Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika dia afaka miala amin’ireo fijaliana izay mendrika antsika noho ireo fahalementsika ary afaka mandresy ireo fijaliana tsy rariny izay zakaintsika eto an-tany.

Raha teo am-pamakiana Bokin’i Môrmôna hanomanana lesona iray ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy aho ny fahavaratra lasa teo, dia nanaitra ahy ny tatitra nataon’i Almà rehefa lasa tonga saina tanteraka izy tamin’ireo fahotany rehetra, fa tsy nisy “na inona na inona mafy sy mangidy tokoa toy izay fanaintana[ny] izay.” 1 Miaiky aho fa io resaka fanaintainana mafy io dia nahasarika ny saiko noho ilay ady natrehako io herinandro io noho ny vato fito milimetatra tao amin’ny voako. Tsy mbola nisy olona niaina “zavatra lehibe” tahaka izany rehefa “zava-madinika sy tsotra” tahaka ireny no “tanterahana” 2 ny fanesorana azy.

Niavaka tamiko koa ny fitenin’i Almà satria ilay teny hoe mafy na fatratra ao amin’ny dikan-teny amin’ny teny Anglisin’ny Bokin’i Môrmôna dia mazàna mamariparitra zavatra manana hakanto tena miavaka na fahalehibeazana tsy manan-tsahala. Ohatra, i Joseph Smith dia nanamarika fa ny anjely Môrônia dia nitafy akanjo lava izay “fotsy mangatsakatsaka fatratra,” hafotsy izay “mihoatra ny zavatra rehetra izay efa hita[ny] teto an-tany.” 3 Kanefa ny hoe fatratra dia afaka mampita ihany koa karazana hamafy fara-tapony na ho an’ny zavatra ratsy indrindra aza. Araka izany i Almà sy ireo rakibolana fanta-daza dia mampifandray ny fanaintainana fatratra amin’ny hoe “mijaly,” “nampijaliana,” ary “norotidrotehana” hatrany amin’ny “farany izay lalina indrindra.” 4

Ny sariohatr’i Almà dia ahitana taratra ilay zavamisy mahatonga saina hoe farafahakeliny tsy maintsy tsapa ilay fahamelohana tanteraka sy mahatsiravina ateraky ny fahotana tsirairay izay vitantsika. Ny fahamarinana no mitaky izany ary na Andriamanitra mihitsy aza dia tsy afaka manova izany. 5 Rehefa tsaroan’i Almà ireo fahotany “rehetra,” indrindra fa ireo izay nandrava ny finoan’ny hafa, dia nila tsy ho zakany ny fanaintainany ka dia nahatonga azy ho heniky ny “horohoro tsy hay lazaina” ny fieritreretana ny tsy maintsy hijoroany eo anatrehan’ Andriamanitra. Niriany ny ho “fongana, na fanahy na vatana.” 6

Kanefa nilaza i Almà fa niova ny zava-drehetra raha vantany vao “nifantoka … ny sai[ny]” tamin’ny “fiavian’izany Jesoa Kristy izany … hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao,” koa “nihiaka tao am-po[ny izy] hoe: Ry Jesoa ô, Ianao ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko.” Tamin’io eritreritra io sy io fitalahoana io i Almà dia feno fifaliana “tsy misy toy izany” “nihoa-pampana toy izay fanaintaina[ny]izay” 7

Tsy tokony ho adinontsika mihitsy fa ny tanjona faran’ny fibebahana marina dia ny maka fahoriana iray ka manova izany ho lasa fahasambarana tanteraka. Noho ny “hatsaram-po[ny] … mivantana,” 8 raha vantany vao manatona an’i Kristy isika, maneho finoana Azy sy fiovam-po marina, dia manomboka miala avy eo an-damosintsika ilay vesatra manorotoron’ireo fahotantsika, ka mifindra eo an-damosiny. Afaka ny ho tanteraka izany satria Izy ilay tsy nanam-pahotana dia nizaka ny “fahoriana tsy misy fetra sy tsy hay lazaina” 9 noho ny fahotana tsirairay eo amin’izao rehetra izao izay nohariany, ho an’ny zava-drehetra izay nohariany, fijaliana izay mafy tokoa ka nampivoa-drà ny masonkodiny rehetra. Noho izany ny Mpamonjy dia mampitandrina antsika ao amin’ny soratra masina maoderina, noho ny traikefa mivantana sy manokana nolaloviny, fa tsy azontsika an-tsaina hoe “[h]angirifiry [fatratra]” hanao ahoana ny ho “fijalian[tsika]” raha toa ka tsy mibebaka isika. Kanefa amin’ny fahalalahan-tanana tsy takatry ny saina no hanazavany ihany koa hoe “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka.” 10 , fibebahana izay manome antsika fahafahana “hanandrana” ny “fifaliana mihoa-pampana” izay nandraman’i Almà. 11 Io fotopampianarana io fotsiny dia efa “mahagaga [sy mahatalanjona] ahy.” 12 Kanefa, mahavariana fa dia mbola mihoatra noho izany no atolotr’i Kristy.

Indraindray ny fanaintainana fatratra dia tonga tsy noho ny fahotana fa noho ny hadisoana tsy nahy, na noho ny nataon’ny hafa, na noho ny zavatra tsy azontsika anoharana. Rehefa mitranga izany dia mety hihiaka toa ilay mpanao Salamo ianao hoe:

“Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.

“… ary manafotra ahy ny horohoro.

“… Enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako.” 13

Afaka manampy amin’ny fanamaivanana ny fijaliana toy izany ny zavatra toy ny siansa fitsaboana, na ny fanoroana hevitra matihanina, na ny fanefana onitra araka ny lalàna. Kanefa tsarovy fa ireo fanomezana tsara rehetra, isan’izany ireo, dia avy amin’ny Mpamonjy avokoa. 14 Na inona na inona no nahatonga ny ratra sy ratram-pontsika lalina indrindra, ny loharanom-panasitranana fara-tapony dia iray ihany, dia i Jesoa Kristy. Izy irery ihany no mihazona ny hery feno sy ny balsama manasitrana hanitsiana ny hadisoana rehetra, hanarina ny diso rehetra, hamboatra ny tsy tomombana rehetra, hanasitrana ny ratra rehetra, ary hanolotra ny fitahiana rehetra izay mbola nampiandrasana. Tahaka an’ireo vavolombelona fahiny, mijoro ho vavolombelona aho fa “isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika,” 15 fa Mpanavotra be fitiavana izay nidina avy teny amin’ny seza fiandrianany tany ambony, ka nandeha “[n]iaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany … , mba hahafantarany … ny fomba hanampiana ny vahoakany.” 16

Ho an’izay olona rehetra amin’izao fotoana izao izay mizaka fanaintainana mafy tokoa na miavaka tokoa ka mahatsapa fa tsy misy olon-kafa afaka mahatakatra izany tanteraka, dia mety ho marina ny anao. Mety tsy hisy olona ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpitarika ao amin’ny fisoronana, na mahay mahatakatra sy miezaka manampy tahaka ny inona aza, ka hoe hahafantatra tanteraka ny zavatra tsapanao, na hoe mahita ireo teny tena ilaina hanampiana anao ho sitrana. Saingy fantaro ity: misy Olona iray izay mahatakatra tanteraka ny zavatra iainanao, izay “mahery kokoa noho ny tany iray manontolo” 17 ary “mahay manao … mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahin[ao] na heverin[ao] aza.” 18 Hitranga araka ny fombany ireo dingana ireo ary araka ny fandaharam-potoany, saingy eo i Kristy vonona hatrany hanasitrana hatramin’ny bitika indrindra amin’ny fahorianao sy izay endrika rehetra mety hisehoan’izany.

Rehefa mamela Azy hanao izany ianao, dia ho hitanao fa tsy very maina ny fijalianao. Raha niresaka momba ny maro tamin’ireo maherifo lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly sy ny alahelon’izy ireo i Paoly Apôstôly dia nilaza fa “Andriamanitra namboatra izay tsara lavitra ho an’izy ireo tamin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo, fa raha tsy mijaly izy ireo dia tsy azo hatao tanteraka.” 19 Ny toetran’ Andriamanitra mihitsy sy tanjon’ny fiainantsika ety an-tany dia ny fahasambarana, 20 saingy tsy afaka ho tonga olona tanteraka ao amin’ny fahasambarana araka an’ Andriamanitra isika raha tsy miaina zavatra izay misedra antsika, indraindray hatrany amin’ny faraherintsika mihitsy. Nilaza i Paoly fa ny Mpamonjy mihitsy no natao “tanteraka [mandrakizay] … [t]amin’ny fahoriana.” 21 Noho izany dia tsy maintsy mitandrina ianao amin’ilay bitsika avy amin’i Satana hoe raha olona tsara kokoa ianao dia hanalavitra ny fisedrana toy izany.

Tsy maintsy toherinao ihany koa ilay lainga mifandray amin’izany hoe ny fahorianao dia toa maneho fa tsy isan’ireo nofinidin’ Andriamanitra ianao, izay toa misosa fotsiny mitety ireo fitahiana mifandimby. Fa jereo kosa ny tenanao, araka ny fomba azo antoka fa nahitan’i Jaona Mpanambara anao tao amin’ilay fanambarana miezinezina azony mikasika ireo andro farany. Fa i Jaona dia nahita “olona betsaka tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny [izay] nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava … [ary] niantso tamin’ny feo mahery … nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanintsika.” 22

Rehefa nanontaniana hoe: “Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?” Dia nahazo valiny i Jaona hoe: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” 23

Ry rahalahy sy anabavy isany, ny fitoerana ho marina hatrany na dia eo aza ny fahoriana dia manampy hahatonga anao ho isan’ireo olomboafidin’ Andriamanitra, fa tsy mampiavaka anao amin’izy ireo akory. Ka mahatonga ny fampanantenana ho azy ireo ho fampanantenana ho anao koa. Araka ny ambaran’i Jaona dia “tsy ho noana na hangetaheta intsony i[ana]reo; ary tsy haninona a[nareo] ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry a[nareo] ka hitondra a[nareo] ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason[areo].” 24

“Ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” 25

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa noho ilay hatsaran’i Jesoa Kristy tsy takatry ny saina sy ny Sorompanavotany tsy misy fetra, dia afaka miala amin’ireo fijaliana izay mendrika antsika noho ireo fahalementsika isika, ary afaka mandresy ireo fijaliana tsy rariny izay zakaintsika eto an-tany. Eo ambany fitarihany, ny anjaranao araka an’ Andriamanitra dia ho anjara manana halehibeazana tsy manan-tsahala sy fifaliana tsy hay faritana, fifaliana fatratra ary miavaka tokoa ho anao, ka ho lasa tsara “mihoatra ny zavatra rehetra … eto an-tany.” ireo “laveno[nao].” 26 Mba hahafahanao manandrana izany fahasambarana izany ankehitriny ary ho henik’ izany mandrakizay, dia manasa anao aho hanao izay nataon’i Almà: avelao ny sainao hifantoka amin’ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahin’ Andriamanitra araka ny voambara amin’ny alalan’ny filazantsarany ato amin’ity Fiangonany marina sy velona ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.