Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mangina, mitsahara
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mangina, mitsahara

Mampianatra antsika ny fomba ahatsapana fiadanana sy fitoniana ny Mpamonjy na dia rehefa mitsoka mahery vaika manodidina antsika aza ny tafiotra ary manambana ny handentika ny fanantenantsika ireo alondrano mahery.

Fony mbola kely ireo zanakay dia niara-nankafy andro vitsivitsy teny amoron’ny farihy tsara tarehy iray ny fianakavianay. Indray tolakandro dia nampiditra salotra mampitsinkafona ny ankizy sasany, dia nitsambikina tao anaty rano. Ny zanakay faravavy dia nijery izany tamim-pisalasalana, nandinika tsara ireo mpiray tam-po aminy. Nanangona ny herim-po rehetra tao aminy izy, nanampina ny orony tamin’ny tanany ilany, dia nitsambikina. Nivoaka avy tao amin’ny rano avy hatrany ny lohany ary somary raiki-tahotra izy niantso mafy hoe: “Vonjeo aho! Vonjeo aho!”

Tsy hoe notandindomin-doza goavana izy akory; ilay salotra mampitsinkafona dia nanao tsara ny asany ary nitsingevaheva tsara izy. Azonay natao tsara ny naka azy ary nisintona azy hiala ny rano tsy an-kasarotana. Raha ny fijeriny anefa dia nila vonjy izy. Mety hoe ny hatsiakan’ilay rano na ilay izy zava-baovao taminy no nahatonga izany. Na izany na tsy izany dia nitsambikina niala ny rano izy, nofonosinay lamba famaohana maina ary nodokafanay tamin’ny risim-pony.

Na antitra isika na tanora dia betsaka amintsika tao anaty fotoam-pahoriana no namoaka teny miantso vonjy toy ny hoe “Vonjeo aho!” “Avoty aho!” na “Mba valio moa re ny vavako!”

Ny toe-javatra toy izany dia nitranga tamin’ireo mpianatr’i Jesoa nandritra ny fanompoany tety an-tany. Mamaky isika ao amin’ny Marka fa i Jesoa dia “nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray … ; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy.” 1 Lasa betsaka izaitsizy ilay vahoaka hany ka “niditra teo an-tsambokely” 2 i Jesoa ary niresaka avy teo amin’ny lakalin-tsambo. Manontolo andro no nampianarany tamin’ny alalan’ny fanoharana ny olona izay nipetraka teo amoron-drano teo.

“Ary … rehefa hariva ny andro,” dia hoy Izy tamin’ireo mpianany: “Andeha isika hita ho eny am-pita. Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka,” 3 dia nandao ny moron-drano izy ireo ka nandeha teny am-pitan’ny Ranomasin’i Galilia. Nahita toerana kely tao amin’ny faritra ariana an’ny sambo i Jesoa dia nandry ary resy tory vetivety foana. Vetivety dia “nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno” 4 rano.

Maro tamin’ireo mpianatr’i Jesoa no mpanjono efa za-draharaha ka nahafantatra ny fomba fanamoriana sambo ao anaty tafiotra. Izy ireo dia mpianany natokisany ary malalany. Nandao ny asany sy ny zavatra mahaliana azy ireo, ary ny fianakaviany izy ireo mba hanaraka an’i Jesoa. Ny finoan’izy ireo Azy dia niharihary noho izy ireo tao amin’ilay sambo. Izao ilay sambo dia tafiditra ao anaty tafiotra mahery ary mby hilentika.

Tsy fantatsika hoe hafiriana izy ireo no nitolona mba tsy hampilentika ilay sambo noho ilay tafiotra, saingy nofohazin’izy ireo i Jesoa no somary raiki-tahotra izy ireo niteny Taminy hoe:

“Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” 5

“Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!” 6

Nantsoin’izy ireo hoe “Mpampianatra” Izy, ary izany tokoa no izy. Izy ihany koa no “Jesoa Kristy … , Ilay Zanak’ Andriamanitra, ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny Mpahary ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.” 7

Sary
Mangina, mitsahara!

Nitsangana avy tamin’ny nisy Azy tao amin’ilay sambo i Jesoa dia noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina manonja hoe: “Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” 8 Amin’ny maha-Tompo Mpampianatra Azy amin’ny fotoana rehetra dia nampianatra ireo mpianany i Jesoa avy eo tamin’ny alalan’ny fanontaniana anankiroa tsotra nefa feno fitiavana. Hoy Izy nanontany.

“Nahoana no saro-tahotra hianareo?” 9

“Aiza ny finoanareo?” 10

Misy ilay fironana araka ny nofo, izay fakam-panahy mihitsy aza, ahitantsika ny tenantsika ao anaty fisedrana, olana, na fahoriana ka hitalahoantsika hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesako izao? Vonjeo aho.” Na i Joseph Smith aza dia niangavy tao amin’ilay fonja mahatsiravina hoe: “Andriamanitra ô, Aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?” 11

Azo antoka fa ilay Mpamonjy izao tontolo izao dia mahatakatra tsara ireo zavatra mametra antsika ety an-tany, satria Izy dia mampianatra antsika ny fomba hahatsapana fiadanana sy fitoniana na dia rehefa mitsoka mahery vaika manodidina antsika aza ny tafiotra ary manambana ny handentika ny fanantenantsika ireo alondrano mahery.

Ho an’ireo izay sedraina ny finoany, ka manana finoana tahaka ny an’ny zaza, na sombiny amin’ny finoana fotsiny aza, 12 dia manasa i Jesoa milaza hoe: “Mankanesa atý amiko.” 13 “[Inoy] ny anarako.” 14 “Mianara Amiko ary henoy ny teniko.” 15 Mandidy am-pitiavana Izy mba “[h]ibebaka sy atao batisa amin’ny anara[ny],” 16 “ny mba hifankatiava[ntsika]; … tahaka ny fitiava[ny antsika],” 17 ary ny “[h]ahatsiaro [Azy] mandrakariva.” 18 Manome toky i Jesoa raha nanazava hoe: “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” 19

Azoko an-tsaina fa noho ny toe-java-misy, ireo mpianatr’i Jesoa tao amin’ilay sambo natopatopan’ny tafio-drivotra dia variana nijery ny onjan-drano nitopa nankao anaty lakaly ary sahirana nanala ny rano amin’ilay sambo. Azoko sary an-tsaina izy ireo mihazona ny lain-tsambo ary manao izay mba kely azo natao mba hifehezana ilay sambo. Ny mba tsy ho faty an-drano no nifantohan’izy ireo ary tena avy amin’ny fo ny fiangavian’izy ireo vonjy.

Tsy misy hafa amin’izany ny maro amintsika amin’izao androntsika izao. Ireo tranga maneran-tany tato ho ato sy ao amin’ireo firenentsika, fiarahamonina misy antsika ary ao amin’ny fianakaviantsika dia namely antsika tsy an-kiato tamin’ny fisedrana tsy voavinavina. Mandritra ny fotoana misafotofoto dia mety hahatsapa ho voasedra mafy hatramin’izay fara-zakan’ny faharetantsika sy ny fahatakarantsika ny finoantsika. Ireo alondranon’ny tahotra dia hanohintohina antsika, ka hahatonga antsika hanadino ny hatsaran’ Andriamanitra, ka noho izany dia ho lasa manjavozavo sy voafetra ny fijerintsika. Mandritra ireny fotoana lavareny ao amin’ny diantsika ireny anefa no hahafahan’ny finoantsika ho voasedra ary ampatanjahana.

Na inona na inona toe-javatra misy antsika dia afaka manao ezaka amin-kitsim-po hanorina sy hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika. Ankaherezina ny finoantsika rehefa mahatadidy isika fa zanak’ Andriamanitra isika ary tia antsika Izy. Mitombo ny finoantsika rehefa manandrana ny tenin’ Andriamanitra amim-panantenana sy fahazotoana isika, miezaka amin’izay tsara indrindra vitantsika hanaraka ny fampianaran’i Kristy. Mihamahery ny finoantsika rehefa misafidy ny hino isika fa tsy hisalasala, hamela fa tsy hitsara, hibebaka fa tsy hikomy. Ary hamirapiratra ny finoantsika rehefa miantehitra amim-paharetana amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’i Mesia Masina isika. 20

“Na tsy fahalalana tomombana aza ny finoana,” hoy ny Loholona Neal A. Maxwell, “dia mitondra fatokisana lalina an’ Andriamanitra izay manana fahalalana tomombana izany!” 21 Na dia amin’ny fotoana mampisafotofoto aza dia mampitraka sy mampijoro tsara ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Manampy antsika hanaisotra ireo zavatra manelingelina tsy manan-danja izany. Mankahery antsika mba hizotra hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany. Ny finoana dia manome tosika rehefa ao anaty fahakiviana ary mamela antsika hiatrika ny hoavy ka hijoro sy tsy ho voahozongozona isika. Mitaona antsika hiantso vonjy sy fanampiana izany rehefa mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’ny Zanany isika. Ary rehefa toa tsy voavaly ireo fitalahoana am-bavaka nataontsika, ny finoantsika maharitra an’i Jesoa Kristy dia hiteraka faharetana, fanetren-tena, ary ny fahafahana hamoaka amim-panajana ireo teny hoe: “Hatao anie ny sitraponao”. 22

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Kanefa tsy tokony havelantsika handresy ny finoantsika ny tahotsika. Afaka miady amin’ny tahotra isika amin’ny alalan’ny fampatanjahantsika ny finoantsika.

“Atombohy amin’ny zanakareo izany. … Avelao izy ireo hahatsapa ny finoanareo, na dia mandritra ny fahoriana mafy mianjady aminareo aza. Aoka ny finoanao hifantoka amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany. … Ampianaro ireo zazalahy sy zazavavy sarobidy fa zanak’ Andriamanitra izy ireo, nohariana araka ny endriny, miaraka amin’ny antony masina sy ny fahafahana masina. Ny tsirairay avy dia teraka niaraka tamin’ny fitsapana izay horesena ary finoana izay hampiroboroboana.” 23

Vao tsy ela aho no nahare zaza efa-taona roa nizara ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy rehefa namaly ny fanontaniana hoe: “Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy anao?” Ilay ankizy voalohany dia niteny hoe, “Fantatro fa i Jesoa dia tia ahy satria maty ho ahy Izy. Tiany ihany koa ireo olon-dehibe.” Niteny ilay ankizy faharoa hoe: “Manampy ahy Izy rehefa malahelo na kizitina aho. Manampy ahy koa Izy rehefa miaina zava-tsarotra aho.”

Nilaza i Jesoa hoe: “Koa na zovy na zovy no mibebaka sy mankaty Amiko toy ny ankizy madinika, dia izy no horaisiko, fa an’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.” 24

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” 25

Vao haingana ny Filoha Nelson no nampanantena fa “hihena ny tahotra ary hitombo ny finoana” rehefa “[m]anavao ny fanoloran-tenan[tsika isika] ka tena handre sy hihaino ny tenin’ny Mpamonjy.” 26

Sary
Nampitony ny ranomasina i Jesoa

Ry rahavavy sy anadahy isany, tsy ho fiafarantsika mandrakizay ireo toe-javatra mafy iainantsika amin’izao. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana isika. Manam-pinoana ny hery manavotra ao Aminy isika ary manantena ireo fampanantenany lehibe sy sarobidy. Manana ny antony rehetra hiravoravoana isika, satria ilay Tompo sy Mpamonjy antsika dia tena mahafantatra tsara ireo olana sy zava-manahirana ary alahelo mianjady amintsika. Toy ny tamin’i Jesoa niaraka tamin’ireo mpianany dia ao amin’ny sambo misy antsika ihany koa Izy! Mijoro ho vavolombelona aho fa natolony ny fiainany mba tsy hahavery ahy sy anao. Enga anie isika hatoky Azy, hankatò ireo didiny, ary handre Azy amim-pinoana hiteny hoe: “Mangina, mitsahara.” 27 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.