Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mandroso
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mandroso

Mandroso tsy ankijanona ny asan’ny Tompo.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, tena fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo eto am-panombohantsika ny fihaonambe maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-190 an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tiako ny tafaraka aminareo any an-tokantranonareo any na amin’izay toerana misy anareo, hiara-hihaino aminareo ny hafatra avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana.

Tena feno fankasitrahana isika noho ny teknôlôjia izay ahafahantsika mifandray amin’izao fivoriambe maneran-tanin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izao. Ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny volana aprily teo dia nojeren’ny olona maro mihoatra lavitra ny tany aloha rehetra, ary manantena tokoa izahay fa ho torak’izany koa ity indray mitoraka ity.

Nandritra izay volana maromaro lasa izay dia nampitsimbadika izao tontolo izao ny valanaretina maneran-tany, ny doro tanety mahery vaika, ary ireo loza voajanahary hafa. Miara-ory aminareo rehetra izay namoy olon-tiana nandritra izany fotoana izany ny tenako. Mivavaka ho an’ireo rehetra anatin’ny fanaintainana koa ny tenako.

Na eo aza izany dia mandroso tsy ankijanona ny asan’ny Tompo. Tao anatin’ny fanajana ny elanelana, ny fanaovana arotava, ary ireo fivoriana tamin’ny Zoom, dia nianatra nanao ireo zavatra sasany tamin’ny fomba vaovao isika, ary ny sasany dia tamin’ny fomba mahomby kokoa mihitsy aza. Ny fotoana tsy mahazatra dia mety hitondra voka-tsoa tsy mahazatra.

Ireo misiônerantsika sy ireo mpitarika ny asa fitoriantsika dia tia karokaroka, be faharetana, ary tena miavaka tokoa. Na dia tsy maintsy nitady fomba vaovao tsy mahazatra hanaovana ny asany aza ny ankamaroan’ny misiônera dia misiôna maro no nanao tatitra fa mampianatra mihoatra lavitra izay nisy hatrizay izy ireo.

Tsy maintsy nanakatona tempoly nandritra ny fotoana voafetra isika, ary ireo tetikasa fanamboarana sasany dia nampiatoana vonjimaika, saingy miverina mandroso indray ny fanamboarana azy rehetra izao. Raha ho an’ny taona 2020 dia hanao fihadiana fototra ho an’ny tempoly vaovao miisa 20 isika!

Nitombo izaitsizy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana. Paroasy sy tsatòka vaovao maro no niforona. Ary mahafaly anay ny manome tatitra fa ny Fiangonana dia nanao asa fanasoavana hanampiana olona nandritra ny valanaretina ho an’ny tetikasa miisa 895 any amin’ny firenena 150.

Ny firoboroboan’ny fandalinana ny filazantsara any amin’ny tokantrano maro dia mitondra fijoroana ho vavolombelona sy fifandraisana ao amin’ny fianakaviana mafy orina kokoa. Ny renim-pianakaviana iray dia nanoratra hoe: “Mahatsiaro ho akaiky kokoa ny zanakay sy ny zafikelinay izahay izao noho ny fihaonana amin’ny Zoom ataonay isak’alahady. Ny tsirairay dia mifandimby milaza ny heviny momba ny ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ny vavaka ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavianay dia niova satria takatray tsaratsara kokoa izao ny zavatra ilain’izy ireo.”

Mivavaka aho ny mba hampiasantsika rehetra an’izao fotoana miavaka izao ho amin’ny fivoarana ara-panahy. Eto an-tany isika mba hosedraina, mba hahitana raha toa isika hisafidy an’i Jesoa Kristy, hibebaka tsy tapaka, hianatra ary hivoatra. Mangetaheta fivoarana ny fanahintsika. Ary amin’ny fitoerana mafy tsara ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no hahavitantsika izany amin’ny fomba tsara indrindra.

Eo anatrehan’ny zava-drehetra dia tia antsika ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany! Miahy antsika Izy Ireo! Miambina antsika Izy Ireo sy ireo anjeliny masina. 1 Fantatro fa marina izany.

Eto am-piarahantsika mivory mba hihaino ireo teny izay nomen’ny Tompo an’ireo mpanompony tamin’ny fitaomam-panahy mba hozarain’izy ireo dia manasa anareo aho hisaintsaina ny fampanantenana iray nomen’ny Tompo. Nanambara Izy fa “izay rehetra manaiky dia mahazo mihazona ny tenin’ Andriamanitra, izay mailaka sy mahery, izay hampisaratsaraka ny hafetsena rehetra sy ny fandrika … ary ny famitahan’ny devoly sy hitarika ny [mpianatr’] i Kristy amin’ny lalana ety sy tery.” 2

Mivavaka aho ny mba hisafidiananareo ny hihazona ny tenin’ Andriamanitra araka ny hanambarana izany mandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Ary mivavaka aho mba hahatsapanareo ny fitiavana tonga lafatry ny Tompo, 3 amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.