2016
Bonnie H. Cordon
Mey 2016


Rahavavy Bonnie H. Cordon

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany

Nandritra ny fahazazany tao Idaho atsimo atsinanana, tao Etazonia dia nianatra lesona manan-danja maro mikasika ny fiainana i Bonnie Hillam Cordon. Ny fiasana sy ny filalaovana ary ny fiainana tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray dia nampianatra azy ny fahavitan-tena, ny asa mafy ary nampianatra azy “tsy hatahotra hanandrana zavatra,” hoy ilay mpanolotsaina faharoa vaovao ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

Ny lesona tena manan-danja indrindra anefa dia avy amin’i Harold sy Carol Rasmussen Hillam ray aman-dreniny, izay nampianatra azy fa afaka manao na inona na inona izy rehefa ampian’ny Tompo. “Tsy voafetra ny zavatra azo atao,” hoy ny rainy rehefa niteny.

Niantehitra tamin’izany fahalalana izany Rahavavy Cordon raha vao nantsoina ho misiônera tany Lisbonne, Portugal ka sahirana nianatra ny fiteny Pôrtogey. “Nandohalika nivavaka foana aho mba hisy fahagagana. Kanefa noho ny raiko dia nianatra aho fa afaka manao zavatra tena sarotra aho.”

Rehefa avy nivavaka sy niasa mafy ary nanam-paharetana be izy dia lasa nahay niteny tsara tsimoramora ny fiteny Pôrtogey, izay nitahy azy taona maro taty aoriana rehefa nantsoina hanompo tany Curitiba Brésil izy sy ny vadiny.

“Tena mahaliana ny fomba hanomanan’ny Tompo antsika sy hanorenany antsika tsikelikely,” hoy izy. “Manan-danja kokoa foana izany rehefa ataontsika jery todika. Mila manana finoana fotsiny isika.”

Teraka tamin’ny 11 martsa 1964 tao Idaho Falls, Idaho i Bonnie Hillam. Taorian’ny asa fitoriana nataony dia nianatra momba ny fanabeazana tao amin’ny Brigham Young University tao Provo Utah, Etazonia izy. Tao izy no lasa mpinamana be tamin’i Derek Lane Cordon. Namelana ho fitiavana ny finamanan’izy ireo ka dia nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy roa tamin’ny 25 aprily 1986. Manan-janaka efatra izy ireo—telo lahy sy vavy iray—ary zafikely lahy telo.

Nanompo tao anatin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana izy ireo nandritra ny taona maro. Niara-nanompo tamin’ny vadiny tao amin’ny Misiônan’i Curitiba Brésil izy nanomboka tamin’ny 2010 ka hatramin’ny 2013, ary efa filohan’ny Zatovovavin’ny Tsatòka, mpitarika tao amin’ny kilasin’ny zaza madinika, mpampianatra seminera , ary efa tao amin’ireo rafitry ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana ary ny Kilongan’ny paroasy.

Ary amin’ny andraikitra vaovao nomena azy dia nilaza ny Rahavavy Cordon fa manantena ny hampianatra fahamarinana iray manan-danja amin’ireo ankizy ao amin’ny Kilongan’ny Fiangonana izy dia ny hoe: “Tia azy ireo ny Ray any An-danitra.”