Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo

Ny fotoam-pahoriana sy fahadisoam-panantenana dia tsy manova ny fitsimbinan’ny Tompo antsika tsy tapaka satria mijery sy mitahy antsika amim-pankasitrahana Izy.

Indray andro, taona maro lasa izay, raha misiônera tanora niasa tao amina sampana kely tao amin’ny nosy kelin’i Amami Oshima, Japana izaho sy ny mpiara manompo tamiko dia faly ery rehefa nahafantatra fa hitsidika an’i Azia ny Filoha Spencer W. Kimball ary nasaina ho any Tôkyô daholo ny mpikambana sy ny misiônera rehetra tao Japana mba hihaino mivantana ny mpaminany tany amin’ny fihaonamben’ny vondrom-paritra iray. Nanomboka nanao drafitra tamim-pahadodonana hanatrika ilay fihaonambe ireo mpikambana tao amin’ny sampana sy izaho sy ny mpiara-mitory tamiko, izay mitaky ny hitaingenana sambo mandritra ny adiny 12 miampita ny Ranomasin’i Sina Atsinanana mankao amin’ny faritanin’i Japana, ary avy eo dia handehanana fiaran-dalamby adiny 15 mankany Tôkyô. Indrisy anefa fa tsy natao hitranga izany. Naharay hafatra avy amin’ny filohan’ny misiônanay izahay fa tsy ho afaka ny hanatrika ilay fihaonambe tany Tôkyô izaho sy ny mpiara-mitory tamiko noho ny halavirana sy ny fotoana.

Sary
Elder Stevenson sy ny misiônera mpiara-mitory aminy

Raha nanainga ho any Tôkyô ireo mpikamban’ilay sampana kelinay dia izahay kosa nijanona. Toa nangina sy banga ireo andro manaraka. Nanao fivoriana fanasan’ny Tompo irery tao amin’ilay trano fiangonana kely izahay, raha toa kosa ka nanatrika ilay fihaonambe ireo Olomasin’ny Andro Farany sy ireo misiônera tao Japana.

Sary
Fihaonamben’ny Vondrom-paritra Azia

Nihamafy kokoa ny fahatsapako fahadisoam-panantenana rehefa nihaino tamim-pifaliana ireo mpikamban’ny sampana niverina avy any amin’ilay fihaonambe andro vitsy taty aoriana izay nitatitra fa nanambara tempoly iray haorina tao Tôkyô ny Filoha Kimball. Niresaka tamin-kafanam-po izy ireo teo am-pizarany ny fahatanterahan’ny nofinofiny. Nofariparitan’izy ireo ny tsy nahavitan’ireo mpikambana sy misiônera nihazona ny hafaliany, rehefa nahare ilay fanambarana tempoly, ka niara-nitehaka.

Sary
Ny Filoha Kimball nanambara tempoly iray ao Tokyo

Taona maro izay no lasana, fa mbola tadidiko foana ny fahadisoam-panantenana tsapako raha tsy nandray anjara tamin’ilay fivoriana manan-tantara aho.

Tao anatin’ireo volana faramparany dia nieritreritra lalina momba io zavatra niainana io aho, rehefa nahita ny olona hafa niaina fahadisoam-panantenana lalina sy alahelo, mbola lehibe sy lalina lavitra noho ny ahy fony aho misiônera tanora, izay nentin’ny valanaretina maneran-tany COVID-19.

Tamin’ny fiandohan’ity taona ity, rehefa niparitaka haingana ilay valanaretina, dia nampanantena ny Fiadidiana Voalohany fa “ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy dia haneho ny fanoloran-tenantsika mba ho olom-pirenena vanona sy ho mpiara-monina mahafinaritra” 1 ary “hampiasa fitandremana lehibe.” 2 Noho izany dia niainantsika ny fampiatoana ireo fivoriam-piangonana maneran-tany, ny fiverenan’ny antsasa-manila maherin’ireo andian-tafika misiôneran’ny Fiangonana, ary ny fikatonan’ireo tempoly rehetra manerana ny Fiangonana. An’arivony taminareo no niomana ny hiditra ny tempoly hanao ôrdônansy ho an’ny velona, isan’izany ny famehezana ao amin’ny tempoly. Ny sasany taminareo dia nahavita mialoha ny fanompoanareo tamin’ny naha-misiônera anareo na nisaorana vetivety dia nomena antso vaovao.

Sary
Misiônera miverina eo anivon’ny COVID

Nandritra io fotoana io dia nanakatona ireo sekoly ireo mpitondra fanjakana sy mpitantana sekoly, izay nanova ireo fahavitana fianarana noho izany ary niteraka ny tsy maintsy nanafoanana ireo hetsika ara-panatanjahan-tena, ara-tsôsialy, ara-kolontsaina ary ireo hetsika sy atrikasa mifandray amin’ny sekoly. Maro taminareo no niomana handray anjara amina hetsika izay tsy natrehana na hanao fifaninanana izay tsy re izay tohiny na niomana tamin’ireo fotoana fanaovana fanatanjahan-tena izay tsy notanterahina.

Ary mbola mampalahelo noho izany ny fieritreretana ireo fianakaviana izay namoy havan-tiana nandritra ity fotoana ity. Tsy afaka nanao fotoam-pandevenana na fiaraha-mivory hanehoana fitiavana araka izay nantenainy ny ankamaroany.

Raha fintinina,dia be dia be taminareo no niaina fahadisoam-panantenana sy alahelo ary fahakiviana izay nahavaky fo. Koa ahoana ary no hahasitranatsika sy haharetantsika ary handrosoantsika rehefa toa rava ireo zavatra manodidina antsika?

Ny mpaminany Nefia dia nanomboka nisokitra ireo takelaka kely rehefa lasa lehilahy lehibe izy. Rehefa nanao jery todika ny fiainany sy ny fanompoany izy dia nisaintsaina tamin’ny fomba manan-danja momba ny andininy voalohany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io andininy io dia maneho fitsipika manan-danja tokony hodinihantsika amin’izao androntsika izao. Aorian’ilay teniny tsy zoviana hoe “Izaho Nefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo … ,” dia nanoratra izy hoe “ary rehefa nahita fahoriana betsaka aho tamin’ny androko, dia nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo ihany koa aho tamin’ny androko rehetra” 3

Noho isika mpianatra ny Bokin’i Môrmôna, dia maro amin’ireo fahoriana noresahan’i Nefia no fantatsika tsara. Kanefa taorian’ny nanekeny ny fisian’ireo fahoriany tamin’ny androny, dia nizara ny fomba fijeriny araka ny filazantsara i Nefia fa nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo tamin’ny androny rehetra izy. Ny fotoam-pahoriana sy fahadisoam-panantenana dia tsy manova ny fitsimbinan’ny Tompo antsika tsy tapaka satria mijery sy mitahy antsika amim-pankasitrahana Izy.

Sary
Fivorian’ny misiôna atao amin’ny alalan’ny teknôlôjia
Sary
Fivorian’ny misiôna atao amin’ny alalan’ny teknôlôjia, hiarahana amin’ny Loholona sy Rahavavy Stevenson
Sary
Fivorian’ny misiôna atao amin’ny alalan’ny teknôlôjia, hiarahana amin’ny Loholona sy Rahavavy Stevenson

Vao haingana izaho sy i Lesa no tafiaraka tamin’ny misiônera 600 teo ho eo tany Australie tamin’ny fivoriana iray natao tamin’ny alalan’ny teknôlôjia ka ny ankamaroan’izy ireo dia nanaraka fepetra sasantsasany noho ny fihibohana na famerana mifandray amin’ny COVID-19 ary maro amin’izy ireo no nitory avy tao amin’ny trano hipetrahan’izy ireo. Niara-nandinika ireo olona ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Bokin’i Môrmôna, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izahay izay notahian’ny Tompo mba hanatanteraka zavatra lehibe tao anatin’ny fahoriana. Izy rehetra dia nofaritana bebe kokoa tamin’ny alalan’ny zavatra azon’izy ireo natao niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo, fa tsy tamin’ny alalan’ny zavatra tsy azony natao vokatry ny fihibohany sy famerana ny zavatra azony natao.

Mamaky momba an’i Paoly sy i Silasy isika, izay na dia nogadraina tamin’ny hazo teo amin’ny tongony aza, dia nivavaka, nihira, nampianatra, nijoro ho vavolombelona, ary nanao batisa ireo gadra mihitsy aza. 4

Dia mbola momba an’i Paoly ihany, tao Rôma, izay tsy navela nivoaka ny tranony nandritra ny roa taona, ka nandritra izany fotoana izany, dia nanohy “nilaza sy nanambara … ny fanjakan’ Andriamanitra,” 5 sy “nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo” 6 tsy tapaka izy.

Momba an’i Nefia sy i Lehia, zanakalahin’i Helamàna, izay rehefa avy nanaovana herisetra sy nogadraina dia nohodidinin’ny afo niaro azy ireo rehefa “nandoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza” ilay “feo malefaka sy tony tantera[ky ny Tompo.]” 7

Momba an’i Almà sy i Amioleka tao Amônihà, izay nahita fa maro “no nino … sy nanomboka nibebaka ary nandinika ny soratra masina,” 8 na dia nesoina sy tsy nomena sakafo, rano, na fitafiana azy izy ireo tamin’izany, nofatorana sy nahiboka tao am-ponja. 9

Sary
i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty

Ary farany dia momba an’i Joseph Smith, izay, nandritra ny fijaliany mafy tao amin’ny fonjan’i Liberty, dia nahatsapa ho navela irery sy nafoy, ka naheno ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “ireo zavatra … ireo dia … ho soa ho anao” 10 ary “homba anao mandrakizay … Andriamanitra.” 11

Ny tsirairay amin’izy ireo dia nahatakatra ny zavatra fantatr’i Nefia: hoe na dia nahita fahoriana betsaka aza izy ireo tamin’ny androny, dia nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo izy ireo.

Azontsika faritana ho miaina zavatra mitovy amin’izany koa isika amin’ny maha-mpikambana antsika tsirairay avy sy amin’ny maha-fiangonana antsika noho ny nahitantsika sitraka fatratra tamin’ny Tompo nandritra ireo fotoan-tsarotra nolalovantsika tao anatin’ireo volana maromaro lasa. Eo am-pitanisako ireo ohatra ireo dia avelao ihany koa izy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo amin’ny maha-mpahita ny mpaminanintsika velona, izay nanomana antsika tamin’ny fanovana maro talohan’ny nitrangan’izay mety ho famantarana momba ny fisian’ny valanaretina iray, ka nahatonga antsika afaka niaritra ireo zava-tsarotra izay tonga teo.

Voalohany: lasa mifototra kokoa amin’ny tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana.

Roa taona lasa izay dia hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Efa zatra isika mieritreritra ny -fiangonana- ho toy ny zavatra izay miseho ao anatin’ireo trano fivoriantsika ary hamafisin’ireo zavatra miseho any an-tokantrano. Ilaina ny hanaovantsika fanovana an’izany lamina izany. … Dia Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangona[ntsika].” 12 Izany ka tena fanovana avy amin’ny faminaniana! Ny fianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano dia nampiharina tao anatin’ny fikatonan’ireo trano fiangonana nandritra ny fotoana tsy maharitra. Na dia manomboka miverina amin’ny laoniny aza izao tontolo izao ary miverina any amin’ireo trano fiangonana isika, dia ho tiantsika ny hihazona ireo lamina mifototra amin’ny ao an-tokantrano momba ny fandalinana sy ny fianarana ny filazantsara izay novolavolaina nandritra ilay valanaretina.

Ny ohatra faharoa amin’ny fahazoana sitraka fatratra amin’ny Tompo dia ny fanambarana mikasika ny fanompoana amin’ny fomba ambony sy masina kokoa.

Sary
Manompo

Tamin’ny 2018 ny Filoha Nelson dia nampahafantatra ny fanompoana ho fanovana “ny fomba hifanompoa[ntsika].” 13 Ilay valanaretina dia nitondra fahafahana maro hanatsarana ny fahaizantsika manompo. Ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, sy ireo zatovovavy ary zatovolahy, sy ireo olona hafa dia nanolo-tanana mba hanome fifandraisana, fifampiresahana, fikarakarana zaridaina, hanome sakafo, hafatra amin’ny alalan’ny teknôlojia, ary ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo mba hitahiana ireo izay sahirana. Ny Fiangonana manokana dia nanompo ny hafa ihany koa nandritra ilay valanaretina tamin’ny fizarana tsy mbola nisy toy izany ireo zavatra ilaina andavanandro tany amin’ireo toerana fitehirizana sakafo, toeram-pialofana ho an’ny tsy manan-kialofana, sy ireo ivon-toerana mpanampy ny mpifindra monina ary tamin’ireo tetikasa natao manokana mba hiatrehana ny mosary tena mafy indrindra eto amin’izao tontolo izao. Nanaiky ny fanamby mba hanamboatra aro tava an-tapitrisany ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny fianakaviany.

Sary
Tetikasa fanampiana olona
Sary
Manamboatra aro tava

Ny ohatra farany amin’ny hoe voatahy ao anatin’ny fahoriana dia ny fahazoana fifaliana mihoa-pampana amin’ny fiverenan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Sary
Rahavavy Kaitlyn Palmer

Misy tantara iray mahalaza tsara izany. Rehefa nahazo ny antsony hanao asa fitoriana Rahavavy Kaitlyn Palmer ny aprily lasa teo, dia faly ery izy nantsoina ho misiônera, saingy nahatsapa ihany koa fa manan-danja sy miavaka ny fankanesana any amin’ny tempoly mba handray ny fanafiana masiny sy hanao fanekempihavanana masina. Fotoana fohy taorian’ny namandrihany fotoana hanaovana ny fanafiana masiny, dia nivoaka ilay fanambarana fa hikatona mandritra ny fotoana voafetra ny tempoly rehetra noho ilay valanaretina maneran-tany. Taorian’ny nandrenesany io vaovao mampalahelo io dia nampahafantarina azy avy eo fa amin’ny alalan’ny teknôlôjia avy ao an-tranony no hanatrehany ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera. Na dia teo aza ireo fahadisoam-panantenana ireo dia nifantoka tamin’ny fanantenana zavatra tsara i Kaitlyn.

Sary
Rahavavy Kaitlyn Palmer sy ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera ao an-trano

Tao anatin’ireo volana nialoha ny fandehanany dia mbola nanantena hatrany ny ho any amin’ny tempoly Rahavavy Palmer. Nifady hanina sy nivavaka ny fianakaviany mba hisokafan’ny tempoly alohan’ny hiaingany. Hoy i Kaitlyn isaky ny nanomboka ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera isa-maraina nataony tao an-trano hoe: “Sao dia androany ary ilay andro hahazoantsika fahagagana dia hiverina hisokatra ny tempoly?”

Ny 10 aogositra dia nanao filazana ny Fiadidiana Voalohany fa hisokatra ny tempoly tokony halehan’i Kaitlyn mba hanaovana ôrdônansy ho an’ny velona amin’ilay andro izay nametrahana ny fotoan’ny sidina vao maraina hankanesany any amin’ny misiônany mihitsy. Tsy afaka sady ho any amin’ny tempoly izy no handray ilay sidina. Noho ny fanantenany sao hahomby ihany, dia nifandray tamin’i Michael Vellinga filohan’ny tempoly ny fianakaviany mba hijerena raha misy fomba hahatanterahan’ilay fahagagana izay nentin’izy ireo am-bavaka. Novaliana ny fifadian-kanina sy ny vavak’izy ireo!

Sary
Ry Palmer mianakavy any amin’ny tempoly

Tamin’ny 2 maraina, ora vitsy talohan’ny hiaingan’ny sidina hitondra azy, dia noarahabain’ilay filohan’ny tempoly nitsikitsiky teo am-baravaran’ny tempoly Rahavavy Palmer sy ny fianakaviany, izay latsa-dranomaso, tamin’ny teny hoe: “Manahoana ry Palmer mianakavy. Tonga soa eto amin’ny tempoly!” Rehefa nahavita ny fanafiana masiny izy dia namporisihina izy ireo handeha haingana satria efa niandry tao am-baravaran’ny tempoly ny fianakaviana manaraka. Nandeha haingana tany amin’ny seranam-piaramanidina izy ireo ary tonga mihitsy tamin’ny fotoana handraisany ny sidina mankany amin’ny misiônany.

Sary
Rahavavy Palmer eny amin’ny seranam-piaramanidina

Ireo ôrdônansin’ny tempoly izay tsy azontsika notanterahina tao anatin’ny volana maro dia toa hiavaka kokoa noho izay niheverantsika azy teo aloha rehefa mifandimby misokatra ireo tempoly manerana izao tontolo izao.

Eto am-pamaranako dia mba henoy ireo tenin’ny Mpaminany Joseph Smith izay mamporisika, feno hafanam-po, ary mankahery. Tsy hisy hahafantatra mihitsy hoe izany teny izany dia nosoratany tao anatin’ny fahoriana sy fitokana-monina, tratran’ny an-tery sy ny fameperana hijanona tao amina trano iray tao Nauvoo, niafina mba tsy ho hitan’ireo izay nikatsaka ny hisambotra azy tsy ara-dalàna:

“Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ny fifaliana! Feon’ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ny fahamarinana avy ao amin’ny tany; vaovao mahafaly ho an’ny maty; ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty; vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe. …

“… Tsy hitozo ao amin’ ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza. … dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa. Aoka ny tany hamelona hoby.” 14

Ry rahalahy sy ranabavy, mino aho fa indray andro any ianareo tsirairay avy dia hahatsiaro ireo hetsika nofoanana sy ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana, ary ny fanirery nifandray tamin’ireo fotoana feno fanamby izay atrehantsika dia hahatakatra fa voasaron’ireo fitahiana soa indrindra sy finoana ary fijoroana ho vavolombelona nitombo izany. Mino aho fa eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy, ireo fahorianareo, ny Amônihà anareo, ny Fonjan’i Liberty anareo, dia hatokana ho tombontsoanareo. 15 Mivavaka aho mba ho ekentsika, tahaka an’i Nefia, ireo fahoriana betsaka eo amin’ny androntsika no sady ho takantsika fa mahita sitraka fatratra tokoa amin’ny Tompo isika.

Faranako amin’ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, izay tsy vahiny tamin’ny fahoriana ary ampahany tamin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra ny fidinany tambanin’ny zava-drehetra. 16 Mahatakatra ny alahelontsika sy ny fanaintainantsika ary ny fahakiviantsika Izy. Izy no Mpamonjy, Mpanavotra, fanantenantsika, fampiononana ho antsika ary ilay Mpanafaka antsika. Izany dia ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.