Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mbola nisy hanina ihany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mbola nisy hanina ihany

Rehefa mikatsaka ny ho vonona amin’ireo zavatra ilaina ara-batana isika dia afaka ny hiatrika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana amim-patokiana bebe kokoa.

Talohan’ny fameran-dia vokatr’ilay valanaretina mamely amin’izao dia nitodi-doha nody avy nanatanteraka iraka tany ivelany aho ka noho ny olana teo amin’ny fandrindram-potoana dia lasa nisy fijanonan’ny sidina tamin’ny andro Alahady. Nanana fotoana aho mandra-piaingan’ny fiaramanidina mba hanatrehana fivoriana fanasan’ny Tompo teo an-toerana izay nahafahako ihany koa nizara hafatra fohy. Taorian’ilay fivoriana dia nisy diakona iray nientanentana ery nanatona ahy ary nanontany ahy raha mahafantatra ny Filoha Nelson sy efa nanana fahafahana nandray ny tanany aho. Novaliako fa fantatro izy, ary efa nandray ny tanany aho, ary amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Episkôpà Mpiahy ahy dia nanana fahafahana nihaona tamin’ny Filoha Nelson sy ireo mpanolotsaina azy aho indroa isan-kerinandro.

Dia tafapetraka tamin’ny seza ilay diakona kely sady nanipy sandry no nihoraka hoe: “Ity no andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako!” Ry rahalahy sy ranabavy, mety tsy hanipy sandry na hihoraka aho saingy feno fankasitrahana mandrakizay aho ny amin’ny mpaminany velona sy ny amin’ny fitarihana raisintsika avy amin’ireo mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara, indrindra indrindra mandritra izao fotoan-tsarotra izao.

Hatrany am-piandohana ny Tompo no nanome fitarihana ny vahoakany mba hanampiana azy ireo hiomana, ara-panahy sy ara-batana, amin’ireo loza sy fitsapana izay fantany fa ho tonga ho isan’ny zavatra iainana eto amin’ity tany ity. Mety ho loza lalovan’ny tena manokana na mahakasika ny rehetra izany saingy ny fitarihan’ny Tompo dia hanome fiarovana sy fanohanana raha toa ka henointsika, sy arahintsika ny torolalany. Misy ohatra tsara amin’izany omena ao amin’ny tantara iray avy ao amin’ny bokin’ny Genesisy, izay ianarantsika momba an’i Josefa tany Egypta sy ny fandikana ny nofin’ny Farao avy tamin’ny fitaomam-panahy.

“Ary hoy i Josefa tamin’i Farao: … izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao. …

“Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ny tany Egypta rehetra;

“Ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tanin’i Egypta.” 1

Nohenoin’i Farao i Josefa, nanaraka ny zavatra nasehon’ Andriamanitra azy tamin’ny nofy, ka nanomboka nanao fiomanana avy hatrany ho amin’izay ho avy. Toy izao no raketin’ny soratra masina avy eo:

“Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin’ny taon-jina fito.

“Dia namory ny hanina rehetra tamin’izany taona fito izany … izy.

“Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, … ka tsy nanisa intsony izy; satria efa tsy hita isa.” 2

Vantany vao lasana ireo taona zina dia toy izao no nolazaina antsika: “dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain’i Josefa: ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra; nefa eran’ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.” 3

Ankehitriny dia fitahiana ho antsika ny tarihan’ireo mpaminany izay mahatakatra ny filantsika miomana amin’ireo loza “izay hanjo” 4 sy mahafantatra ihany koa ireo tsy fahafahana na sakana izay mety holalovantsika eo am-piezahana ny hanaraka ny torohevitr’izy ireo.

Miharihary ny fahatakarana fa ireo vokatry ny COVID-19, ary koa ireo loza ara-boajanahary mahatsiravina dia tsy mifidy olona, fiaviana, sarangam-piainana, sy antokom-pinoana any amin’ny kaontinanta rehetra. Ao ny very asa sy nihena fidiram-bola noho fandroahana mpiasa vokatry ny tsy fahampian’asa ary ao ireo tsy afaka niasa noho ireo olana ara-pahasalamana sy araka ny lalàna.

Maneho ny fahatakaranay sy ny fiahiahianay ny amin’ny toe-javatra misy an’ireo niantraikan’izany izahay, ary amim-paharesen-dahatra no ilazanay fa ho avy ny andro tsaratsara kokoa. Ianareo dia voatahy amin’ny fananana eveka sy filohan’ny sampana izay mikatsaka ireo mpikambana manana filana ara-batana ao amin’ny paroasy sy ny sampana iandraiketan’izy ireo, sy afaka mampiasa ireo fitaovana sy loharano izay afaka manampy amin’ny fanorenana indray ny fiainanareo ka hahatonga anareo ho eo amin’ny lalan’ny fizakan-tena rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny fiomanana ianareo.

Amin’ny toe-draharaha misy ankehitriny, izay andravaravan’ny valanaretina ny toe-karena manontolo sy ny fiainan’ny isam-batan’olona ihany koa, dia tsy fomban’ny Mpamonjy izay feno fangorahana ny tsy hiraharaha ny teo-java-misy hoe maro ireo sahirana ka hangataka azy ireo hanomboka hanao tahirin-tsakafo sy vola ho fitsinjovana ny hoavy. Kanefa, izany akory tsy midika fa tokony tsy horaharahiantsika mihitsy ireo fitsipiky ny fiomanana—saingy tokony hampiharina “amin’ny fahendrena sy ny fitandremana” 5 ireny fitsipika ireny mba hahafahantsika miteny tahaka an’i Josefa tany Egypta amin’ny hoavy hoe: “Mbola nisy hanina ihany.” 6

Tsy mitaky ny hanaovantsika mihoatra izay vitantsika ny Tompo saingy andrasany amintsika kosa ny hanaovantsika izay vitantsika, rehefa afaka manao izany isika. Araka ny nampahatsiahivan’ny Filoha Nelson antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo hoe: “Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka.” 7

Sary
Boky torolalana ho an’ny Fitatanam-bola manokana amin’ny fiteny maro.

Namporisika matetika ireo Olomasin’ny Andro Farany ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba “hiomana ho an’ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fananana tahirin-tsakafo fototra sy rano ary tahirim-bola.” 8 Ankilan’izany anefa dia amporisihina ihany koa isika haneho “fahendrena” ka “tsy hanao mihoa-pampana” 9 ao anatin’ireo ezaka ataontsika mba hanaovana tahirin-tsakafo any an-tokantrano sy hananana tahirim-bola. Ny loharanom-pitaovana mitondra ny lohateny hoe Finances personnelles pour l’autonomie, izay navoaka tamin’ny 2017 ary misy amin’ny fiteny 36 amin’izao, dia manomboka amin’ny hafatry ny Fiadidiana Voalohany izay manambara toy izao:

“Ny Tompo dia nanambara hoe: –Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko– [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15]. Fampanantena avy amin’ny Tompo io fanambarana io fa Izy dia hanome fitahiana ara-batana sy hanokatra ny varavaran’ny fizakan-tena. …

“… Ny fanekena sy ny fiainana ireo fitsipika ireo dia hamela anao handray ireo fitahiana ara-nofo nampanantenain’ny Tompo.

“Manasa anao izahay handalina amim-bavaka sy hampihatra ireo fitsipika ireo ary hampianatra azy ireny amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Rehefa manao izany ianao dia hotahiana ny fiananao … [satria] zanaky ny Ray any An-danitra ianao. Tiany ianao ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Fantany ianao ary Izy dia vonona ny hanome ireo fitahiana ara-panahy sy ara-batana entin’ny fizakan-tena.” 10

Io loharanom-pitaovana io dia ahitana toko natokana ho an’ny fanaovana teti-bola sy ny tsy fandaniana mihoatra izay ananana, fiarovana ny fianakavianao amin’ireo fahasarotam-piainana, fandraisana an-tanana ny krizy ara-bola, ary fampiasana vola ho fitsinjovana ny hoavy, sy ny maro hafa ary afaka mahazo izany ny rehetra ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana na amin’ny alalan’ireo mpitarika anareo eo an-toerana.

Rehefa mieritreritra ny hampihatra ny fitsipiky ny fiomanana isika dia afaka mitodika amin’i Josefa tany Egypta hahazoana fitaomam-panahy. Ny fahafantarana ny zavatra mety hitranga dia tsy ho ampy ho nahavelona azy ireo nandritra ireo taona “mosarena” raha tsy nisy fahafoizan-tena natao nandritra ireo taon-jina. Tsy nolanian’izy ireo avokoa izay rehetra novokarin’ireo olon’ny Farao fa nanisy fetra izy ireo ary nanaraka izany, hany ka nanana ny ampy izy ireo ho an’ny zavatra ilain’izy ireo andavanandro, ary koa ho an’ny hoavy. Tsy ampy ny nahafantarana fa ho avy ny fotoan-tsarotra. Tsy maintsy nanao asa izy ireo ary noho ny ezaka nataon’izy ireo dia “mbola nisy hanina ihany.” 11

Mitondra ho amin’izao fanontaniana iray manan-danja izao izany: “Dia inona ary izany no hatao?” Ny tsara anombohana izany dia ny fahatakarana fa ny zavatra rehetra dia ara-panahy amin’ny Tompo, “ary tsy nisy fotoana” nanomezany antsika “lalàna ara-nofo.” 12 Avy eo ny zavatra rehetra dia manondro antsika ho any amin’i Jesoa Kristy, ho ny fototra tsy maintsy hanorenantsika, eny na dia ny fiomanantsika ho an’ireo zavatra ilaina ara-batana aza.

Ny hoe voaomana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana sy ny fizakan-tena dia midika hoe “mino fa amin’ny alalan’ny fahasoavana, na hery mampahatanjaka, an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka ataontsika manokana, dia afaka mahazo ireo zavatra ilaina fototra ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ilaintsika ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika.” 13

Endrika hafa amin’ny fototra ara-panahy ho an’ny fiomanana ho amin’ireo zavatra ilaina ara-batana ny fanaovana asa “amin’ny fahendrena sy ny filaminana,” 14 izay midika hoe manangana tahirin-tsakafo sy tahirim-bola tsikelikely, tsy tapaka, ary ny fifikirana amin’ireo fomba “madinika sy tsotra” ihany koa, 15 izay fanehoana finoana fa ny Tompo dia hampitombo ireo ezaka madinika kanefa mitohy ataontsika.

Rehefa tafapetraka ny fototra ara-panahy dia afaka isika avy eo mampihatra amim-pahombiazana ireo singa manan-danja amin’ny fiomanana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana, izany hoe mitantana ny vola sy ny tahirin-tsakafo ao an-tokantrano.

Anisan’ireo fitsipika fototra amin’ny fitantanam-bola ny fandoavana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra; fanefana sy tsy fanaovana trosa; manao teti-bola sy tsy mandany vola mihoatra izay ananana; ary ny fanaovana tahirim-bola ho an’ny hoavy.

Anisan’ireo fitsipika fotoatra amin’ny tahirin-tsakafo ao an-tokantrano ny fanangonana sakafo; fanangonana rano; ary koa ny fitehirizana ireo zavatra ilaina andavanandro arakaraka ny filan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Atao izany rehetra izany satria “ny trano fitehirizana” tsara indrindra 16 dia ny trano izay lasa “sompitra vita ahitana izay ilaina mandritra ireo fotoan-tsarotra.” 17

Rehefa mampihatra fitsipika ara-panahy sy mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo isika dia ho voatarika ka hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho antsika, isam-batan’olona sy fianakaviana, sy ny fomba tsara indrindra hampiharana ireo fitsipika manan-danjan’ny fahavononana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana. Ny manomboka no dingana manan-danja indrindra.

Nampianatra io fitsipika io ny Loholona David A. Bednar raha nilaza hoe: “Ny fanaovana asa no fampiharana ny finoana. … Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana amin’ny asa.” 18

Ry rahalahy sy ranabavy, eo anivona tontolo iray tsy mitsaha-miova dia tsy maintsy miomana amin’ireo fivadibadihan-javatra isika. Na dia ho avy aza ny andro tsara, dia fantatsika fa tsy hitsahatra hifandimby ny fotoana tsara sy ny fotoan-tsarotra. Rehefa mikatsaka ny ho vonona amin’ireo zavatra ilaina ara-batana isika dia afaka ny hiatrika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana amim-patokiana bebe kokoa sy fiadanam-po bebe kokoa, ary tahaka an’i Josefa tany Egypta, dia ho afaka ny hiteny isika, na dia ao anatin’ny toe-javatra mampikorontan-tsina aza, hoe: “Mbola nisy hanina ihany.” 19 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.