2016
Loholona Peter Meurs
Mey 2016


Loholona Peter F. Meurs

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony izy zatovo dia nipetraka teo akaikin’ny mpifanolobodirindrina iray izay nanana tsena “fanamboarana izay rehetra simba” ho an’ny fitaovana fambolena i Peter Meurs sy ny fianakaviany. Nandany fotoana betsaka tao amin’ilay tsena i Peter sy ny namany akaiky nanamboamboatra ireo fitaovana fambolena ka nanamboatra bisikileta kely sy nandeha nilalao kalesa. Nianatra ho injienera momba ny mekanika tao amin’ny Monash University tany Melbourne Australie i Peter taty aoriana.

Raha mbola nanohy ny fianarany izy teo amin’ny faha-18 taonany dia nampahafantatra an’ilay oniversite fa mila miato roa taona izy mba hanao asa fitoriana filazantsara ho an’ny Fiangonana. Nolazaina azy fa herintaona ihany no azony hanemorana ny fianarany. Ny fanemorana izany maharitra kokoa dia nidika fa tsy afaka hanohy ny fianarana nataony intsony izy. Nanapa-kevitra ny tsy hanompo izy.

Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nandre ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) izy nanambara nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana fa tokony hanao asa fitoriana ny filazantsara ny zatovolahy mendrika rehetra (jereo ny “Planning for a Full and Abundant Life,” Ensign, mey 1974, 87).

“Toy ny hoe niresaka tamiko izy. Niantraika mafy tamiko izany,” hoy ny Loholona Meurs rehefa nitantara izany. Napa-kevitra ny hanompo ihany izy nony farany. Herinandro talohan’ny nandehanany dia nahazo taratasy avy amin’ilay oniversite izy, izay namela azy hanemotra ny fianarany roa taona.

Niverina nianatra i Peter taorian’ny asa fitoriana nataony, kanefa ny asa fitoriana nataony hoy izy no “fanabeazana tsara indrindra azoko.” Ny filazantsara dia nampianatra azy fa “ny fanampiana ny olona hahomby no fitsipiky ny fitarihana izay manan-danja indrindra.”

Rehefa nahazo licence tamin’ny fianarana ho injienera mikasika ny mekanika ny Loholona Meurs dia injeniera mpisahana tetikasa tao amin’ny Esso Australia no asany ary izy dia mpiara-miasa nanorina ny WorleyParsons Limited. Vao haingana izy no talen’ny fampandrosoana ara-bola tao amin’ny Fortescue Metals Group.

Taorian’ny asa fitoriana nataony dia nanambady an’i Maxine Evelyn Thatcher, teraka tamin’ny 2 janoary 1979 tao amin’ny tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande izy, izay vehivavy iray antsoiny hoe namany akaiky. Manan-janaka 4 izy ireo ary zafikely sivy.

Ny Loholona Meurs—teraka tamin’ny 21 desambra 1956 tao Warrnambool Victoria, Australie, izay zanak’i Frederik sy Lois Jones Meurs—dia nanompo tao amin’ny antso maro, ka tao anatin’izany dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona izy, mpitendry ôrga tao amin’ny paroasy, filohan’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy sy sampana, talen’ny affaires publiques, filohan’ny sampana sy distrika, eveka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.