2016
Namboarina hanana endrika vaovao indray ny fizarana mikasika ny fihaonambe ao amin’ny LDS.org
Mey 2016


Namboarina hanana endrika vaovao indray ny fizarana mikasika ny fihaonambe ao amin’ny LDS.org

Ho mora kokoa mihoatra ny hatramin’izay ny fitadiavana sy ny fandalinana ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany en ligne amin’izao fotoana izao noho ny fanamboarana indray ny fizarana mikasika ny fihaonambe ao amin’ny LDS.org. Ireto avy ny zavatra hita ao anatin’izany:

  • Famantarana haingana ireo lahateny irina ho azo, miaraka amin’ny sarin’ny mpandahateny tsirairay eo akaikin’ny lohatenin’ilay lahateny.

  • “Barre de navigation” tokana ihany eo ambonin’ny pejy rehetra, izay ahafahana (1) miditra ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany rehetra nanomboka tamin’ny taona 1971 ka hatramin’izao, (2) mikaroka amin’ny alalan’ny anaran’ilay mpandahateny, ary (3) mikaroka ireo lahateny araka ireo lohahevitry ny filazantsara.

  • Fanehoana amin’ny fomba tsotra ny lahateny tsirairay ka ahitana sary famantarana eo amin’ny tampon’ilay pejy ho an’ireo izay maniry ny hihaino, na hisintona, na hanao printy, na hizara.

Ilay endriny vaovao dia mahomby kokoa ho an’ireo mpampiasa fitaovana toy ny ordinateur de bureau sy ny ordinateur portable ary ny finday. Efa vita ny fanovana amin’ny teny Anglisy sy Espaniôla ary Pôrtogey, ary hisy ny fanovana atao amin’ny fiteny 80 mahery ao anatin’ireo volana ho avy.