2016
Fanampiana ireo mpitsoa-ponenana: ‘Mpivahiny aho’
Mey 2016


Fanampiana ireo mpitsoa-ponenana: “Mpivahiny aho”

Rehefa nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga maneran-tany dia manasa ny vehivavy amin’ny sokajin-taona rehetra mba hanompo ireo mpitsoa-ponenana eo amin’ny faritra misy azy ireo sy eo amin’ny fiarahamonina eo an-toerana amin’ny alalan’ny asa fifanampiana antsoina hoe “Mpivahiny aho” (jereo ny Levitikosy 19:34; Matio 25:35).

“Maro amintsika no afaka ny hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny finamanana sy ny fanampiana akaiky ary fanehoana fitiavana sy fanaovana fanompoana tahaka ny an’i Kristy,” hoy Rahavavy Linda K. Burton izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Ny fanaovana asa fanompoana toy izany dia ampahany fototra amin’ny filazantsara.

“Nampahatsiahivina ahy ilay soratra masina izay milaza fa isika dia tsy tokony ‘[h]anadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany’ [Hebreo 13:2],” Hoy Rahavavy Burton. “Entaninay ireo rahavavy hikatsaka amim-bavaka ireo fahafahana hanompo sy hikaroka fomba hanohanana ireo fikambanana azo antoka eo anivon’ny fiarahamonina sy fikambanana mpanao asa ho an’ny mpiara-belona. Mety hahita hevitra hanampy anao ianao ao amin’ny IWasAStranger.lds.org, ary afaka mizara traikefa amin’ny fandefasana email any amin’ny IWasAStranger@ldschurch.org.”

Nisy taratasy avy any amin’ny Fiadidiana Voalohany mikasika ny “Mpivahiny aho ” nalefa tany amin’ireo filankevitry ny tsatòka sy paroasy ary sampana tamin’ny faran’ny volana martsa. Misy torolalana ho an’ny mpitarika nampiarahana tamin’ilay taratasy. “Ireo rahavavy dia afaka mandray anjara amin’ity ezaka ity rehefa mamela azy hanao izany ny fotoana ananany sy ny toe-javatra misy azy,” hoy ny torohevitra avy amin’ilay taratasy “ary ilaina ny maka antoka fa tsy misy na iza na iza takina ‘[hihazakazaka]haingana kokoa noho izay tratry ny heriny’ ary ‘ireo zavatra rehetra [dia atao] amin’ny fahendrena sy ny filaminana’ (Môsià 4:27).” Nisy taratasy iray avy amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 27 ôktôbra 2015 izay namporisika ihany koa ny mpikambana rehetra hanao asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy ho an’ireo izay mila fanampiana.

Vao haingana ihany koa no nozaraina mandritra ny fivorian’ireo rafitra ireo ny taratasy iray avy amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga maneran-tany izay manome fanazavana bebe kokoa momba ny “Mpivahiny aho ”.