Namana
Ilay rojo mamirapiratra
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ilay rojo mamirapiratra,” Namana, aogositra 2023, 42–43.

Ilay rojo mamirapiratra

Te hitazona ilay rojo elaela kely fotsiny i Carolina.

Tany Argentine no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nandeha haingana tamim-pifaliana teo an-tokotany i Carolina. Nivoaka tao an-tokotany i Isabella namany.

Nikopakopaka i Isabella. “Avia hilalao!”

Namakivaky ilay tokotany mankao an-tranon’i Isabella i Carolina.

Naka zavatra tao am-paosiny i Isabella. “Te hampiseho zavatra anao aho,” hoy izy. Dia nosintoniny avy ao ny rojo tsara tarehy indrindra tamin’izay rehetra efa hitan’i Carolina! Namirapiratra sy nanjelatra ery ireo vatosoa kely.

“An’i mamá ity,” hoy i Isabella. “Nilaza tamiko izy fa azoko lalaovina ity androany. Jereo anie ilay izy rehefa taratry ny masoandro e!”

Nakarin’i Isabella ambony ilay rojo mba ho azon’ny hazavana. Avana an-jatony no nivoaka hita taratra avy tamin’ireo vatosoa. Kanto ery izany!

“Andao amin’izay ary isika hilalao an-kiafina!” Hoy i Isabella.

“Eny ary,” hoy i Carolina. “Afaka mitazona ilay rojo aho mba tsy ho very na simba.”

“Misaotra!” Natolotr’i Isabella an’i Carolina ilay rojo, dia nataon’i Carolina tao am-paosina.

Efa kely sisa dia tonga ny fotoana hodian’i Carolina. Rehefa nanao veloma izy dia tsy nanontany momba ilay rojo i Isabella. Mety adinony angamba izay. Ary tsy nampahatsiahivin’i Carolina azy ilay izy.

Somary nahatsapa ho diso i Carolina noho ny nitondrany ilay rojo nody. Saingy te hitazona ilay rojo elaela kely fotsiny izy. Tsy noraharahiany ilay fahatsapana ratsy nananany dia nataony tao ambanin’ny ondany ilay rojo.

Sabotsy ny andro taorian’io. Nanao ny raharahany i Carolina dia nandeha nivoaka nilalao. Adinony tanteraka ny amin’ilay rojo.

“Carolina a!” Hoy i papá niantso. “Afaka makaty ve ianao?”

Nihazakazaka niditra tao an-trano i Carolina. “Ahoana tompoko?”

Notazonin’i papá teny an-tanany ilay rojo. “Hitan’i mamá tao ambany ondanao ity. “An’iza ity?”

“An’i Isabella iny.” Nanganohano ny mason’i Carolina. “Nampirimiko tsara tao am-paosiko izy iny rehefa nilalao izahay omaly. Saingy nanapa-kevitra ny hitondra ilay izy nody aho avy eo.”

Niara-nipetraka tamin’i Carolina teo amin’ny seza lava i mamá. “Misaotra anao nilaza ny marina. Inona araka ny hevitrao no tokony hataonao izao?”

Tsy niteny i Carolina. Nieritreritra an’i Jesoa izy. Tian’i Jesoa ho marin-toetra izy ary hamerina ilay rojo.

“Tokony haveriko amin’i Isabella ilay izy dia mifona aminy aho,” hoy i Carolina. Vao avy niteny izany izy dia niala ilay fahatsapana ratsy tao aminy. Nahatsapa hafanana tao anatiny izy.

Nankany an-tranon’i Isabella i Carolina.

“Manahoana,” hoy i Carolina. Natolony an’i Isabella ilay rojo. “Mifona aho fa notazoniko taty izy ity. Hamela ahy ve ianao?”

“Eny,” hoy i Isabella. “Misaotra namerina ilay izy.” Dia nitsiky izy avy eo. “Te hilalao an-kiafina indray ve ianao?”

“Eny! Ianao no manisa voalohany, dia izaho mandeha miafina!”

Ny harivan’io dia nivavaka i Carolina. “Ry Ray malala any An-danitra ô, mba mamelà ahy tamin’ny nitazonako ilay vakana. Ary misaotra anao nanampy ahy hanitsy izany.”

Nahatsapa ilay hafanana tao anatiny indray i Carolina. Faly izy fa afaka nanao ny zavatra tian’i Jesoa hataony.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Sue Teodoro