Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mendrika ho an’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mendrika ho an’ny Tompo

Atombohy izao ny dingana mba ho lasa “mendrika ho an’ny Tompo” mba hahafahan’ny Fanahiny hiaraka sesehena aminao.

Miarahaba anareo ry rahalahy sy ranabavy isany. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy dia niandrandra ny fihaonana an-jotra aminareo eran’ny vazan-tany efatr’izao tontolo izao mandritra ity fihaonambe ity aho.

Sary
Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo.

Ity taona ity no hafa indrindra raha samy taona. Ho ahy manokana dia nanomboka tamin’ny iraka avy amin’ny Fiadidiana Voalohany hanokana tempoly masina ho an’ny Tompo tany Durban, Afrika Atsimo izany. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny hatsaran’ilay trano. Fa manan-danja kokoa mihoatra ilay toerana, dia ho ankamamiako foana ny hasin’ireo olona izay tena niomana tsara hiditra izany trano masina izany. Niomana tsara izy ireo handray anjara amin’ny iray amin’ireo fitahiana faratampony avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia ny fanokanana trano ho an’ny Tompo izany. Tonga tamin’ny fo feno fitiavana ho Azy sy ny Sorompanavotany izy ireo. Tonga izy ireo, heni-pankasitrahana ny Raintsika any An-danitra noho ny nanomezany ireo ôrdônansy masina izay hitondra ho amin’ny fisandratana. Tonga tamim-pahamendrehana izy ireo.

Sary
Mpikambana eo amin’ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo

Ireo tempoly, na aiza na aiza misy azy ireo dia miavaka ary maharesy ny fomban’izao tontolo izao. Ny tempolin’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra eto amin’izao tontolo izao, 168 ny totaliny, dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny finoantsika ny fiainana mandrakizay sy ny fifaliana hiaina izany miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny Raintsika any An-danitra. Ny fankanesana any amin’ny tempoly dia mampitombo ny fahatakarantsika Ny Andriamanitra sy ny filazantsara mandrakizay, ny fanolorantenantsika hiaina sy hampianatra fahamarinana, ary ny fahavononantsika hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy.

Sary
Fahamasinana ho an’ny Tompo

Eo ivelan’ny tempoly rehetra ato amin’ny Fiangonana dia ahitana ny teny tena mety tsara manao hoe “Fahamasinana ho an’ny Tompo.” Ny tempoly no tranon’ny Tompo ary toerana masina hialana amin’izao tontolo izao. Ny Fanahiny dia manenika ireo izay mitsaoka ao anatin’ireo rindrina masina ireo. Izy no mametraka ny fenitra ahafahantsika miditra ho vahininy.

Sary
Blaine Twitchell

I Blaine Twitchell rafozan-dahiko, iray amin’ireo lehilahy tsara indrindra fantatro dia nampianatra ahy lesona lehibe iray. Namangy azy izaho sy Rahavavy Rasband rehefa akaiky hifarana ny fiainany teto an-tany. Rehefa niditra ny efitra nisy azy izahay dia teo an-dalam-podiana ny evekany. Rehefa niarahaba ilay eveka aho dia nieritreritra hoe “Mahafinaritra izany raha eveka. Tonga eto izy mba hanompo ny mpikambana mahatoky iray ao amin’ny paroasiny.”

Nolazaiko i Blaine hoe: “Mahafinaritra ery fa tonga mitsidika anao ny eveka.”

Nijery ahy i Blaine ary namaly hoe: “Tsy izay fotsiny ihany. Nangataka ny eveka aho mba ho avy satria te hanao dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tiako ny handao ny tany rehefa mendrika ho an’ny Tompo aho.” Dia izany tokoa no nitranga!

Izay andian-teny hoe “mendrika ho an’ny Tompo” izay dia niraikitra tao an-tsaiko. Nitondra fomba fijery vaovao tao amiko mikasika ny fanaovan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dinidinika tsy tapaka izany. Tena manan-danja tokoa ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, hany ka tany am-piandohan’ny Fiangonana, hatramin’ny 1891, dia ny Filohan’ny Fiangonana no nanome fankatoavana ny fahazoan-dalana tsirairay hidirana ny tempoly. 1

Na ny an’ny zatovo na ny an’ny olon-dehibe izany, ny dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ataontsika dia tsy momba ny hoe zavatra atao sy zavatra tsy atao. Tsy lisitrana zavatra atao izany, na fanomezan-dalana voasoratra fotsiny, na tapakila ho an’ny fampisehoana miavaka iray. Masina sy avo kokoa ny tanjony. Mba ho mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tsy maintsy miaina araka ireo fampianarana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao.

Mandritra ilay dinidinika dia manana fahafahana ianao handinika lalina ny ao anatinao mikasika ny finoanao manokana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Fahafahana ho anao izany hanehoana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ny fahavononanao hanohana ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny Fiangonany, ny finoanao ny fotopampianaran’ny filazantsara, ny fanatanterahanao ireo andraikitra ao amin’ny ankohonanao, ary ny fahamarinan-toetranao, ny fahadiovanao ara-pitondrantena, ny fahatokianao, ny fankatoavanao, ary ny fanarahanao ny Tenin’ny Fahendrena, sy ny lalàn’ny fahafolonkarena, ary ny fanamasinanao ny andro Sabata. Ireo fitsipika ireo dia fototra iorenan’ny fiainana natokana ho an’i Jesoa Kristy sy ny asany.

Ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly dia maneho fikasana lalina sy ara-panahy hiezaka hiaina ireo lalàn’ny Tompo ary hitia izay tiany: ny fanetrentena, fahalemem-panahy, fiorenana mafy, fiantrana, herim-po, fangorahana, famelana, ary fankatoavana. Ary manolo-tena ny hanaraka ireo fenitra ireo ianao rehefa manao sonia ao amin’io taratasy masina io.

Ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly dia manokatra ny vavahadin’ny lanitra ho anao sy ny hafa miaraka amin’ireo fombafomba sy ôrdônansy manan-danja mandrakizay, ka tafiditra ao anatin’izany ny batisa, ny fanafiana masina, ny fanambadiana ary ny famehezana.

Ny hoe “mendrika ho an’ny Tompo” dia midika hoe ampahatsiahivina ireo zavatra andrasana amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mpitandrina fanekempihavanana. Noraisin’i Blaine rafozan-dahiko ho fiomanana tsy hay sandaina ho amin’ilay andro hijoroany amim-panetrentena eo anatrehan’ny Tompo izany.

Sary
Ny lelafo teo amin’ny roimemy

Eritrereto i Mosesy nihanika ny Tendrombohitra Horeba ka niseho taminy i Jehovah Tompo tao anaty roimemy nirehitra afo. Hoy Andriamanitra taminy hoe: “Esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.” 2

Ny fanesorana ny “kapanao” eo am-baravaran’ny tempoly dia famelana ireo faniriana sy fahafinaretana araka izao tontolo izao izay manelingelina antsika tsy hivoatra ara-panahy, fanadinoana ireo zavatra izay mahavarimbariana antsika eto amin’ity fiainana an-tany sarobidy ity, fandresena ny fitondran-tena tia mifanditra, ary fikatsahana fotoana mba ho masina.

Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy, ny vatantsika dia voarin’ Andriamanitra, tempoly ho an’ny fanahintsika, ka noho izany dia tokony hajaina. Tena marina ny tononkira ao amin’ilay hiran’ny Kilonga hoe “Tempoly mendrika ny fikarakarana tsara indrindra ny vatako.” 3 Rehefa niseho tamin’ireo Nefita ny Tompo dia nandidy Izy ny, “Hanamasina ny tenany amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako.” 4 “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” hoy ny Tompo nanontany, dia namaly Izy avy eo hoe: “Ho toa Ahy.” 5 Ny hoe “mendrika ho an’ny Tompo” dia midika hoe miezaka ho tonga tahaka Azy.

Tsaroako ny nahenoako ny lahateny voalohany nataon’ny Filoha Howard W. Hunter nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’izy lasa Filohan’ny Fiangonana faha-14. Hoy izy hoe: “Tena fanirian’ny foko lalina indrindra ny hahamendrika ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay hiditra ny tempoly. Hahafaly ny Tompo raha toa ka mendrika—sy mitondra—fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny mpikambana olon-dehibe rehetra.” 6 Tiako ampiana hoe ny fahazoan-dalana voafetra dia hametraka lalan-kaleha mazava ho an’ireo zatovo malalantsika.

Nampahatsiahy ny tenin’ny Filoha Hunter ny Filoha Nelson hoe: “Tamin’io andro io, 6 jona 1994, dia lasa zavatra hafa mihitsy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly taty amiko. Talohan’io ilay izy dia fitaovana hanatratrarana tanjona iray. Taloha dia fitaovana hamela ahy hiditra ny trano masin’ny Tompo ilay izy; saingy taorian’ny nanaovany ny fanambarany dia lasa ilay izy mihitsy no zavatra notratrariko. Lasa karatra famantarana ny fankatoavako ny mpaminanin’ Andriamanitra ilay izy.” 7

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Raha mbola tsy nandray fahazoan-dalana ianao na tsy manan-kery intsony ny fahazoan-dalanao dia milahara eny am-baravaran’ny eveka tahaka ny nataon’ireo Olomasina teo am-baravaran’ny tempolin’i Nauvoo tamin’ny 1846. 8 Anisan’ireo olona mahatoky ireo ny razambeko. Nandao ilay tanàna tsara tarehiny izy ireo ary nandeha niakandrefana, fa fantany anefa fa zavatra iainana masina no hiandry azy ireo ao amin’ny tempoly. Nandritra ny dia sarotra tany Iowa dia nanoratra i Sarah Rich hoe,: “Raha toa ka tsy noho ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly … , dia ho toy ny zavatra natao an-jambany ihany … ilay dianay.” 9 Izany no zavatra tsy ho azontsika raha mandia ity fiainana ity isika ka tsy manana ny fankaherezana sy fiadanana ampanantenaina ao amin’ny tempoly.

Atombohy izao ny dingana mba ho lasa “mendrika ho an’ny Tompo” mba hahafahan’ny ny Fanahiny dia hiaraka sesehena aminao ary ireo fitsipiny dia hitondra “fiadanan-tsaina” ho anao. 10

Ireo mpitarika zatovo, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, ary rahalahy sy rahavavy mpanompo ao aminareo dia hanampy anareo hiomana, ary ny evekanareo na ny filohan’ny sampana misy anareo dia hitarika anareo amim-pitiavana.

Niaina fotoana izay nikatonan’ny tempoly na nampiasana azy ireo tamin’ny ampahany isika. Ho an’ny Filoha Nelson sy ireo namantsika izay manompo miaraka aminy dia tena “nangirifiry” sy “nampijaly tao anatin’ny ahiahy” ny fanapahan-kevitra nentanim-panahy hanakatona ireo tempoly. Nampametra-panontaniana ny Filoha Nelson mihitsy hoe: “Inona no holazaiko an’ny Mpaminany Joseph Smith? Inona no holazaiko an’i Brigham Young, sy i Wilford Woodruff, ary ireo filoha hafa hatramin’ny Filoha Thomas S. Monson?” 11

Izao isika dia manokatra tsikelikely sy amim-pankasitrahana indray ireo tempoly mba hanaovana famehezana sy fanafiana masina saingy voafetra ihany.

Ny fahamendrehana ho any amin’ny tempoly kosa nefa dia tsy nampiatoana. Mamelà ahy hanamafy fa na manana fahafahana hankany amin’ny tempoly ianao na tsia dia mila fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ianao mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Sary
Vondrona any Nouvelle Zélande

Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa dia namita iraka tany Nouvelle Zélande izaho sy Rahavavy Rasband, niresaka tamina vondrona iray nahitana tanora tokan-tena maro be. Tsy mora tamin’izy ireo ny nandeha tany amin’ny tempoly; ilay ao Hamilton dia teo an-dalam-panarenana tamin’izay, ary mbola teo am-piandrasana ny fihadiana ny fototry ny tempoly tao Auckland izy ireo. Nahatsapa ho notaomim-panahy anefa aho hamporisika azy ireo hanavao na handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Na dia tsy afaka manolotra izany any amin’ny tempoly aza izy ireo dia afaka manolotra ny tenany madio sy vonona hanompo ny Tompo eo anoloany. Ny hoe mendrika hihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly dia sady fiarovana amin’ilay fahavalo, satria nanao fanoloran-tena matotra tamin’ny Tompo momba ny fiainanao ianao, no nanao fampanantenana ihany koa fa ny Fanahy dia hiaraka aminao.

Manatanteraka asa atao any amin’ny tempoly isika rehefa mikaroka ireo razambetsika ary manolotra ny anaran’izy ireo mba hanaovana ôrdônansy. Na dia tamin’ny nikatonan’ireo tempoly aza dia mbola afaka nikaroka ny fianakaviantsika hatrany isika. Miaraka amin’ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pontsika dia mijoro amin’ny alalan’ny fisoloana tena ho azy ireo isika mba ho “mendrika ho an’ny Tompo.”

Fony aho Tale Mpanatanteraky ny Departemanta misahana ny Tempoly dia naheno ny Filoha Gordon B. Hinckley nanonona ity soratra masina ity izay notenenin’ny Tompo mikasika ny tempolin’i Nauvoo: “Aoka ny asan’ny tempoliko sy ny asa rehetra izay efa notendreko ho anareo hotohizana fa tsy hatsahatra; ary aoka ny fahazotoanareo sy ny fikirizanareo ary ny faharetanareo sy ny asanareo hitombo avo roa heny, dia tsy hamery mihitsy ny valisoanareo ianareo, hoy ny Tompon’ny Maro.” 12

Ny asa ataontsika any amin’ny tempoly dia mifamatotra amin’ny valisoantsika mandrakizay. Nosedraina isika tato ho ato. Niantso antsika hiasa any amin’ny tempoly amin’ny “fahazotoanareo … ny fikirizanareo ary ny faharetanareo” ny Tompo. 13 Ny hoe “mendrika ho an’ny Tompo” dia mitaky ireo toetra ireo. Tsy maintsy mazoto amin’ny fiainana ireo didy isika, manana fikirizana amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly nataontsika, mankasitraka izay mbola ataon’ny Tompo hatrany mba hampianarana momba azy ireo, ary maharitra eo am-piandrasana ny fisokafan’ireo tempoly tanteraka indray.

Rehefa miantso antsika “[hamp]itombo avo roa heny” ny ezaka ataontsika ny Tompo dia mangataka antsika hitombo amin’ny fahamarinana. Ohatra, azontsika atao ny mampitombo ho lalindalina kokoa ny fandalinantsika soratra masina, ny fikarohana tantaram-pianakaviana ataontsika, ary ny vavaky ny finoana hizarantsika ny fitiavantsika ny tranon’ny Tompo amin’ireo izay miomana handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, indrindra indrindra ny ao amin’ny fianakaviantsika.

Mampanantena anareo aho amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy fa rehefa miezaka ny hampitombo avo roa heny ny ezaka feno fahamarinana ataonareo ianareo dia hahatsiaro ho navaozina ao amin’ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, hahatsapa betsaka ny Fanahy Masina mitari-dalana anareo ianareo, ho feno fankasitrahana noho ireo fanekempihavananareo masina ianareo, ary hahatsapa fiadanana rehefa mahafantatra fa ianareo dia “mendrika ho an’ny Tompo.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.