2016
Loholona Mark A. Bragg
Mey 2016


Loholona Mark A. Bragg

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony i Mark Bragg 14 taona dia nampahafantatra ny Fiangonana tamin’ny fianakaviany ireo namana tao amin’ny ekipa nilalaovany baseball. Vita batisa i Mark ary lasa mpikambana navitrika ny reniny.

“Nanova ny fiainanay izany,” hoy ny Loholona Bragg.

Teraka tamin’ny 16 aprily 1962 tao Santa Monica, Californie, Etazonia i Mark Allyn Bragg, zanak’i Donald E. sy Diane Bragg.

Raha mbola nianatra tao amin’ny University of Utah ny Loholona Bragg dia voantso hanompo tany amin’ny Misiônan’i Monterrey Mexique, teo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna Roy H. King sy ny vadiny Darlene O. King.

Nanomboka niaraka tamin’i Yvonne zanaky ny filohan’ny misiônany faravavy ny Loholona Bragg rehefa vita ny asa fitoriany. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie tamin’ny 17 martsa 1984 izy ireo.

Taorian’ny nahafatesan’ny rain’ny Loholona Bragg tampoka dia niverina tany Californie izy mivady mba hanomboka ny fototr’asany eo amin’ny sehatry ny banky (filoha lefitra ambony tao amin’ny Bank of America no niafarany teo amin’ny asa aman-draharahany) sy mba ho akaikin’ny renin’ny Loholona Bragg.

Fito taona taty aoriana vao nisy zanaka tonga teo amin’ny fianakaviana Bragg. “Nahatsapa ho toy ny tsy olona tao anatin’ny fianakavianay izany izahay indraindray,” hoy ny Loholona Bragg nitantara.

Avy eo—“tamin’ilay andro tsara indrindra teto amin’izao tontolo izao”—dia niteraka ny voalohany tamin’ireo zanakay efatra Rahavavy Bragg. “Tsaroako aho … nieritreritra hoe, tsy nisy olona faly kokoa noho ny tenako tamin’izany fotoana izany,” hoy ny Loholona Bragg.

Tsy mora foana anefa ny fiainana ho an’ny fianakaviana. Ny ampitson’ny nanohanana ny Loholona Bragg ho eveka tao amin’ny paroasy nahalehibe azy dia maty tamin’ny fomba nampalahelo nandritra ny fanodinan’ny jiolahy fiara ny reniny. Ny fotoam-pandevenana ny reniny no fotoana niahiany voalohany tamin’ny naha-eveka azy. Nitantara izy hoe: “Teo isan’andro ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny fianakavianay.”

Ireo leson’ny fitiavana sy fanompoana ary fangorahana ireo dia nitarika ny Loholona Bragg tao anatin’ny asa fanompoana nataony tao amin’ny Fiangonana taty aoriana—tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka, sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly azy.