirapiratany ka nanano sarotra azy ny mijery Azy.

“‘Avy eo dia nanatona akaiky kokoa indray i [dadabe] ary nametraka ny tànany ankavanana teo ambonin’ny lohako ka nilaza hoe: “Tiako hotadidinao ry zafikely fa izany no fijoroana ho vavolombelona ananan’ny dadabenao, izay nolazainy anao tamin’ny vavany fa efa nahita ny Mpamonjy izy, tato amin’ny Tempoly, ary niresaka nifanatrika Taminy”‘ [Alice Pond, ao amin’ny LeRoi C. Snow, “An Experience of My Father’s,” Improvement Era, Sept. 1933, 677]” (Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow [2012], 238–39).

  • Inona no eritreritra tonga ao aminao raha mihaino ity tantara ity?

Lazao ireo mpianatra fa ahitana tantara roa momba ny nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny olombelona ny Fotopampianaranan sy Fanekempihavanana: ny iray dia ny nisehoany tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao Hiram, Ohio (jereo ny F&F 76), ary ny iray kosa dia ny nisehoany tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’ny Kirtland (jereo ny F&F 110). Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana telo manaraka ireto:

Inona no hitan’izy ireo? Inona no henon’izy ireo? Inona no nianaran’izy ireo?

Asaivo mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao anaty soratra masina ireo mpianatra. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24 ary ny antsasany hafa hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo. Soraty eo ambanin’ny fanontaniana mifanandrify aminy ireo zavatra hitany ireo. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no ampianarin’ireo andiny ireo momba an’i Jesoa Kristy? (Mety hamantatra karazana fotopampianarana maro ireo mpianatra, anisan’izany ny hoe: Olona velona sy feno voninahitra i Jesoa Kristy, olona roa miavaka tsara ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy, lasa ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena ny Filazantsarany ary i Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray.)

Omeo fahafahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana ireo ny mpianatra amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fahamarinana ireo no tena manan-danja manokana aminao ? Nahoana?

Lazao ireo mpianatra fa ny ambin’ny lesona dia hifantoka amin’ny anankiroa amin’ireo fotopampianarana hita avy amin’ireo andinin-tsoratra masina novakiany ireo: “i Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray” sy “lasa ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena ny filazantsarany.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 38:4; 45:3–5; Almà 33:3–11

I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe mpisolovava ary anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra ny dikan’izany. (Raha ilaina dia farito ny teny hoe mpisolovava ary hazavao fa izany dia olona iray izay miteny na misolo toerana amin’ny fiarovana olona iray hafa.) Asaivo mamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4 ny mpianatra. Manontania avy eo hoe:

  • Fomba ahoana no maha-mpisolovava ny Mpamonjy? (Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny hevitr’izy ireo dia mitadiava fahafahana mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray.)

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto na soraty eo amin’ny solaitrabe:

Inona no toetra ananan’i Jesoa Kristy ka maha Mpisolovava antsika Azy?

Inona no isarihan’i Jesoa Kristy ny sain’ny Ray rehefa miaro antsika izy?

Asaivo miasa tsiroaroa ireo mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny Hebreo 4:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5 sy 38:4 ary 45:3–5. Rehefa avy namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra sy nifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana eo amin’ny solaitrabe dia manasà mpianatra vitsivitsy izay nanolo-tena hizara ny valinteniny.

Rehefa manazava ny zavatra nianarany ireo mpianatra dia alaivo antoka tsara fa azon’izy ireo ny hoe: Mendrika ny hiaro antsika eo anoloan’ny Ray i Jesoa Kristy satria marina tanteraka Izy ka afaka hanefa ny fepetra takian’ny fahamarinana ho an’ny fahotantsika. Mendrika ny hiaro antsika Izy noho ny hatsarany miavaka, ny fiainany tonga lafatra ary ny rany izay nalatsany ho antsika. Tsy ananantsika ny fahatsarana izay ahafahantsika miaro ny tenantsika samirery (jereo ny Almà 22:14).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5 ary asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra. Hazavao fa ny asa sy ny voninahitry ny Ray any An-danitra dia ny fisandratan’ireo zanany. Noho izany, rehefa misolo vava an’ireo izay mino Azy i Jesoa Kristy, dia manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Ray izy sady manome voninahitra ny Ray ihany koa (jereo koa ny Matio 10:32).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpisolovava antsika Azy dia asaivo mamaky ny tenin’i Zenôsa ao amin’ny Almà 33:3–10 izy ireo. Asao izy ireo hamantatra ireo andian-teny izay naverimberin’i Zenôsa (fiovaovan’ny hoe “Ianao dia feno famindram-po” sy ny hoe “nandre ahy Ianao”). Manontania avy eo hoe:

  • Inona no nianaran’i Zenôsa momba an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny zavatra tsapany rehefa nivavaka tamin-kitsimpo izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 33:11. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Noho iza no nolazain’i Zenôsa fa nanomezan’ Andriamanitra ny indrafony lehibe?

  • Nahoana no mampihodina ny fitsarany hiala amintsika Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampianaran’i Zenôsa manampy anao hahatakatra sy hankasitraka bebe kokoa ny andraikitry ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpisolovava Azy eo amin’ny fiainanao manokana?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tena manan-danja lehibe tokoa amiko fa afaka manantona ny seza fiandrianan’ny famindrampo aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra amin’ny alalan’ny vavaka, sy ny hoe hihaino ny fangatahako ny Raiko any an-danitra, ary ny Mpisolovava ahy, Izy izay tsy nanao fahotana, izay nalatsa-drà, dia hiaro ahy. (Jereo ny F&F 45:3–5.)” (“I Know in Whom I Have Trusted,” Ensign, mey 1993, 83).

Mangataha mpianatra iray hanazava amin’ny teniny manokana ny fitsipika izay nampianarin’ny Loholona Christofferson. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fananan’ny tena manokana fijoroana ho vavolombelona momba ity fampianarana ity manampy antsika amin’ny fotoan’ny fahoriana?

Môsià 5:5–15

Lasa ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena ny filazantsarany

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 :24 ary asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra. Mariho ny teny hoe “tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy … dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra [isika]”

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona ny dikan’ny hoe “ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra”? (F&F 76:24; jereo koa ny F&F 25:1).

Alaivo antoka tsara ny hahatakaran’ireo mpianatra fa na dia zanaky ny Ray any An-danitra ara-panahy aza isika, ny hoe “ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra” dia mahakasika manokana ireo izay “ateraka indray.” Lazao ireo mpianatra fa maneho ny dingan’ny fahaterahana indray ny Bokin’i Môrmôna.

Asehoy ity tabilao manaraka ity na adikao eny amin’ny solaitrabe (aza ampidirina ireo teny ao anaty fononteny):

Inona no nokasain’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina hatao?

Inona no vokatry ny nataon’izy ireo?

(Nanao fanekempihavanana ny hankatò ireo didin’ Andriamanitra rehetra)

(Nitondra ny anaran’i Kristy)

(Nampihatra finoana an’i Kristy)

(Niova ny fon’izy ireo)

(Naterak’i Kristy izy ireo)

(Lasa Rain’ny fanekempihavanany i Kristy)

Fintino fohifohy ny hafatry ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Môsià 2–4. Hazavao avy eo fa ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny vahoakany, ary ny Fanahin’ny Tompo dia nitondra “fiovana mahery vaika” tao am-pon’izy ireo (jereo ny Môsià 5:2). Asaivo mandalina tsiroaroa ny Môsià 5:2–8, 15 ireo mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ao anatin’ny tabilao. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no ahafahanao ho lasa ateraka ho zanakalahy na ho zanakavavin’i Kristy araka ny nianaranao momba ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina? (Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa manaiky an’i Jesoa Kristy isika sy manao ary mitandrina ny fanekempihavanana fa hankatò ireo didin’ Andriamanitra dia lasa ateraka ho zanakalahy na ho zanakavavin’i Kristy.)

Rehefa miresaka ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia mety mila fanampiana izy ireo mba hahatakarana ilay fotopampianarana hoe afaka ho tonga zanak’i Kristy isika. Vakio mafy ity fampianaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) manaraka ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Lasa Raintsika ny Mpamonjy … satria manome fiainana, fiainana mandrakizay, ho antsika Izy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotana izay nataony ho antsika. …

“… Lasa zanaka, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hankatò Azy” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:29).

  • Inona avy ireo fitahiana afaka ho azontsika amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavin’i Jesoa Kristy antsika araka ny hita ao amin’ny Môsià 5:15?

  • Inona ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny maha-zanakalahy na zanakavavin’i Jesoa Kristy anao?

Eo am-pamaranana ny lesona dia amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny fitahiana ananany amin’ny fahafantarana fa velona ny Mpamonjy, Mpisolovava antsika eo anoloan’ny Ray Izy ary afaka ny ho zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy ao amin’ny fanekempihavanana isika.

Vakitenin’ny Mpianatra