Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka Andriamanitra no hanjaka
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Aoka Andriamanitra no hanjaka

Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao?

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, tena feno fankasitrahana aho noho ireo hafatra mahatalanjona amin’ity fihaonambe ity sy noho ny fahafahako miresaka aminareo izao.

Nandritra ny 36 taona mahery naha-Apôstôly ahy dia nanintona ahy foana ny fotopampianaran’ny fanangonana an’Isiraely. 1 Ny zavatra rehetra momba izany dia nahaliana ahy avokoa, anisan’izany ireo fanompoana sy anaran’ 2 i Abrahama, sy Isaka ary i Jakoba; ny fiainan’izy ireo sy ny vadiny; ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’izy ireo sy nitariny tamin’ny taranany; 3 ny fielezan’ireo foko roa ambin’ny folo; ary ireo faminaniana maro momba ny fanangonana amin’izao androntsika izao.

Nandalina ilay fanangonana aho, nivavaka momba izany, nivoky tamin’ny soratra masina rehetra miresaka momba izany, ary nangataka ny Tompo mba hampitombo ny fahatakarako.

Koa alaivo sary an-tsaina ary ny hafaliako raha voatarika tamina fahatakarana vaovao aho vao tsy ela. Noho ny fanampian’ny manampahaizana Hebreo anankiroa dia nianatra aho fa iray amin’ireo dikan’ny teny hoe Isiraely dia ny hoe “aoka Andriamanitra no hanjaka.” 4 Noho izany ilay anarana hoe Isiraely dia milaza olona iray izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany. Nanentana mafy ny fanahiko izany hevitra izany!

Tena manan-danja ilay teny hoe vonona amin’ny fandikana ny teny hoe Isiraely. 5 Samy manana ny fahafahany misafidy isika rehetra. Afaka misafidy ny ho Isiraely isika na tsia. Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika, na tsia. Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainantsika isika na tsia.

Andeha hotadidiantsika vetivety ny fiovana lehibe nitranga teo amin’ny fiainan’i Jakoba zafikelin’i Abrahama. Teo amin’ny toerana iray izay nantsoin’i Jakoba hoe Peniela (izay midika hoe “ny tavan’ Andriamanitra”), 6 dia nitolona tamina fanamby lehibe iray i Jakoba. Nozahan-toetra ny fahafahany misafidy. Tamin’ny alalan’io tolona io no nanaporofoan’i Jakoba ny zavatra tena manan-danja indrindra taminy. Nasehony fa vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany izy. Ho valin’izany dia novan’ Andriamanitra ho Isiraely 7 ny anaran’i Jakoba, izay midika hoe “aoka Andriamanitra no hanjaka.” Dia nampanantena an’i Isiraely Andriamanitra avy eo fa ny fitahiana rehetra izay notononina teo ambony lohan’i Abrahama dia ho azy ihany koa. 8

Mampalahelo anefa fa nandika ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra ny taranak’i Isiraely. Nitora-bato ny mpaminany izy ireo ary tsy vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka teo amin’ny fiainan’izy ireo. Vokatr’izany dia naelin’ Andriamanitra eraky ny vazan-tany efatra izy ireo. 9 Soa ihany fa nampanantena Izy taty aoriana ny hanangona azy ireo, araka ny notaterin’i Isaia hoe: “Fa fotoana fohy no efa nahafoizako anao [ry Isiraely]; fa amin’ny famindrampo lehibe kosa no hampodiako anao.” 10

Raha atao ao an-tsaina ilay famaritana amin’ny teny Hebreo ny hoe Isiraely dia misy dikany fanampiny ny hoe fanangonana an’i Isiraely. Manangona ireo izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany ny Tompo. Manangona ireo izay hisafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainany ny Tompo.

Nandritra ny taonjato maro dia nanambara mialoha an’io fanangonana io ny mpaminany, 11 ary efa mitranga izany amin’izao! Amin’ny maha-tranga manan-danja hialoha ny Fiavian’ny Tompo fanindroany azy dia io no asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao!

Ho an’ny olona an-tapitrisany maro io fanangonana alohan’ny arivotaona io dia trangam-piainana manokana mampivelatra finoana sy herim-po ara-panahy. Ary amin’ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, na “Isiraelin’ny andro farany nanao fanekempihavanana,” 12 dia nomena andraikitra isika hanampy ny Tompo amin’io asa lehibe io. 13

Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika dia mazava ho azy fa miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Miresaka momba ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay miara-miaina sy miasa ary manompo amintsika ihany koa isika. Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika.

Vao tsy ela akory izay dia sahirana ara-panahy ny vadin’ny iray amin’ireo zafikelinay lahy. Hoantsoiko hoe “Jill” izy. Na dia teo aza ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny tsodranon’ny fisoronana dia teo an-dalam-pahafatesana ny rainy. Natahotra mafy izy ny handao ny rainy sy ny ho very fijoroana ho vavolombelona.

Indray harivariva dia nolazain’ny vadiko, Rahavavy Wendy Nelson, ahy ny zavatra nanjo an’i Jill. Ny ampitso marainan’io dia nahatsapa i Wendy ny hizara tamin’i Jill fa ny valinteniko tamin’ny tolona ara-panahy izay niainany dia andian-teny tokana ihany! Izany andian-teny izany dia hoe tsy mahita lavitra.

Namboraka tamin’i Wendy i Jill taty aoriana fa nahaketraka azy ny valinteniko. Hoy izy: “Nanantena an’i Dadabe hampanantena fahagagana ho an’i Dada aho. Nanontany tena foana aho hoe nahoana no ny andian-teny hoe tsy mahita lavitra no hany mba tsapany tokony hotenenina.”

Rehefa lasana ny rain’i Jill dia niverimberina tao an-tsainy ilay andian-teny hoe tsy mahita lavitra. Nanokatra ny fony izy ka nahatakatra lalina kokoa fa ilay hoe tsy mahita lavitra dia nidika hoe “fohy fijery.” Dia nanomboka niova ny fijeriny. Hoy i Jill: “Nampijanona sy nampieritreritra ary nanasitrana ahy ilay hoe tsy mahita lavitra. Mahafeno fiadanana ahy izao izany andian-teny izany. Mampahatsiahy ahy mba hampivelatra ny fomba fijeriko sy hikatsaka ny mandrakizay izany. Mampahatsiahy ahy izany fa misy ny drafitr’ Andriamanitra ary ny raiko dia mbola velona sy tia ary mijery ahy. Nitondra ahy any amin’ Andriamanitra ilay hoe tsy mahita lavitra.

Tena mampirehareha ahy ilay vinantovavinay sarobidy. Mandritra izany fotoana nahatriatra fo eo amin’ny fiainany izany i Jill malala dia mianatra ny hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny dadany, miaraka amin’ny fomba fijery mibanjina amin’ny mandrakizay ho an’ny fiainany. Rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka izy dia mahita fiadanana.

Raha avelantsika izany dia misy fomba maro ahafahan’io fandikana avy amin’ny fiteny hebreo ny Isiraely io manampy antsika. Alaivo sary an-tsaina ny mety hampiova ny vavaka ataontsika ho an’ireo misiônera, sy ho an’ny ezaka ataontsika manokana hanangona an’i Isiraely, raha io foto-kevitra io no ao an-tsaina. Mivavaka matetika isika mba hahavoatarika antsika sy ireo misiônera ho any amin’ireo izay efa vonona handray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manontany tena aho hoe any amin’iza no hitarihana antsika rehefa mitalaho isika mba hahita an’ireo izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany?

Mety ho voatarika amin’ny sasany izay mbola tsy nino an’ Andriamanitra na i Jesoa Kristy mihitsy isika, izay maniry mafy ny hianatra momba Azy Ireo sy ny drafitr’ Izy Ireo ho an’ny fahasambarana. Ny sasany mety efa “teraka tao anatin’ny fanekempihavanana” 14 kanefa ninia niala teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mety efa vonona ny hibebaka sy hiverina ary hamela an’ Andriamanitra hanjaka izy ireo amin’izao. Afaka manampy azy ireo isika amin’ny fandraisana azy ireo an-tanan-droa sy amin’ny fo. Ary ny sasany izay mety hitarihana antsika dia mety efa nahatsapa foana fa misy zavatra tsy ampy eo amin’ny fiainany. Mangetaheta ny fahafenoana sy ny fifaliana azon’ireo izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fianany ihany koa izy ireo.

Ngeza velarana ny haraton’ny filazantsara manangona an’i Isiraely miely patrana. Misy toerana ho an’ny olona tsirairay izay tena hanaiky tanteraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao. Izay niova fo rehetra dia lasa zanaky ny fanekempihavanan’ Andriamanitra, 15 na nateraka izy na natsangana. Lasa mpandova feno an’izay rehetra nampanantenain’ Andriamanitra ny zanak’ Isiraely ny tsirairay! 16

Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy ranabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany momba io lohahevitra io. Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy, “ na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy.” 17

Manome toky anareo aho fa ny toeranareo eo imason’ Andriamanitra dia tsy voafaritry ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo.

Malahelo aho fa miaritra ny fijaliana avy amin’ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ireo rahalahintsika sy ranabavintsika mainty hoditra manerana izao tontolo izao. Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ny fanontaniana ho antsika tsirairay, na inona na inona firazanantsika, dia mitovy. Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony? 18

Eritrereto ny fitahiana entin’ny fahavononana toy izany eo aminao. Raha toa ianao ka tokan-tena ary mikatsaka vady mandrakizay, ny fanirianao ho anisan’i “Isiraely” dia hanampy anao hanapa-kevitra ny hoe iza no tokony hiarahanao ary amin’ny fomba ahoana.

Raha toa ianao ka manambady olona nandika ny fanekempihavanany, ny fahavononanao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao dia hamela ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra tsy ho voakitikitika. Hanasitrana ny fonao torotoro ny Mpamonjy. Hisokatra ny lanitra rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny fomba hirosoana ianao. Tsy voatery hirenireny na ho be fanahiana ianao.

Raha manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny filazantsara na ny Fiangonana ianao, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka ianao dia ho voatarika ianao hahita sy hahatakatra ny tena fahamarinana mandrakizay izay hitarika anao eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Raha tojo fakam-panahy ianao, na dia efa reraka na mahatsapa ho irery na diso fandraisana aza ianao no tonga ilay fakam-panahy, dia alaivo sary an-tsaina ny hery mety ho azonao rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao sy mangataka Azy mba hankahery anao ianao.

Raha toa ka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka, ny ho anisan’i Isiraely, no fanirianao lehibe indrindra, dia fanapahan-kevitra maro no ho lasa mora. Olana maro no ho lasa tsy misy dikany. Ho hainao ny hikarakara ny tenanao. Ho fantatrao izay tokony hojerenao sy hovakianao, aiza no tokony handanianao ny fotoanao, ary iza no tokony hataonao namana. Fantatrao izay tianao hotratrarina. Fantatrao ny karazan’olona tena tianao hahatongavana.

Izao ry rahalahy sy ranabavy malalako, mitaky finoana sy herim-po ny mamela an’ Andriamanitra hanjaka. Mitaky asa ara-panahy tsy tapaka sy henjana ny mibebaka sy manala ny maha-olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. 19 Mitaky ezaka tsy tapaka isan’andro ny mamolavola fahazaran’ny tena manokana handalina ny filazantsara, hianatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hikatsaka sy hamaly ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Mandritra izao fotoan-tsarotra izay efa novinanian’i Paoly Apôstôly 20 izao dia efa tsy miezaka manafina ny fanafihany ny drafitr’ Andriamanitra intsony mihitsy i Satana. Efa betsaka ny ratsy tsy afenina intsony. Noho izany ny hany fomba ahafahana ho velona ara-panahy dia ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika, sy hianatra ny hihaino ny feony, ary hampiasa ny herintsika hanangonana an’i Isiraely

Inona ary ny fahatsapana ananan’ny Tompo momba ireo olona izay hamela an’ Andriamanitra hanjaka? Nofintinin’i Nefia izany hoe: “Ary [ny Tompo dia] tia ireo izay hanana Azy ho Andriamaniny. Indro Izy dia nitia ny razantsika sy nanao fanekempihavanana taminy, eny, dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba; ary [tsaroany] ny fanekempihavanana izay efa nataony.” 21

Ary inona no tian’ny Tompo hatao ho an’i Isiraely? Nampanantena ny Tompo fa Izy “no hiady ny [adintsika] sy ny adin’ny zanany ary ny an’ny zanaky ny zanan[tsika] … hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika”! 22

Eo am-pandalinanareo ny soratra masina mandritra ireo enim-bola manaraka dia mamporisika anareo aho mba hanao lisitra mitanisa ny zavatra rehetra izay nampanantenain’ny Tompo fa hataony amin’i Isiraely nanao fankempihavanana. Ho talanjona tokoa ianareo! Saintsaino ireo fampanantenana ireo. Miresaha momba izany miaraka amin’ny fianakavianareo sy ny namanareo. Avy eo dia iaino ary jereo ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny fiainanareo.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo ianareo dia hahita manokana ianareo fa Andriamanitra dia “Andriamanitry ny fahagagana.” 23 Isika no zanany vita fanekempihavanana, ary hoantsoina amin’ny anarany isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Niresaka momba an’i Isiraely aho tao anatin’ny 378 farafahakeliny tamin’ireo hafatra mihoatra ny 800 nozaraiko nandritra ny 36 taona naha-Apôstôly ahy.

  2. Amin’ny teny Hebreo ny hoe Abram dia anarana mihaja midika hoe “ray nasandratra.” Fa rehefa novain’ Andriamanitra ho Abrahama io anarana io dia nanana lanjany lehibe kokoa, izay midika hoe “rain’ny maro.” Eny tokoa, i Abrahama dia “rain’ny firenena maro.” (Jereo ny Genesisy 17:5; Nehemia 9:7.)

  3. I Jehovah Tompo Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’i Abrahama fa ny Mpamonjin’izao tontolo izao dia ho teraka ao amin’ny taranak’i Abrahama, holovaina ny tany sasany, ary ny firenena rehetra dia hotahiana amin’ny alalan’i Abrahama (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanan’i Abrahama”).

  4. Jereo ny Bible Dictionary, “Israel.”

  5. Ny teny hoe Isiraely dia miseho mihoatra ny in-arivo ao amin’ny soratra masina. Azo iantsoana ny fianakavian’i Jakoba (Isiraely) izay manana zanaka lahy 12 izany, miampy ireo zanany vavy (jereo ny Genesisy 35:23–26; 46:7). Ankehitriny izany dia azo ampiasaina ho amin’ny toerana iray eto amin’ny tany. Fa ny fampiasana izany ao amin’ny fotopampianarana dia ampiharina amin’ireo olona izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.

  6. Jereo ny Genesisy 32:30 –31.

  7. Jereo ny Genesisy 32:28.

  8. Jereo ny Genesisy 35:11–12.

  9. Raha handalina misimisy kokoa dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely.”

  10. Isaia 54:7.

  11. Jereo ny Isaia 11:11–12; 2 Nefia 21:11–12; Môzià 15:11.

  12. Jereo ny Encyclopedia of Mormonism (1992), “Covenant Israel, Latter-Day,” 1:330–331.

  13. Eo am-pandraisantsika anjara amin’ny fanangonana an’Isiraely dia manana fomba mahatalanjona hamaritana ireo izay angonina ny Tompo. Antsoiny miaraka hoe “rakitra soa” ho Azy isika (Eksodosy19:5; Salamo 135:4), ny “vatosoany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:3), ary “firenena masina” (Eksodosy 19:6); jereo koa ny Deoteronomia 14:2; 26:18).

  14. Io fehezan-teny io dia miresaka momba ilay fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama, manao hoe: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny foko rehetra ambonin’ny tany” (3 Nefia 20:27). Ny hoe “teraka ao anatin’ny fanekempihavanana” dia midika fa talohan’ny nahaterahan’ny olona iray dia efa nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-drenin’ilay olona.

  15. Nampianarin’ Andriamanitra an’i Abrahama izany fampanantenana izany manao hoe: “Izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy” (Abrahama 2:10; jereo koa ny Romana 8:14–17; Galatiana 3:26–29).

  16. Afaka mangataka tsodranon’ny patriarika ny mpikambana mahatoky. Amin’ny alalan’ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia manambara ny firazanan’izany olona izany ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ilay patriarika. Tsy voatery ho filazana ny karazany, na ny firenena niaviany, na ny rafitra zenetikany izany fanambarana izany. Fa ny firazanana ambara amin’izany dia mamaritra ny fokon’i Isiraely izay handraisan’izany olona izany ireo fitahiany.

  17. 2 Nefia 26:33.

  18. Jereo ny Môzià 15:7. Tsy natao ho an’ny olona mora tohina ny hoe isan’i Isiraely. Mba handraisana ireo fitahiana rehetra izay nomanin’ Andriamanitra ho an’ny taranak’i Abrahama dia afaka manantena ny hahazo ny “fitsapan’i Abrahama” ho antsika manokana isika. Hitsapa antsika Andriamanitra, araka ny nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith, amin’izay tena maharary antsika mihitsy. (Jereo ny fahatsiarovan’i John Taylor ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 231.)

  19. Jereo ny Môzià 3:19.

  20. Jereo ny 2 Timoty 3:1–13.

  21. 1 Nefia 17:40; nampiana fanamafisana.

  22. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:37; jereo ihany koa ny Salamo 31:23; Isaia 49:25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:14.

  23. Môrmôna 9:11.