2016
Loholona W. Mark Bassett
Mey 2016


Loholona W. Mark Bassett

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Isaky ny fotoam-pahavaratra i W. Mark Bassett fony zazalahy dia miainga miaraka amin’ny fianakaviany avy any an-tranony any amin’ny faritr’i Sacramento, Californie, Etazonia mba hamangy ny renibeny avy any amin’ny reniny any Alabama, Etazonia. Ataon’ny fianakaviana tsy tapaka izay hitsidihana ireo toerana manan-tantaran’ny Fiangonana mandritra ireo andro handehanan’izy ireo any.

Tsaroan’ny Loholona Bassett, na tamin’ny fitsidihana ny toerana manan-tantaran’i Nauvoo, Illinois izany na tamin’ny fandehandehanana tao amin’ilay Ala Kely Masina tao Palmyra, New York, ilay fahatsapana mahery vaika nananany—na dia zazalahy aza—rehefa nitsidika ireo toerana masina ireo izy.

“Nahatsapa zavatra izahay tany,” hoy izy. “Niorina tamin’ny alalan’izany ny fijoroana ho vavolombelona ananako, tamin’ny alalan’ny zavatra madinika niainana.”

Loharanon-kery ho an’ny Loholona Bassett nandritra ny fiainany izany fijoroana ho vavolombelona azony fony izy zatovolahy izany.

Naterak’i Edwina Acker sy William Lynn Bassett, tany Carmichael, Californie tamin’ny 14 aogôsitra 1966 ny Loholona Bassett ary faharoa amin’ireo zanaka dimy. Laharam-pahamehana teo amin’ny fianakaviany ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana sy ny fiainana ny filazantsara.

Rehefa avy nanompo tany amin’ny Misiônan’i Guatemala City Guatemala tamin’ny 1985 ka hatramin’ny 1987 ny Loholona Bassett dia nifindra tany Provo, Utah mba hianatra any amin’ny Brigham Young University. Nanambady an’i Angela Brasher tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 20 desambra 1989. Manan-janaka dimy izy ireo ary zafikely roa.

Nahazo mari-pahaizana momba ny haitoebola avy tao amin’ny BYU tamin’ny 1991 ny Loholona Bassett ary niverina nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany tany amin’ny faritr’i Sacramento taty aoriana mba hiasa ao amin’ny orinasa iray mpanao songom-barotra fiara amin’ny ambongadiny. Mpanara-maso ny asany tao amin’ny Brasher’s Sacramento Auto Auction ary tale misahana ny lafiny ara-bola tao amin’ny West Coast Auto Auctions, Inc. sy mpiara-tompon’izany izy, ka nanao songom-barotra fiara nanerana ny faritra andrefan’i Etazonia tamin’ny tao.

Nanompo tao anatin’ny andraikitra maro tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Bassett, ka tao anatin’izany dia efa filohan’ny Zatovolahin’ny paroasy, eveka, filankevitra avo, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Mesa Arizona nanomboka tamin’ny 2007 ka hatramin’ny 2010 ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy.