2016
Loharanon-kevitra vaovao momba ny asa fanompoana
Mey 2016


Loharanon-kevitra vaovao momba ny asa fanompoana

Misy lohahevitra efatra vaovao nampidirina ao amin’ny Loharanon-kevitra momba ny asa fanompoana (ministering.lds.org) mba hanampiana ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy rehefa manompo ireto vondrona manaraka ireto izy ireo: mpikarakara olona, misiônera nody aloha, mpivady sahirana amin’ny fifandirana eo amin’ny mpivady, ary ireo olona sahirana amin’ny aretin-tsaina.

Afaka mampiasa ireo loharanon-kevitra ireo ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy mba hanampy azy ireo hahalala ny fomba hanampiana tsara kokoa ireo mpikambana. Misy amin’ny teny Anglisy ireo loharanon-kevitra ary hadika amin’ny fiteny sivy fanampiny tsy ho ela.