2016
Edisiônan-tsoratra masina bebe kokoa azo ampiasaina
Mey 2016


Edisiônan-tsoratra masina bebe kokoa azo ampiasaina

Misy soratra masina navoaka vao haingana amin’ny fiteny maro.

Amin’izao fotoana izao dia misy edisiôna iray vita printy ho an’ny Baiboly sy edisiôna nasiam-panovana ho an’ny triptika amin’ny fiteny Pôrtogey. Misy edisiôna “numérique” efa azo nampiasaina nanomboka tamin’ny septambra 2015 ao amin’ny asescrituras.lds.org sy ao amin’ny application Gospel Library ho an’ny finday. Misy fanazavana fanampiny amin’ny teny Pôrtogey ao amin’ny bibliasagrada.lds.org.

Ho an’ny fiteny Espaniôla dia misy edisiôna nasiam-panovana “en ligne” ho an’ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana ao amin’ny escrituras.lds.org sy ao amin’ny application Gospel Library ho an’ny finday. Hanomboka ho azo ampiasaina amin’ny faran’ny volana Jona 2016 ireo boky vita printy.

Ny triptika vaovao amin’ny fiteny Marsalizy, Xhosa, ary Zulu sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Tsokizy dia efa vita printy ary hita manerana ireo ivontoerana mpaninjara sy ao amin’ny store.lds.org. Hita “en ligne” sy ao amin’ny Application Gospel Library ho an’ny finday ihany koa izy ireo.

Ireo fandikana soratra masina tamin’ny fiteny 16 fanampiny izay tsy nisy afa-tsy tamin’ny endrika vita printy teo aloha dia navoaka ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny application Gospel Library: ny triptika amin’ny teny Afrikaans, Armeniana, Boligariana, Kambôdiana, Fante, Igbo, Lativiana, Litoaniana, Shona, ary Swahili; sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Hindoa, Hmong, Serbiana, Tok Pisin, Twi, ary Yapizy.