2016
Ny Fanahy Masina
Mey 2016


Ny Fanahy Masina

Maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako ny Ray any An-danitra aho noho ny fanomezana ny Fanahy Masina izay amin’ny alalany no hanambarany ny sitrapony sy hanohanany antsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, androany dia miresaka amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo sy amin’ny maha-rain’ny raibe ahy aho. Ianareo sy ny taranaka malalako, no ampianariko sy ijoroako ho vavolombelona mikasika ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay miavaka tokoa.

Atomboko izany amin’ny alalan’ny fahalalana fa ny Fahazavan’i Kristy dia omena “ny lehilahy [sy vehivavy] izay tonga eo amin’izao tontolo izao.”1 Mahazo tombontsoa avy amin’io fahazavana masina io isika rehetra. “Ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zavatra rehetra”2 izany ary manome fahafahana antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy.3

Saingy ny Fanahy Masina dia tsy mitovy amin’ny Fahazavan’i Kristy. Mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra Izy, olona fanahy miavaka izay manana andraikitra masina, ary iray tanjona amin’ny Ray sy ny Zanaka.4

Afaka miaina ny fananana tsy tapaka ny Fanahy Masina ho namana isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika. Amin’ny alalan’ilay fisoronan’ Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny dia atao batisa asitrika isika ho famelana ny fahotana ary raisina ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany avy eo. Omena ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ireo mpihazona ny fisoronana isika ao anatin’izany ôrdônansy izany.5 Aorian’izany dia afaka mandray sy mitana ny Fanahy Masina ho namana isika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana lalandava ny Mpamonjy, ny fitandremana ny didiny sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika ary ny fandraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo amin’ny andro Sabata.

Ny Fanahy Masina dia manome fanambarana ho an’ny tena manokana mba hanampiana antsika handray ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana toy ny fianarana, ny asa fitoriana, ny asa fivelomana, ny fanambadiana, ny zanaka, ny toerana hipetrahantsika miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny sisa. Eo amin’ireo lafin-javatra ireo dia manantena antsika mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy sy handinika izany ao an-tsaintsika araka ny fitsipiky ny filazantsara ary hanolotra ny fanapahan-kevitra eo Aminy ao anatin’ny vavaka ny Ray any An-danitra.

Zava-dehibe ny fanambarana ho an’ny tena manokana saingy ampahany amin’ny asan’ny Fanahy Masina ihany izany. Ny soratra masina dia manamarina koa fa mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy Andriamanitra Ray ny Fanahy Masina.6 Mampianatra antsika “ny zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana”7 Izy ary mahatonga antsika “[hitombo fanantenana].”8 “Mitarika [antsika] hanao ny tsara … [sy] hitsara araka ny rariny”9 Izy. Omeny “[fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ny lehilahy sy vehivavy] … mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra.”10 Izy dia “manome [antsika] fahalalana”11 ary “[m]ampahatsiaro ny zavatra rehetra [amintsika].”12 Afaka ny “hohamasinina” isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina”13 ary handray ny “famelana ny fahotan[tsika].14 Izy ilay “Mpampionona,” ilay “nampanantenaina ny mpianatry ny [Mpamonjy].”15

Mampahatsiahy antsika rehetra aho fa tsy nomena mba hifehy antsika ny Fanahy Masina. Ny sasany amintsika dia mikatsaka tsy amim-pahendrena ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ireo fanapahan-kevitra madinika rehetra eo amin’ny fiainantsika. Mampihen-danja ilay anjara asany masina izany. Manaja ny fitsipiky ny fahafahana misafidy ny Fanahy Masina. Miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika moramora momba ireo zavatra maro tena manan-danja Izy.16

Mety samy hafa ny fahatsapantsika tsirairay ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ho tsapa amin’ny haheriny samihafa ny bitsiny arakaraka ny zavatra ilaintsika manokana sy ny toe-javatra iainantsika.

Amin’izao andro farany izao dia manamafy izahay fa ny mpaminany ihany no afaka mahazo fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Misy manadino izany ny sasany, toy ny tamin’ny fotoana niezahan’i Arona sy i Miriama nandresy lahatra an’i Mosesy mba hitovy hevitra amin’izy ireo. Saingy nampianarin’ny Tompo isika sy izy ireo. Hoy Izy hoe:

“Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia amin’ny fahitana no hisehoako aminy. …

“Mifanatrika no itenenako aminy.”17

Indraindray ny fahavalo dia maka fanahy antsika amin’ny alalan’ny hevitra diso izay mety afangarontsika amin’ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa hiaro antsika mba tsy ho voafitaka ny fahatokiana eo amin’ny fankatoavana ny didy sy ny fitandremana ny fanekempihavanantsika. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia ho afaka ny hanavaka ireo mpaminany sandoka izay mampianatra ny didin’olombelona ho fotopampianarana isika.18

Tsara ny mahatsiaro fa tsy afaka mahazo fanambarana ho an’ny hafa isika rehefa mandray ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina ho an’ny tenantsika. Nahafantatra tovolahy iray aho izay nilaza tamin’ny tovovavy iray hoe: “Nanofy aho fa ianao no ho vadiko.” Nisaintsaina an’izany zavatra nambara izany ilay tovovavy ary dia namaly hoe: “Rehefa manana nofy mitovy amin’izany aho dia hanatona sy hiresaka aminao.”

Mety alaim-panahy hamela ireo fanirian’ny tenantsika manokana handresy ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika rehetra. Nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra ny Mpaminany Joseph Smith mba hampindrana ireo pejy voalohan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 116 an’i Martin Harris. Nihevitra i Joseph fa hevitra tsara izany. Tamin’ny voalohany ny Fanahy Masina dia tsy nanome azy fahatsapana izay nanamafy izany. Navelan’ny Tompo hampindrana ireo pejy ihany anefa i Joseph tamin’ny farany. Narian’i Martin Harris izany. Nesorin’ny Tompo nandritra ny fotoana voafetra ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikana teny nomena ny Mpaminany ary nianatra lesona nankarary ny aina nefa nanan-danja i Joseph izay nisy fiantraikany teo amin’ny ambin’ny asa fanompoana nataony.

Tena zava-dehibe eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fanahy Masina. Notantarain’ny Mpaminany Joseph ny famakiany ny Jakoba 1:5 fony izy zazalahy hoe: “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay.”19 Ny fitarihan’ny Fanahy Masina no ilay hery nofaritan’i Joseph Smith. Nandeha tany anaty ala kely teo akaikin’ny tranony i Josefa vokatr’izany ary nandohalika mba hangataka amin’ Andriamanitra. Nanan-danja lehibe sy tena nahatalanjona tokoa ilay Fahitana Voalohany taorian’izany. Saingy ny lalana nitondra tany amin’ny famangian’ny Ray sy ny Zanaka mivantana dia nanomboka tamin’ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hivavaka.

Ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay nambara dia tonga avy amin’ny lamina iray dia ny mikatsaka amin’ny alalan’ny vavaka ary avy eo mandray sy manaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Eritrereto ireto ohatra ireto: fandikana ny Bokin’i Môrmôna, famerenana ny fisoronana sy ireo ôrdônansiny amin’ny laoniny, manomboka amin’ny batisa; ny fananganana ny Fiangonana—raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy fotsiny aho. Mijoro ho vavolombelona aho androany fa tonga araka io lamina masina io ihany koa ny fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy. Io no lamina masina ahafahana ihany koa mandray fanambarana ho an’ny tena manokana.

Midera an’ireo rehetra izay nanaraka ny Fanahy Masina izahay mba handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’ireo olona ao amin’ny fianakavian’i Joseph Smith manokana. Rehefa notantarain’i Joseph kely tamin’ny rainy ny mikasika ny famangian’i Môrônia azy dia nahazo fijoroana ho vavolombelona izay nanamafy izany taminy ny rainy. Tonga dia nesorina tamin’i Joseph ireo andraikiny tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana ary namporisihana mba hanaraka ny torolalan’ny anjely izy.

Ndeha isika hanao toy izany koa amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpitarika antsika. Ndeha isika hamporisika ny zanatsika sy ny hafa mba hanaraka ny torolalan’ny Fanahy Masina. Rehefa manao izany isika dia ndeha hanaraka ny ohatra asehon’ny Fanahy Masina ny tenantsika, mitarika amin’ny halemem-panahy, amin’ny hamoram-po, amin’ny hatsaram-panahy, amin’ny fahari-po sy amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.20

Ny Fanahy Masina dia mpampita fampahalalana eo amin’ny asan’ Andriamanitra sy eo amin’ny fianakaviana ary manerana ny Fiangonana. Noho ny fahatakarana izany dia te hizara ohatra momba ny Fanahy Masina izay niseho teo amin’ny fiainako sy teo amin’ny asa fanompoana tao amin’ny Fiangonana aho. Atolotro ho toy ny fijoroana ho vavolombelona manokana izany fa mitahy antsika rehetra ny Fanahy Masina.

Taona maro lasa izay dia nanao drafitra mba hanasa ny sasany tamin’ireo mpiara-miasa tamiko hamonjy sakafo hariva miavaka any an-tranonay izaho sy Rahavavy Hales. Rehefa teny an-dalana hody avy niasa aho dia nanana fahatsapana fa tokony handeha any an-tranon’ny mananotena iray izay izaho no mpamangy azy. Rehefa nandondona ny varavaran’ilay rahavavy aho dia nilaza izy hoe: “Nivavaka aho mba hahatongavanao aty.” Avy taiza izany fahatsapana izany? Avy amin’ny Fanahy Masina.

Indray mandeha taorian’ny aretina mafy nahazo ahy dia niahy fihaonamben’ny tsatòka iray aho. Nikasa ny handao avy hatrany ny trano fiangonana aho taorian’ny fivorian’ny mpitarika tao amin’ny fisoronana mba hitsitsiko ny heriko. Taorian’ny vavaka famaranana anefa dia niteny tamiko ny Fanahy Masina hoe, “Ho aiza ianao izany?” Nahazo fitaomam-panahy aho mba handray ny tanan’ny olona rehetra rehefa hivoaka ny efitrano izy ireo. Rehefa nandroso ny tovolahy loholona iray dia nandray bitsika aho mba hanome hafatra manokana ho azy. Niondrika izy, dia niandry ny masonay mba hifanojo aho ka afaka nilaza taminy hoe: “Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra, henoy ny Fanahy Masina, araho ireo bitsika voarainao dia hilamina ny zava-drehetra eo amin’ny fiainanao.” Taty aoriana dia niteny tamiko ilay filohan’ny tsatòka hoe nody vao haingana talohan’ny fotoana tokony hifaranan’ny asa fitoriany io tovolahy io. Ilay filohan’ny tsatòka, izay nanaraka fahatsapana mazava iray azony, dia nampanantena ny rain’ilay tovolahy fa raha entiny any amin’ny fivorian’ny fisoronana ny zanany lahy dia hiresaka aminy ny Loholona Hales. Nahoana aho no nijanona nandray ny tanan’ny olona rehetra? Nahoana aho no nijanona mba hiresaka tamin’io tovolahy anankiray io? Iza no loharano nahazoako torohevitra? Tsotra fotsiny: ny Fanahy Masina.

Tany am-piandohan’ny taona 2005 dia nahazo fitarihana mba hanomana ny hafatra iray ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho mikasika ireo misiônera mpivady zokiolona. Taorian’ny fihaonambe dia nisy rahalahy iray nitantara hoe: “Rehefa nihaino ny fihaonambe izahay … tonga dia nokasihin’ny Fanahin’ny Tompo ny ati-fanahiko. … Nazava ilay hafatra ho ahy sy ho an’ilay malalako. Mila mandeha manao asa fitoriana izahay ary izao no fotoana. Rehefa … nijery ny vadiko aho dia tsapako fa nahazo io fahatsapana io mihitsy koa avy amin’ny Fanahy izy.”21 Iza no nitondra izany valiny mahery vaika izay samy niara-tonga izany? Ny Fanahy Masina.

Amin’ny taranako manokana sy ireo rehetra izay afaka maheno ahy no anolorako ny fijoroana ho vavolombelona ananako mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny firotsahana tsy tapaky ny fitarihana isan’andro, ny fampitandremana, ny famporisihana, ny tanjaka, ny fanadiovana ara-panahy, sy ny fampaherezana ary ny fiadanana tonga eo amin’ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Miaina ny “hamaroan’ny halehiben’ny famindram-pon’[i Kristy]”22 sy ireo fahagagana izay tsy mitsahatra isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.23

Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa velona ny Mpamonjy. Maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako ny Ray any An-danitra aho noho ny fanomezana ny Fanahy Masina izay amin’ny alalany no hanambarany ny sitrapony sy hanohanany antsika eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.