2016
Loholona Weatherford T. Clayton
Mey 2016


Loholona Weatherford T. Clayton

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona Weatherford T. Clayton dia feno fankasitrahana lehibe noho ny fahafahany manompo. Laharam-pahamehana aminy ny asan’ny Tompo. Mahatsapa fitiavana lehibe ho an’ny olona sy fifandraisana matanjaka amin’ny fianakaviany izy.

“Afaka miara-mivory ao an-trano avokoa izahay miaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” hoy ny Loholona Clayton. “Nahatsapa ny ohatra tsara avy amin’ireo izay niaina talohantsika ny fianakaviako. Tena misy tahaka ireo olona izay misy amin’izao fotoana izao izy ireo.”

Ny Loholona Clayton izay teraka tao Californie Etazonia tamin’ny 1 martsa 1952, zanak’i Whitney Clayton Jr. sy Elizabeth Touchstone Clayton, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fampianarana isan-tokantrano fony izy zatovo. Noho ny ezaka nataon’ny mpampianatra isan-tokantrano iray dia nanaiky ny hanao fanekempihavanana masin’ny filazantsara izy sy ny fianakaviany, fony izy 12 taona ary nofehezin’ny Loholona Harold B. Lee izay tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1964.

Rehefa mieritreritra ny fomba nanomanan’ny Tompo azy mba hanompo ny Loholona Clayton dia nilaza izy fa matetika izy no nentanim-panahy noho ireo ohatra avy amin’ny hafa: “Nojereko ny fomba nanokanan’ireo namana sy fianakaviana ny fiainan’izy ireo ho an’ny Tompo ka hitako ny fifalian’izy ireo tamin’ny asa fanompoana natolony an’Andriamanitra.”

Taorian’ny nanaovany asa fitoriana tao amin’ny Misiôna Frantsay Kanadiana dia niditra nianatra tany amin’ny University of Utah izy, ary tao no nihaonany tamin’i Lisa Thomas. Nivady tamin’ny 16 martsa 1976 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo. Manan-janaka dimy izy ireo.

Ny Loholona Clayton dia nahazo mari-pahaizana momba ny psychologie ary nahavita fianarana ho mpitsabo tao amin’ny University of Utah. Gynécologue-obstétricien tao amin’ny cabinet médical tsy miankina izy nanomboka tamin’ny 1985 ka hatramin’ny 2013, mialoha ny fiantsoana azy ho filohan’ny Misiônan’i Toronto Canada.

Efa mpitarika ny asa fitoriana tao amin’ny paroasy izy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, filohan’ny Zatovolahy, mpanoro hevitra momba ny tantaram-pianakaviana, mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary filohan’ny tsatòka.