2016
Loholona Evan A. Schmutz
Mey 2016


Loholona Evan A. Schmutz

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona Evan Antone Schmutz dia feno fankasitrahana noho ireo traikefa nitondra fanambarana nankinin’ny Tompo taminy. Ny fiovampony ho an’ny filazantsara dia nihalalina tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina tsy tapaka, ny fanompoana ao amin’ny fanjakana, ary ny fankatoavany ny fanoloran-tenany tamin’Andriamanitra.

Ny Loholona Schmutz, izay teraka tamin’ny 6 jona 1954 tao St. George Utah, Etazonia ary zanak’i Richard sy Miriam Schmutz, dia nianatra hatramin’ny mbola kely mikasika ny herin’ny vavaka. Fony izy Lovitao dia nahavita nivarotra tapakila nitotaly $17 tao amin’ny fivoriana lehibe iray izy saingy tsy hitany mihitsy izay nisy ilay vola rehefa tonga ny fotoana hamerenana izany. Namporisika azy hivavaka ny reniny ka dia nampahafantarin’ny Tompo azy ny tena toerana nisy ilay vola. Izany dia fanamafisana tamin’ny fomba mahery vaika ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahalalan’Andriamanitra azy.

Teo amin’ny faha-18 taonany ny Loholona Schmutz dia namoy ny zokiny vavy noho ny lozam-piarakodia. Nisy fiantraikany goavana teo aminy izany, ka niteraka zavatra niainana ara-panahy tena manan-danja.

Fotoana fohy taorian’izay dia nahazo antso hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy ka lasa nanaraka fampiofanana. Nivavaka izy mba hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny filazantsara. Rehefa nandinika ny mpampianatra sasany nampianatra momba ny Fahitana Voalohany izy dia nilaza hoe: “Nahazo fijoroana ho vavolombelona mahery vaika tokoa aho ka saika tsy afaka nijanona tao amin’ilay efitra intsony.”

Rehefa avy nanompo tao amin’ny Misiônan’i Greensboro Caroline Avaratra ny Loholona Schmutz dia nataony izay hanohizana ny fandalinana ny soratra masina isan’andro mandritra ny androm-piainany sisa. “Nahazo fifaliana lehibe sy nianatra ho an’ny tenako manokana ary nahazo fahatakarana aho tamin’ny alalan’ny fandalinana isaky ny vao maraina nandritra ny fotoana maharitra dia maharitra.”

Nanambady an’i Cindy Lee Sims ny 3 febroary 1978 tao amin’ny tempolin’i Provo Utah ny Loholona Schmutz. Nahazo mari-pahaizana momba ny teny Anglisy sy doctorat momba ny lalàna avy tao amin’ny Brigham Young University ny Loholona Schmutz. Niasa tao amin’ny orinasa maro misahana ny lalàna izy nanomboka tamin’ny 1984 ka hatramin’ny 2016.

Tao anatin’ny fikarakarana ireo zavatra nilain’ireo zanaka dimy, ny Loholona Scmutz dia efa mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Cebu Philippines (2011–14), filohan’ny sampana tao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera, ary mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahadimy ao amin’ny Fitopololahy.