Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hanao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Hanao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra

Efa nanomana ny zanany sy ny Fiangonany ho amin’izao fotoana izao Andriamanitra.

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavana tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake no nanombohan’ireo Olomasina nanangana ny tempoly masin’izy ireo. Nahatsapa izy ireo fa nahita toerana ihany nony ny farany hahafahan’izy ireo mitsaoka an’ Andriamanitra amim-piadanana ary afaka amin’ny fanenjehena.

Kanefa rehefa akaiky ho vita ny fototry ny tempoly dia nisy miaramilan’ny tafik’i Etazonia tonga hametraka an-tery governora vaovao.

Koa satria tsy hain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana raha hietraketraka ilay andian-tafika na tsia, dia nodidian’i Brigham Young ireo Olomasina hiala ary hanototra tany ny fototry ny tempoly.

Azoko antoka fa misy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nanontany tena hoe nahoana ireo ezaka natao hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra no voasakantsakana hatrany.

Lasa ihany ilay loza nony farany ka nohadiana sy notiliana ireo fototry ny tempoly. Tamin’izany indrindra no nahafantaran’ireo mpamaky lay mpanorina fa maro tamin’ireo vatovary tany am-piandohana no tresaka ka tsy mety atao fototra.

Vokatr’izany dia nasain’i Brigham namboarina ny fototra mba hahafahan’izany mazaka tsara ny rindrina vita amin’ny granita 1 an’ny tempoly mijoalajoalan’i Salt Lake. 2 Nony farany dia afaka nihira ilay fihirana hoe “Fototra mafy orina” 3 ihany ireo Olomasina ary nahafantatra fa ny tempolin’izy ireo dia naorina teo ambony fototra mafy orina izay holovain’ny taranaka maro.

Sary
Fototry ny tempolin’i Salt Lake

Io tantara io dia afaka mampianatra antsika ny fomba ampiasan’ Andriamanitra ny fahoriana hanatanterahana ireo tanjony.

Valanaretina maneran-tany

Raha toa ka tsy vaovao aminareo izany raha jerena ny toe-javatra misy antsika ankehitriny dia satria izany tokoa no izy.

Tsy mino aho hoe misy olona iray izay mandre ny feoko na mamaky ny teniko ka tsy voakasik’ilay valanaretina maneran-tany.

Te hiteny aminareo izay misaona ny fahalasanana havana sy namana izahay hoe miara-ory aminareo izahay. Mitalaho ny Ray any An-danitra izahay mba hampionona sy hanafaka ny halahelonareo.

Mihoatra ny fahasalamana ara-batana ny voka-dratsy maharitra naterak’ity tsimok’aretina ity. Fianakaviana maro no very fidiram-bola ka ambanan’ny hanoanana, sy ny ahiahy, ary ny tahotra. Derainay ireo ezaka feno fitsinjovana ny hafa ataon’ny olona maro tokoa mba hisorohana ny fiparitahan’ity aretina ity. Mampanetry tena anay ny fanoloran-tena mangina sy ireo ezaka mendri-kaja ataon’ireo izay manao sorona ny fiarovana ny tenany mba hanampiana, sy hanasitranana ary hanohanana ireo olona sahirana. Heniky ny fankasitrahana ny amin’ny hatsaram-ponareo sy ny fangorahana anananareo ny fonay.

Mivavaka mafy izahay mba hanokafan’ Andriamanitra ny varavaran’ny lanitra ka hamenoany ny fiainanareo amin’ireo fitahiana mandrakizay avy amin’ Andriamanitra.

Toy ny voa isika

Mbola betsaka ny zavatra tsy fantatra momba io tsimok’aretina io. Saingy raha misy zavatra iray fantatro dia ny hoe tsy zavatra tsy nampoizina ho an’ny Ray any An-danitra akory io tsimok’aretina io. Tsy nila nampivondrona tafik’anjely fanampiny Izy, na nila nampiantso fivoriana vonjy taitra, na nila namindra ny sasany amin’ireo izay natao hisahana ny fahariana tontolo mba hiatrika ny fandraisana an-tanana filana iray tsy nampoizina.

Ny hafatro anio dia hoe na dia tsy izao valanaretina izao aza no niriantsika na nantenaintsika, Andriamanitra kosa dia efa nanomana ireo zanany sy ny Fiangonana ho amin’izao fotoana izao.

Eny, haharitra izany isika. Saingy hanao zavatra mihoatra noho ny mihidy vazana, sy ny maharitra ary ny miandry ny hiverenan’ny zava-drehetra amin’ny laoniny fotsiny isika. Handroso isika, ary ho lasa tsaratsara kokoa ho vokatr’izany.

Azo lazaina hoe toy ny voa isika. Ary mba hahafahan’ny voa hanatratra ny fitomboana tokony ho tratrany dia tsy maintsy alevina anaty tany izy vao afaka hitrebona. Mijoro ho vavolombelona aho fa na dia misy fotoana aza isika mety hahatsapa ho tototr’ireo fitsapan’ny fiainana na voahodidin’ny olana ara-pihetseham-po, ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny dia hampitranga zavatra tsy takatry ny saina.

Avy amin’ny zava-tsarotra no ipoiran’ny fitahiana

Samy niatrika ny anjara fitsapana sy fotoan-tsarotra nozakainy avy ny fotoampitantanana rehetra.

I Enoka sy ny vahoakany dia niaina tanatina fotoana nisian’ny faharatsiana, sy ady ary fandatsahan-drà. “Fa tonga ny Tompo ary niara-nonina tamin’ny vahoakany.” Nanana zavatra tsy takatry ny saina nokasainy ho azy ireo Izy. Nampiany izy ireo hanangana an’i Ziona, dia vahoaka “iray fo sy iray saina” izay “niaina tamim-pahamarinana.” 4

I Josefa zazalahy, zanak’i Jakoba dia natsipy tanaty lava-drano, namidy ho andevo, sy nivadihana, ary nilaozana. 5 Tsy maintsy ho nanontany tena i Josefa ndrao adinon’ Andriamanitra izy. Nanana zavatra tsy takatry ny saina nokasainy ho an’i Josefa Andriamanitra. Nampiasainy io fotoam-pitsapana io mba hampatanjahana ny toetran’i Josefa ka nametrahany azy amin’ny toerana hahafahany mamonjy ny fianakaviany 6

Sary
I Joseph ao amin’ny fonjan’i Liberty

Eritrereto i Joseph Smith Mpaminany nandritra ny namonjana azy tao amin’ny fonjan’i Liberty, ny fomba nitalahoany fanamaivanana ho an’ireo Olomasina nijaly. Tsy maintsy ho nanontany tena izy hoe amin’ny fomba ahoana no mbola hahafahan’i Ziona ho tafatsangana tao anatin’ireny toe-javatra ireny. Saingy ny Tompo dia nanambara fiadanana taminy, ary ilay fanambarana be voninahitra izay tonga taorian’izay dia nitondra fiadanana ho an’ireo Olomasina—ary manohy mitondra fiadanana ho anao sy ho ahy izany. 7

Impiry moa ireo Olomasina nandritra ireo taona voalohany nisian’ Ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no kivy sy nanontany tena sao adinon’ Andriamanitra izy ireo? Saingy tao anatin’ny fanenjehana, sy famoizana ary fandrahonana fandringanana, ny Tompo Andriamanitr’i Isiraely dia nanana zavatra hafa tao an-tsainy ho an’ireo ondriny vitsy. Zavatra tsy takatry ny saina.

Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo—sy ireo ohatra nasehon’ireo olona an-jatony hafa ao amin’ny soratra masina?

Voalohany, ireo olo-marina dia tsy ilaozan’izay tsy hiaina fitsapana sy fahasarotana. Tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra isika rehetra satria ao anatin’ireny fotoam-pahoriana ireny no ianarantsika ireo fitsipika izay manamafy orina ny toetrantsika ary mahatonga antsika hanatona kokoa an’ Andriamanitra.

Faharoa, ny Ray any An-danitra dia mahafantatra fa mijaly isika, ary satria zanany isika dia tsy handao antsika Izy. 8

Eritrereto ilay olona feno fangorahana, dia ny Mpamonjy izany, izay nampiasa ny ampahany lehibe tokoa tamin’ny fiainany nanompoana ny marary, ny manirery, sy ny mpiahiahy, ary ny mamoy fo. 9 Heverinao ve fa tsy mitaintaina firy momba anao Izy ankehitriny?

Ry namako malala isany, ry rahalahy sy anabaviko malala, Andriamanitra dia hiahy sy hitarika anareo mandritra ireny fotoana mampanahy sy mampatahotra ireny. Fantany ianao. Reny ny fitalahoanao. Mahatoky sy azo ianteherana Izy. Hotanterahiny ireo fampanantenany.

Manana zavatra tsy takatry ny saina kasainy ho anao manokana sy ho an’ny Fiangonana iray manontolo Izy—asa iray mahatalanjona sy mahagaga.

Misaotra Anao noho ny Mpaminany

Mbola ho avy ireo androntsika tsara indrindra, fa tsy hoe efa lasa akory. Izany no antony anomezan’ Andriamanitra antsika fanambarana maoderina! Raha tsy misy izany, dia mety ho toy ireny fiaramanidina mihazohazo eny amin’ny habakabaka ireny ny fiainana ka miandry ny hisindan’ny rahona mba hahafahana midina tsy amin’ahiahy. Mihoatra lavitra noho izany ireo tanjon’ny Tompo ho antsika. Koa satria Fiangonan’ilay Kristy velona ity, ary koa satria mitarika ireo mpaminaniny Izy dia mandeha mandroso sy miakatra isika, mankany amin’ireo toerana tsy nodiavintsika hatrizay, mankany amin’ny toerana avo izay zara raha azontsika an-tsaina!

Izany anefa tsy midika fa tsy handalo fotoana mampisamboaravoara isika mandritra ny sidina hamakivakiantsika ny fiainana an-tany. Tsy midika akory izany fa tsy hisy fahasimbana fitaovana, sy tsy fahatomombanana ara-mekanika, na toetr’andro ratsy tsy ampoizina. Raha ny marina dia mety hiharatsy aza ny fandehan-javatra mialohan’ny hihatsarany.

Tamin’ny naha-mpanamory fiaramanidina mpiady sy tamin’ny naha-kapiteny ahy, dia nianatra aho fa na dia tsy afaka misafidy ny olana ho atrehiko aza aho mandritra ny sidina iray dia afaka misafidy kosa ny fomba hiomanako sy ny fomba hiatrehako izany. Fahatokiana ao anatin’ny fahatoniana sy saina mitombina no ilaina mandritra ireo fotoana isian’ny hamehana.

Amin’ny fomba ahoana no hananana izany?

Atrehana ny zava-misy ary miverina amin’ireo fitsipika fototra, ireo fitsipika fototry ny filazantsara, ireo zavatra manan-danja indrindra. Hamafisina ireo fihetsika ara-pivavahana manokana, toy ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra. Mandray fanapahan-kevitra araka ireo fomba fiasa efa voasedra tsara indrindra.

Mifantoka amin’ireo zavatra azonao atao fa tsy amin’ireo zavatra tsy azonao atao.

Mampivondrona ny finoanao. Mihaino ny teny izay mitantana avy amin’ny Tompo sy ireo mpaminany mitarika anao mba hieren-doza.

Tsarovy fa Fiangonan’i Jesoa Kristy ity—Izy no Mpanamory.

Eritrereto ireo fivoarana maro nentanim-panahy izay nitranga tato anatin’ny folo taona lasa monja. Ohatra vitsy monja amin’izany ireto:

  • Nohamafisina ny maha-ivon’ny fitandremantsika ny andro Sabata ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  • Nomena ny Avia, hanaraka Ahy mba ho fitaovana hianarana sy hiainana ny filazantsara any an-tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana mba hampatanjahana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

  • Nanomboka fomba avo lenta sy masina kokoa isika hanompoana ny rehetra.

  • Ny fampiasana ny teknôlôjia hizarana ny filazantsara sy hanaovana ny asan’ny Tompo dia efa miparitaka manerana ny Fiangonana.

Na dia itony fivorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany itony aza dia tsy ho tanteraka raha tsy teo ireo fitaovana ara-teknôlôjika mahatalanjona.

Ry rahalahy sy anabavy, miaraka amin’i Kristy eo amin’ny fanamoriana, tsy vitan’ny hoe ho tomombana ny zava-drehetra, fa tsy ho takatry ny saina mihitsy.

Mandroso hatrany ny asa fanangonana an’i Isiraely

Amin’ny voalohany dia mety ho toy ny sakana amin’ny asan’ny Tompo ny valanaretina iray maneran-tany. Ohatra, tsy azo natao ireo fomba mahazatra entina izarana ny filazantsara. Kanefa ilay valanaretina dia nahafahana nahita hevitra sy fomba vaovao misokatra kokoa hitoriana amin’ireo tso-po. Mitombo hery sy mampientanentana kokoa hatrany ny asa fanangonana an’i Isiraely. Tantara an-jatony sy an’arivony no manaporofo izany.

Misy namana tsara iray mipetraka any amin’ny firenena mahafinaritr’i Norvège nanoratra tamiko sy Harriet momba ny tranga vao tsy ela ny amin’ny fitomboan’ny isan’ny olona atao batisa. “Amin’ireo toerana izay tsy dia niroboroboan’ny Fiangonana,” hoy izy, “ireo vondrona dia hivadika ho sampana ary ireo sampana dia ho lasa paroasy!!”

Tany Letonia indray, ny vehivavy iray izay nahita ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fijerena dokambarotra tao amin’ny internet dia lasa liana aok’izany hianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hany ka tonga adiny iray mialoha ny fotoana hampianarana azy, ary talohan’ny namaranan’ireo misiônera ny lesona voalohany dia nangataka datina batisa izy.

Tany Eorôpa Atsinanana, vehivavy iray nantsoina misiônera vavy an-telefaonina no nihiaka hoe: “Fa maninona ianareo no izao vao miantso? Efa niandry anareo foana aho!”

Maro amin’ireo misiônerantsika no lasa be atao kokoa noho izay nisy hatrizay. Maro no manana olona ampianarina maro kokoa noho izay nisy hatrizay. Lasa miara-miasa kokoa ny mpikambana sy ny misiônera.

Taloha dia mety ho variana loatra tamin’ireo fomba tranainy isika ka nila hoe nisy valanaretina vao nisokatra ny masontsika. Mety hoe mbola nanorin-trano tamin’ny vatovary isika kanefa efa nisy vato granita teo. Koa rehefa latsaka an-katerena, ankehitriny isika dia mianatra mampiasa fomba isan-karazany, anisan’izany ny teknôlôjia, hanasana olona, amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy, mba ho avy ka hahita, ho avy ka hanampy, ary ho avy ka hiombona.

Satria asany, dia amin’ny fombany

Asan’ny Tompo ity. Manasa antsika Izy hahita ireo fomba fanaovany izany, ary mety ho samy hafa amin’ny zavatra niainantsika taloha izany.

Nitranga tamin’i Simona Petera sy ireo mpianatra hafa izay nandeha nanarato teo amin’ny ranomasin’i Tiberiasy izany.

“Tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.

“Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy. …

“Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ny sisiny [ilan’] ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo.”

Koa dia nalatsak’izy ireo tany amin’ny sisiny ilany ny haraton’izy ireo ka “tsy zakany nakarina noho habetsahan’ny hazandrano.” 10

Nanambara ny sitrapony Andriamanitra ary hanohy hampiseho ny sandriny mahery. Ho avy ny andro hanaovantsika jery todika ka hahafantarantsika fa nandritra ity fotoam-pahoriana ity, dia nanampy antsika Andriamanitra hahita fomba tsara kokoa, dia ny fombany, hananganana ny fanjakany eo amina fototra mafy orina.

Mijoro ho vavolombelona aho fa asan’ Andriamanitra ity ary hanohy hanao zavatra maro tsy takatry ny saina Izy eo anivon’ireo zanany izay vahoakany. Mihazona antsika eo am-pelatanany feno fiahiana sy fangorahana Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra ho an’izao androntsika izao.

Amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo ahy dia manasa sy mitsodrano anareo aho mba “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herina[reo]; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro [ianareo] omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.” 11 Ary mampanantena aho fa ny Tompo dia hampisy zavatra tsy takatry ny saina vokatry ny asanareo feno fahamarinana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Vato karangana koartsa, izay mitovy amin’ny granita, nalaina tany amin’ny fihadiam-bato iray eo amin’ny fidirana ny Little Cottonwood Canyon, 32 kilaometatra atsimo-atsinanan’io tanàna io.

  2. Raha hijery lalindalina kokoa io fotoana nisy teo amin’ny tantara io dia jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 (2020), toko 17, 19, ary 21.

  3. Jereo ny “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 12.

    Azo atao ho toy ny hira faneva ho an’izao fotoana iainantsika izao ireo andinin’io fihirana io ary, rehefa henointsika amin’ny sofina vaovao ireo tonony, dia manome hevi-baovao mahakasika ireo olana atrehintsika izany:

    Na finaritra na marary ianao,

    Na mitombo harena na ory koa.

    Na mandeha lavitra na ao an-trano.

    Ny Tompo manampy anao hatrany.

    Aza kivy na matahotra ianao,

    ‘Zaho Andriamanitra manampy anao.

    ‘Zaho hampahatanjaka sy hampitraka.

    Hijoro ianao, eo anatrehako.

    Raha tojo ny ady sarotra ianao,

    ‘Zaho tsy hampitondra ‘zay tsy zakanao.

    Izaho hiambina, hiara-dia aminao.

    Hanome fitahiana … fitahiana ho anao.

    Raha tojo fahoriana ny fiainanao,

    Dia ampy ho anao ny fahasoavako.

    Handresy ny sakantsakana ianao.

    Fadio ny ota … ka mitsahara.

    Tolory an’i Jesoa ny fiainanao,

    Fa tsy handao anao mandrakizay Izy.

    Na manangoly aza i Satana,

    Na oviana na oviana, tsy ho foiny ianao!

  4. Jereo ny Mosesy 7:13–18.

  5. Tokony ho 17 taona teo angamba i Josefa tamin’ny fotoana namarotan’ireo rahalahiny azy ho andevo (jereo ny Genesisy 37:2). Telopolo taona izy raha nirotsaka ho mpanompon’i Farao (jereo ny Genesisy 41:46). Azonao sary an-tsaina ve ny hasarotan’izany hoe zatovolahy tao amin’ny tanjany mihitsy izy no nivadihana, sy namidy ho andevo, sy nendrikendrehina, ary avy eo naiditra am-ponja? Azo antoka fa i Josefa dia maodely tsy ho an’ireo zatovon’ny Fiangonana ihany fa ho an’ireo lehilahy, sy vehivavy, ary ankizy rehetra ihany koa izay maniry ny hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ny Mpamonjy.

  6. Jereo ny Genesisy 45:4–11; 50:20–21. Mamaky isika ao amin’ny Salamo 105:17–18, hoe: “Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo; Nampijaliany tamin’ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.” Ao amin’ny dikan-teny iray hafa ny andininy 18 dia mivaky toy izao: “Nampijaliany tamin’ny fatorana ny tongony, ary nihamafy toy ny vy ny fanahiny” (jereo ny Young’s Literal Translation). Amiko izany dia midika fa ireo fahoriana natrehan’i Josefa dia nanome azy fanahy mahery sy matanjaka toy ny vy, hatsarana izay hilainy ho amin’ny hoavy izay lehibe sy tsy takatry ny saina izay nomanin’ny Tompo ho azy.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23.

  8. Matoa Andriamanitra mandidy ireo zanany hiraharaha sy ho feno fangorahana amin’ireo noana, sy ny sahirana, ny tsy manan-kotafiana, sy ny marary, ary ny ory, dia azo antoka fa miraharaha sy feno famindram-po amintsika zanany Izy (jereo ny Môrmôna 8:39).

  9. Jereo ny Lioka 7:11–17.

  10. Jereo ny Jaona 21:1–6.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17.