2016
Loholona S. Mark Palmer
Mey 2016


Loholona S. Mark Palmer

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sarobidy sy tsy dia nananam-piry ny fotoana ho an’ny Loholona S. Mark Palmer sy i Jacqueline vadiny tamin’ny 1992.

Nanompo tao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòka ny Loholona Palmer tamin’izany fotoana izany. Niasa mafy koa izy mba hananany asa tsara. Feno dia feno ny fotoan-drahavavy Palmer. Nitaiza zanaka enina ry Palmer mivady tany amin’ny toeram-ponenany tany Austin, Texas, Etazonia—ka nisy zazalahy kely enim-bolana tamin’izy ireo.

Rehefa notoloran’ny filohan’ny tsatòkany fanasana izy ireo mba ho mpiasa ao amin’ny Tempolin’i Dallas Texas, dia tsy fantatr’izy ireo hoe ahoana no fomba ahafahana misahana andraikitra iray hafa indray. Kanefa neken’izy ireo ilay antso—ary dia nivavaka mba hahazo ny fanampian’ny Tompo izy ireo.

Nitaky fahafoizan-tena sy fanaovana drafitra tsara ny fanaovana dia isam-bolana mba hanompo mandritra ny iray andro manontolo any amin’ny tempoly. “Saingy nitondra fitahiana be dia be teo amin’ny fiainanay izany,” hoy ny Loholona Palmer.

Nampiany hoe, nanomana azy ara-panahy tamin’ireo antso ao amin’ny fisoronana taty aoriana ny fanompoana tany amin’ny tempoly. Nahatonga azy ho vady sy ray tsara kokoa ihany koa izany—ary nahita filaminana izy tao anatin’ilay fiainana feno zavatra atao.

Hoy izy hoe: “Ny fandehanana matetika any amin’ny tempoly dia manampy anao hametraka indray ireo laharam-pahamehanao ary hahatsiaro ireo fanekempihavanana nataonao.”

Teraka tamin’ny 11 febroary 1956 tany Te Puke, Nouvelle Zélande i Stanley Mark Palmer. Zanak’i Kenneth sy Jill Palmer izy. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviany fony izy ankizilahy. Nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Wellington Nouvelle Zélande izy.

Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana licence tany amin’ny University of Auckland, dia nirotsaka nanaraka ilay fandaharam-pianarana hahazoana maîtrise en administration d’entreprise tao amin’ny Brigham Young University izy. Rehefa nipetraka tao Provo, Utah, Etazonia izy, dia nihaona tamin’ny misiônera iray vao avy nahavita asa fitoriana antsoina hoe Jacqueline Wood nandritra ny fampihaonana olon-droa tsy mifankafantatra iray. Nivady tamin’ny 18 desambra 1981 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo. Manan-janaka enina ry Palmer mivady ary zafikely sivy.

Nanorina ny SMP Ventures ny Loholona Palmer ary filohan’izany izay orinasa iray mpividy sy mpivarotra trano aman-tany. Efa eveka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Spokane Washington (2009–12) izy, sy filoha vonjimaikan’ny Misiônan’i Sydney Atsimo Australie (2014), ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.