Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra

Rehefa mikatsaka fiombonam-pihetseham-po isika, dia hiantso ny herin’ Andriamanitra hahatontosa ny ezaka ataontsika.

Nilaza tamin’i Gordon ny reniny fa raha vitany ny raharahany dia hanamboatra tarte ho azy izy. Ilay karazany tiany indrindra. Ho azy irery ihany. Nandeha namita ireo raharaha ireo i Gordon, ary nikosoka ny tarte ny reniny. Niditra tao an-trano niaraka tamin’ny namany i Kathy zokiny vavy. Nahita ilay tarte izy dia nanontany raha afaka mahazo silany iray izy sy ilay namany.

“Tsia,” hoy i Gordon, “ahy io tarte io. Namboarin’i Neny ho ahy io, ary niasa aho mba hahazoako izany.”

Naneho fihetsika tezitra tamin’ny zandriny lahy i Kathy. Tena tia tena sy tsy malala-tanana izy. Fa ahoana no hitazonany izany ho azy irery?

Ora vitsy taty aoriana, rehefa nosokafan’i Kathy ny varavaran’ny fiara hitondrany ny namany hody, dia indreo teo ambony seza nisy serviette de table roa nivalona tsara niaraka tamin’ny sotrorovitra roa teo amboniny, ary tartes roa lehibe teo ambony lovia. Notantarain’i Kathy tamin’ny fandevenana an’i Gordon io tantara io mba hampisehoana fa tena vonona ny hiova sy haneho hatsaram-panahy amin’ireo izay tsy mendrika izany matetika i Gordon.

Tamin’ny 1842 dia niasa mafy ny Olomasina hananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Taorian’ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ny volana martsa, dia nanatrika matetika ny fivorian’izy ireo ny Mpaminany Joseph mba hanomanana azy ireo amin’ireo fanekempihavanana masina sy mampiray hina izay hataon’izy ireo tsy ho ela ao amin’ny tempoly.

Ny 9 jona ny Mpaminany dia “nilaza fa hitory momba ny famindram-po [.] Raha ohatra moa i Jesoa Kristy sy ny anjely ka tezitra amintsika amin’ny zavatra tsy misy dikany, dia inona no hiafarantsika? Tokony hamindra fo isika ary tsy hanisy lanja ireo zavatra kely.” Notohizan’ny Filoha Smith hoe: “Mampalahelo ahy ny tsy fisian’ny firaisan-kina feno kokoa—raha mijaly ny mpikambana iray dia tokony ho tsapan’ny rehetra izany— amin’ny fiombonam-pihetseham-po no hahazoantsika hery amin’ Andriamanitra.” 1

Nanaitra ahy toy ny varatra io fehezan-teny kely io. Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra. Tsy araka izay aniriako azy ity tontolo ity. Betsaka ny zavatra tiako hovaina sy hatsaraina kokoa. Ary tsoriko aloha fa be ny fanoherana ireo zavatra antenaiko, ary indraindray aho dia mahatsiaro ho tsy afa-manoatra. Tato ho ato aho dia nametraka fanontaniana mampandini-tena tamin’ny tenako hoe: Ahoana no ahafahako mahatakatra ny zavatra tsapan’ ny olona manodidina ahy? Ahoana no hamoronako izany “fiombonam-pihetseham-po” izany kanefa samy hafa tanteraka ny olona rehetra? Hery inona avy amin’ Andriamanitra no afaka ho azoko raha toa aho ka miray hina kokoa amin’ny hafa? Manana sosokevitra telo avy amin’ny tombantombana nataoko momba ny tenako aho. Hanampy anareo koa angamba ireo.

Manàna famindram-po

Mivaky toy izao ny Jakôba 2:17: “Hevero ho toy ny tenanareo ny [rahalahinareo sy rahavavinareo], ary mihavàna amin’ny rehetra, ary aoka ianareo ho malala-tanana amin’ny fanananareo mba hahatonga azy ho mpanankarena toa anareo.” Andeha ny teny hoe fananana hosolointsika amin’ny teny hoe famindram-po—aoka ianareo ho malala-tanana amin’ny famindram-po mba hahatonga azy ho mpanankarena toa anareo.

Matetika isika dia mieritreritra sakafo na vola rehefa miteny hoe fananana, fa angamba ny famindram-po no ilaintsika rehetra bebe kokoa amin’ny fanompoantsika.

Vao tsy ela akory izay ny Filohako ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana no nilaza hoe: “Ny zavatra … ampanantenaiko anareo dia hoe hotandremako tsara mba tsy ho voaloto ny anaranareo. … Horaisiko araka izay tsara indrindra vitanareo ianareo. … Tsy hiteny na oviana na oviana zavatra ratsy momba anareo aho, izay tsy hampahery anareo. Mangataka anareo aho mba hanao toy izany amiko koa satria matahotra mafy ny handiso fanantenana anareo aho, raha ny tena marina.”

Hoy i Joseph Smith tamin’ireo rahavavy tamin’io andro iray tamin’ny Jona 1842 io hoe:

“Rehefa maneho hatsaram-panahy sy fitiavana amiko na faran’izay kely aza ny olona dia tena misy fiantraikany lehibe amiko izany. …

“… Arakaraka ny hanakaikezantsika kokoa ny Raintsika any An-danitra no hahafahantsika manana fangorahana bebe kokoa an’ireo izay manana olana ara-panahy. [mahatsapa ho] te hilanja azy ireo eny an-tsorontsika isika ary hanary ny fahotany any an-damosintsika any. [Natao ho an’ity] Fikambanana manontolo [ity ny lahateniko]— raha tianareo hanana famindram-po aminareo Andriamanitra, dia mifamindrà fo ianareo”. 2

Torohevitra ho an’ny Fikambanana Ifanampiana manokana izany. Aoka isika tsy hifampitsara na hamela ny tenintsika handratra. Andao hiaro hatrany ny anaran’ny tsirairay tsy haloto ary hanome ny fanomezan’ny famindram-po. 3

Ataovy misosa amin’ny fironana mirindra ny lakanao

Tamin’ny 1936 dia nisy ekipa mpivoy lakana tsy dia fantatra loatra avy tany amin’ny Oniversiten’i Washington nandeha nankany Alemana handray anjara tamin’ny Lalao Olaimpika. Tao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra tamin’ny Fahaketrahana Lehibe ara-toe-karena izany. Zazalahy mpiasa madinika izy ireo ary ny tanàna kelin’izy ireo izay mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy mpanao hazo no nanome vola kely ka nahafahan’izy ireo nandeha tany Berlin. Toa nilahatra nanohitra azy ireo ny lafiny rehetra tamin’ilay fifaninanana, saingy nisy zavatra nitranga tao amin’ilay hazakazaka. Antsoin’ireo ao amin’ny tontolon’ny mpivoy lakana hoe “firindram-pirona” izany. Henoy ity famaritana ity araka ilay boky hoe The Boys in the Boat: (Ireo zazalahy tao anaty lakana)

Misy zavatra mitranga indraindray izay sarotra tontosaina ary sarotra faritana. “Firindram-pirona” no iantsoana azy. Tsy miseho izany raha tsy rehefa mivoy anaty firaisan-kina tanteraka ny rehetra ka tsy misy fihetsika na iray monja aza tsy mifanaraka.

Tsy maintsy sady maneho ny fahaleovantenany tanteraka ireo mpivoy no mijanona ho mahatoky amin’ny fahaiza-manao ananan’ny tsirairay avy. Tsy noho ny fitovian’ny fahaizan’ny olona rehetra ao anatin’ny ekipa no handresena amin’ny fifaninanana. Ny ekipa mahay dia voarafitry ny fahaiza-manao mifangaro—misy olona iray mitarika ny zavatra atao, olona iray mitsitsy aina mba hatanjaka, olona iray mitolona mafy, olona iray mampihavana. Tsy misy mpivoy sarobidy kokoa noho ny iray hafa fa ilain’ilay lakana avokoa izy rehetra, kanefa raha te-hiara-hivoy tsara izy ireo, dia samy tokony hampifanaraka izay ataony amin’ny filana sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay—ny olona fohy tanana hanakatra lavidavitra kokoa, ny olona lava tanana tsy maninjitra be loatra ny tanany.

Ny fahasamihafana dia azo avadika ho tombontsoa fa tsy fatiantoka. Amin’izay vao ho tsapa fa toy ny mandeha irery ilay lakana. Amin’izay vao miala tanteraka ny fanaintainana ka hivadika ho fifaliana. Toy ny tononkalo ny “firindram-pirona” tsara. 4

Nahavita firindram-pirona tonga lafatra nanoloana ireo sakana goavana ity ekipa ity ka nandresy. Nampientam-po ny medaly volamena ôlaimpika, fa ny firaisan-kina niainan’ny mpivoy tsirairay tamin’izany andro izany dia fotoana masina tsy niala tao am-pon’izy ireo tamin’ny androm-piainany rehetra.

Rantsano ny ratsy arakaraka ny fitomboan’ny tsara

Tao amin’ilay fanoharana mahafinaritra ao amin’ny Jakôba 5, ny Tompon’ny tanimboly dia namboly hazo tsara tamin’ny tany tsara, saingy simba izany rehefa nandeha ny fotoana ary namoa voa ratsy. Nilaza im-balo ny Tompon’ny tanimboly hoe: “Mampahory ahy ny hamoizako ny hazo.”

Hoy ilay mpanompo tamin’ny Tompon’ny tanimboly: “Tsimbino [ilay hazo] mandritra ny fotoana fohy. Ary hoy ny Tompo: Eny, hitsimbina azy Aho mandritra ny fotoana fohy.” 5

Dia nomena aorian’izay ny torolalana izay azo ampiharina amintsika rehetra izay miezaka mihevo ny hazo ka mahazo voa tsara ao amin’ny tanimboly kelintsika: “Ianareo dia handratsana ny ratsy arakaraka ny fitomboan’ny tsara.” 6

Tsy mitranga ho azy ny firaisan-kina; mila asa izany. Misavoritaka, sy tsy mampahazo aina izany indraindray, ary mitranga tsikelikely rehefa esorintsika ny ratsy arakaraka ny fitomboan’ny tsara.

Tsy irery velively isika amin’ny ezaka ataontsika hampisy firaisan-kina. Hoy ihany ny Jakôba 5 hoe: “Nandeha ary niasa tamin’ny heriny ireo mpanompo; ary niara-niasa taminy koa ny Tompon’ny tanimboly.” 7

Hiaina zavatra tena mandratra lalina isika tsirairay avy, zavatra izay tsy tokony hitranga mihitsy. Hisy fotoana koa isika tsirairay avy hamela ny avonavona sy ny fieboeboana hanimba ny voankazo vokarintsika. Fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika amin’ny zavatra rehetra. Mahavita manampy antsika na amin’ny zavatra sarotra indrindra aza ny heriny ary azontsika ianteherana rehefa miantso Azy isika. Samy mangataka famindram-po avokoa isika noho ny fahotantsika sy ny tsy fahombiazantsika. Omeny maimaim-poana izany. Ary mangataka amintsika Izy raha toa ka afaka mifanome izany famindram-po sy fahatakarana izany isika.

Nolazain’i Jesoa tamin-kitsimpo izany hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.” 8 Kanefa raha iray isika—raha afaka manome sombina tarte isika na hampifanentana ny talentantsika manokana mba hampisosa ny lakana amin’ny firindram-pirona tonga lafatra—dia Azy isika izay. Ary Izy hanampy antsika handratsana ny ratsy arakaraka ny fitomboan’ny tsara.

Fampanantenana nambaran’ny mpaminany

Mety mbola tsy eo amin’ny toerana tiantsika hisy antsika isika, ary amin’izao fotoana izao dia tsy mbola eo amin’ny toerana hisy antsika amin’ny ho avy. Mino aho fa ny fiovana tadiavintsika ao anatintsika sy ireo vondrona misy antsika dia tsy ho tonga amin’ny alalan’ny fanentanana ho amin’ny fiovana fa ho tonga kosa amin’ny alalan’ny fahazotoana miezaka isan’andro mba hifankahazo. Nahoana? Satria manangana an’i Ziona isika—vahoaka iray izay “iray fo sy iray saina.” 9

Amin’ny maha-vehivavy mpitandrina fanekempihavanana antsika dia manana hery lehibe ahafahana mitaona ny hafa isika. Io fitaomana io dia ampiharina amin’ny fotoana andavanandro rehefa miara-mianatra amin’ny namana iray isika, rehefa mampatory zanaka, rehefa miresaka amin’ny olona mipetraka eo akaikintsika ao anaty fiara fitaterana, rehefa manomana famelabelaran-kevitra miaraka amin’ny mpiara-miasa iray. Manana hery hanafoana ny fitsarana an-tendrony sy hanangana firaisan-kina isika.

Tsy kilasy tsotra fotsiny ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy. Mety ho traikefa tsy hay hadinoina koa izany ka vehivavy samy hafa be daholo no miditra amin’ny lakana iray dia miara-mivoy izany mandrapahavitantsika mampirindra ny fironantsika. Atolotro ity fanasana ity: midira ao anatin’ny hery iraisana iray izay manova an’izao tontolo izao ho lasa tsara. Ny andraikitsika izay nekentsika hatao dia ny hanompo, hampakatra ireo tanana miraviravy, hibaby sy hitrotro ary hitondra ireo olona manana fahasahiranana. Tsy sarotra ny mahafantatra izay tokony hatao, saingy matetika izany no mifanohitra amin’ireo tombontsoantsika feno fitiavan-tena ka mila manandrana isika. Ny vehivavy ato amin’ity Fiangonana ity dia manana ny fahaiza-manao tsy manam-petra hanova fiaraha-monina. Manana fahatokian-tena tanteraka ara-panahy aho fa, rehefa mitady fiombonam-pihetseham-po isika, dia hiantso ny herin’ Andriamanitra hahatontosa ny ezaka ataontsika.

Rehefa nankalaza ilay fanambarana momba ny fisoronana tamin’ny 1978 ny Fiangonana dia nanome tsodrano mahery vaika avy amin’ny mpaminany ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny vavaka ataoko sy tsodrano apetrako amin’ireo rehetra izay mihaino dia ny handresentsika izay mety ho enta-mavesatra ateraky ny fitsarana an-tendrony ka handeha araka ny marina miaraka amin’ Andriamanitra—sy hiaraka amin’ny tsirairay—ao anatin’ny fiadanana sy filaminana tanteraka.” 10

Enga anie isika ka handray io tsodrano nomen’ny mpaminany io ary hampiasa ny ezaka ataontsika tsirairay sy iombonantsika hampitomboana ny firaisan-kina eo amin’izao tontolo izao. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho amin’ny alalan’ny tonon’ny vavaka feno fanetrentena sy tsy tontan’ny ela nataon’i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.” 11 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.