Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Maso hahita
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Maso hahita

Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no hanampian’i Kristy antsika hahita ny tenantsika sy hahita ny hafa tahaka ny fijeriny.

Mahita ny tanan’ Andriamanitra

Tiako ny tantaran’ilay zatovolahy iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay mpanompon’ny mpaminany Elisa. Indray maraina dia nifoha vao mangiran-dratsy ilay zatovolahy ka nivoaka ary nahita ny tanàna voahodidin’ny tafika lehibe izay nikasa ny hamongotra azy ireo. Nihazakazaka tany amin’i Elisa izy: “Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?”

Namaly Elisa hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”

Nahafantatra Elisa fa nila zavatra mihoatra ny fanomezan-toky mampitony fotsiny ilay zatovolahy; nila fahitana izy. Noho izany dia “Nivavaka i Elisa hoe, … Jehovah ô, … ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy: ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” 1

Tahaka ilay mpanompo dia mety hisy ny fotoana izay hahatsapanao ny tenanao ho sahirana mitady ny fomba hiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, fotoana izay hahatsapanao fa ianao dia tsy afa-mihetsika, ary ireo fitsapan’ny fiainana an-tany dia mitarika anao hanetry tena. Miandrasa ary matokia an’ Andriamanitra sy ny fotoany satria afaka matoky ny fony amin’ny fonao manontolo ianao. Kanefa misy lesona faharoa eto. Ry rahavavy sy anadahy malala, ianareo koa dia afaka mivavaka mba hanokafan’ny Tompo ny masonareo hahita ireo zavatra izay tsy hitanareo tsara.

Mahita ny tenantsika toy ny fahitan’ Andriamanitra antsika

Angamba ny zavatra manan-danja indrindra mba hahafahantsika mahita mazava tsara dia hoe iza Andriamanitra sy ny hoe iza marina isika—isika dia zanakalahy sy zanakavavin’ireo ray aman-dreny any an-danitra izay manana “toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.” 2 Angataho Andriamanitra mba hanambara ireo fahamarinana ireo aminao sy ny zavatra tsapany momba anao. Rehefa takatrao kokoa ny tena maha-izy anao sy ny tanjonao ary ny fanahinao lalina dia hisy fiantraikany kokoa amin’ny zava-drehetra eo amin’ny fiainanao izany.

Mahita ny hafa

Ny fahatakarana ny fomba fahitan’ Andriamanitra antsika dia manomana ny fomba hanampiana antsika hahita ny hafa tahaka ny ahitany azy ireo. I David Brooks mpanoratra an-gazety dia nilaza hoe: “Maro amin’ireo olana goavana eo amin’ny fiarahamonintsika no mitranga noho ireo olona izay mahatsapa ho tsy raharahaina sy tsy omena lanja. … [Misy] toetra fototra … izay ilàntsika rehetra hivoarana, [ary izany] dia ny fahaizana mifampijery amin’ny fomba lalina sy fanekena ho jeren’ny hafa amin’ny fomba lalina.” 3

I Jesoa Kristy dia mahita ny olona amin’ny fomba lalina. Hitany ny tsirairay sy ny zavatra ilain’izy ireo ary ny hoe afaka ho tonga olona toy ny ahoana izy ireo. Raha toa ny hafa ka nahita mpanarato sy mpanota na mpamory hetra, i Jesoa kosa dia nahita mpianatra; raha toa ny hafa ka nahita olona iray azon’ny devoly, i Jesoa kosa dia tsy niraharaha ny fahoriana ivelany fa nanaiky ilay lehilahy sy nanasitrana azy. 4

Na dia ao anatin’ny fiainantsika be rotoroto aza dia afaka manaraka ny ohatr’i Jesoa isika ary mahita ny tsirairay, ny zavatra ilain’izy ireo, ny finoany, ny fahasahiranany ary izay mety hahatongavan’izy ireo. 5

Rehefa mangataka amin’ny Tompo aho hanokatra ny masoko mba hahita ireo zavatra mety tsy ho hitako tsara, dia mazàna aho no mametraka fanontaniana roa amin’ny tenako ary mifantoka amin’ireo fahatsapana izay tonga: “Inona no zavatra atao amin’izao ka tsy tokony hataoko intsony?” sy ny hoe “Inona ny zavatra tsy ataoko amin’izao ka tokony hatomboko hatao?” 6

Volana maro lasa izay nandritra ny fanasan’ny Tompo dia nametraka ireo fanontaniana ireo tamin’ny tenako aho ary talanjona tamin’ny fahatsapana izay tonga. “Atsaharo ny fijerena ny findainao rehefa milahatra miandry zavatra ianao.” Lasa fihetsika mandeha ho azy tamiko ny fijerena ny findaiko rehefa milahatra miandry zavatra aho; hitako hoe fotoana tsara hanaovana asa maromaro miaraka izany, hamakiana ireo email tsy voavaky sy hijerena ireo matoam-baovao na hanarahana ireo zava-baovao ao amin’ny tamba-jotran-tserasera.

Ny ampitso marainan’io aho dia niandry filaharana lava be tao anatin’ny toeram-pivarotana iray. Navoakako ny findaiko ary tsaroako ny fahatsapana izay azoko. Nampirimiko ny findaiko ary nanopy ny masoko manodidina aho. Nahita lehilahy zokiolona iray aho nilahatra teo alohako. Tsy nisy na inona na inona ny harony ankotra ny sakafon-tsaka vitsivitsy. Nahatsapa ho sadaikatra kely aho saingy niteny zavatra tena tamim-pahendrena toy ny hoe, “Hitako eto fa manana saka ianao.” Nilaza izy fa hisy rivo-doza ho avy ka tsy tiany hoe tsy hisy ny sakafon-tsaka raha tonga izany. Nifampiresaka kely izahay ary nitodika taty amiko izy sady niteny hoe, “Hitanao, tsingerin-taona nahaterahako androany saingy tsy misy na iza na iza nilazako an’izany.” Ontsa ny foko. Nirary soa azy nahatratra ny tsingerin-taona nahaterahany aho ary nanolotra vavaka mangina ho fisaorana noho ny tsy nandraisako ny findaiko sy ny tsy namelako nandalo ny fahafahana nahita marina sy nifandray tamin’olona iray hafa izay nila izany.

Amin’ny foko iray manontolo dia tsy te hitovy amin’ilay mpisorona na ilay Levita teo amin’ny lalan’i Jeriko aho—dia ilay nijery sy nandalo fotsiny. 7 Kanefa matetika loatra aho no toy izany.

Mahita ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra ho ahy

Vao haingana aho no nianatra lesona manan-danja mikasika ny fijerena lalina avy tamina zatovovavy iray antsoina hoe Rozlyn.

Ilay tantara dia nozarain’ny namako iray izay valaketraka rehefa nandao azy ny vadiny nandritra ny 20 taona. Noho ireo zanany izay hifandimbiasana mitazona amin’ny vadiny, dia somary tsy hainy nozakaina ny fankanesana irery tany am-piangonana. Mitantara izy hoe:

“Ao amin’ny Fiangonana izay manisy lanja lehibe ny fianakaviana dia mety ho maharary ny fipetrahana irery. Tamin’izany Alahady voalohany izany aho dia sady nandeha no nivavaka mba tsy hisy olona hiresaka amiko. Sarotra tamiko ny nitoetra ho tony ary ny ranomaso dia efa saika hilatsaka. Nipetraka teo amin’ny toerako mahazatra aho tamim-panantenana fa tsy hisy hahatsikaritra hoe toa ohatra an’ny banga ny dabilio.

“Nisy zatovovavy iray tao amin’ny paroasinay nitodika ary nijery ahy. Mody nitsiky aho. Namaly ahy tamin’ny tsiky izy. Hitako ny fanahiana teny amin’ny endriny. Nivavaka mangina aho mba tsy hiverina hiresaka amiko izy, tsy nanana zavatra tsara ho lazaina aho ary fantatro aho fa hitomany. Niverina niondrika aho ary nanao izay tsy nifanojoan’ny masonay.

“Nandritra ireo ora manaraka dia tsikaritro izy niherika taty amiko ombieny ombieny. Vantany vao vita ny fivoriana dia nanatona ahy izy. -Manahoana Rozlyn,- hoy aho nibitsibitsika. Nofihininy tamin’ny sandriny aho dia hoy izy, -Rahavavy Smith, Azoko lazaina fa andro ratsy ho anao ny androany. Mampalahelo izany. Tiako ianao.- Araka ny efa novinavinaina dia nilatsaka ny ranomaso rehefa namihina ahy indray izy. Saingy rehefa nandeha aho dia nieritreritra hoe: -Azoko atao amin’izay kosa angamba izany.-

Sary
Rozlyn sy Rahavavy Smith

“Io zatovovavy 16 taona mahafinaritra io, izay latsaky ny antsasaky ny taonako dia nitady ahy isaky ny Alahady mandra-paha-tapitr’izany taona izany mba hamihina ahy sy hanontany hoe -Manahoana ianao?- Nanova be ny fahatsapako mikasika ny fankanesana any am-piangonana izany. Raha ny marina dia nanomboka niantehitra tamin’ireo fihina ireo aho. Nisy nahatsikaritra aho. Nisy nahita hoe teo aho. Nisy nikarakara aho.”

Toy ny fanomezana rehetra izay tian’ny Tompo atolotra tokoa, ny fijerena lalina dia mitaky antsika hangataka Aminy, ary avy eo dia hanao asa. Mangataka mba hahay hijery ny hafa araka ny fijeriny amin’ny maha zanany lahy sy zanany vavy marina izay manana fahafahana tsy manam-petra ny hivoatra sy hitovy amin’Andriamanitra. Avy eo dia manao asa amin’ny fitiavana sy fanompoana ary amin’ny fanambarana amin’izy ireo ny lanjany sy ny fahafaha-manaony araka ny fitaomana azo. Rehefa lasa lamina arahina eo amin’ny fiainantsika io dia ho lasa mpanara-dia marina an’i … Jesoa Kristy isika.” 8 Ho lasa afaka matoky ny fontsika amin’ny fon’izy ireo ny hafa. Ary ao anatin’izany lamina arahina izany dia hahita ihany koa isika ny tena maha izy antsika manokana sy ny tanjontsika.

Sary
Ny Mpamonjy manasitrana

Nianatra traikefa iray hafa ny namako raha nipetraka irery teo amin’izany dabilio babangoana izany, sy nanontany tena raha toa ireo ezaka nandritra ny 20 taona niainana ny filazantsara tao an-tranony ka tsy hisy dikany avokoa. Nila zavatra mihoatra ny fanomezan-toky mampilamina fotsiny izy, nila fahitana izy. Nahatsapa fanontaniana izay nanindrona ny fony izy nanao hoe: “Nahoana ianao no nanao ireo zavatra ireo? Nataonao ve izany mba hahazo valisoa sy laza avy amin’ny hafa na vokatra efa nirina?” Nisalasala kely izy, nikaroka tao am-pony ary avy eo dia afaka namaly tamim-pahatokiana izy hoe, “Nataoko izy ireny satria tiako ny Mpamonjy. Ary tiako ny filazantsarany.” Nanokatra ny masony ny Tompo hanampiana azy hahita. Io fanovana ny fijery izay tsotra nefa mahery vaika io dia nanampy azy haharitra amin’ny finoana an’i Kristy na teo aza ireo toe-javatra niainany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika i Jesoa Kristy ary afaka manome antsika maso hahita Izy—na dia rehefa sarotra aza izany, na dia rehefa reraka azy isika, na dia rehefa manirery aza isika, ary na dia rehefa tsy araka ilay nantenaintsika aza ny vokatra azo. Hitahy antsika amin’ny fahasoavany Izy ary hampitombo ny fahaiza-manaontsika. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no hanampiany antsika hahita ny tenantsika sy hahita ny hafa tahaka ny fijeriny. Miaraka amin’ny fanampiany dia afaka mahafantatra izay zavatra manan-danja indrindra ilaina isika. Afaka manomboka mahita ny tanan’ny Tompo miasa isika, ary amin’ny alalan’ireo antsipirian-javatra tsotra eo amin’ny fiainantsika dia afaka hahita lalina isika.

Ary amin’izany andro lehibe izany “rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa hahita Azy isika tahaka ny maha- Izy Azy mba hananantsika izany fanantenana izany” 9 izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. 2 Mpanjaka 6:15–17.

  2. Fanevan’ny Zatovovavy, ChurchofJesusChrist.org.

  3. David Brooks, “Finding the Road to Character” (Lahateny nandritra ny zaikabe an’ny Brigham Young University, ôkt. 22, 2019), speeches.byu.edu.

  4. Jereo ny Marka 2:1–12.

  5. “Tena zavatra matotra izany hoe miaina ao anatin’ny fiaraha-monina iray izay mety hisy olona ho lasa andriamanitra lahy sy vavy izany, sy ny mitadidy fa ny olona izay mahasorena sy tsy mahaliana anao indrindra … no indray andro any, raha hitanao amin’izao fotoana izao, no ho ilay olona izay hahatonga anao ho alaim-panahy tokoa ny hitsaoka azy … Tsy misy velively izany atao hoe olon-tsotra izany” (C. S. Lewis, The Weight of Glory [2001], 45–46).

  6. Jereo Kim B. Clark, “Encircled About with Fire” ( Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, Aogositra 4, 2015.

  7. Jereo ny Lioka 10:30–35.

  8. Môrônia 7:48.

  9. Môrônia 7:48; nampiana fanamafisana.