Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fiarahamonina maharitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Fiarahamonina maharitra

Raha maro amintsika sy ny mpiara-belona amintsika no miezaka mitarika ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, dia ho sesehena ireo toetra amam-pitondrantena tsara ilain’ny fiarahamonina rehetra.

Tena amboarampeo mahafinaritra nihira momba ny Mpamonjy mahafinaritra izany.

Tamin’ny 2015 dia nampihatra ny atao hoe “Drafitra 2030 ho an’ny fandrosoana maharitra” ny Firenena Mikambana. Izany dia voafaritra hoe “drafitra ifampizarana iray hahatongavana amin’ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana ho an’ny olona sy izao tontolo izao, amin’izao sy amin’ny ho avy.” Ahitana tarigetra miisa 17 hotratrarina mialoha ny taona 2030 ny Drafitra ho an’ny fandrosoana maharitra, toy ny hoe: fongotra ny fahantrana, foana ny hanohanana, fanabeazana tsara kalitao, miralenta eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, rano madio sy fidiovana, ary asa mendrika. 1

Ny foto-kevitry ny fandrosoana maharitra dia sady mahaliana no manan-danja. Fa ny tokony hahamaika kokoa anefa dia ny mahakasika ny hoe fiarahamonina mahatana ireo soatoaviny, izay raharaha mivelatra kokoa. Inona avy ireo zavatra fototra hampaharitra ny fiarahamonina miroborobo iray, izay hanome vahana ny fahasambarana, ny fivoarana, ny fandriampahalemana, ary izay mahasoa ny olona ao aminy? Manana rakitsoratra farafahakeliny anankiroa momba ny fiarahamonina miroborobo toy izany isika ao amin’ny soratra masina. Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo?

Tamin’ny andro fahiny, i Enoka patriarika sy mpaminany lehibe dia nitory fahamarinana ary “naoriny ny tanàna izay nantsoina hoe ny Tanànan’ny Fahamasinana, dia i Ziona.” 2 Voalaza ao fa “ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy mahantra teo anivony.” 3

“Ary notahin’ny Tompo ny tany ary izy ireo dia notahina teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny toerana avo ka niroborobo.” 4

Ny vahoaka tany amin’ny Ila bolantany andrefana tamin’ny taon-jato voalohany sy faharoa izay fantatra amin’ny hoe Nefita sy Lamanita dia ahitana taratra ny ohatra miavaky ny fiarahamonina mandroso. Taorian’ny fanompoana miavaky ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty teo anivon’izy ireo dia “nandeha kosa araka ny didy izay efa noraisiny avy tamin’ny Tompony sy Andriamaniny [izy ireo], nitozo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, ary tamin’ny fiarahana mivory matetika mba hivavaka sy handre ny tenin’ny Tompo. …

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, na tabataba, na fijangajangana, na fandaingana, na vonoan’olona, na izay mety ho fomban’ny fahalotoam-pitondratena; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” 5

Nampaharitra ireo fiarahamonina ao amin’ireo ohatra roa ireo ny fitahiana avy any an-danitra izay nihanitombo noho ny fanoloran-tena tsara alain-tahaka nasehon’izy ireo tamin’ireo didy roa lehibe indrindra hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” 6 Nankatò an’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany manokana izy ireo ary nifampitsinjo teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy. Araka ny teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ireo fiarahamonina ireo dia nahitana fa “ny olona tsirairay dia [n]ikatsaka ny tombontsoan’ny namany sy [n]anao ny zava-drehetra [t]amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.” 7

Mampalahelo anefa, araka ny fanamarihana nataon’ny Loholona Quentin L. Cook taninkeheo maraina, fa tsy naharitra hatramin’ny taon-jato faharoa ilay fiarahamonina filamatra voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy ny antoka ahafahan’ny zavatra iray mijanona amin’izay toetrany eo, ary ny fiarahamonina miroborobo dia mety hivarina rehefa mandeha ny fotoana raha toa ka miala amin’ireo soatoavina fototra izay manohana ny fandriampahalemany sy ny firoboroboany. Teto amin’ity tranga ity, ny olona dia voasinton’ny fakam-panahin’ny devoly, ka “nanomboka ho nizarazara ara-tsaranga; ary nanomboka nanorina fiangonana ho an’ny tenany izy hahazoana tombony ary nanomboka nandà ny tena fiangonan’i Kristy.” 8

“Ary ny zava-nitranga, nony efa lasana ny telonjato taona, dia efa nanjary ratsy izaitsizy tokoa na ny vahoakan’i Nefia na ny Lamanita, ny andaniny tahaka ny ankilany.” 9

Rehefa nifarana ny taonjato iray hafa dia vahoaka an-tapitrisany no maty tamin’ny ady an-trano nifandringanan’izy ireo ary ilay firenena nirindra teo aloha dia lasa foko niady lava sisa.

Rehefa mandinika momba izany sy ireo ohatra hafa ana fiarahamonina niroborobo fahiny izay nivarina taty aoriana, dia heveriko fa marina ny hoe rehefa mivadika amin’ny maha-tompon’andraikitra azy ireo eo anatrehan’ Andriamanitra ny olona ka manomboka matoky ny “sandry nofo”, dia tonga ny loza. Ny hoe “mametraka fitokisana amin’ny sandry nofo” dia ny tsy firaharahiana ilay Andriamanitra Mpamorona ny zon’olombelona sy ny hasin’ny olombelona ka mametraka ho laharam-pahamehana faratampony ny harena, fahefana, ary ny fankasitrahan’izao tontolo izao (sady maneso sy manenjika matetika ireo izay manaraka fenitra hafa ihany). Etsy ankilan’izay, ireo olona ao anatin’ny fiarahamonina maharitra dia mikatsaka, tahaka ny Mpanjaka Benjamina, ny “hitombo ao amin’ny fahalalana ny voninahitr’ilay nahary [azy], na ao amin’ny fahalalana an’izay mahitsy sy marina.” 10

Ny rafitry ny fianakaviana sy ny fivavahana dia tena nilaina hatrany tamin’ny fanomezana ny isambatan’olona sy ny fiarahamonina ireo soatoavina izay hanohana ny fiarahamonina maharitra iray. Ireo soatoavina ireo, izay mifototra amin’ny soratra masina, tafiditra ao anatin’izany ny fahitsian-toetra, ny fandraisana andraikitra sy ny maha-tompon’andraikitra, ny fangorahana, ny fanambadiana sy ny fahatokiana ao anatin’ny fanambadiana, ny fanajana ny hafa sy ny fananan’ny hafa, ny asa fanompoana, ary ny ilana ny asa sy ny fahamendrehan’izany, sy ny hafa tsy voatanisa.

I Gerard Baker, izay mpamoaka lahatsoratra iray, dia nanoratra tao amin’ny Wall Street Journal tany am-boalohandohan’ity taona ity, nanome vonihanitra an’i Frederick Baker rainy tamin’ny faha-100 taona nitsingerenan’ny taona nahaterahan’ny rainy. Naminavina ny antony naha-ela velona ny rainy i Baker, fa avy eo kosa izy dia nanampy izao hevitra izao:

“Na dia maniry ny hahafantatra ny tsiambaratelon’ny maha-ela velona aza isika rehetra dia matetika aho no mahatsapa fa tsaratsara kokoa ny hanokanantsika fotoana bebe kokoa hamaantarana ny zavatra mahatonga ny fiainana ho tsara, na hafiriana na hafiriana taona omena antsika. Raha ny momba izay dia azoko antoka fa fantatro ny tsiambaratelon’ny raiko.

“Izy dia niaina tao anatin’ny vanim-potoana izay nanomezan-danja ny adidy eo amin’ny fiainana fa tsy ny fiheverana ny tena ho manan-jo foana, ary ny maha-tompon’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina fa tsy ny tombontsoa manokana. Tamin’ny taonjato niainany dia ny fahatsapana ho manana adidy eo anatrehan’ny fianakaviana sy Andriamanitra ary ny firenena no fitsipika fototra namporisika ny olona.

“Tao anatin’ny fotoana nanjakan’ny voka-dratsy nateraky ny faharavan’ny fianakaviana, dia vady mahatoky efa ho 46 taona ny raiko ary ray mpanefa ny adidiny tamin’ny zanaka enina. Ny fotoana tena nanehoany indrindra ny fanohanany sy ny maha-tena ilaina azy dia tamin’ny fotoana niaretan’ny ray aman-dreniko ilay loza tsy hay heverina tamin’ny famoizana zanaka. …

“Ary tamin’ny fotoana izay nampihen-danja hatrany ny fivavahana dia mbola Katôlika tena izy sy nahatoky ary nanana finoana tsy azo hozongozonina tamin’ireo fampanantenan’i Kristy hatrany ny raiko. Indraindray tokoa aho dia mieritreritra fa ela velona izy satria tsara fiomanana kokoa hiatrika ny fahafatesana raha mitaha amin’ny olona rehetra fantatro.

“Lehilahy sambatra aho—nahazo fanabeazana tsara, fianakaviana mahafinaritra, ary fahombiazana kely araka izao tontolo izao izay tsy mendrika ny ho azoko. Fa na dia feno fankasitrahana sy mirehareha tahaka ny ahoana aza aho dia takon’ny rehareha sy fankasitrahana ananako noho ilay lehilahy tsy be fisehosehoana na fihetsiketsehana izany, tsy niandrandra valisoa na fankasitrahana, fa nanatanteraka, efa ho zato taona izao ireo adidy aman’andrakitra tsotra ary nanana fifaliana tamin’ny fananana fiainana marina sy mendrika taty aoriana.” 11

Tao anatin’ireo taona faramparany dia nihena ny lanjan’ny fivavahana sy ny finoana tany amin’ny firenena maro. Mihamitombo hatrany ny olona mihevitra fa ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fanoavana Azy dia tsy ilaina mba hahazoana fahitsiana ara-pitondran-tena na eo amin’ny olon-tokana izany na ny fiarahamonina ao amin’izao tontolo izao ankehitriny. 12 Inoako angamba fa isika rehetra dia hanaiky fa ireo izay milaza ho tsy manana finoana arahina dia afaka ny ho tonga, ary matetika mihitsy aza no olona tsara sy tsara fitondran-tena. Tsy ekentsika kosa anefa ny hoe tsisy hidiran’ny fitaoman’ Andriamanitra ny fahatanterahan’izany. Ny fahazavan’i Kristy no tiako hiaviana amin’izany. Nanambara ny Mpamonjy hoe, “Izaho no fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao.” 13 Na mahatsapa izany izy na tsia, ny lehilahy, vehivavy, ary ankizy avy amin’ny finoana, toerana, ary vanim-potoana tsirairay dia nomena ny Fahazavan’i Kristy ka noho izany dia afaka mahafantatra ny mety sy ny tsy mety izay antsointsika matetika hoe feon’ny fieritreretana. 14

Na dia izany aza, rehefa ny fampihenan-danja ny fivavahana no mampisaraka ny fahitsian’ny tena manokana sy ny an’ny fiarahamonina amin’ny fahatsapana ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra dia toy ny manapaka ny zava-maniry amin’ny fakany izany. Ny fianteherana amin’ny kolon-tsaina sy fombafomba fotsiny dia tsy ho ampy hampaharitra ny fahatsaran-toetra ao amin’ny fiarahamonina. Rehefa tsy manana andriamanitra mihoatra ny tenany ny olona iray ary tsy mikatsaka izay tsaratsara kokoa ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny filany sy ny zavatra tiany dia hiseho amin’ny fotoana mahamety azy ny vokadratsin’izany.

Raha fanomezan-dalana avy amin’ny olona iray ihany ohatra no hany manakana ny tsy hanaovan’ny olona firaisana ara-nofo ao anatin’ny fiarahamonina iray dia fiarahamonina mihapotika izany. Ny fijangajangana, ny filibana, ny fiterahana ivelan’ny fanambadiana, 15 ary ny fanalan-jaza an-tsitrapo dia ampahany monja amin’ireo vokadratsy izay mipongatra avy amin’ny revolisiona mitohy izay mitaky ny fitovian-jo ara-pitondrantena eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy. Ny zava-misy aterak’izany izay manakana ny faharetan’ny fiarahamonina miroborobo iray dia ahitana ny fitomboan’ny ankizy izay lehibe ao anaty fahantrana ary tsy mihanoka ny fitarihana mahasoa avy amin’ny rainy, indraindray mandritra ny taranaka mifandimby maromaro mihitsy, ny vehivavy mizaka irery ireo andraikitra izay tokony nifampizarana, ary ny fanabeazana mandringa izaitsizy satria ireo sekoly, toy ireo rafitra hafa, dia asaina hanolo toerana ny tsy fahombiazana ao an-tokantrano. 16 Manampy trotraka ireo fanitsakitsahana ny fenitry ny fiainam-piaraha-monina ireo ny tranga maro tsy voatanisa amin’ny alahelo sy fahakiviana mahazo ny olona—ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po izay sady mangeja ny meloka no mampijaly ny tsy manan-tsiny.

Nitory i Nefia hoe:

“Eny, lozan’izay mihaino ny fampianaran’olombelona ka mandà ny fahefan’ Andriamanitra sy ny fanomezana ny Fanahy Masina! …

“… Lozan’ireo izay mangovitra sady tezitra noho ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra!” 17

Etsy ankilan’izay kosa, ny hafatra mahafaly ho an’ireo zanatsika sy ny olombelona rehetra dia ny hoe manoro lalana tsaratsara kokoa “ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra” na, araka ny voalazan’i Paoly hoe “[ny] lalana tsara indrindra,” 18 lalana mankamin’ny fahasambaran’ny tena manokana sy ny firoboroboan’ny fiarahamonina amin’izao ary fiadanana sy fifaliana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy.

Ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra dia entina hilazana ireo fahamarinana fototra izay mandrafitra ny drafiny ho an’ny fahasambaran’ireo zanany. Ireo fahamarinana ireo dia ny hoe velona Andriamanitra; fa Izy no Ray any An-danitry ny fanahintsika. Ho fanehoana ny fitiavany dia nomeny didy izay mitarika ho amin’ny fahafenoan’ny fifaliana miaraka Aminy isika. I Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra sy Mpanavotra antsika. Nijaly sy maty mba hisolo voina ny fahotantsika Izy raha mibebaka isika. Nitsangana tamin’ny maty Izy, nanatanteraka ny Fitsanganana amin’ny maty ho an’ny olombelona rehetra; ary isika rehetra dia hijoro eo anatrehany mba hotsaraina, izany hoe tompon’andraikitra ny amin’izay nanaovantsika ny fiainantsika. 19

Sivy taona tao anatin’ilay nantsoina hoe “fitondran’ny mpitsara” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Almà mpaminany dia nametra-pialana tamin’ny toerany tamin’ny naha-lehiben’ny mpitsara azy mba hanokanana fotoana feno ho amin’ny fitarihana ny Fiangonana. Ny tanjony dia ny handray andraikitra eo anatrehan’ny avonavona, ny fanenjehana, ary ny fitiavam-bola tafahoatra izay tsy nitsaha-nitombo teo anivon’ny vahoaka, ary teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana indrindra indrindra. 20 Araka ny fanamarihana nataon’ny Loholona Stephen D. Nadauld indray mandeha hoe, “ny fanapahan-kevitra nentanim-panahy noraisin’i[ Almà] dia ny tsy handany fotoana kokoa amin’ny fiezahana hamorona sy hampihatra lalàna vaovao mba hanitsiana ny fitondran-tenan’ny vahoakany, fa ny hiteny amin’izy ireo kosa ny tenin’ Andriamanitra, hampianatra azy ireo ny fotopampianarana ary hahatonga ny fahatakaran’izy ireo ny drafitry ny fanavotana hitarika azy ireo hanova ny fitondran-tenany.” 21

Maro ny zavatra azontsika atao amin’ny maha mpiara-belona sy olom-pirenena antsika mba hitondrana anjara biriky amin’ny fihazonana ny soatoavina sy ny fampiroboroboana ireo fiarahamonina misy antsika, ary tena marina fa ny asa fanompoana fototra indrindra sy maharitra indrindra azontsika atao dia ny mampianatra sy miaina araka ireo fahamarinana ao anatin’ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana. Araka ny voalaza ao amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe:

Ny finoan’ireo ray tany aloha,

No hitiavana ireo sakaiza amam-pahavalo amin’izay rehetra manjo,

Ary hitoriana aminao ihany koa,

Amin’ny alalan’ny fitiavana sy ohatra ary teny soa. 22

Raha maro amintsika sy ny mpiara-belona amintsika no mandray fanapahan-kevitra sy miezaka mitarika ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, dia ho sesehena ireo toetra amam-pitondrantena tsara ilain’ny fiarahamonina rehetra.

Noho ny fitiavany dia nomen’ny Raintsika any An-danitra ny Zanany Lahitokana, Jesoa kristy, mba hananantsika fiainana mandrakizay. 23

“[I Jesoa Kristy] dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy. Noho izany Izy dia tsy mandidy na iza na iza tsy handray anjara amin’ny famonjeny.

“Indro, moa misy antsoiny va ka ataony hoe: Mialà Amiko? Indro, lazaiko aminareo, Tsia; fa hoy kosa Izy: Avia aty Amiko ianareo rehetra faran’ny tany, mividiana ronono sy tantely, nefa tsy amim-bola na amin-karena.” 24

Izany no ambarantsika “amin’ny fahononam-po, amin’ny fanahin’ny fahamorana,” 25 sy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “The 17 Goals,” United Nations Department of Economic and Social Affairs website, sdgs.un.org/goals.

  2. Mosesy 7:19.

  3. Mosesy 7:18.

  4. Mosesy 7:17.

  5. 4 Nefia 1:12, 16.

  6. Matio 22:37, 39.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:19.

  8. 4 Nefia 1:26.

  9. 4 Nefia 1:45.

  10. Môzià 4:12.

  11. Gerard Baker, “A Man for All Seasons at 100,” The Wall Street Journal, Feb. 21, 2020, wsj.com.

  12. Jereo ny Ronald F. Inglehart, “Giving Up on God: The Global Decline of Religion,” Foreign Affairs,Sept./Oct. 2020, foreignaffairs.com; jereo koa ny Christine Tamir, Aidan Connaughton, and Ariana Monique Salazar, “The Global God Divide: Majorities in Emerging Economies Connect Belief in God and Morality,” Pew Research Center, July 20, 2020, pewresearch.org.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2; jereo koa ny Môrônia 7:16, 19.

  14. Jereony Boyd K. Packer, “The Light of Christ,” Liahona, Apr. 2005, 10; jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Truth Endures,” Religious Educator, vol. 19, no. 3 (2018), 6.

  15. Raha manolotra io ohatra io aho dia ireo vokadratsy mety hitranga amin’ny ankizy no lazaiko fa “voa mangidy” fa tsy ireo ankizy mihitsy akory. Sarobidy ny zanak’Andriamanitra rehetra, ary manan-danja tsy voavidy vola ny fiainana rehetra na inona na inona toe-javatra niseho teo amin’ny fahaterahana.

  16. Jereo, ohatra, ny: Pew Research Center, “The Changing Profile of Unmarried Parents,” Apr. 25, 2018, pewsocialtrends.org; Mindy E. Scott and others, “5 Ways Fathers Matter,” June 15, 2016, childtrends.org; sy ny Robert Crosnoe and Elizabeth Wildsmith, “Nonmarital Fertility, Family Structure, and the Early School Achievement of Young Children from Different Race/Ethnic and Immigration Groups,” Applied Developmental Science, vol. 15, no. 3 (July–Sept. 2011), 156–70.

  17. 2 Nefia 28:26, 28.

  18. 1 Korintiana 12:31.

  19. Jereo ny Almà 33:22.

  20. Jereo ny Almà 4:6–19.

  21. Stephen D. Nadauld, Principles of Priesthood Leadership( 1999), 13; jereo koa ny Almà 31:5.

  22. “Faith of Our Fathers,” Hymns, lah. 84.

  23. Jereo ny Jaona 3:16.

  24. 2 Nefia 26:24–25; jereo koa ny 2 Nefia 26:33.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:7.