Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mangataha, mitadiava, ary dondòny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


Mangataha, mitadiava, ary dondòny

Ampahany iray manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fahafahana mifandray Aminy amin’ny fotoana rehetra izay itiavantsika izany.

Efa-bolana lasa izay tao anatin’ny fandalinako ny soratra masina dia namaky momba ny iraka notanterahin’i Almà tany Amônihà aho ka tonga tamin’ireto sosokevitra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireto: “Eo am-pamakianao momba ireo fitahiana lehibe nomen’ Andriamanitra ireo vahoakan’i Nefia (jereo ny Almà 9:19–23), dia saintsaino ireo fitahiana lehibe izay efa nomeny anao.” 1 Nanapa-kevitra ny hanao listr’ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra ahy aho ary nanoratra izany tao amin’ny boky torolalako elektrônika. Tao anatin’ny minitra vitsy dia nahavoatanisa fitahiana miisa 16 aho.

Ny tena manan-danja indrindra tamin’izany dia ny fitahian’ny famindrampon’ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho fanavotana ahy. Nanoratra ny fitahiana izay nananako ihany koa aho tamin’ny nisoloako tena ny Mpamonjy fony aho misiônera tanora tany Portugal sy niaraka tamin’i Patricia vady malalako mandrakizay tao amin’ny Misiônan’i Porto Alegre Atsimo, Brésil, izay nanompoanay misiônera matanjaka sy mahatalanjona miisa 522. Raha niresaka momba an’i Patricia dia fitahiana niarahanay nisitraka nandritra ny 40 taona naha-mpivady anay no fitahiana nosoratako, tafiditra amin’izany ny famehezana anay tao amin’ny tempolin’i São Paulo, Brésil, ireo zanakay telo mahafinaritra, ny vadin’izy ireo, ary ireo zafikelinay 13.

Nitodika tany amin’ireo ray aman-dreniko izay marin-toetra ihany koa ny eritreritro, izay nanabe ahy tao anatin’ireo fitsipiky ny filazantsara. Tsaroako manokana ny fotoana iray izay niarahan’ny reniko be fitiavana nandohalika tamiko mba hivavaka teo anilako fony aho 10 taona. Mety nahatsapa izy fa raha natao ho tonga any amin’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataoko dia nila nohatsaraina. Koa hoy izy: “Izaho aloha no hivavaka voalohany, dia rehefa vita ny vavaka ataoko, dia mivavaka ianao.” Notohizany izany fomba izany nandritra ny alina maro, mandrapahazoany antoka fa nianatra ny fomba firesahana amin’ny Ray any An-danitra aho tamin’ny alalan’ny fitsipika sy fampiharana. Feno fankasitrahana azy mandrakizay aho noho ny nampianarany ahy nivavaka, satria nianatra aho fa mihaino ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra ary mamaly azy ireny.

Eny tokoa, izany no fitahiana iray hafa nampidiriko tao amin’ilay lisitra nataoko, dia ilay fanomezam-pahasoavana ahafahana mandre sy mianatra ny sitrapon’ny Tompo. Ampahany iray manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fahafahana mifandray Aminy amin’ny fotoana rehetra izay itiavantsika izany.

Fanasana avy amin’ny Tompo

Rehefa nitsidika an’i Amerika ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia namerimberina fanasana izay nomeny an’ireo mpianany tao Galilea Izy. Hoy izy:

“Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana” (3 Nefia 14:7–8; jereo koa ny Matio 7:7–8).

Ny mpaminanintsika, Filoha Russell M. Nelson, dia nanome fanasana mitovy amin’izany amin’izao androntsika izao. Hoy izy: “Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa Kristy momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia -hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana.-” 2

Dia nampian’ny Filoha Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.” 3

Nahoana ny fanambarana no tena manan-danja torak’izany ho an’ny fiveloman’ny fanahintsika? Satria mety hampisafotofoto sy be fitaomana izao tontolo izao, feno fitaka sy zavatra mahavariana. Ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra dia manome fahafahana antsika hanavaka ny marina sy ny diso, izay manan-danja amin’ny drafitry ny Tompo sy izay tsy manan-danja aminy. Mety ho henjana sy mandratra fo ihany koa izao tontolo izao. Saingy rehefa manokatra ny fontsika isika ao anatin’ny vavaka, dia hahatsapa ilay fankaherezana izay avy amin’ny Raintsika any An-danitra isika, sy ilay fahazoana antoka fa tia antsika sy manome lanja antsika Izy.

Mangataha

Nilaza ny Tompo fa “izay rehetra mangataka no mahazo.” Toa mora ny mangataka, kanefa mahery vaika izany satria mamboraka ny faniriantsika sy ny finoantsika izany. Mila fotoana sy faharetana anefa ny mianatra mahatakatra ny feon’ny Tompo. Mihaino tsara ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika isika, dia soratantsika izany, araka ny nanoroan’ny mpaminanintsika azy. Ny firaketana ireo fahatsapana voaraintsika dia ampahany manan-danja amin’ny fandraisana. Manampy antsika hahatsiaro sy hamerina hijery ary hahatsapa indray ny zavatra izay ampianarin’ny Tompo antsika izany.

Vao tsy ela ny olon-tiana iray no nilaza tamiko hoe: “Mino ny fahamarinan’ny fanambarana manokana aho. Mino aho fa hasehon’ny Fanahy Masina ahy daholo ny zavatra rehetra tokony hataoko. 4 Mora ny mino rehefa mahatsapa ny tratrako mafanan’ny faharesen-dahatra tsy am-pisalasalana aho. 5 Saingy ahoana no ahafahako manana ny Fanahy Masina miresaka amiko amin’izany fomba izany hatrany?”

Ho an’ilay olon-tiako, sy ho anareo rehetra, dia te hilaza aho fa izaho koa dia maniry ny hahatsapa tsy tapaka ireo fahatsapana matanjaka avy amin’ny Fanahy ireo ka hahita foana mazava tsara ny lalana tokony harahina. Saingy tsy izany no izy. Na izany aza anefa, ny zavatra mety ho tsapantsika matetika kokoa dia ilay feo tony sy malefaky ny Tompo mibitsika ao an-tsaintsika sy ny fontsika manao hoe: “Eto Aho. Tiako ianao. Tohizo ary ataovy izay tsara indrindra vitanao. Hanohana anao aho.” Tsy voatery ho mila mahafantatra sy mahita ny zava-drehetra foana isika.

Ilay feo tony sy malefaka no manamafy sy mamporisika ary mankahery, ary amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia izay ihany no ilaintsika. Tena misy ny Fanahy Masina, ary tena misy ny fahatsapana azo avy Aminy, na ny lehibe izany na ny kely.

Mitadiava

Dia notohizan’ny Tompo ny fampanantenany hoe: “Izay rehetra mitady no mahita.” Tafiditra ao amin’ny hoe mitady ny ezaka atao ara-tsaina sy ara-panahy: fisaintsainana, fitsapana, fanandramana, ary fandalinana. Mitady isika satria matoky ireo fampanantenan’ny Tompo. “Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” (Hebreo 11:6). Rehefa mitady isika, dia manaiky amim-panetrentena fa mbola manana zavatra maro tokony hianarana, dia hampivelatra ny fahatakarantsika ny Tompo, hanomana antsika handray misimisy kokoa. “Nefa indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; … fa izay mandray no homeko bebe kokoa” (2 Nefia 28:30).

Dondòny

Farany dia nilaza ny Tompo hoe: “Izay mandondòna no hovahana.” Ny mandondòna dia manao zavatra am-pinoana. Rehefa mavitrika manaraka Azy isika, dia sokafan’ny Tompo ny lalana eo anoloantsika. Misy fihirana iray izay mampianatra antsika hoe “mitsangàna ary manaova bebe kokoa mihoatra noho ny manonofy miandrandra ny lanitra. Fahafinaretana ny fanaovan-tsoa, fifaliana tsy hita noanoa.” 6 Nanazava ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa matetika ny fanambarana dia tonga eo am-panaovantsika soa. Hoy izy: “Rehefa miezaka manolo-tanana amin’ny alalan’ny fanompoana ireo manodidina antsika isika, dia mino aho fa manome antsika ny fitiavany azy ireo bebe kokoa Izy ary noho izany dia ny fitiavany antsika koa. Mieritreritra aho fa mandre ny feony isika, mahatsapa Azy amin’ny fomba hafa isika, rehefa mivavaka mba hanampy ireo manodidina antsika satria izany no anisan’ireo vavaka izay tiany valiana indrindra.” 7

Ohatra nasehon’i Almà

Io sosokevitra tsotra tao amin’ny Avia, hanaraka Ahy mba hieritreritra momba ireo fitahiana io dia nitondra fanahy mahafinaritra sy hevi-baovao ara-panahy tsy nampoizina. Raha nanohy namaky momba an’i Almà sy ny asa fanompoany tao Amônihà aho dia nahita aho fa i Almà dia manome ohatra tsara ny amin’ny dikan’ny hoe mangataka sy mitady ary mandondòna. Mamaky isika hoe “Niasa am-panahy fatratra i Almà, nifampitolona tamin’ Andriamanitra tamin’ny faherezana nivavaka mba handatsahany ny fanahiny amin’ny mponina.” Tsy novaliana araka ny fomba nantenainy anefa io vavaka io, dia voaroaka avy tao amin’ilay tanàna i Almà. Raha “nivesatra alahelo” i Almà dia efa saika hilavo lefona izy no nitondra hafatra ho azy ny anjely iray nanao hoe: “Hotahiana anie ianao ry Almà; koa andrandrao ny lohanao ary miravoravoa, fa manana antony lehibe hiravoana ianao.” Dia nilaza taminy ilay anjely mba hiverina tany Amônihà ka hanandrana indray, dia “niverina faingana” i Almà. 8

Inona no ianarantsika avy amin’ny Almà momba ny hoe mangataka sy mitady ary mandondòna? Mianatra isika fa ny vavaka dia mitaky asa ara-panahy, ary tsy voatery hitondra mankany amin’ny vokany antenaintsika foana izany. Saingy rehefa mahatsapa ho kivy isika, na vesaran’alahelo, dia manome fankaherezana sy tanjaka ho antsika amin’ny fomba hafa ny Tompo. Mety tsy hamaly ny fanontaniantsika rehetra Izy, na hamaha eo noho eo ny olantsika rehetra, fa mamporisika antsika kosa anefa Izy mba hanohy hatrany ny ezaka ataontsika. Rehefa mampifanaraka avy hatrany ny drafitsika amin’ny drafiny isika avy eo, dia hosokafany ny lalana ho antsika, tahaka ny nataony tamin’i Almà.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny filazantsara. Afaka misitraka ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika eo amin’ny fiainantsika. Manana ny soratra masina malalaka ho antsika isika. Tarihin’ny mpaminany isika izay mampianatra antsika ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny fotoan-tsarotra izay iainantsika. Ho fanampin’izany dia afaka mahazo avy hatrany ny fanambarana ho an’ny tenantsika manokana isika, mba hahafahan’ny Tompo mankahery sy mitarika antsika manokana. Araka ny nolazain’ilay anjely tamin’i Almà hoe manana “antony lehibe hiravoana” isika (Almà 8:15). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.