2016
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2016


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(49) Voatahy ireo ankizy sy tanora rehefa manatona azy ireo am-pitiavana sy mampianatra azy ireo ny filazantsara ary mandray azy ireo ao am-piangonana ny olon-dehibe.

Mervyn B. Arnold

(53) Namonjy ny ondry very sy maratran’ny Ray any An-danitra ny renin’i Mervyn B. Arnold. Maty teny an-dranomasina teo am-piandrasana vonjy aina nandritra ny tafio-drivotra ny rahalahin’ny Loholona Alejandro Patanía izay mpanjono. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny naman’i Mervyn B. Arnold iray rehefa avy naman’ny Fiangonana nandritra ny 25 taona. Nanampy tamin’ny famonjena zatovolahy 21 ny eveka iray.

Linda K. Burton

(13) Nirotsaka an-tsehatra ireo rahavavy tamin’ny taona 1856 mba hanampy ireo Olomasina izay tavela teny amin’ny lemaka. Nanampy fianakaviana mpitsoa-ponenana iray ny mpivady fatra-piahy. Teo am-pandevenana azy dia notsaroana tamin’ny asa fanompoana nataony sy ny fitiavany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampianan’ny tsatòka iray.

D. Todd Christofferson

(93) Naniry ny hanaraka ny dian’ny rainy izay feno fahamarinan-toetra i D. Todd Christofferson fony izy tovolahy. Nivavaka ho an’ny zanany lahy isa-maraina noho ny fitiavany azy ny raim-pianakaviana iray.

Quentin L. Cook

(97) Faly ireo mpikambana ao amin’ny Misiônan’i Thailand Bangkok raha nandre fa hisy tempoly haorina any Thailand. Nofehezina tamin’ny fianakaviany ny zazavavy iray nodimandry taorian’ny nisehoany tamin’ny vadin’ny Manampahefana Ambony iray tao amin’ny tempoly. Na dia teo aza ny fisavorovoroana ara-pôlitika, dia nikiry ny hanatanteraka lanonana fametrahana vato fehizoro tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Suva Fidji ny Filoha Gordon B. Hinckley.

Kevin R. Duncan

(33) Nisy sombin-kazo kely nivoaka avy ao amin’ny rantsantanan’i Kevin R. Duncan taorian’ny nanosorany diloilo sy namonosany izany matetika tamin’ny bandy.

Mary R. Durham

(23) Nanao izay tsy hisintonan’ny rano azy hilentika ny raim-pianakaviana iray izay nitondra ny zanany vavy hiampita farihy iray tamin’ny alalan’ny fanesorany ny kirarony hiala tamin’ny tongony.

Cheryl A. Esplin

(6) Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin’ny hafa sy ny fanompoana ny hafa ny mpandahateny iray tamin’ny fampaherezam-panahy. Nianatra tao amin’ny Kilonga ny ankizy iray fa tia azy i Jesoa.

Henry B. Eyring

(19) Nanahy ny olona roa mpikamban’ny Fiangonana fa ireo fitsapana sy fisedrana iainany dia handresy ny finoany raha tsy miverina manana ny fitiavana ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izy ireo.

(81) Nahatsapa alahelo i Henry B. Eyring noho ny fianakaviana iray izay tsy voafehy tany amin’ny tempoly. Miandrandra sahady ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviany ny vehivavy iray mananotena izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Gerrit W. Gong

(108) Namporisika an’i Gerrit W. Gong fony izy tanora ny mpanazatra iray amin’ny lalao basket mba hanandrana hilalao baolina kitra. Alohan’ny handehanana ho any amin’ny tempoly, dia nanasa ny tanany amin’ny fikosehana lovia ny mpanamboatra fiara simba iray.

Robert D. Hales

(105) Naharay fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina i Robert D. Hales nandritra ny fanompoany tany am-piangonana sy teo amin’ny fiainany manokana.

Donald L. Hallstrom

(26) Nanoratra tao amin’ny gazetin’ny sekoliny ny zanakavavin’i Donald L. Hallstrom hoe hiaraka amin’ny Ray any An-danitra izy raha indaosin’ny fahafatesana. Namerina nilaza andinin-tsoratra masina sy nihira ny “Fototra mafy orina” tamin’ny faharesen-dahatra tsy fahita firy ireo mpikamban’ny Fiangonana any Liberia.

Paul V. Johnson

(121) Nodimandry tao anatin’ny fananana fanantenana ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny Fitsanganana amin’ny maty ny zanakavavy lehiben’i Paul V. Johnson.

Patrick Kearon

(111) Lasa olona hafa mihitsy i Patrick Kearon taorian’ny nandrenesany ny tantaran’ireo mpitsoa-ponenana sy ny nahitany ireo mpanao asa soa feno fanolorantena nikarakara azy ireo.

Neill F. Marriott

(10) Nahazo fikarakarana avy amin’ny renibe kelin’ny fofombadiny i Neill F. Marriott. Niaro ny maha-reny teo anoloan’ny olona tsy fantatra anarana iray niantso an-tariby i Neill F. Marriott.

Jairo Mazzagardi

(56) Amin’ny maha-mpikambana vaovao an’i Jairo Mazzagardi, dia nitady sy nahita ny valin’ireo fanontaniany momba ny Famerenana amin’ny laoniny izy.

Thomas S. Monson

(85) Nandidy ny sambo mpamonjy voina iray ny mpihazona fisoronana mendrika mba hamonjy azy sy ireo izay niaraka taminy teny amin’ny lakana fanavotana aina notaingenan’izy ireo.

Russell M. Nelson

(66) Nanao ny famehezana ny fianakaviana iray tany amin’ny tempoly i Russell M. Nelson taorian’ny fiangaviana nataon’ireo zanakavavy roa efa nodimandry taminy avy any ampitan’ny voaly ka lasa mendrika ny ho any amin’ny tempoly ilay raim-pianakaviana sy ilay zanakalahy.

Dallin H. Oaks

(114) Niatrika fanoherana i Joseph Smith rehefa nitady olona hamoaka ny Bokin’i Môrmôna.

Bonnie L. Oscarson

(87) Nanamafy ny fahamarinan’ny filazantsara tamin’ny renim-pianakaviana iray izay nanan-janaka lahy narary mafy ny Fanahy Masina.

Stephen W. Owen

(70) Rehefa nianika tendrombohitra teo am-pitaingenana soavaly i Stephen W. Owen, dia nahafantatra izy fa tsy haninona raha toa ka manaraka ny rainy. Mahafaly an’i Stephen W. Owen ny mizara ny fanasan’ny Tompo. Nanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny reniny ny zatovolahy iray any Nouvelle Zélande.

Ronald A. Rasband

(46) Ny fitsidihana nataon’i Ronald A. Rasband tany Pakistan dia “andro volamena” ho azy sy ireo Olomasina tany. Nandray anjara tamin’ny fandaharana nifampiresahana mivantana i Ronald A. Rasband.

Dale G. Renlund

(39) Rehefa nandray ny Fanasan’ny Tompo ny rahavavy iray tany Afrika Atsimo, dia nahafantatra izy fa natao ho an’ny tsirairay ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Kent F. Richards

(118) Taorian’ny fanokanana tempoly iray i Kent F. Richards sy ny vadiny dia natao batisa ho an’ireo razambeny. Nanatri-maso ny fianakaviana iray nahitana taranaka telo natao batisa ho an’ny razambeny i Kent F. Richards.

Steven E. Snow

(36) Lasa feno fanetrentena kokoa sy avy amin’ny fo kokoa ary tamin-kitsimpo kokoa ny vavak’i Steven E. Snow sy ny fianakaviany rehefa sitrana tamin’ny fahavoazana lehibe tamin’ny lohany ny zanakalahiny.

Gary E. Stevenson

(29) Taorian’ny nahaverezan’ny fanalahidin’ny fiaran’i Gary E. Stevenson, dia nanao fifanahafana izy teo amin’ny fanalahidy izay ilaina mba hamelomana fiara sy ny fanalahidin’ny fisoronana izay ilaina mba hampandehanana ny Fiangonana. Rehefa natao batisa ho an’ny razamben’ny olona iray hafa nanatrika tao amin’ny tempoly ireo zanaky ny renim-pianakaviana iray, dia nahita izy fa razambeny ihany koa ireo olona ireo.

Dieter F. Uchtdorf

(101) Nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina i Dieter F. Uchtdorf rehefa nisaintsaina ny fanarenana an’i Dresde tao Allemagne, taorian’ny Ady Lehibe faha-II.

W. Christopher Waddell

(90) Nahita ny zazalahy iray tao amin’ny Kilonga fa sarotra ny mieritreritra momba an’i Jesoa Kristy. Nahita fiadanana ny ray sy reny iray noho ny fahafantarany fa voafehy miaraka amin’ny zanany lahy efa nodimandry izy ireo.