2016
Miisa 150 ny tempoly am-perinasa
Mey 2016


Miisa 150 ny tempoly am-perinasa

Nandritra ny fivoriana alahady maraina tao anatin’ny fihaonambe dia nanambara ny fisian’ny drafitra hanorina tempoly efatra fanampiny ny Filoha Thomas S. Monson: any Belém, Brésil; Quito, Équateur; Lima, Pérou; ary Harare, Zimbabwe.

Ireto ireo zava-nitranga mahakasika ny tempoly izay taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany:

Fanokanana sy famerenana ny fanokanana

Niaraka tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Provo City Center any Provo, Utah, Etazonia dia miisa 150 izao ny tempoly am-perinasa manerana an’izao tontolo izao. Notokanana tamin’ny 20 martsa 2016 ilay tempoly, izay andro vitsy talohan’ny tsingerintaona faha-180 ny 27 martsa 1836 nitokanana ny Tempolin’i Kirtland, izay tempoly voalohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny.

Tempoly telo hafa no notokanana na naverina notokanana: ny Tempolin’i Montréal Quebec tamin’ny nôvambra 2015, ny Tempolin’i Tijuana Mexique tamin’ny desambra 2015, ary ny Tempolin’i Suva Fidji tamin’ny febroary 2016.

Efa mipetraka koa ireo fotoana hanaovana ny fanokanana ho an’ny Tempolin’i Sapporo Japon Temple, izay hatao ny 21 aogôsitra 2016; ny Tempolin’i Philadelphia Pennsylvanie izay hatao ny 18 septambra 2016; ny Tempolin’i Fort Collins Colorado izay hatao ny 16 ôktôbra 2016; ny Tempolin’i Star Valley Wyoming izay hatao ny 30 ôktôbra 2016; ary ny Tempolin’i Hartford Connecticut izay hatao ny 20 nôvambra 2016.

Haverina hotokanana amin’ny 4 Septambra 2016 ny Tempolin’i Freiberg Allemagne izay nohavaozina.

Fanorenana sy Fanavaozana

Mitohy ny fanorenana ny Tempolin’i Concepción Chili, ny Tempolin’i Paris France, ny Tempolin’i Rome Italie, ary ireto tempoly manaraka ireto any Etazonia: Cedar City Utah, Meridian Idaho, ary Tucson Arizona. Manomboka 2016 ka hatramin’ny 2018 ireo daty famitana ny asa. Efa mananontanona ireo asa fanorenana lehibe ho an’ny Tempolin’i Fortaleza Brésil. Mandalo fanavaozana ireo tempoly any Franckfort Allemagne, Jordan River Utah, ary Idaho Falls Idaho.

Fangadiana fototra

Nisy ny fangadiana fototra natao ho an’ny Tempolin’i Lisbonne Portugal tamin’ny desambra 2015 ary ho an’ny Tempolin’i Barranquilla Colombia sy ny Tempolin’i Kinshasha Repoblika Demôkratikan’i Congo tamin’ny febroary 2016. Natao ny 9 aprily 2016 ny fangadiana fototra ho an’ny Tempolin’i Durban Afrika Atsimo.

Fanaovana drafitra sy fanomanana

Ireto tempoly ireto dia efa nambara saingy mbola ao anatin’ilay dingana hoe fanaovana drafitra sy fanomanana izy ireo: Abidjan Côte d’Ivoire, Arequipa Pérou, Bangkok Thailande, Port-au-Prince Haiti, Rio de Janeiro Brésil, Urdaneta Philippines, ary Winnipeg Manitoba.