Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Eo am-piandrasana ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Eo am-piandrasana ny Tompo

Ny finoana dia midika fatokisana an’ Andriamanitra na amin’ny fotoana tsara na ratsy na dia midika aza izany fa hisy fijaliana mandra-pahitantsika ny fanehoany ny sandriny hamonjy antsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tsindrian-daona avokoa isika rehetra, indrindra moa fa ny tenako, mba hihaino ny teny famaranana hataon’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Fihaonambe nahafinaritra ity kanefa dia fanindroany izao no nanovan’ny COVID-19 ireo fivoriana fanaontsika mahazatra. Sasatra loatra isika noho ity areti-mifindra ity, toy ny hoe te-hanongo-bolo mihitsy aza. Ary hita miharihary izao fa efa nisy nanaraka an’izay ny sasany amin’ireto Rahalahiko ireto. Fantaro fa tsy sasatra mivavaka ho an’ireo izay voakasik’izany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana izahay indrindra ho an’ireo izay namoy havan-tiana. Samy miombon-kevitra ny rehetra fa efa naharitra ela loatra izany.

Hafiriana isika no miandry ny hohamaivanina amin’ireo zava-tsarotra izay mitranga amintsika? Ary ahoana ny amin’ny fiaretana ireo fitsapana an’ny tena manokana eo ampiandrasantsika hatrany hatrany kanefa toa ela vao tonga ny fanampiana? Nahoana no misy fahatarana rehefa toa tsy zakantsika intsony ireo enta-mavesatra?

Rehefa mametraka fanontaniana toy izany isika dia afaka ny hahare, raha miezaka, ny fitomanian’ny olona iray hafa manako avy amin’ny fonja mangatsiaka sy maizina iray nandritra ny ririnina namirifiry indrindra voarakitra an-tsoratra teo amin’izany toerana iray izany.

“Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?” no rentsika avy any amin’ny halalin’ny Fonjan’i Liberty. “Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao? Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao?” 1 Mandra-pahoviana re ry Tompo ô?

Noho izany dia tsy isika no voalohany na ho farany hametraka fanontaniana toy izany rehefa mitambesatra amintsika ireo alahelo na rehefa maharitra ny fanaintainana iray ao am-pontsika. Izao aho dia tsy miresaka momba ny valanaretina na momba ny fonja fa miresaka kosa momba anareo, ny fianakavianareo ary ireo mpiara-belona aminareo izay miatrika olana maro be toy izany. Miresaka momba ny fanirian’ireo maro izay te-hanambady kanefa tsy manana aho na ireo manambady izay maniry ny fifandraisan’izy ireo ho lasa selestialy kokoa. Miresaka momba ireo izay tsy maintsy miatrika ny fisehon’ny aretina mafy iray izay tsy niriana aho, mety ho aretina tsy azo sitranina izany, na koa ireo izay miatrika tolona mandritra ny androm-piainany amin’ny kilema manaranaka iray izay tsy misy fanafany. Miresaka momba ny tolona tsy ankiato amin’ireo olana eo amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina aho izay mitambesatra tokoa amin’ny fanahin’ireo olona maro izay mijaly noho izany sy amin’ny fon’ireo izay tia azy ireny sy miara-mijaly aminy. Miresaka momba ireo mahantra aho izay nolazain’ny Tompo fa tsy tokony ho adinointsika na oviana na oviana, ary miresaka momba anareo izay miandry ny fiverenan’ny zanaka iray aho izay nisafidy hanaraka lalana hafa amin’ilay lalana nentinareo am-bavaka mba ho arahiny, na firy taona izy na firy taona.

Ankoatra izany dia manaiky aho fa na ity lisitra lava misy ny zavatra izay mety andrasantsika manokana ity aza dia tsy miresaka akory ireo olana goavana ara-toe-karena, sy ara-pôlitika ary ara-tsôsialy izay atrehantsika miaraka. Tena mazava fa ny Raintsika any An-danitra dia miandry antsika hamaha ireny olana sarotra iraisan’ny daholobe ireny sy ireo olana an’ny tena manokana, kanefa dia hisy fotoana eo amin’ny fiainantsika izay, na ny ezaka ara-panahy tsara indrindra ataontsika sy ireo vavaka fitalahoana ataontsika amin’ny fo aza dia tsy hitondra ireo fandresana niriantsika, na mahakasika ireo olana lehibe maneran-tany izany na ireo olana an’ny tena manokana. Ka eo am-panaovantsika asa sy iandrasantsika miaraka ny valin’ireo vavaka sasany ataontsika dia manolotra anareo ny fampanantenana amin’ny maha-apostoly ahy aho fa misy mahare izy ireny ary voavaly na dia tsy mitranga amin’ny fotoana na amin’ny fomba tiantsika aza izany. Kanefa dia voavaly foana izy ireny amin’ny fotoana sy amin’ny fomba izay tokony hamalian’ny ray aman-dreny manana ny fahalalana rehetra sy feno fangorahana mandrakizay azy ireny. Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, fantaro fa Izy ilay tsy matory na rendrehana 2 dia miraharaha ny fahasambarana sy ny fisandratana faratampon’ireo zanany ambonin’ny zavatra hafa rehetra tokony ho ataon’ny andriamanitra iray. Izy no fanehoana amim-boninahitra ny fitiavana madio, ary Ray be famindram-po no anarany.

Mety hiteny ianao hoe “Raha izay ary no izy dia tsy tokony hoe hanasaraka ireo Ranomasina Mena eo amin’ny fiainantsika manokana ve ny fitiavany sy ny famindram-pony ary hamela antsika hamindra ao anatin’ireo olantsika toy ny mamindra amin’ny tany maina? Tsy tokony handefa ireo varevaky ny taonjato faha-21 izay manidina avy any ho any ve Izy mba hitelina ireo valala manorisorin’ny taonjato faha-21?

Ny valin’izany fanontaniana izany dia hoe “Eny, Andriamanitra dia afaka ny hanao fahagagana eo no ho eo kanefa na ho ela na ho haingana dia mianatra isika fa Izy ary Izy irery ihany no mandidy ireo fotoana sy ireo tonontaonan’ny fiainantsika an-tany.” Izy no mandrindra izany tetiandro izany amin’ny fomba samy hafa ho an’ny tsirairay avy. Isaky ny misy olona iray manana rofy izay nositranina teo no ho eo raha teo am-piandrasana hiditra amin’ny Farihin’i Betesda 3 dia hisy olona iray hafa izay ho any an-tany foana mandritra ny 40 taona ka miandry mba hahafahany miditra ao amin’ny tany nampanantenaina. 4 Isaky ny misy Nefia sy Lehia voaron’ Andriamanitra ka voahodidin’ny afo noho ny finoan’izy ireo 5 dia misy Abinadia iray izay voadoron’ny afo teo amin’ny tsato-kazo noho ny finoany. 6 Ary tsaroantsika fa i Elia ilay niantso teo no ho eo ny afo avy any an-danitra mba hijoroana ho vavolombelona amin’ireo mpaminanin’i Bala 7 no ilay Elia izay niaritra vanim-potoana tsy nisy orana nandritra ny taona maro ary nofahanana tamin’ny sakafo kely dia kely izay tafiditra tamin’ny tongotry ny goaika iray. 8 Raha ny eritreritro dia mety tsy ho zavatra azontsika antsoina hoe “sakafo mafilotra” izany.

Ny tiako hahatongavana? Ny tiako hahatongavana dia hoe ny finoana dia midika fatokisana an’ Andriamanitra na amin’ny fotoana tsara na ratsy na dia midika aza izany fa hisy fijaliana mandra-pahitantsika ny fanehoany ny sandriny hamonjy antsika. 9 Mety ho sarotra izany eto amin’izao tontolontsika maoderina izao izay ahitana olona maro lasa mino fa ny zavatra tsara indrindra eto amin’ity fiainana ity dia ny fialana amin’ny fijaliana rehetra ka tsy hisy intsony ny olona hijaly na amin’inona na amin’inona. 10 Saingy izany finoana izany dia tsy hitondra antsika velively amin’ny “ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.” 11

Ialako tsiny amin’ny Loholona Neal A. Maxwell noho ny fahasahiako nanova sy nanitatra zavatra iray nolazainy indray mandeha, fa izaho koa dia manome sosokevitra fa “Tsy afaka ny ho sady feno finoana no tsy misy rarin-tsaina … ny fiainan’ny olona iray.” Tsy handaitra tsotra izao ny “tsy firaharahiana ireo fahasarotan’ny fiainana” sy ny fitenenana eo ampisotroantsika citronnade hoe: “Tompo ô, omeo ahy avokoa ireo toetra tsara indrindra anananao kanefa dia makà antoka fa tsy hanome ahy alahelo na fanaintainana na fanoherana Ianao. Miangavy aho hoe aza avela hisy hankahala na hamitaka ahy ary ambonin’ny zava-drehetra dia aza avela hahatsapa mihitsy aho hoe nafoinao na nafoin’ireo olon-tiako. Raha ny marina ry Tompo, dia tandremo aho sao dia avelanao handalo ireo zavatra niainana izay nahatonga Anao ho Andriamanitra. Avy eo rehefa tapitra ny zava-tsarotra iainan’ny hafa dia mba avelao aho ho any Aminao sy hiara hitoetra Aminao mba hahazoako mirehareha ny amin’ny fitovian’ny heriko sy ny toetrako amin’ny Anao eo am-pitsingevahevako ambon’ilay rahona mampiadan’ny maha-Krisitianina.” 12

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, ny maha Kristianina dia mampionona kanefa matetika dia tsy mampahazo aina izany. Ny lalana mankany amin’ny fahamasinana sy ny fahasambarana eto sy aorian’izao fiainana izao dia sady lava no feno sakantsakana indraindray. Mitaky fotoana sy fikirizana ny fandehanana amin’izany. Kanefa mazava ho azy fa goavana ny valisoa azo vokatr’izany. Izany fahamarinana izany dia ampianarina amin’ny fomba mazava no sady mandresy lahatra ao amin’ny toko faha-32 ao amin’ny Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ampianarin’ity mpisorona avo lehibe ity ao fa raha novolena tao am-pontsika ny tenin’ Andriamanitra tahaka ny voa kely iray ary raha ampy ny fikarakarantsika izany ka manondraka sy manala ireo ahidratsy, mikolokolo ary mankahery izany isika, dia hitondra voa “izay tena sarobidy, … izay mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy” izany amin’ny ho avy, ka ny fihinanana izany dia mitondra ho amin’ny toetry ny tsy fahatsapana hetaheta sy hanoanana intsony. 13

Maro ireo lesona ampianarina ao amin’ity toko miavaka ity saingy ny ivon’izy rehetra ireo dia ilay filazana fahamarinana voaporofo mazava tsara fa ilay voa dia tsy maintsy karakaraina ary tsy maintsy miandry izany hitombo isika. “miandrandra amin’ny masom-pinoana ny voan’[izany]” isika. 14 Ny vokatra otazantsika, hoy i Almà dia tonga “afaka kelikely.” 15 Tsy mahagaga raha mamarana ny torolalana miavaka nomeny izy amin’ny famerenana in-telo ny antso ho amin’ny fahazotoana sy ny faharetana eo am-pikolokoloana ny tenin’ Andriamanitra izay ao am-pontsika, miandry, hoy izy amin’ny faharipo “ … ny hazo hitondra voa ho anareo.” 16

Ny COVID sy ny homamiadana, ny ahiahy sy ny fahakiviana, ny olana ara-bola sy ireo fitsapana atrehan’ny fianakaviana. Rahoviana no hoesorina ireo enta-mavesatra ireo? Ny valiny dia hoe “afaka kelikely.” 17 Ny hoe ho fotoana fohy sa ho fotoana lava ny faharetan’izany dia tsy anjarantsika ny mamaritra azy fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia ho tonga amin’ireo izay mamikitra mafy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo fitahiana. Izany olana izany dia voavaha efa ela tao amin’ny saha tena mitokana iray ary teo amin’ny havoana iray vory olona tao Jerosalema.

Raha hihaino ny mpaminany malalantsika hamarana ity fihaonambe ity isika izao dia enga anie isika hahatsiaro tahaka ny nanehoan’i Russell M. Nelson izany nandritra ny fiainany manontolo fa ireo izay “miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; … handeha izy, nefa tsy ho reraka.” 18 Mivavaka aho mba ho tonga amin’ny tsirairay aminareo izay mikatsaka fanamaivanana amin’ny alahelonareo ary fanafahana amin’ny fijalianareo ireo fitahiana ireo “afaka kelikely”, na ho ela na ho haingana. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsarany feno voninahitra aho, izay vahaolana amin’ireo olana rehetra atrehantsika amin’ny fiainana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Amin’ny anarana manavotr’i Jesoa Kristy Tompo, amena.