Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fiaingana vaovao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Fiaingana vaovao

Manasa anao aho hampitodika bebe kokoa hatrany ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao any amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, heni-boninahitra izay roa andro tamin’ny fihaonambe maneran-tany izay! Miombon-kevitra amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland aho. Araka ny voalazany dia nentanin’ny Tompo ireo hafatra sy vavaka ary hira. Feno fankasitrahana an’ireo rehetra izay nandray anjara nanatontosana ity fihaonambe maneran-tany ity aho.

Nandritra ny fizotran’izany dia nalaiko sary tato anatin’ny fanahiko ianareo nihaino ny fihaonambe. Nangataka ny Tompo aho mba hanampy ahy hahatakatra izay zavatra tsapanareo, na mampiahiahy anareo, na ezahinareo vahana. Nanontany tena aho ny amin’izay holazaiko hamaranana ity fihaonambe ity ka handefa anareo miaraka amin’ny fanantenana tsara momba ny hoavy izay fantatro fa tian’ny Tompo ho tsapanareo.

Miaina ao anatin’ny vanim-potoana be voninahitra isika, izay efa hitan’ireo mpaminany mialoha hatry ny taonjato maro. Ity no fotoampitantanana izay tsy azo anakanana ny fitahiana ara-panahy ho an’ireo olo-marina. 1 Na dia eo aza ny korontana 2 eo amin’izao tontolo izao, dia tian’ny Tompo isika hiandrandra ny hoavy amin’ny fanantenana feno fifaliana. 3 Aoka isika tsy hihitsoka ao anatin’ny fahatsiarovana ny lasa. Ny fanangonana an’i Isiraely dia miroso hatrany. I Jesoa Kristy Tompo no mitarika ny raharahan’ny Fiangonany, ary tsy maintsy hahatratra ny tanjony masina izany.

Ny fanamby ho anao sy ho ahy dia ny hahazoana antoka fa ho afaka ny hanana ilay hery anaty ho tonga andriamanitra isika tsirairay avy. Ankehitriny isika dia mahare matetika momba ny hoe “fiaingana vaovao.” Raha tena te-hahazo fiaingana vaovao ianao, dia manasa anao aho hampitodika bebe kokoa hatrany ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao any amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Aoka ho izany no fiaingana vaovao ho anao.

Raiso amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro ny fiainganao vaovao. Katsaho ny ho madio bebe kokoa hatrany amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny atao. Manompoa ny hafa. Manàna tanjona ho amin’ny mandrakizay. Milofosa amin’ny antso anananao. Ary na inona na inona zava-tsarotra iainanareo, ry rahalahy sy ranabavy malalako, dia ataovy izay iainanareo ny isan’andro ka hahatonga anareo ho vonona kokoa hihaona amin’ny Mpahary anareo. 4

Izany no antony hananantsika ny tempoly. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny Tompo dia manomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay, ny lehibe indrindra amin’ny fitahian’ Andriamanitra rehetra. 5 Araka ny efa fantatrareo dia nitaky ny fanakatonana vonjimaika ny tempoly ilay valanaretina COVID. Avy eo isika dia nanomboka nanokatra izany indray tamim-pitandremana amin’ny fomba mirindra sy manaraka lamina. Ao anatin’ny fanatontosana ny dingana faharoa ho an’ny tempoly maro amin’izao dia mpivady an’arivony no nandray ny fanafiana masina tao anatin’ireo volana vitsivitsy lasa fotsiny. Miandrandra ilay andro ahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra manompo indray ireo razambeny sy hitsaoka ao amin’ny tempoly isika.

Izao aho dia faly manambara ireo drafitra ho an’ny fanamboarana tempoly vaovao miisa enina izay haorina any amin’ireto toerana manaraka ireto: Tarawa, Kiribati; Port Vila, Vanuatu; Lindon, Utah; Greater Guatemala City, Guatemala; São Paulo Atsinanana, Brésil; ary Santa Cruz, Bolivie.

Eo am-panorenantsika sy hikojakojantsika ireo tempoly ireo dia mivavaka izahay ny mba hanorenanareo sy hikojakojanareo ny tenanareo tsirairay mba hahafahanareo ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

Izao ry rahalahy sy ranabavy malalako dia mitsodrano anareo aho mba ho feno ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo ianareo. Tsy takatry ny sain’olombelona rehetra ny fiadanany. 6 Mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana sy fahafahana bebe kokoa hankatò ireo lalàn’ Andriamanitra ianareo. Mampanantena aho fa rehefa ataonareo izany dia ho tondraky ny fitahiana ianareo, ao anatin’izany ny herim-po be kokoa, fanambarana bebe kokoa ho an’ny tena manokana, firaisan-kina mamy kokoa ao an-tokantranonareo, ary fifaliana, eny fa na dia eo anivon’ireo zavatra mampiahiahy antsika.

Enga anie isika hiaraka handroso hanatanteraka ny andraikitsika masina, dia ny manomana ny tenantsika sy izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany. Izany no ivavahako, miaraka amin’ny fanehoako ny fitiavako anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.