2016
Loholona Joaquin E. Costa
Mey 2016


Loholona Joaquin E. Costa

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Namana iray nanao izay hiarahany tamin’ny olona iray no nametraka an’i Joaquin Esteban Costa teo amin’ny lalana izay nitondra tamin’ny fiovampony ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fanambadiana tany amin’ny tempoly ary ny andraikitra maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

I Joaquin Costa dia teraka tamin’ny 8 martsa 1965 ary zanak’i Eduardo J. Costa sy Graciela M. Fassi. I Alin Spannaus, izay mpianatry ny oniversite tao Buenos Aires Argentine, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra amin’izao fotoana izao, no nampifankahalala azy tamin’i Renee Varela. I Renee izay zanaka mpikambana Olomasin’ny Andro Farany dia nisalasala talohan’ny nanekeny hampiaraka tamin’ilay lehilahy 21 taona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa avy nampiaraka intelo taminy i Renee dia nanapa-kevitra fa “tiany be loatra ilay lehilahy” ka dia tsapany fa tsy tokony hampiaraka intsony izy ireo.

Nanaiky ny antso hanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Chili Osorno i Renee. Taorian’ny nodian’i Renee dia nataon-drahalahy Spannaus izay hanatrehan’izy sy i Joaquin fety iray, ary tao amin’izany fety izany no nangatahan’i Joaquin azy hampiaraka taminy. “Nivavaka aho dia nanapa-kevitra ny hanome azy fahafahana,” hoy Rahavavy Costa.

Vetivety i Joaquin dia nianatra mikasika ny Fiangonana. Rehefa nianatra niaraka tamin’ny misiônera izy dia nangataka azy hivavaka sy hamaky ny Bokin’i Môrmôna hatrany amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany i Renee.

“Tsy voavakiny hatramin’ny farany akory izany dia efa nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka izy,” hoy Rahavavy Costa. “Tsy natao batisa mba hamalifaliana ahy fotsiny izy. Mbola nampiaraka nandritra ny taona iray fanampiny izahay ary taorian’izay dia nivady tao amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine.

Nahazo mari-pahaizana licence en économie tamin’ny 1987 avy tao amin’ny University of Buenos Aires ny Loholona Costa. Nifindra tany Provo Utah Etazonia izy ireo raha vao nivady ary tany izy no nahazo mari-pahaizana maîtrise en administration d’entreprise tamin’ny 1994 avy ao amin’ny Brigham Young University. Nipetraka tao Chicago Illinois Etazonia izy ireo sy ilay fianakaviany vao nitombo, izay nahitana zanaka efatra, ary tamin’izany izy dia niasa tao amin’ny orinasa mampindram-bola orinasa any amin’ny firenena maro sy nahitana sampan-draharaha misahana ny lafiny rehetra ara-bola. Ny asany tany amin’ny banky dia nampiverina ny fianakaviany tany Argentine nandritra ny taona vitsy ary taorian’izay dia tany amin’ny Repoblika Tchèque sy ny Sultanat d’Oman. Nandritra ireo roa taona lasa dia nipetraka tany Lima Pérou izy sy ny fianakaviany, izay toerana niasany niaraka tamin’ny orinasa Danois mpampindram-bola iray izay nifantoka tamin’ny fampindramam-bola orinasa madinika.