Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mino ny fisian’ny anjely aho
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mino ny fisian’ny anjely aho

Mahafantatra ireo fanamby atrehanao ny Tompo. Fantany ianao, tiany ianao, ary mampanantena aho fa handefa anjely Izy hanampy anao.

Ry rahalahy sy anabavy, mino ny fisian’ny anjely aho ary mba tiako ny hizara aminareo ireo zavatra niainako momba azy ireo. Eo am-panaovako izany dia manantena sy mivavaka aho mba hamantarantsika ny hasarobidin’ny anjely eo amin’ny fiainantsika.

Toy izao ny teny voalazan’ny Loholona Jeffrey R. Holland tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny lasa: “Rehefa miresaka momba ireo izay fitaovana eo am-pelan-tanan’ Andriamanitra isika dia aoka hotsaroantsika fa tsy avy any ambadiky ny voaly daholo ny anjely rehetra. Ny sasany amin’izy ireo dia miara-mandeha sy miara-miresaka amintsika eto, anio sy isan’andro. Eo amin’ny tananantsika ny sasany amin’izy ireny. … Raha ny tena izy, ny fotoana tena ahatsapantsika fa akaiky ny lanitra dia rehefa hitantsika ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny hatsarana sy ny fanolorantenan’ny olona tena tsara sy madio tokoa ka dia tahaka ny anjely mihitsy ny fahitantsika azy ireny” (“The Ministry of Angels,” Liahona, nôv. 2008, 30).

Momba ireo anjely eto an-tany no tiako horesahina. Ireo anjely izay mandeha eo anivontsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro dia fampahatsiahivana mahery vaika ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika.

Ny anjely voalohany horesahiko dia ireo misiônera vavy anankiroa izay nampianatra ahy ny filazantsara fony aho mbola zatovolahy, ny Rahavavy Vilma Molina sy ny Rahavavy Ivonete Rivitti. Nasaina hanatrika fiaraha-mientana iray tany am-piangonana izaho sy ny zandriko vavy ka tany no nihaonanay tamin’ireo anjely roa ireo. Tsy takatry ny saina mihitsy ny fomba nanovan’izany fiaraha-mientana tsotra izany ny fiainaiko.

Tsy liana tamin’ny fianarana misimisy kokoa momba ny Fiangonana ireo ray aman-dreniko sy ireo mpiray tam-po amiko tamin’izany fotoana izany. Tsy nazoto akory aza izy ireo hanasa ireo misiônera ho any an-tranonay, noho izany aho dia nianatra ireo lesona misiônera tany amin’ny tranom-piangonana. Izany efitrano kely iray tao amin’ny tranom-piangonana izany no lasa “alakely masina” ho ahy.

Sary
Ny Loholona Godoy, fony izy tanora, sy ny anabaviny

Iray volana taorian’ny nampahafantaran’ireo anjely ireo ny filazantsara ahy dia natao batisa aho. Enina ambinifolo (16) taona aho tamin’izany. Indrisy anefa fa tsy manana ny sarin’izany tranga masina izany aho, saingy manana ny sariko sy ny anabaviko tamin’ny fotoana nandraisanay anjara tamin’ilay fiaraha-mientana kosa aho. Mety mila manazava aho hoe iza no iza eto amin’ity sary ity. Izaho ilay lava kokoa eo amin’ny ankavanana.

Mety ho azonareo an-tsaina fa fanamby ho an’ny zatovo iray izay vao nanova ny fomba fiainany sy nanana fianakaviana tsy nanaraka lalana nitovy tamin’ny azy ny fijanonana ho mazoto ao amin’ny Fiangonana.

Tsy nahazo aina aho teo am-piezahako nizatra tamin’ilay fiainako vaovao, sy ny kolon-tsaina vaovao ary ireo namana vaovao. Imbetsaka aho no nahatsapa ho irery sy kivy. Fantratro fa marina ny Fiangonana kanefa sarotra tamiko ny nahatsapa fa tao anatin’izany aho. Raha nahatsapa ho tsy nahazo aina sy nanana ahiahy aho momba ilay fivavahako vaovao dia nahita ny herim-po handray anjara amina fihaonamben’ny zatovo naharitra telo andro aho ary nieritreritra aho fa hanampy ahy hahita namana vaovao izany. Tamin’izay aho no nihaona tamin’ny anjely iray nitondra fanavotana ho ahy izay antsoina hoe Mônica Brandão.

Sary
Rahavavy Godoy

Vaovao izy tao amin’ilay faritra raha nifindra avy tany amin’ny faritra hafa tany Brésil. Vetivety aho dia liana taminy ary soa ihany fa nanaiky ahy ho namany izy. Angamba ny maha-izaho ahy fa tsy ny endriko ivelany no nojereny.

Koa satria lasa mpinamana izahay dia nampahafantariny tamin’ireo namany aho, ary lasa namako ireo avy eo raha niara-nankafy ireo fiaraha-mientana maro ho an’ny zatovo natrehako taty aoriana izahay. Nanan-danja lehibe tamin’ny fidirako tamin’io fiainam-baovao io ireo fiaraha-mientana ireo.

Sary
Ireo naman’ny Loholona Godoy

Nanova zavatra betsaka ny fisian’ireo namako akaiky ireo saingy ny tsy fananako ny fampianarana ny filazantsara tao amin’ny tokantrano nisy ahy tamin’ny alalan’ny fianakaviana izay afaka nanampy dia mbola nanakana ny fitohizan’ny fiovam-poko. Ireo fifandraisako noho ny filazantsara tao am-piangonana dia vao mainka lasa nanan-danja kokoa ho an’ny fitomboan’ny fiovam-poko. Avy eo dia nisy anjely anankiroa fanampiny nalefan’ny Tompo mba hanampy.

Ny iray amin’izy ireo dia i Leda Vettori, ilay mampianatra seminera vao maraina ahy. Nanome ahy ilay anjarako isan’andro ny amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4) izy tamin’ny alalan’ilay fitiavana nandraisany ahy sy ireo kilasy notaomim-panahy nampianariny, izay tena nilaiko tamin’ny tontolo androko. Nanampy ahy handray hery ara-panahy mba handroso hatrany izany.

Ny anjely iray hafa nalefa mba hanampy ahy dia ny Filohan’ny Zatovolahy, dia i Marco Antônio Fusco izany. Voatendry ho mpampianatra isan-tokantrano zokiny niaraka tamiko koa izy. Na dia teo aza ny tsy fahampiako traikefa sy ny tsy fitovian’ny endrika ivelany dia nomeny anjara fampianarana aho tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona nisy ahy sy nandritra ireo fampianarana isan-tokantrano. Nomeny fahafahana aho hanao asa sy hianatra fa tsy ho mpandinika ny filazantsara fotsiny ihany. Natoky ahy mihoatra noho ny fahatokiako ny tenako izy.

Misaotra ireo anjely rehetra ireo aho ary ireo maro hafa izay nihaona tamiko nandritra ireo taona manan-danja voalohany ireo, nandray hery ampy aho hitoerako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana raha naharay vavolombelona ara-panahy ny amin’ny fahamarinana.

Eo ihany izany fa tadidinareo ve i Mônica, ilay anjely zatovovavy noresahiko tany aloha? Rehefa samy avy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno izahay dia lasa vadiko izy.

Mino aho fa tsy kisendrasendra ny hoe ireo namana akaiky sy ny andraikitra ao amin’ny Fiangonana ary ny famahanana amin’ny teny soan’ Andriamanitra dia tafiditra ao anatin’izany dingana izany. Nampianatra tamim-pahendrena ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Tsy zavatra mora ny manao fanavaozana noho ny fahalasana ho mpikambana ato amin’ity Fiangonana ity. Midika izany fa hisy fanapahana ireo fifandraisana taloha. Midika izany fa hisy namana hilaozana. Mety midika izany fa mila mahafoy finoana nankamamiana. Mety hitaky fanovana fahazarana sy fanafoanana filàna izany. Ary amin’ny tranga maro dia midika fahatsapana ho irery sy tahotra ny amin’ny zavatra tsy fantatra mihitsy aza izany. Tokony hisy fikarakarana sy fampaherezana mandritra ireny vanim-potoana sarotra amin’ny fiainan’ny olona niova fo ireny” (“There Must Be Messengers,” Ensign, Oct. 1987, 5).

Taty aoriana dia nampianatra ihany koa izy hoe, “Mila zavatra telo ny tsirairay avy amin’izy ireo: namana, andraikitra, ary famahanana amin’ny -teny soan’ Andriamanitra-” (“Converts and Young Men,” Ensign, May 1997, 47).

Nahoana aho no mizara ireo zavatra niainana ireo aminareo?

Voalohany dia te hampita hafatra ho an’ireo izay mandalo dingana mitovitovy amin’izany amin’izao ankehitriny izao aho. Mety ho mpikambana niova fo vao haingana ianao na vao niverina tao amin’ny Fiangonana rehefa avy nirenireny nandritra ny fotoana elaela na koa tsy dia tamana loatra. Miangavy anao aho, aza atsahatra ireo ezaka ataonao mba ho lasa anisan’ity fianakaviambe ity. Ity no Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy!

Raha ny fahasambaranao sy ny fanavotana anao no resahina dia mendrika ny hanohizanao ny ezaka ataonao foana izany. Mendrika ny hanaovanao ezaka mba hanovana ny fomba fiainanao sy ny fomba amam-panaonao izany. Mahafantatra ireo fanamby atrehanao ny Tompo. Fantany ianao, tiany ianao, ary mampanantena aho fa handefa anjely Izy hanampy anao.

Tamin’ny fiteniny manokana dia hoy ny Tompo hoe: “Izaho handeha eo aloha[nao]. Ho eo ankavana[nao] sy eo ankavia[nao] Aho, … ho ao am-po[nao] ny Fanahiko, ary hanodidina [anao] ny anjeliko mba hanohana [anao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

Ny tanjoko faharoa amin’ny fizarana ireo zavatra niainana ireo dia ny hampita hafatra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra, isika rehetra. Tokony hotsaroantsika fa tsy mora ho an’ny mpikambana vao niova fo sy ireo namana vao niverina ary ireo izay hafa fomba fiainana ny mahatsapa avy hatrany ho amin’ny toerana tokony hisy azy. Mahafantatra ireo fanamby atrehan’izy ireo ny Tompo ary eo am-pitadiavana anjely izay vonona hanampy Izy. Eo am-pitadiavana tsy tapaka olona manolo-tena mba ho anjely eo amin’ny fiainan’ny hafa ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy, vonona ve ianareo ho fitaovana eo ampelan-tanan’ Andriamanitra? Vonona ny mba ho iray amin’ireo anjely ireo ve ianareo? Ho iraka alefan’ Andriamanitra, avy eto amin’ity lafy ilan’ny voaly ity, ho an’olona iray izay mampiasa saina Azy? Mila anao Izy. Mila anao izy ireo.

Mazava ho azy fa afaka miankina amin’ireo misiônerantsika foana isika. Eo foana izy ireo, voalohany amin’ny firotsahana ho amin’ity asan’ny anjely ity. Saingy tsy ampy izy ireo.

Raha mijery tsara ny manodidina ianao dia hahita olona maro mila ny fanampian’ny anjely. Mety tsy manao lobaka fotsy na akanjo lava na akanjo fanao isaky ny alahady ireo olona ireo. Mety mipetraka irery izy ireo any amin’ny seza faran’ny efitra fiangonana na ny kilasy, ary indraindray mety hahatsapa ho toy ny tsy hita maso izy ireo. Mety ho hafahafa ny taovolon’izy ireo na mety ho hafa ny voambolana ampiasainy kanefa dia eo izy ireo ary miezaka.

Ny sasany dia mety manontany tena hoe: “Tokony mbola hiverina ve aho? Tokony hanohy ny fiezahako ve aho?” Ny hafa dia mety manontany tena raha mba hahatsiaro ho ekena sy ho tiana ihany indray andro any. Ilaina ny anjely, amin’izao ankehitriny izao; anjely vonona ny hiala amin’ny mahazatra mba hamihina azy ireo; “[olona izay] tena tsara sy madio tokoa ka dia tahaka ny anjely mihitsy ny [fahitantsika azy ireny]” (Jeffrey R. Holland, “The Ministry of Angels,” 30).

Ry rahalahy sy anabavy isany, mino ny fisian’ny anjely aho! Eto avokoa isika rehetra anio, tafik’anjely lehibe notendrena ho an’izao andro farany izao mba hanompo ho toy ny sandrin’ilay Mpahary be fitiavana. Mampanantena aho fa raha toa isika ka vonona hanompo dia hanome fahafahana antsika ny Tompo ho lasa anjely mpanompo. Fantany ireo izay mila ny fanampian’ny anjely ary ho apetrany eo amin’ny lalantsika izy ireny. Mametraka ireo izay mila ny fanampian’ny anjely eo amin’ny lalantsika isan’andro ny Tompo.

Tena feno fankasitrahana aho ho an’ireo anjely maro napetraky ny Tompo teo amin’ny lalako teo amin’ny fiainako. Nilaina izy ireo. Feno fankasitrahana ihany koa aho noho ny filazantsarany izay manampy antsika hiova sy manome antsika fahafahana ho tsaratsara kokoa.

Filazantsaran’ny fitiavana ity, filazantsaran’ny fanompoana. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.