Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra

Ny fiadiana amin’ny fakam-panahy dia mitaky fahazotoana sy fahatokiana mandritra ny fiainana manontolo. Saingy aoka ho fantatrareo fa ny Tompo dia vonona ny hanampy antsika.

Tao anatin’ilay tononkalom-piderana nataony dia nilaza ny mpanao Salamo hoe:

“Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.

“Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako; Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.

“Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao ny alehako rehetra. 1

Ao anatin’ny hakanton’io tononkalo io ny mpanao Salamo dia midera ny toetra masin’ny Tompo amin’ny fahalalana ny zava-drehetra satria tena mahalala marina ny lafiny rehetra amin’ny fanahintsika Izy. 2 Noho ny fahafantarany ny zavatra rehetra izay ilaintsika eto amin’ity fiainana ity, ny Tompo dia manasa antsika mba hikatsaka Azy amin’ny eritreritra rehetra sy hanaraka Azy amin’ny fontsika manontolo. 3 Izany dia manome antsika ilay fampanantenana fa afaka mandeha ao amin’ny fahazavany isika, ary ny fitarihany dia misoroka antsika amin’ny vokatry ny haizina eo amin’ny fiainantsika. 4

Ny fikatsahana an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra sy ny fanarahana Azy amin’ny fontsika manontolo dia mitaky ny hampifanarahantsika ny saintsika sy ny faniriantsika amin’ny Azy. 5 Io fampifanarahana io no lazain’ny soratra masina hoe “[mitoetra] tsara ao amin’ny Tompo.” 6 Izany fomba fanao izany dia midika fa mampifanaraka tsy tapaka ny fiainantsika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ary mifantoka isan’andro amin’izay tsara. 7 Amin’izay irery ihany isika vao hahatakatra ilay “fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” sy “hiaro ny fon[tsika] sy ny hevi[tsika] ao amin’i Kristy Jesosy.” 8 Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza tamin’ireo loholona tao amin’ny Fiangonana tamin’ny febroary 1831 hoe: “Raketo ao am-ponareo ireo zavatra ireo, ary aoka ny fahamasinan’ny zavatry ny mandrakizay hitoetra ao an-tsainareo.” 9

Na dia eo aza ny fiezahana tsy tapaka ataontsika hikatsaka ny Tompo dia mety hisy eritreritra ratsy hiditra ao an-tsaintsika. Rehefa avelantsika hijanona sy asaintsika miditra mihitsy ny eritreritra toy izany dia afaka manova ny fanirian’ny fontsika ary mitarika antsika amin’izay hahatongavantsika amin’ity fiainana ity ary amin’ny farany dia ho amin’izay holovaintsika mandrakizay. 10 Indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanazava io fitsipika io raha nilaza hoe: “Ny faniriana no mamaritra ireo karazana vokatra mety ho azo, ao anatin’izany ny mahatonga ny hoe -maro no voantso fa vitsy no voafidy.-” 11

Ireo mpaminanintsika fahiny sy maoderina dia nampahatsiahy antsika tsy tapaka mba hanohitra ny fakam-panahy hisorohana ny fahaverezan’ny herintsika ara-panahy ka ho lasa mikorontan-tsaina sy very lalana ary hivalaketraka amin’ny fiainana.

Raha atao fanoharana ny fanekena fakam-panahy dia toy ny manatona andriamby sady mitondra vy. Hisintona ilay vy ny hery tsy hita maso ao amin’ilay andriamby ary hitazona izany mafy. Rehefa apetraka lavitra azy ihany ilay vy vao tsy manan-kery aminy intsony ilay andriamby. Noho izany, tahaka ny andriamby izay tsy afaka mampihatra ny heriny amin’ny vy izay lavitra azy, rehefa manohitra fakam-panahy isika dia hihena izany ary tsy hanana hery amin’ny saintsika sy ny fontsika intsony, ka tsy hihatra amin’ny zavatra ataontsika.

Izany fampitahana izany dia mampahatsiahy ahy zavatra iray niainako niaraka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray tena mahatoky efa elaela izay. Nilaza tamiko ilay mpikambana fa rehefa taitra izy indray maraina, dia nisy eritreritra ratsy izay mbola tsy nananany hatrizay tonga tsy nampoizina tao an-tsainy. Na dia tena tampoka taminy aza izany, dia ny mifanohitra amin’ilay toe-javatra no avy hatrany dia nataony, nilaza tamin’ny tenany sy ilay eritreritra hoe: “Tsia!” ary nanova izany ho zavatra tsara mba hanalana ny sainy amin’izay eritreritra tsy tsara. Nilaza tamiko izy fa rehefa nampiasa ny fahafahany misafidy tamim-pahamarinana izy dia nanjavona avy hatrany izany eritreritra ratsy sy tsy nahy izany.

Rehefa niantso ny vahoaka mba hino an’i Kristy sy hibebaka i Môrônia, dia namporisihiny izy ireo mba hanatona ny Mpamonjy amin’ny fon’izy ireo rehetra, sady miala amin’ny fahalotoana rehetra. Ankoatra izay dia nanasa azy ireo i Môrônia hangataka amin’ Andriamanitra, amin’ny fahatapahan-kevitra tsy azo hozongozonina, mba tsy ho azon’ny fakam-panahy. 12 Ny fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny fiainantsika dia mitaky mihoatra ny hoe mino fotsiny, fa mila manitsy kosa ny fontsika sy ny saintsika ho amin’ireo fitsipika masina ireo. Izany fampifanitsiana izany dia mitaky ezaka manokana isan’andro tsy tapaka, ankoatra ny fianteherana amin’ny Mpamonjy, satria tsy hanjavona ho azy ny fironantsika eto an-tany. Ny fiadiana amin’ny fakam-panahy dia mitaky fahazotoana sy fahatokiana mandritra ny fiainana manontolo. Saingy fantaro fa ny Tompo dia vonona hanampy antsika amin’ireo ezaka manokana ataontsika ary mampanantena fitahiana mahatalanjona raha maharitra hatramin’ny farany isika.

Nandritra ny fotoana miavaka tena mafy iray, rehefa tsy nanana fahafahana tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy ny eritreriny i Joseph Smith sy ireo gadra namany, dia nanome torohevitra nanampy sy fampanantenana azy ireo ny Tompo, ka izany dia ho antsika rehetra ihany koa:

“Aoka ny kibonao koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; …

“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao.” 13

Rehefa manao izany isika dia ho feno eritreritra masina ny saintsika ary hitarika antsika hanao zavatra am-pahamarinana ny faniriana tsara.

Nampahatsiahy ny vahoakany ihany koa i Môrônia mba tsy hofehezin’ny filan-dratsiny. 14 Ny teny hoe filan-dratsy dia milaza fitsiriritana mafy sy faniriana ratsy zavatra iray. 15 Voafaokan’izany izay eritreritra maizina sy fanirian-dratsy rehetra mahatonga ny olona iray hifantoka amin’ny fomba fanao feno fitiavan-tena na ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy manao ny tsara, tsara fanahy, mitandrina ny didin’ Andriamanitra, sy ny sisa. Matetika izany dia miseho amin’ny fahatsapana farany izay ara-nofo ao amin’ny fanahy. Ny Apôstôly Paoly dia namaritra ny sasany amin’ireo fahatsapana ireo toy ny “fahalotoana, fijejojejoana, … fandrafiana, … fiafonafonana, fifampiandaniana, … fialonana, … ary ny toy izany. 16 Ankoatra ny maha-ratsy ny filan-dratsy dia tsy azontsika hadinoina fa ny fahavalo dia mampiasa izany ho fitaovana miafina sy mamitaka entina miady amintsika rehefa maka fanahy antsika hanao zavatra ratsy izy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miantehitra amin’ny vatolampin’ny famonjena, dia ilay Mpamonjy ny fanahintsika isika, sy manaraka ny torohevitr’i Môrônia, dia hitombo be ny fahafahantsika mifehy ny eritreritsika. Afaka manome toky anareo aho fa hitombo haingana ny fahamatorantsika ara-panahy, ka hanova ny fontsika, ary hahatonga antsika ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Ankoatra izany, ho lehibe kokoa ary tsy ho tapaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Avy eo dia hihena ny herin’ny fakam-panahin’ilay fahavalo eo amintsika, ka izany dia hiteraka fiainana sambatra sy madio ary masina kokoa.

Ho an’ireo izay latsaka ao anatin’ny fakam-panahy, na inona na inona antony, ary manohy manao asa tsy am-pahamarinana, dia manome toky anareo aho fa misy ny lalana miverina, misy ny fanantenana ao amin’i Kristy. Taona vitsy lasa izay dia nanana fahafahana aho nitafasiry niaraka tamin’ny mpikambana malala iray ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nandalo fotoana tena sarotra teo amin’ny fiainany rehefa avy nanao fahotana goavana iray. Tamin’ny nahitako azy voalohany dia nahita alahelo tao amin’ny masony, niaraka tamin’ny fanantenana mamirapiratra teo amin’ny endriny aho. Ny fomba firesany dia manome taratra fo iray mietry sy niova. Kristiana be fanoloran-tena izy ary efa nahazo fitahiana betsaka avy amin’ny Tompo. Kanefa dia namela eritreritra ratsy iray monja niditra ny sainy izy, izay nitarika zavatra maro hafa avy eo. Rehefa nihanitombo hatrany ny fanekeny ireo eritreritra ireo dia tsy ela akory izany no namaka tao an-tsainy ary lasa nihalalina tao am-pony. Lasa nanao zavatra araka ireo faniriana tsy mendrika ireo izy nony farany, izay nahatonga azy nandray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izay rehetra sarobidy taminy teo amin’ny fiainany. Nilaza tamiko izy fa raha tsy namela izany eritreritra feno hadalana izany hanomboka hiseho izy dia tsy ho lasa marefo sy mora azon’ny fakam-panahin’ny fahavalo, fakam-panahy izay nitondra alahelo betsaka teo amin’ny fiainany, nandritra ny fotoana elaela.

Soa ihany fa tahaka ilay zanaka adala ao amin’ilay fanoharana malaza hita ao amin’ny filazantsaran’i Lioka dia “nody ny sainy” ary nifoha avy tao amin’izany alina maizina izany. 17 Nanavao ny fatokiany ny Tompo izy sy nahatsapa fanenenana lehibe ary nanana faniriana ny hiverina tao amin’ny valan’ondrin’ny Tompo nony farany. Tamin’izay andro izay dia samy nahatsapa ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy izahay. Tamin’ny faran’ny fihaonana fohy nataonay dia samy heniky ny fihetseham-po izahay, ary hatramin’izao dia tsaroako ilay fifaliana mamiratra teny amin’ny endriny rehefa niala ny biraoko izy.

Ry namako malala, rehefa mahatohitra ireo fakam-panahy kely isika, izay matetika tonga tsy nampoizina eo amin’ny fiainantsika, dia ho afaka kokoa isika ny hisoroka ireo fahotana goavana. Araka ny nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Vitsy izany hoe olona manao fahotana goavana izany ka tsy nanaiky ireo fahotana kely kokoa aloha, izay manokatra ny varavarana ho an’ny lehibe kokoa. … -Ny saha madio tsy ho feno ahitra tampoka eo.-” 18

Rehefa niomana hanatanteraka ny iraka masina nampanaovina azy teto an-tany i Jesoa Kristy Mpamonjy dia naneho ohatra ny amin’ny fanoherana tsy tapaka izay rehetra mandresy lahatra antsika tsy hahatontosa ny tanjontsika mandrakizay. Rehefa niharan’ny fanafihana tsy nahomby nataon’ny fahavalo, izay niezaka nanelingelina azy tsy hifantoka amin’ny iraka nampanaovina Azy ny Mpamonjy dia nandroaka tamin’ny fomba hentitra ny devoly nanao hoe: “Mandehana hianao, ry Satana. … Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.” 19

Azonareo sary an-tsaina ve ry rahalahiko sy anabaviko ny zavatra hitranga rehefa mahazo tanjaka sy herim-po avy amin’ny Mpamonjy isika ka hiteny amin’ireo eritreritra tsy mendrika hoe “Tsia” sy hoe “Mandehana hianao” amin’ny fotoana voalohany ahatongavan’izany ao an-tsaintsika? Inona no ho vokatr’izany amin’ny fanirian’ny fontsika? Amin’ny fomba ahoana ny zavatra ataontsika vokatr’izany no hihazona antsika ho akaiky ny Mpamonjy sy hamela ny fitaomana tsy tapaky ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika? Fantatro fa rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa isika dia hisoroka loza maro sy toetra tsy tsara izay mety hiteraka olana sy fifandirana eo amin’ny fianakaviana, fihetseham-po sy fironana ratsy, fanaovana zavatra tsy rariny sy manararaotra, fanandevozan’ny fiankinan-doha ratsy, ary izay zavatra hafa rehetra mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo.

Tao anatin’ilay hafatra manan-tantara sy manentana ny fanahy nataony ny volana aprily tamin’ity taona ity ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome fampanantenana fa izay rehetra vonona ny “hihaino Azy”, dia ny hihaino an’i Jesoa Kristy izany, ary hankatò ireo didiny, dia “hotahiana amin’ny hery lehibe kokoa … hahafahana miatrika ny fakam-panahy sy ny ady ary ny fahalemena” ary hitombo ny fahafahantsika mahatsapa fifaliana, eny fa na dia mandritra ireo zavatra mampisafotofoto tsy mitsaha-mitombo ankehitriny aza. 20

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fampanantena nomen’ny mpaminany malalantsika dia fampanantenana nomen’ny Mpamonjy antsika mihitsy. Manasa antsika rehetra aho mba “hihaino Azy” amin’ny eritreritra rehetra sy hanaraka Azy amin’ny fontsika manontolo mba hahazoana ny tanjaka sy ny herim-po hiteny amin’ireo zavatra izay mety hitondra tsy fahasambarana eo amin’ny fiainantsika hoe “Tsia” sy hoe “Mandehana hianao.” Raha manao izany isika dia mampanantena aho fa handefa misimisy kokoa ny Fanahiny Masina ny Tompo mba hampahery sy hampatanjaka antsika, ary afaka ny ho lasa olona araka ny fon’ny Tompo isika. 21

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy ary amin’ny alalany no ahazoantsika mandresy ny fitaoman-dratsin’ny fahavalo sy ho mendrika ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Tompo sy eo anatrehan’ny Ray any An-danitra malalantsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny fitiavako rehetra anareo sy ho an’ny Mpamonjy antsika mahafinaritra, izay omeko dera sy voninahitra ary hoby mandrakizay ny anarany. Izany dia ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.