Ny soratra masina
Almà 5


Ny teny izay nataon’i Almà, Mpisorona Avo araka ny lamina masin’ Andriamanitra, tamin’ny vahoaka tany amin’ireo tanànany sy vohiny nanerana ny tany.

Manomboka amin’ny toko 5.

Toko 5

Mba hahazoana ny famonjena, ny olona dia tsy maintsy mibebaka sy mitandrina ny didy, ateraka indray, manadio ny fitafiany amin’ny ran’i Kristy, manetry tena, ary manaisotra ny avonavona sy ny fitsiriritana hiala amin’ny tenany, ary manao ny asan’ny fahamarinana—Miantso ny olony ny mpiandry ondry tsara—Ireo izay manao ny asa ratsy no zanaky ny devoly—Nanambara ny amin’ny fahamarinan’ny fampianarany i Almà sady nandidy ny olona hibebaka—Hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran’ny marina. Tokony ho 83 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nanomboka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoaka i Almà, voalohany dia tao amin’ny tanin’i Zarahemlà ary avy eo dia nanerana ny tany manontolo.

2 Ary izao no teny izay nolazainy ny olona tao amin’ny fiangonana izay niorina tao an-tanànan’i Zarahemlà, araka ny rakitsorany ihany, manao hoe:

3 Izaho Almà, rehefa nohamasinin’i Almà raiko ho mpisorona avo ao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra, noho izy nandray ny hery sy ny fahefana avy tamin’ Andriamanitra hanatontosa ireo zavatra ireo, dia indro, lazaiko aminareo fa nanomboka nanorina fiangonana iray tao amin’ny tany izay tao amin’ny sisin-tanin’i Nefia izy; eny, tao amin’ny tany izay nantsoina hoe ny tanin’i Môrmôna; eny, ary nataony batisa tao amin’ny ranon’i Môrmôna ireo rahalahiny.

4 Ary indro, lazaiko aminareo fa nafahana hiala teo an-tanan’ny olon’i Noà mpanjaka izy ireo, noho ny famindram-po sy ny herin’ Andriamanitra.

5 Ary indro, taorian’izany, dia nentin’ny tanan’ny Lamanita ho andevo tany an-tany foana izy ireo; eny, lazaiko aminareo fa tao anatin’ny fahababoana izy ireo, ary ny Tompo dia nanafaka azy ireo indray hiala tamin’ny fahababoana tamin’ny herin’ny teniny; ary nentina nankamin’ity tany ity isika, ary teto isika no nanomboka nanorina ny fiangonan’ Andriamanitra eran’ity tany ity koa.

6 Ary ankehitriny, indro, lazaiko aminareo ry rahalahiko, ianareo izay isan’ity fiangonana ity, moa va ianareo efa nahatahiry tsara ny fahatsiarovana ny fambaboana ny razanareo? Eny, moa va ianareo efa nahatahiry tsara ny fahatsiarovana ny famindram-pony sy ny faharipony taminy? Ary ankoatra izany, moa va ianareo efa nahatahiry tsara ny fahatsiarovana fa Izy dia efa nanafaka ny fanahiny tamin’ny helo?

7 Indro Izy dia nanova ny fon’izy ireo; eny, namoha azy ireo tamin’ny torimaso lalina, ary dia nifoha ho an’ Andriamanitra izy ireo. Indro tao afovoan’ny haizina izy ireo; na dia teo aza izany, dia nohazavaina tamin’ny fahazavan’ny teny maharitra mandrakizay ny fanahiny; eny, nohodidinin’ny famatoran’ny fahafatesana sy ny gadran’ny helo izy ireo, ary famongorana maharitra mandrakizay no niandry azy ireo.

8 Ary ankehitriny, manontany anareo aho ry rahalahiko, moa va nofongorana izy ireo? Indro, lazaiko aminareo: Tsia, tsy nofongorana izy ireo.

9 Ary manontany indray aho, moa va notapatapahina ny famatoran’ny fahafatesana, ary ny gadran’ny helo izay nanagadrana azy ireo, moa va novahana izany? Lazaiko aminareo: Eny, novahana izany, ary niravoravo ny fanahiny sady nihira ny fitiavana manavotra izy ireo. Ary lazaiko aminareo fa voavonjy izy ireo.

10 Ary ankehitriny manontany anareo aho, inona no fepetra amonjena azy ireo? Eny, inona no fiorenana nananany mba hanantenana famonjena? Inona no antony namahana azy ireo tamin’ny famatoran’ny fahafatesana, eny, ary koa tamin’ny gadran’ny helo?

11 Indro, azoko lazaina anareo—moa va i Almà raiko tsy nino ny teny izay niloaky ny vavan’i Abinadia? Ary moa va izy tsy mpaminany masina? Moa va tsy nolazainy ireo tenin’ Andriamanitra, ary nino ireny i Almà raiko?

12 Ary araka ny finoany, dia nisy fiovana mahery vaika nitranga tao am-pony. Indro lazaiko aminareo fa marina avokoa izany.

13 Ary indro, notoriany tamin’ny razanareo ny teny, ary fiovana mahery vaika no nitranga koa tao am-pony, ary nanetry tena izy ireo ary nametraka ny fitokiany tamin’ilay Andriamanitra marina sady velona. Ary indro, nahatoky hatramin’ny farany izy ireo; noho izany dia novonjena izy ireo.

14 Ary ankehitriny, indro manontany anareo aho ry rahalahiko ao amin’ny fiangonana, efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo? Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?

15 Moa ampiasainareo va ny finoana ny fanavotan’ilay nahary anareo? Moa va ianareo miandrandra amin’ny masom-pinoana ary mahita ity vatana mety maty ity atsangana ao amin’ny tsy fahafatesana sy ity fahalòvana ity atsangana ao amin’ny tsy fahalòvana ka hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asa izay efa vitan’ny vatana mety maty?

16 Lazaiko aminareo, moa azon’ny tenanareo saintsainina ve fa handre ny feon’ny Tompo ianareo amin’izany andro izany, manao aminareo hoe: Mankanesa aty Amiko ianareo notahiana, satria indro ny asanareo dia efa asan’ny fahamarinana teny ambonin’ny tany?

17 Sa moa va mihevitra ny tenanareo fa afaka mandainga amin’ny Tompo ianareo amin’izany andro izany, ary hanao hoe—Tompo ô, ny asanay dia asa marina teny ambonin’ny tany—ary dia hamonjy anareo Izy?

18 Sa, raha tsy izany, moa azonareo sary an-tsaina va ny tenanareo entina eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra miaraka amin’ny fanahinareo feno hadisoana sy nenina noho ny fahatsiarovana ny hadisoanareo rehetra, eny, fahatsiarovana tanteraka ny faharatsianareo rehetra, eny, fahatsiarovana fa efa nihantsy ny didin’ Andriamanitra ianareo?

19 Lazaiko aminareo, moa va ho afaka hiandrandra an’ Andriamanitra ianareo amin’izany andro izany amin’ny fo mahitsy sy ny tanana madio? Lazaiko aminareo, moa va ho afaka hiandrandra ianareo rehefa nanana ny endrik’ Andriamanitra voasokitra teo amin’ny tarehinareo?

20 Lazaiko aminareo, moa azonareo eritreretina va ny hamonjena anareo, rehefa navelanareo ny tenanareo ho zary olom-pehezin’ny devoly?

21 Lazaiko aminareo, ho fantatrareo amin’izany andro izany fa tsy azo vonjena ianareo; fa tsy misy olona azo vonjena raha tsy efa fotsiana ny fitafiany; eny, tsy maintsy diovina ny fitafiany mandra-panadio ny pentina rehetra amin’ny ran’ilay efa nolazain’ny razantsika, izay ho avy hanavotra ny olony amin’ny fahotany.

22 Ary ankehitriny, manontany anareo aho ry rahalahiko, inona no ho tsapanareo raha mijoro eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra ianareo, mitondra fitafiana mihosin-dra sy ny karazany rehetra amin’ny fahalotoana? Indro, inona no hambaran’ireny zavatra ireny hanoherana anareo?

23 Indro, tsy hambaran’ireny va fa ianareo dia mpamono olona, eny, ary koa fa ianareo dia meloka amin’ny karazam-paharatsiana rehetra?

24 Indro ry rahalahiko, moa heverinareo va fa ny toy izany dia mahazo anjara toerana hipetrahana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra miaraka amin’i Abrahama, miaraka amin’i Isaka ary miaraka amin’i Jakoba, ary koa ny mpaminany masina rehetra izay voadio sy tsisy pentina ary tsisy tsiny sy fotsy ny fitafiany?

25 Lazaiko aminareo, Tsia; raha tsy hoe ataonareo ho mpandainga hatrany am-piandohana Ilay Mpahary antsika, na raha tsy hoe heverinareo fa mpandainga hatrany am-piandohana Izy, dia tsy azonareo saintsainina fa ny toa azy dia mahazo anjara toerana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa hariana any ivelany izy, satria zanaky ny fanjakan’ny devoly.

26 Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo ry rahalahiko, fa raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?

27 Efa nandeha ve ianareo, nitandrina ny tenanareo ho tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra? Raha toa, hono, ka antsoina ho faty ianareo izao ankehitriny izao, moa va ianareo afaka miteny anakampo fa ampy tokoa ny fanetrentenanareo? Fa ny fitafianareo dia efa nodiovina sy nofotsiana tamin’ny ran’i Kristy izay ho avy hanavotra ny olony amin’ny fahotany?

28 Indro, efa endahinareo amin’ny tenanareo ve ny avonavona? Lazaiko aminareo fa raha tsy ataonareo izany, dia tsy miomana ny hihaona amin’ Andriamanitra ianareo. Indro, tsy maintsy miomana faingana tokoa ianareo; fa efa akaiky sy antomotra ny fanjakan’ny lanitra, ary tsy mahazo ny fiainana mandrakizay ny toa azy.

29 Indro, hoy aho, misy anankiray va aminareo izay tsy miendaka amin’ny fialonana? Lazaiko aminareo fa tsy miomana ny toa azy; ary mba tiako ny hiomanany faingana tokoa fa efa akaiky sy antomotra ny ora, ary tsy mahalala izay hiavian’ny fotoana izy; fa ny toa azy dia tsy ho hita tsisy tsiny.

30 Ary lazaiko aminareo indray hoe, misy anankiray va aminareo izay maneso ny rahalahiny, na izay mampivangongo ny fanenjehana aminy?

31 Lozan’ny toa azy, fa tsy miomana izy, ary efa antomotra ny fotoana izay tsy maintsy ibebahany, raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy!

32 Eny, lozanareo rehetra mpanao heloka; mibebaha, mibebaha, fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany!

33 Indro mandefa fanasana ho an’ny olona rehetra Izy, fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho azy, ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho.

34 Eny, hoy Izy: Mankanesa aty Amiko, ary hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina ianareo; eny, hihinana sy hisotro maimaimpoana amin’ny mofo sy ny ranon’aina ianareo;

35 Eny, mankanesa aty Amiko ary ataovy ny asan’ny fahamarinana, ary tsy hokapaina sady tsy hatsipy any anatin’ny afo ianareo—

36 Fa indro akaiky ny fotoana, ka na zovy na zovy no tsy mamoa voa tsara, na zovy na zovy no tsy manao ny asan’ny fahamarinana, dia manana antony hitomaniana sy hisaonana izy.

37 E ianareo mpanao heloka; ianareo izay mizihitra ao amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao, ianareo izay efa nihambo ho nahalala ny lalan’ny fahamarinana, kanefa dia naniasia toy ny ondry tsy nanana mpiandry, kanefa ilay mpiandry efa niantso anareo sy mbola miantso anareo fa tsy mety mihaino ny feony ianareo!

38 Indro, lazaiko aminareo fa miantso anareo ilay mpiandry tsara; eny, ary amin’ny anarany ihany no iantsoany anareo, dia ny anaran’i Kristy; ary raha tsy te hihaino ny feon’ilay mpiandry tsara ianareo, na ny anarana izay iantsoana anareo, dia indro, tsy ondrin’ilay mpiandry tsara ianareo.

39 Ary ankehitriny raha tsy ondrin’ilay mpiandry tsara ianareo, avy amin’ny valan’iza ary ianareo? Indro, lazaiko aminareo fa ny devoly no mpiandry anareo, ary ianareo dia avy amin’ny valany; Ary ankehitriny, iza no afaka mandà izany? Indro, lazaiko aminareo, fa na zovy na zovy no mandà izany dia mpandainga sy zanaky ny devoly.

40 Satria lazaiko aminareo, fa na inona na inona tsara dia avy amin’ Andriamanitra, ary na inona na inona ratsy dia avy amin’ny devoly.

41 Noho izany, raha manao asa tsara ny olona iray, dia mihaino ny feon’ilay mpiandry tsara izy ary manaraka Azy; fa na zovy na zovy kosa no manao asa ratsy, dia tonga zanaky ny devoly izy, satria mihaino ny feony sy manaraka azy.

42 Ary na zovy na zovy no manao izany dia tsy maintsy mandray ny tambiny aminy; koa ho tambiny dia mandray ny fahafatesana izy, raha ny zavatra mikasika ny fahamarinana, satria maty ho an’ny asa soa rehetra izy.

43 Ary ankehitriny ry rahalahiko, dia mba tiako ny hihainoanareo ahy, satria miteny amin’ny herin’ny fanahiko aho; fa indro, efa niteny mazava tsara taminareo aho mba tsy hahafahanareo mandiso, na efa niteny araka ny didin’ Andriamanitra aho.

44 Fa antsoina aho hiteny araka izany fomba izany, araka ny lamina masin’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa; eny, didina aho hitsangana sy hanambara amin’ity vahoaka ity ny amin’ny zavatra izay efa nolazain’ny razantsika mikasika ny zavatra izay ho avy.

45 Ary tsy izay ihany. Moa tsy heverinareo va fa mahalala ny momba an’ireny zavatra ireny ny tenako? Indro, manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina. Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?

46 Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiny; ary izany no fanahin’ny fanambarana izay ao amiko.

47 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa dia toy izany no efa nanambarana tamiko fa ny teny efa nolazain’ny razantsika dia marina, ary izany dia araka ny fanahin’ny faminaniana izay ato amiko, izay amin’ny alalan’ny fanehoana ihany koa ny Fanahin’ Andriamanitra.

48 Lazaiko aminareo fa mahalala ny tenako fa na inona na inona holazaiko aminareo momba izay ho avy dia marina; ary lazaiko aminareo fa fantatro fa ho avy i Jesoa Kristy, eny, ny Zanaka, ny Lahitokan’ny Ray, feno fahasoavana sy famindram-po ary fahamarinana. Ary indro Izy no tonga mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, eny, ny fahotan’ny olona tsirairay izay miorina mafy amin’ny finoana ny anarany.

49 Ary ankehitriny lazaiko aminareo fa araka izany lamina izany no iantsoana ahy, eny, mba hitory amin’ny rahalahiko malala, eny, amin’ny tsirairay izay monina eo amin’ny tany; eny, mba hitory amin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olona afaka; eny, lazaiko aminareo zokiolona, ary koa amin’ny olon-dehibe sy ny taranaka vao misondrotra; eny, mba hiantso azy ireo, fa tsy maintsy mibebaka izy ireo ka ateraka indray.

50 Eny, izao no lazain’ny Fanahy: Mibebaha ianareo rehetra faran’ny tany, fa efa akaiky sy antomotra ny fanjakan’ny lanitra; eny, tonga amin’ny voninahiny, amin’ny heriny, fiandrianany, fahefany ary fanapahany ny Zanak’ Andriamanitra. Eny, ry rahalahiko malala, lazaiko aminareo, fa hoy ny Fanahy: Indro ny voninahitry ny Mpanjakan’ny tany manontolo; ary hamirapiratra tsy ho ela koa ny Mpanjakan’ny lanitra eo anivon’ny zanak’olombelona rehetra.

51 Ary milaza amiko koa ny Fanahy, eny, miantso ahy amin’ny feo mahery, manao hoe: Mandehana ary lazao amin’ity vahoaka ity hoe—Mibebaha, fa raha tsy mibebaka ianareo, dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.

52 Ary lazaiko indray aminareo, fa hoy ny Fanahy: Indro, ny famaky efa mipetraka eo am-pototry ny hazo; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy any anaty afo, eny, afo iray izay tsy mety levona, dia afo iray tsy mety maty. Indro, ary tsarovy, ny Iray Masina no efa niteny izany.

53 Ary ankehitriny ry rahalahiko malala, lazaiko aminareo, moa va ianareo afa-manohitra ireo teny ireo; eny, moa va ianareo afa-mandà ireo zavatra ireo ary hanosihosy amin’ny tongotra ny Iray Masina; eny, moa va ianareo afaka mizihitra ao amin’ny avonavon’ny fonareo; eny, moa va ianareo mbola hikiry hitondra fitafiana lafo vidy ary hametraka ny fonareo amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao, amin’ny harenareo?

54 Eny, hikiry ve ianareo hihevitra fa ianareo dia tsaratsara kokoa noho ny hafa; eny, hikiry ve ianareo amin’ny fanenjehana ny rahalahinareo izay manetry ny tenany sy mandeha araka ny lamina masin’ Andriamanitra, izay efa nitondrana azy hankamin’ity fiangonana ity, rehefa avy nohamasinina tamin’ny Fanahy Masina izy, ka manao asa miendrika fibebahana—

55 Eny, ary hikiry ve ianareo hanome ny lamosinareo ny mahantra sy ny sahirana ary hihirim-belona amin’ny fanananareo tsy ho an’ireny?

56 Ary farany, ianareo rehetra izay hikiry amin’ny faharatsianareo, lazaiko aminareo fa ireny no ireo izay hokapaina sy hatsipy any anaty afo raha tsy mibebaka faingana tokoa.

57 Ary ankehitriny lazaiko aminareo, ianareo rehetra izay maniry ny hanaraka ny feon’ny mpiandry tsara, mivoàha hiala amin’ny olon-dratsy, ary aoka hisaraka, ary aza mikasika ny zavany tsy madio; ary indro, hovonoina ny anarany, hany ka ny anaran’ny olon-dratsy dia tsy horaisina ho isan’ny anaran’ny marina mba hahatanteraka ny tenin’ Andriamanitra izay manao hoe: Ny anaran’ny olon-dratsy dia tsy hafangaro amin’ny anaran’ny oloko;

58 Fa ny anaran’ny marina dia hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana, ary izy no homeko lova ny eo an-tanako ankavanana. Ary ankehitriny ry rahalahiko, inona no azonareo lazaina hanoherana izany? Lazaiko aminareo, fa raha miteny manohitra izany ianareo, dia tsy maninona izany, fa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka.

59 Fa mpiandry ondry iza eo aminareo no manana ondry maro ka tsy miambina azy mba tsy hidiran’ny ambodia hihinana ny andian’ondriny? Ary indro, raha miditra ao am-bala ny ambodia iray, moa tsy horoahiny izy hivoaka? Eny, ary amin’ny farany, raha azony atao, dia hovonoiny izy.

60 Ary ankehitriny lazaiko aminareo fa ny mpiandry tsara no miantso anareo; ary raha mety mihaino ny feony ianareo, dia hoentiny hankany am-balany, ary ianareo no ondriny; ary mandidy anareo izy ny tsy hamelanareo ny ambodia masiaka hiditra eo aminareo mba tsy haharava anareo.

61 Ary ankehitriny izaho Almà dia mandidy anareo amin’ny fitenin’ilay efa nandidy ahy hankatoavanareo ny teny izay efa nolazaiko anareo.

62 Miteny aminareo izay isan’ny fiangonana aho amin’ny alalan’ny fandidiana; ary aminareo izay tsy isan’ny fiangonana no itenenako amin’ny alalan’ny fanasana, manao hoe: Avia ary aoka hatao batisa ho amin’ny fibebahana, mba hahatonga anareo koa ho mpihinana amin’ny voan’ny hazon’aina.