2016
Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika
Mey 2016


Niteny tamintsika izy ireo

Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Ho an’ny ankizy

  • Pejy 86 Niresaka momba ny zava-nitranga iray tao amin’ny Les aventures d’Alice aux pays des merveilles ny Filoha Thomas S. Monson mba hanehoana fa manan-danja ny fanapahan-kevitra. Namporisika antsika izy mba hisafidy ny tsara, na dia izany aza no lalana sarotra kokoa. Resaho ao amin’ny fianakavianao ireo fanapahan-kevitra sarotra izay mila raisinareo. Inona no zavatra azonareo atao mba hifanampiana amin’ny fisafidianana ny tsara? Mba hanaovana fiaraha-mientana dia manaova sarina ampinga misy soratra hoe FNT (Fidio Ny Tsara) eo amin’ny taratasy lehibe iray ho atao peta-drindrina dia soraty eo ny hevitrareo. Antony amin’ny toerana izay ahafahan’ny fianakavianao mahita azy matetika izany avy eo.

  • Pejy 101: Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny tanàna iray any Allemagne izay ravan’ny ady kanefa taty aoriana dia narenina sy naverina ho kanto indray. Nampianatra ny Filoha Uchtdorf fa rehefa mahatsiaro isika fa simba ny fiainantsika dia afaka manarina antsika ny Ray any An-danitra. Inona ireo ohatra izay nahitan’ny fianakavianao zavatra rava ka lasa niverina ho kanto sy matanjaka indray? Zarao amin’ny zanakao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Pejy 53: Namporisika antsika ny Loholona Mervyn B. Arnold ao amin’ny Fitopololahy mba “handeha hamonjy” amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana ho an’ireo mpikambana malaindaina sy ireo namantsika tsy mpikamban’ny Fiangonana. Eritrereto miaraka amin’ny fianakavianao ny fomba ahafahanao manolo-tanana ho an’ireo izay tsy tonga tany am-piangonana elaela na ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Inona no azonao ato mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa? Mieritrereta fomba mahafinaritra iray hamolavolana drafitry ny fianakaviana ho an’ny asa fitoriana izay misy tanjona tsotra sy azo tanterahina.

  • Pejy 13: Nanasa antsika ny Rahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, mba handinika ombam-bavaka ny fomba ahafahantsika manampy ireo mpitsoa-ponenana ao amin’ny fiarahamonina misy antsika. Tsidiho miaraka amin’ny fianakavianao ny pejy IWasAStranger.lds.org ary jereo ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Mpivahiny aho: Mifankatiava.” Inona ireo zavatra sasantsasany azon’ny fianakavianao atao mba hanompoana ireo mpiara-monina aminao izay mila fanampiana?

Ho an’ny tanora

  • Pejy 86: Nilaza ny Filoha Monson hoe: “Savily madinika no mampisokatra ny varavaran’ny tantaran’ny zanak’olombelona, ary torak’izany koa ny fiainan’ny olona.” Nilaza ihany koa izy hoe: “ny lalana arahantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity no mitondra mankany amin’izay hitobiantsika any amin’ny fiainana any ankoatra.” Eritrereto ireo safidy lehibe izay hataonao eo amin’ny fiainanao. Alaivo sary an-tsaina hoe mety hitondra anao mankaiza ireo safidy ireo, ary ataovy lisitra ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao.

  • Pejy 46: Nilaza ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka tamin’ny zatovo iray, Joseph Smith, izay nametraka fanontaniana.” Nilaza ny Loholona Rasband fa ny fanontaniana dia maneho faniriana hianatra sy manampy fahamarinana ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy” (2 Nefia 31:20). Ento eo amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ireo fanontanianao, diniho ny soratra masina sy ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, ary jereo sy henoy tsara ny valiny.

  • Pejy 10: Efa nahatsiaro ho natahotra na manirery ve ianao? Ny Rahavavy Neill F. Marriott, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nizara ny zavatra nitranga taloha kelin’ny fanambadiany. Lavitra ny tranony izy ary hiara-hitoetra amin’ny havan’ilay ho vadiny izay tsy mbola hitany mihitsy. Rehefa tonga tao amin’ny tranon’ilay havam-badiny ny Rahavavy Marriott dia hoy izy: “Nivoha ny varavarana … tsy niteny i Nenitoa Carol fa nanatona sy namihina ahy.” Nampanjavona ny tahony izany fotoana izany. “Ny fitiavana dia mampisy toerana ho an’ny olona hafa eo amin’ny fiainanao,” hoy izy. Misy olona azonao omena toerana ve?

  • Pejy 70: Nampianatra ny Rahalahy Stephen W. Owen, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany, fa isika rehetra dia sady mpitarika no mpanara-dia. Nizara zavatra iray niainany tamin’izy nihaona tamin’ny andiana zatovolahy izay nifanohana sy nifamporisika tao amin’ny kôlejy nisy azy ireo izy. Nilaza izy hoe: “Ny fitarihana dia fanehoana ny maha-mpianatra—resaka fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy tsotra izao izany.” Misafidiana olona izay azonao ampiana hanatona an’i Kristy amin’ity herinandro ity.

Ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony

  • Pejy 101: Te hiaro ny finoanao mba tsy hanjavona ve ianao? Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa ny fankatoavana no valin’izany! “Ny fankatoavana no manome hery ny finoana,” hoy izy. “Amin’ny alalan’ny fankatoavana no hahazoantsika fahamarinana sy voninahitra.” Mieritrereta fotoana iray izay nankatoavanao ny tenin’ny Tompo na dia sarotra aza izany. Nampahatanjaka ny finoanao sy nanampy anao hahafantatra ny zavatra nanamboarana anao tamin’ny fomba ahoana ny fankatoavanao?

  • Pejy 23, 59, ary 105): ny Rahavavy Mary R. Durham, izay vao nisaorana tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia niantso ny Fanahy Masina hoe “loharanon-kery avy amin’ Andriamanitra.” Vakio ny lahateny nataony sy ny lahatenin’ny Loholona isany David A. Bednar sy Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Raiso an-tsoratra ireo anjara asa maro izay hazonin’ny Fanahy Masina sy ireo fomba ahafahany mitahy anao. Mametraha tanjona mba hanova zavatra eo amin’ny fiainanao mba hahafahanao ho lasa mendrika kokoa ny hahazo ny fitaomany.

  • Pejy 26 sy 124: Manokana fotoana hametrahana amin’ny tenanao ireo fanontanian’ny Loholona Donald L. Hallstrom ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe: “Rehefa mitranga eo amin’ny fiainantsika ny zava-tsarotra, inona ny zavatra tonga dia ataontsika? Moa ve miteraka fisafotofoan-tsaina na ahiahy na fisintahana ara-panahy izany? Moa ve fandonana tampoka ny finoantsika izany? Moa ve manome tsiny an’ Andriamanitra sy ny hafa isika noho ny toe-javatra izay iainantsika? Sa ve ny fihetsitsika voalohany dia ny mahatsiaro hoe … isika dia zanak’ Andriamanitra be fitiavana?” Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra.” Afaka manampy anao haharitra amin’ny zava-tsarotra amin’ny fomba ahoana ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ Andriamanitra anao?

Ho an’ny olon-dehibe

  • Pejy 86: Nilaza ny FilohaThomas S. Monson fa rehefa mandinika ny fanapahan-kevitra ataontsika isan’andro isika, “raha misafidy an’i Kristy isika dia efa nanao ny safidy tsara.” Inona ireo fomba fanao ara-pivavahana amin’ny andavanandro izay azonao kolokoloina na hamafisina eo amin’ny fiaina-nao sy ao amin’ny fianakavianao mba hijanonan’i Kristy ho ivon’ny fanapahan-kevitrao?

  • Pejy 81 sy 93: Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika ireo raim-pianakaviana mba hanao izay fanovàna ilaina hitondrana ny fianakavian’izy ireo ho any amin’ny fanjakana selestialy. Amin’ny maha-ray anao, inona no azonao atao, mba “[hampisehoana] hoe toy ny ahoana izany fahatokiana an’ Andriamanitra izany eo amin’ny fiainana andavanandro” raha ny tenin’ny Loholona Christofferson no ampiasaina?

  • Pejy 77: Amin’ny fanaovana fiantrana, na ny fianakaviana miatrika olana lehibe aza dia afaka ny hahomby, hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Na inona na inona ny olana sedrain’ny fianakavianareo, na inona na inona mila ataonareo mba hamahana izany olana izany,” hoy izy ho fanampin’izany, “ny fiandohana sy ny fiafaran’ny vahaolana dia fiantrana.” Diniho ao amin’ny fianakavianao ilay torohevitra ao amin’ny soratra masina mba “[hivavaka] amin’ny Ray … mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany” (Môrônia 7:48).

  • Pejy 63: Nilaza ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly fa ny filankevitry ny mpianakavy tsy tapaka dia “hampihena ny fiantraikan’ny teknôlôjia maoderina izay matetika mahatonga antsika tsy handany fotoana tsara miaraka sy toa mitondra mivantana ny ratsy ao an-tokantranontsika koa.” Azonao atao ny mampihatra ao amin’ny fianakavianao ireo karazana filankevitry ny mpianakavy miisa efatra izay naroson’ny Loholona Ballard fa “hanampy antsika ho mahomby sy ho sambatra kokoa ao amin’ireo fifandraisana sarobidy ananantsika.”