Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina

Amin’izao faha-200 taona miavaka eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izao dia handeha isika hanolo-tena hiaina araka ny fahamarinana sy hiray hina tsy toy ny teo aloha.

Manan-danja lalina ny fahamarinana sy ny firaisan-kina. 1 Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fony manontolo ny olona ary miezaka ny ho tonga tahaka Azy amim-pahamarinana dia mihena ny olana sy fifandirana ao amin’ny fiarahamonina. Misy firaisan-kina bebe kokoa. Tiako ny tantara tena nisy iray izay maneho izany.

Fony zatovolahy tsy mpivavaka tato amintsika ny Jeneraly Thomas L. Kane dia nanampy sy niaro ny Olomasina rehefa notakina handositra hiala an’i Nauvoo izy ireo. Mpisolovava ho an’ny Fiangonana nandritra ny taona maro izy. 2

Tamin’ny 1872 dia nanao dia avy tany an-tranony tany Pennsylvanie nankany Salt Lake City i Elizabeth Wood Kane vadin’ny Jeneraly Kane sy ny zanakalahin’izy ireo roa. Niaraka tamin’i Brigham Young sy ireo namany tamin’ny dia an-tongotra nankany St. George, Utah izy ireo. Tamin’ahiahy momba ireo vehivavy no nanaovan’i Elizabeth ny fitsidihany voalohany an’i Utah. Gaga izy tamin’ireo zavatra vitsivitsy nianarany. Hitany ohatra fa izay asa rehetra rehefa azon’ny vehivavy natao hahazoana vola dia nisokatra ho azy ireo avokoa tao Utah. 3 Hitany ihany koa fa tsara fanahy sy nifankahazo tamim-panajana tamin’ireo Indiana Amerikana ny mpikamban’ny Fiangonana. 4

Nandritra ny dian’izy ireo dia nijanona tao Fillmore tao amin’ny tranon’i Thomas R. sy Matilda Robison King izy ireo. 5

Nanoratra i Elizabeth fa rehefa nanomana sakafo ho an’ny Filoha Young sy ny namany i Matilda dia nisy Indiana Amerikana dimy niditra ilay efitrano. Na tsy nasaina aza izy ireo dia nazava fa nanantena ny hiaraka amin’ilay vondrona izy ireo. Niresaka tamin’izy ireo tamin’ny “fiteniny” Rahavavy King. Nipetraka sady nitafy ny bodofotsiny izy ireo niaraka tamin’ny endrika mirana. Nanontanian’i Elizabeth ny iray tamin’ireo zanaky ry King: “Inona no nolazain-dreninareo tamin’ireo lehilahy ireo?”

Ny valin-tenin’ny zanakalahin’i Matilda dia hoe: “Tonga voalohany ireto vahiny ireto, hoy izy, ka sakafo ampy ho azy ireo ihany no nandrahoiko, fa efa eo ambony afo ny sakafonareo izao ka antsoiko ianareo rehefa vonona izany.”

Nanontany i Elizabeth hoe: “Tena hataony tokoa ve izany sa ny sisa no homeny azy ireo eo am-baravan-dakozia?” 6

Namaly ny zanakalahin’i Matilda hoe: “Hanome sakafo ho azy ireo tahaka ny ataony aminareo i Neny, ary hanome toerana ho azy ireo eo ambony latabany.”

Ary nataony tokoa moa izany, ka “nihinana tamim-pahalalam-pomba tanteraka izy ireo.” Nanazava i Elizabeth fa tsy araka ny nieritreretany azy mihitsy ilay mpandray vahiny. 7 Mihatsara ny firaisan-kina rehefa entina am-pahamendrehana sy haja ny olona na dia hafa aza izy ireo eo amin’ny endrika ivelany.

Amin’ny maha-mpitarika antsika dia tsy manana fiheverana diso isika fa taloha dia lavorary ny fifandraisana rehetra, ny fitondran-tena rehetra dia tahaka ny an’i Kristy, na ny fanapahan-kevitra rehetra dia marina. Na izany aza, ny finoantsika dia mampianatra fa isika rehetra dia zanaky ny Raintsika any An-danitra ary mitsaoka Azy sy i Jesoa Kristy Zanany izay Mpamonjy antsika isika. Ny fanirianay dia ny mba hifamihina ao amin’ny fahamarinana sy ny firaisan-kina ny fontsika sy ny saintsika ary ho iray amin’Izy Ireo isika. 8

Ny fahamarinana dia voambolana mety hidika zavatra maro kanefa azo antoka fa tsy maintsy tafiditra amin’izany ny fiainana ireo didin’ Andriamanitra. 9 Mahatonga antsika ho mendrika ireo ôrdônansy masina izay mandravaka ny lalan’ny fanekempihavanana izany ary mitahy antsika mba hanana ny Fanahy hanome fitarihana eo amin’ny fiainantsika. 10

Tsy miankina amin’ny fananantsika tsirairay ireo fitahiana rehetra eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao ny maha-olo-marina. Mety hoe tsy manambady na tsy manana zanaka na ireo fitahiana nirina hafa isika izao. Nampanantena anefa ny Tompo fa ireo olo-marina izay mahatoky dia “[h]iara-[h]onina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.” 11

Ny firaisan-kina dia voambolana mety hidika zavatra maro ihany koa, kanefa azo antoka fa tsy maintsy maneho indrindra ireo didy lehibe voalohany sy faharoa izany, dia ny ho tia an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika. 12 Izany dia maneho ny vahoakan’i Ziona izay “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina ny fony sy ny sainy.” 13

Ny sahan-kevitry ny hafatro dia ny fahasamihafana sy ireo lesona avy ao amin’ny soratra masina.

Efa 200 taona izay no lasa hatramin’ny nisehoan’ny Ray sy ny Zanaka voalohany ka nanombohana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny 1820. Ilay tantara ao amin’ny 4 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fotoana naharitra 200 taona mitovy amin’izany taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy sy nanorenany ny Fiangonany tany Amerika fahiny.

Ny rakitsoratra ara-tantara vakintsika ao amin’ny 4 Nefia dia mamariparitra vahoaka izay tsy nahitana fitsiriritana, ady, sahotaka, lainga, famonoan’olona, na izay mety ho karazana fijejojejoana. Noho izany fahamarinana izany dia izao no lazain’ny rakitsoratra: “marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” 14

Raha miompana amin’ny firaisan-kina dia mivaky toy izao ny ao amin’ny 4 Nefia: “Tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.” 15

Mampalahelo anefa fa mamariparitra fiovana goavana izay nanomboka tamin’ny “taona fahairaika amby roanjato” 16 ny 4 Nefia rehefa nandrava ny fahamarinana sy firaisan-kina ny fahotana sy fisaraham-bazana. Ny halalin’ny fahasimbana niseho tamin’izany dia tena ratsy tokoa ka ny niafarany dia nitoloko tamin’i Môrônia zanany lahy ilay mpaminany lehibe Môrmôna:

“Nefa anaka, ahoana no ahafahan’ny vahoaka toy izany, izay ao amin’ny fahavetavetana lehibe toa izany ny fahafinaretany—

“Ahoana no ahazoantsika manantena fa hotanan’ Andriamanitra ny tanany amin’ny fitsarana hanoherana antsika?” 17

Amin’ity fotoampitantanana ity, na dia miaina ao anatin’ny fotoana miavaka aza isika, dia tsy manana ilay fahamarinana sy firaisan-kina voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia izao tontolo izao. Miaina ao anatina vanim-potoana anjakan’ny fitsitokotokoana isika izao. Ireo olona an-tapitrisany izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy anefa dia nanolo-tena ny sady hampisy ny fahamarinana no hampisy ny firaisan-kina. Fantatsika rehetra fa afaka manao tsaratsara kokoa isika, ary izany no fanambintsika amin’ity anio ity. Afaka ny ho hery hampahery sy hitahy ny fiarahamonina manontolo isika. Amin’izao faha-200 taona miavaka eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izao dia handeha isika hanolo-tena, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo antsika, mba hiaina araka ny fahamarinana sy hiray hina tsy toy ny teo aloha. Nangataka antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “haneho fahalalam-pomba, firindrana ara-poko sy firazanana, ary fifanajana bebe kokoa.” 18 Izany dia midika fifankatiavana sy fitiavana an’ Andriamanitra sy fanekena ny rehetra ho mpiray tam-po ary tena vahoakan’i Ziona.

Miaraka amin’ny fotopampianarantsika natao ho an’ny rehetra, dia afaka ny ho loharano andrandraina ipoiran’ny firaisan-kina isika ary hanana fijery tsara momba ny fahasamihafana. Tsy mifanipaka ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana. Afaka mampisy firaisan-kina bebe kokoa isika rehefa mikolokolo tontolo ahatsapana tena ho amin’ny toerana tokony hisy ny tena sy manaja ny fahasamihafana. Nandritra ny fotoana nanompoako tao amin’ny Fiadidian’ny Tsatòka tao San Francisco Californie dia nisy mpivavaka niteny espaniôla, tongana, samoana, tagalogy, ary sinoa tao aminay. Nisy olona samihafa firazanana sy kolon-tsaina tao amin’ireo paroasy miteny anglisy. Nisy ny fitiavana sy fahamarinana ary firaisan-kina tao.

Ireo paroasy sy sampana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia voafaritra araka ny toerana misy azy na ny fiteny ampiasainy, 19 fa tsy araka ny firazanany na ny kolon-tsainy. Tsy ambara ao amin’ireo firaketana ny maha-mpikambana ny firazanana.

Tany am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna, tokony ho 550 taona talohan’ny fahaterahan’i Kristy, dia nampianarina didy fototra mikasika ny fifandraisan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra isika. Natao hitandrina ny didin’ny Tompo ny rehetra, ary asaina ny rehetra handray ny fahatsaran’ny Tompo; “ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; ary mahatsiaro ny hafa firenena Izy; ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra na Jiosy na Jentilisa.” 20

Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy sy ny hafany dia nanambarana tsy tapaka fa ny olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny samy hafa volon-koditra rehetra dia zanak’ Andriamanitra avokoa. Mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra. Ao amin’ny fotopampianarantsika dia mino isika fa ny firenena mpampiantrano ny Famerenana amin’ny laoniny, i Etazonia, sy ny lalam-panorenan’i Etazonia 21 sy ireo antontan-taratasy mifandray amin’izany, 22 izay nosoratan’ny olona tsy tonga lafatra dia nentanin’ Andriamanitra mba hitahy ny olona rehetra. Araka ny vakintsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ireo antontan-taratasy ireo dia “haorina ary tokony hotanana ho an’ny zo sy ny fiarovana ny nofo rehetra araka izay fitsipika marina sy masina.” 23 Roa amin’ireo fitsipika ireo ny fahafahana misafidy sy ny maha-tomponandraikitra amin’ny fahotan’ny tena. Ny Tompo dia nanambara hoe:

“Koa tsy rariny ny fisian’ny olona andevozin’ny olona hafa.

“Ary ho amin’izany tanjona izany no efa nametrahako ny Lalampanorenan’ity tany ity tamin’ny alalan’ny tanan’ireo olon-kendry izay efa natsangako ho amin’izany tanjona izany indrindra sy nanavotako ny tany tamin’ny fandatsahan-dra.” 24

Tamin’ny 1833 nandritra ny fotoana niaretan’ireo Olomasina tany Missouri fanenjehana no nandraisana io fanambarana io. Mivaky toy izao ny ampahany amin’ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: “Noroahin’ny mpihetraketraka hiala ny tranony tao amin’ny Fivondronan’i Jackson izy ireo. … Maro ireo fandrahonana ho faty natao tamin’ny [mpikambana] tao amin’ny Fiangonana” 25

Fotoan’ny fihenjanana teo amin’ny lafiny maro io fotoana io. Maro ny olona avy tao Missouri no nihevitra ny Amerikana Indiana ho fahavalo mitoha ary naniry azy ireo hiala amin’ny tany. Ankoatr’izay, maro tamin’ireo mponin’i Missouri no tompon’andevo ary nahatsiaro ho tandindomin-doza amin’ireo izay nanohitra ny fanandevozana.

Mifanohitra amin’izany kosa, ny fotopampianarantsika dia nanaja ireo Amerikana Indiana ary ny faniriantsika dia ny hampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ny resaka fanandevozana dia nohazavain’ny soratra masintsika tsara fa tsy rariny ny fisian’ny olona andevozin’ny olona hafa. 26

Nony farany dia noroahina tamin-kerisetra hiala an’i Missouri ny Olomasina 27 ary noterena hifindra hiankandrefana avy eo. 28 Niroborobo ny Olomasina ary nahita fiadanana izay miaraka amin’ny fahamarinana, firaisan-kina, ary fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mifaly ao amin’ny Vavaka Fanalalanana nataon’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona aho. Neken’ny Mpamonjy fa naniraka Azy ny Ray, ary Izy, ilay Mpamonjy, dia nahatontosa ny asa nanirahana Azy. Nivavaka ho an’ny mpianany sy ho an’ireo izay hino an’i Kristy Izy: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.” 29 Ny ho iray no nangatahin’i Kristy tamim-bavaka mialoha ny famadihana sy fanomboana Azy.

Tamin’ny taona voalohany taorian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, araka ny voarakitra ao amin’ny fizarana 38 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Tompo dia niresaka momba ny ady sy ny faharatsiana ka nanambara hoe: “Lazaiko aminareo, aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.” 30

Ny kolontsaintsika ato amin’ny Fiangonana dia avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ianaran-javatra lalina ny Epistilin’ny Apostoly Paoly ho an’ny Romana 31 Nahitana Jiosy sy Jentilisa ny Fiangonana voalohany tany Roma. Nanana kolon-tsaina Joda ireo Jiosy fahiny ary “nahazo ny fahafahan’izy ireo, sy nanomboka nitombo sy niroborobo.” 32

Ny Jentilisa tao Roma dia nanana kolontsaina nanana fitaomana goavana Helenistika, izay takatry ny Apôstôly Paoly tsara noho ny zavatra niainany tany Atena sy Korinto.

Nasehon’i Paoly tamin’ny fomba feno fahatakarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Notantarainy ireo lafiny mifandraika amin’ny kolon-tsaina Jiosy sy Jentilisa 33 izay mifanohitra amin’ny tena filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nangatahina indrindra tamin’izy ireo tsirairay ny handaozany ireo zavatra manohintohina ny finoan’izy ireo sy handao ireo kolon-tsaina izay tsy mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanafatra ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly mba hitandrina ny didy, hifankatia, ary mba hitarika ho amin’ny famonjena ny fahamarinana. 34

Ny kolon-tsain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy kolon-tsaina Jentilisa na kolon-tsaina Joda. Tsy voafaritry ny lokom-bolon-koditry ny olona izany na ny toerana onenan’ny olona. Na dia mifaly amin’ny fisian’ny kolon-tsaina miavaka aza isika dia tokony hamela ny lafin-javatra amin’ireo kolon-tsaina ireo izay mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Matetika ireo mpikambana ato amintsika sy ireo olona vao niova fo eo anivontsika no avy amin’ny firazanana sy kolon-tsaina samihafa. Raha te hanaraka ny fananaran’ny Filoha Nelson isika mba hanangona an’i Isiraely izay miely patrana, dia ho hitantsika fa samy hafa tahaka ny Jiosy sy ny Jentilisa tamin’ny andron’i Paoly isika. Saingy afaka miray hina ao amin’ny fitiavantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika. Ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Romana dia mametraka ny fitsipika ny amin’ny hanarahantsika ny kolon-tsaina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Io no maodely ho antsika na dia ho amin’ny ankehitriny aza. 35 Ny ôrdônansin’ny tempoly dia mampiray antsika amin’ny fomba manokana ary mamela antsika ho iray amin’ny fomba manan-danja mandrakizay rehetra.

Manaja ny mpikambana mpisava lalana antsika erak’izao tontolo izao isika, tsy hoe satria lavorary izy ireo fa noho izy ireo nandresy zava-tsarotra, nanao fahafoizan-tena, niezaka nitovy amin’i Kristy, ary niezaka nampiorina ny finoana sy ho iray amin’ny Mpamonjy. Ny maha-iray azy ireo tamin’ny Mpamonjy dia nahatonga azy ireo ho iray eo amin’izy samy izy. Marina io fitsipika io ho anao sy ho ahy ankehitriny.

Ny antso fanairana ho an’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hiezaka ny ho vahoaka Ziona izay iray fo sy iray saina ary mitoetra amin’ny fahamarinana. 36

Mivavaka aho mba ho olo-marina sy hiray hina ary hifantoka tanteraka amin’ny fanompoana sy fitsaohana ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, anie isika; ary ijoroako ho vavolombelona ny Aminy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.

  2. Ny asa fanompoana nataon’i Thomas Kane tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nofaritana hatrany ho “asa fanolorantena tsy tia tena nataon’ny tanora iray nino fa azo atao ny miaina araka ny fenitra ambony amin’ny fitondrantena sy ny fahamarinan-toetra izay nanatri-maso ny tsy fahamarinana nampiharina tamin’ireo mpivavaka vitsy an’isa nenjehin’ny olona maro an’isa ratsy fanahy sy feno habibiana” (fampidirana ao amin’ny Elizabeth Wood Kane, Twelve Mormon Homes Visited in Succession on a Journey through Utah to Arizona, ed. Everett L. Cooley [1974], viii).

  3. Jereo ny Kane, Twelve Mormon Homes, 5.

  4. Jereo ny Kane, Twelve Mormon Homes, 40.

  5. Jereo ny Lowell C. (Ben) Bennion and Thomas R. Carter, “Touring Polygamous Utah with Elizabeth W. Kane, Winter 1872–1873,” BYU Studies, vol. 48, no. 4 (2009), 162.

  6. Hita fa nihevitra i Elizabeth fa ny ankamaroan’ny Amerikana tamin’izany fotoana izany dia hanome ny sisa fotsiny ihany ho an’ny Indiana Amerikana ary ho hafa ny fitondrany azy ireo, tsy toy ny mpivahiny hafa.

  7. Jereo ny Kane, Twelve Mormon Homes, 64–65. Tsara marihina fa Indiana Amerikana maro, anisan’izany ireo mpitarika maro, no lasa mpikamban’ny Fiangonana. Jereo ihany koa ny John Alton Peterson, Utah’s Black Hawk War (1998) 61; Scott R. Christensen, Sagwitch: Shoshone Chieftain, Mormon Elder, 1822–1887 (1999), 190–95.

  8. Amin’ity fotoampitantanana ity, “ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra ary ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:71).

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:3–5. Nohamafisin’ny soratra masina manokana fa singa manan-danja amin’ny fahamarinana ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana.

  10. Jereo ny Almà 36:30; jereo koa ny 1 Nefia 2:20; Môzià 1:7. Mivaky toy izao ny ampahany farany ao amin’ny Almà 36:30: “arakaraka ny tsy hitandremanao ny didin’ Andriamanitra no hanesorana anao tsy ho eo anatrehany. Ankehitriny, izany dia araka ny teniny.”

  11. Môzià 2:41. Nampianatra ny Filoha Lorenzo Snow hoe: “Tsy misy Olomasin’ny Andro Farany izay maty taorian’ny niainany fiainana feno fahatokiana ka hamoy zavatra satria tsy nahavita nanao zavatra vitsivitsy noho ny tsy fanomezana fahafahana azy ireo hanao izany. Amin’ny teny hafa, raha toa ny zatovolahy na zatovovavy iray ka tsy manana fahafahana hanambady nefa miaina fiainana feno fahatokiana izy ireo mandra-pahatonga ny fotoana hahafatesany, dia hahazo ireo fitahiana rehetra sy ny fisandratana ary ny voninahitra ho azon’ny lehilahy na vehivavy izay afaka nanao sy nampivoatra izany izy. Azo antoka sy tsara izany” ( Enseignements des Présidents de l’Église: Lorenzo Snow [2012], 130). Jereo ihany koa ny Richard G. Scott, “The Joy of Living the Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1996, 75.

  12. Jereo ny 1 Jaona 5:2.

  13. Môzià 18:21; jereo koa ny Mosesy 7:18.

  14. 4 Nefia 1:16.

  15. 4 Nefia 1:15.

  16. 4 Nefia 1:24.

  17. Môrônia 9:13–14.

  18. Russell M. Nelson, tao amin’ny “First Presidency and NAACP Leaders Call for Greater Civility, Racial Harmony,” 17 mey 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny “President Nelson Remarks at Worldwide Priesthood Celebration,” 1 jona 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  19. Mivaky toy izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11: “Handre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny teniny avy ny olona tsirairay.” Ankatoavina araka izany ny rantsana misy mpivavaka araka ny fitenin’izy ireo manokana.

  20. 2 Nefia 26:33.

  21. Jereo ny Constitution of the United States (Lalampanorenan’i Etazonia).

  22. Jereo ny United States Declaration of Independence (1776); Constitution of the United States, Amendments I–X (Bill of Rights), National Archives website, archives.gov/founding-docs.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:77; nampiana fanamafisana.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:79–80.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41, sasin-tenin’ny fizarana.

  26. Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 172–74; James B. Allen and Glen M. Leonard, The Story of the Latter-day Saints, 2nd ed. (1992), 93–94; Ronald W. Walker, “Seeking the ‘Remnant’: The Native American during the Joseph Smith Period,” Journal of Mormon History, vol. 19, no. 1 (Spring 1993), 14–16.

  27. Jereo ny Saints, 1:359–83; William G. Hartley, “The Saints’ Forced Exodus from Missouri, 1839,” in Richard Neitzel Holzapfel and Kent P. Jackson, eds., Joseph Smith, the Prophet and Seer (2010), 347–89; Alexander L. Baugh, “The Mormons Must Be Treated as Enemies,” in Susan Easton Black and Andrew C. Skinner, eds., Joseph: Exploring the Life and Ministry of the Prophet (2005), 284–95.

  28. Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 (2020), 3–68; Richard E. Bennett, We’ll Find the Place: The Mormon Exodus, 1846–1848 (1997); William W. Slaughter and Michael Landon, Trail of Hope: The Story of the Mormon Trail (1997).

  29. Jaona 17:21.

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.

  31. Ahitana zavatra maro ny Epistily ho an’ny Romana amin’ny fanambarana fotopampianarana. Ny Romana no hany ahitana ny filazana tokana momba ny Sorompanavotana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Lasa tiako ny Epistily ho an’ny Romana noho izany mampiray olona maro amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fony aho filohana tsatòka iray izay nahitana mpikambana avy amina firazanana sy kolon-tsaina maro ary miteny fiteny maro samihafa.

  32. Frederic W. Farrar, The Life and Work of St. Paul (1898), 446.

  33. Jereo ny Farrar, The Life and Work of St. Paul, 450.

  34. Jereo ny Romana 13.

  35. Jereo ny Dallin H. Oaks, “The Gospel Culture,” Liahona, Mar. 2012, 22–25; jereo koa ny Richard G. Scott, “Removing Barriers to Happiness,” Ensign, May 1998, 85–87.

  36. Jereo ny Mosesy 7:18.