Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, ary raiso ho fifaliana ny zava-drehetra!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, ary raiso ho fifaliana ny zava-drehetra!

Mitombo ny finoantsika rehefa mampihatra faharetana isika. Ary rehefa mitombo ny finoantsika, dia mitombo ihany koa ny fifaliantsika.

Roa taona lasa izay no niampita ny voaly i Chad, zandriko faralahy. Namela banga tao am-pon’i Stephanie zaobaviko, sy i Brayden sy i Bella zanak’izy ireo anankiroa kely, ary koa ny fianakaviana sisa ny fifindrany nankany ambadiky ny voaly. Nampionona anay ireo tenin’ny Loholona Neil L. Andersen nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny herinandro mialoha ny nahafatesan’i Chad: “Manàna faharetana miaritra ao anatin’ny memin’ireo fitsapana eto an-tany, dia hitondra hazavana, fahatakarana, fiadanana, ary fanantenana ny hery manasitran’ny Mpamonjy” (Maratra,” Liahona, Nôv. 2018).

Sary
I Chad Jaggi sy ny fianakaviany

Manam-pinoana an’i Jesoa Kristy izahay, fantatray fa hiaraka amin’i Chad indray izahay, saingy mafy taminay ny fandaozana ara-batana! Olona maro no mamoy olon-tiana. Sarotra amintsika ny hanana faharetana sy hiandry ny fotoana izay hiarahana amin’izy ireo indray.

Ny taona taorian’ny nahafatesany dia toy ireny nisy zavona maizina nanarona ireny izahay. Nikatsaka fialofana tamin’ny fandalinana ny soratra masina izahay, nivavaka mafy ary nandeha tany amin’ny tempoly matetika kokoa. Maneho ny fahatsapana nanananay tamin’izany fotoana izany ny andalana avy amin’ity hira ao amin’ny fihirana ity, “Tonga ihany ny andro, mifoha izao tontolo izao, nisinda ny haizin’ireo zavon’ny alina” (“Du grand Millénium,” Cantiques, lah. 26).

Nanapa-kevitra ny fianakavianay fa ho taona hitondra fanavaozana ny 2020! Teo am-pandalinana ny lesona tao amin’ny bokin’i Jakoba ao amin’ny Testamenta Vaovao tao amin’ny Avia, hanaraka Ahy tany am-piafaran’ny volana nôvambra 2019 izahay no nambara taminay ny lohahevitra iray. Ny Jakoba toko 1 andininy faha 2 dia manao hoe: “Ry rahalahy, raiso ho fifaliana ny fahoriana maro mianjady aminareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jakoba 1:2 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Tao anatin’ny fanirianay hanokatra ny taona vaovao, ny folo taona vaovao amim-pifaliana, dia nanapa-kevitra izahay fa amin’ny 2020 dia ho “rais[inay] ho fifaliana” ny zava-drehetra. Tena tsapanay mafy tokoa izany hany ka dia nomenay akanjo ambony izay nisy soratra matevina hoe “Raiso ho fifaliana ny zava-drehetra” ireo mpiray tampo aminay tamin’ny Noely farany teo. Nanantena izahay fa tena ho taona feno fifaliana sy firavoravoana ny taona 2020.

Indrisy anefa—valanaretina COVID-19 maneran-tany sy fikorontanana ara-piarahamonina ary olana ara-toekarena no nentin’ny taona 2020. Mety manome antsika fotoana hisaintsainana sy hiheverana momba ny fahatakarantsika ny hoe faharetana sy ny fisafidianantsika am-pahatsapan-tena ny fifaliana ny Raintsika any An-danitra.

Nanomboka tamin’io fotoana io dia nitondra fampianarana vaovao taminay ny bokin’i Jakoba. Ny Jakoba toko 1 andininy faha 3 sy faha 4 dia mitohy manao hoe:

“Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

“Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.”

Ao amin’ny fiezahantsika hahita fifaliana eo anivon’ny fizahan-toetra lalovantsika dia lasa hadinontsika fa ny fananana faharetana no fanalahidy hahafahana mamela ireo fisedrana hitondra soa ho antsika.

I Benjamina Mpanjaka dia nampianatra antsika ny tokony hialana amin’ny maha-olona araka ny nofo sy “tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra.” (Môzià 3:19).

Ny toko faha-6 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mampianatra toetra fototra tahaka ny an’i Kristy izay azontsika alain-tahaka: “Ny faharetana dia fahaizana miaritra tsy am-pahatezerana, na am-pahadisoam-panantenana, na am-piahiahiana ny fanemorana, ny olana, ny fanoherana, na ny fijaliana. Izany dia midika fahavitana manao ny sitrapon’ Andriamanitra sy fahaizana manaiky ny fandaminam-potoany. Rehefa maharitra ianao dia mahazaka izay fitsapana mitranga ary afaka miatrika fahoriana amin’ny fo tony sy fanantenana” ( Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera, rev. ed. [2019], 145).

Hita soritra tao amin’ny fiainan’i Simona Kananeana, iray tamin’ireo mpianatr’i Kristy fahiny ny asa tanteraky ny faharetana. Ireo Zelota dia vondrona Jiosy nasiônalista nanohitra mafy ny fanjakana Romana. Ireo Zelota dia nanohana ny herisetra hanoherana ny Romana sy ireo Jiosy niara-niasa tamin’izy ireo ary ny Sadoseo tamin’ny alalan’ny fanafihana mba handrobana vatsy sy ny fanaovana hetsika hafa hanatrarana ny tanjon’izy ireo (jereo ny Encyclopedia Britannica, “Zealot,” britannica.com). Zelota i Simona Kananeana (jereo ny Lioka 6:15). Alaivo sary an-tsaina i Simona miezaka ny handresy lahatra ny Mpamonjy mba handray fitaovam-piadiana, hitarika vondrona mpikomy na hiteraka fikorontanana tao Jerosalema. Nampianatra i Jesoa hoe:

“Ary sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. …

“Ary sambatra ny mamindra fo, fa izy no hahazo famindram-po. …

“Sambatra ny mpampihavana: fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra” (Matio 5:5, 7, 9).

Mety nankamamy sy nanohana ny filôzofiany tamin’ny zotom-po i Simona saingy ny soratra masina dia milaza fa noho ny akon’ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehony dia niova ny fifantohany. Ny maha-mpanara-dia an’i Kristy azy no lasa ivon’ny fifantohan’ny ezaka nataony teo amin’ny fiainany.

Rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra isika dia afaka hanampy antsika mba “ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetra manaram-batana sy lavo, ho amin’ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy” ny Mpamonjy (Môzià 27:25).

Aoka ny hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy no firehana manan-danja sy ahitana taratra antsika indrindra eo anatrehan’ireo zavatra mampazoto antsika ara-tsôsialy sy ara-pinoana ary ara-pôlitika ataontsika amin’izao androntsika izao. “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao” (Matio 6:21). Aoka tsy ho adinontsika ihany koa fa na dia “efa nahavita ny sitrapon’ Andriamanitra” aza ireo mpanaradia mahatoky dia mbola “tokony hanana faharetana” (Hebreo 10:36).

Mitovy amin’ny hoe ny fizahan-toetra ny finoantsika dia miteraka faharetana ao anatintsika, rehefa mampiasa faharetana isika dia mitombo ihany koa ny finoantsika. Ary rehefa mitombo ny finoantsika, dia mitombo ihany koa ny fifaliantsika.

Tamin’ny martsa lasa teo dia voatery nanao fihibohana i Emma zanakay vavy faharoa, toy ireo misiôneran’ny Fiangonana maro. Maro ny misiônera nandeha nody. Maro ny misiônera niandry fanovana teo amin’ny misiônany. Maro no tsy nandray ireo fitahian’ny tempoly mialoha ny nandehanany tany amin’ny sahan’ny misiônany. Misaotra anareo ry misiônera lahy sy vavy isany. Tianay ianareo.

I Emma sy ny namana mpiara-manompo taminy tao Hôlandy dia nandalo fitsapana ara-pihetseham-po nandritra ireo herinandro maromaro voalohany—matetika izy ireo no latsa-dranomaso mihitsy. Nitombo ny fianteheran’i Emma tamin’ Andriamanitra rehefa tsy dia nanana fahafahana ny hihaona mivantana mba hifaneraserana aman’olona izy ary voafetra ny fahafahany nandeha tany ivelan’ny trano. Niara-nivavaka taminy tamin’ny alalan’ny internet izahay ary nangataka ny fomba ahafahanay manampy. Nangataka anay mba hifandray amin’ny alalan’ny internet amin’ireo namana izay ampianariny izy!

Nanomboka nifandray tsirairay tamin’ireo naman’i Emma tany Hôlandy ny fianakavianay. Nasainay hiaraka amin’ny fianakavianay izy ireo handalina ny Avia, hanaraka Ahy isan-kerinandro. Lasa namanay avokoa i Floor, Laura, Renske, Freek, Benjamin, Stal ary i Muhammad. Ny sasany amin’ireo namanay avy ao Hôlandy dia niditra ilay “vavahady ety” (3 Nefia 14:13). Ny sasany dia nampisehoana fa “ety ny lalana, ary tery ny vavahady izay tokony hidirany” (2 Nefia 31:9). Mpiray tampo amintsika ao amin’i Kristy izy ireo. Isan-kerinandro isika dia manatanteraka ny hoe “Raiso ho fifaliana [ny zava-drehetra]” rehefa miara-miasa amin’ny ezaka ataontsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Nanatanteraka ny hoe “Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka” (Jakoba 1:4) isika rehefa tsy afaka nihaona nivantana ny fianakaviamben’ny paroasy misy antsika nandritra ny fotoana voafetra. Saingy raisintsika ho fifaliana ny fitomboan’ny finoan’ny fianakaviantsika amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny teknôlôjia vaovao sy ny Avia Hanaraka Ahy fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.

Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny ezaka tsy tapaka ataonareo amin’io tanjona io, na dia mandritra ireo fotoana izay hahatsapanareo ho tsy mahomby aza, dia hanova ny fiainanareo sy ny an’ny fianakavianareo ary izao tontolo izao” (“Mandrosoa amim-pinoana,” Liahona, mey 2020, 114).

Nikatona tsy maharitra ny toerana fanaovantsika fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra—dia ny tempoly izany. Fa misokatra hatrany ny toerana fitandremantsika ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra—dia ny tokantrano izany! Ao an-tokantrano isika no manana fahafahana handalina sy hisaintsaina ny hatsarana miavak’ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Na dia tsy afaka miditra ara-bakiteny ao amin’izany toerana masina izany aza isika, “ny fon[tsika] … dia hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:9).

Maro no very asa; ary ny hafa dia very fahafahana hanao zavatra. Na izany aza dia miara-paly amin’ny Filoha Nelson isika, izay nilaza vao haingana fa: “Nitombo tokoa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina an-tsitrapo avy tamin’ireo mpikambana ao amintsika, sy ny fandraisana anjara an-tsitrapo ho an’ny vatsim-bola ho an’ny asa fanasoavana sy ny fanampiana olona. … Hiaraka handresy an’ity fotoan-tsarotra ity isika. Ny Tompo dia hitahy anareo eo am-panohizanareo ny fitahiana ny hafa” (Pejy Facebook an’i Russell M. Nelson, hafatra navoakany tamin’ny 16 aog. 2020, facebook.com/russell.m.nelson).

Ny didy avy amin’ Andriamanitra dia hoe “matokia” fa tsy hoe matahora (Matio 14:27).

Indraindray dia lasa tsy manam-paharetana isika rehefa mieritreritra fa isika dia “efa manao ny zava-drehetra araka ny tokony ho izy” nefa mbola tsy mahazo ny fitahiana izay iriantsika. Niara-nandeha tamin’ Andriamanitra nandritra ny 365 taona i Enoka mialoha ny nakana azy sy ny vahoakany ka tsy nandalo fahafatesana. Niezaka nanao ny marina tamin’ny zava-drehetra nandritra ny dimy amby enim-polo sy telon-jato taona izy izay vao nitranga ilay izy! (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:49.)

Nitranga volana vitsivitsy monja taorian’ny nisaorana anay tamin’ny fiahiana ny misiônan’i Ogden Utah ny nahafatesan’i Chad, rahalahiko. Tena feno fahagagana fa fony izahay nipetraka tao atsimon’i Californie, raha ny misiôna 417 rehetra mety nandefasana anay tamin’ny 2015, dia notendrena hanompo tao avaratr’i Utah izahay. Vita 30 minitra monja amin’ny fiarakodia ny tranon’i Chad. Fantatra fa voan’ny homamiadana i Chad taorian’ny nandraisanay ny fanendrena anay hanao asa fitoriana. Fantatray fa niahy anay sy nanampy anay mba hahita fifaliana ny Raintsika any An-danitra na dia nandritra ny fotoana faran’izay sarotra aza.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny herin’i Jesoa Kristy Mpamonjy izay manavotra, manadio, mitondra fanetren-tena ary mitondra fifaliana. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa isika dia hamaly antsika Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mihaino sy manaraka ny feon’ny Tompo sy ny mpaminaniny velona, ny Filoha Russell M. Nelson, isika dia afaka “[hahatonga] ny faharetana hisy asa tanteraka,” ary “[handray] ho fifaliana [ny zava-drehetra].” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.