2016
Mitombo ny Fiangonana any Afrika
Mey 2016


Mitombo ny Fiangonana any Afrika

Nitohy niakatra ambony ny fitomboan’ny Fiangonana any Afrika tao anatin’izay 30 taona lasa izay. Niisa 1600 ny isan’ireo rantsana tao Afrika tany am-piandohan’ny taona 2016, ary dimy hetsy mahery ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana—izany hoe nitombo avo 11 heny ny paroasy sy sampana ary nitombo avo 20 heny ny mpikambana raha oharina tamin’ny taona 1985.

Nanorina tsatòka miisa 17 nanerana an’i Afrika ny Fiangonana tamin’ny 2015.

Ny fifantohan’ny filazantsara amin’ny fianakaviana no lazain’ny mpitarika fa anisan’ny farafahakeliny loharano nahazoana izao fitomboana izao. Hoy i João Castenheira, filohan’ny tsatòka any Maputo, Mozambique hoe: “Mitady fiangonana mitondra fifaliana ho azy ireo ny mpikambana ary ny filazantsaran’i Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mitondra fifaliana ho an’ny fianakaviana.”

“Tena mahatsapa aho fa izao no fotoana ho an’i Afrika,” hoy ny Loholona Edward Dube ao amin’ny Fitopololahy, izay terak’i Zimbabwe. “Miasa ao amin’ny kaontinanta ny tanan’ny Tompo.”