Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, ankehitriny aho dia hanolotra aminareo ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Nisaoranay ny Loholona isany L. Whitney Clayton, Enrique R. Falabella, ary Richard J. Maynes tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo Rahalahy ireo sy ny fianakavian’izy ireo noho ny asa fanompoana miavaka izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Nisaoranay ny Loholona L. Todd Budge tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy.

Ireo rehetra izay te hisaotra azy noho ny fanompoana nataony, dia ataovy izany amin’ny alalan’ny fananganana tanana azafady.

Nisaoranay ny eveka isany Dean M. Davies sy W. Christopher Waddell tamin’ny naha-mpanolotsaina voalohany sy faharoa azy ireo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavan-tena nataony dia afaka maneho izany.

Nisaoranay ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondromparitra azy ireo: Ruben Acosta, René R. Alba, Alberto A. Alvarez, Vladimir N. Astashov, José Batalla, Bradford C. Bowen, Sergio Luis Carboni, Armando Carreón, S. Marc Clay Jr., Z. Dominique Dekaye, Osvaldo R. Dias, Michael M. Dudley, Mark P. Durham, E. Xavier Espinoza, James E. Evanson, Paschoal F. Fortunato, Sam M. Galvez, Patricio M. Giuffra, Leonard D. Greer, Daniel P. Hall, Toru Hayashi, Paul F. Hintze, Adolf J. Johansson, Wisit Khanakham, Seung Hoon Koo, Pedro X. Larreal, Johnny L. Leota, José E. Maravilla, Joel Martinez, Joaquim J. Moreira, Isaac K. Morrison, Eduardo A. Norambuena, Ferdinand P. Pangan, Jairus C. Perez, Steven M. Petersen, Jay D. Pimentel, Edvaldo B. Pinto Jr., Alexey V. Samaykin, K. David Scott, Rulon F. Stacey, Karl M. Tilleman, William R. Titera, Carlos R. Toledo, Cesar E. Villar, David T. Warner, Gary K. Wilde, ary William B. Woahn.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Noho ny fisaorana ny Loholona L. Whitney Clayton tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy sy nanendrena azy ho mpanompo nahavita asa tamim-boninahitra, dia nisaorana ihany koa izy tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fiadidianny Fitopololahy.

Nantsoina ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Brent H. Nielson, ary arosonay ny hanohanana azy.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo tsy manohana mba haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dean M. Davies ho Fitopololahy Manampahefana Ambony.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i W. Christopher Waddell ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpà Mpiahy sy i L. Todd Budge ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Episkôpà Mpiahy.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Izay manohitra dia hanao toy izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao: Laurian P. Balilemwa, Jonathon W. Bunker, Enrique R. Mayorga, ary Konstantin Tolomeev.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Ireo izay nanohitra na iza na iza tamin’ireo anarana naroso teo dia tokony hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy anabavy, mankasitraka anareo izahay noho ny finoana tsy tapaka asehonareo sy ny vavaka ataonareo ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.