Namana
Tsy ho tena irery na oviana na oviana
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Tsy ho tena irery na oviana na oviana,” Namana, aogositra 2023, 22–23.

Tsy ho tena irery na oviana na oviana

Dia ahoana raha maratra indray i Ethan raha tsy misy olona hanampy azy?

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nanosika tamin’ny tongony teo am-pitaingenana savily i Ethan. Nihaniakatra ambony hatrany izy. Nahatonga azy nahatsapa ho toy ny nanidina ny rivotra!

Dia naneno avy eo ny lakolosy. Nisento i Ethan. Tsy mbola tiany ho tapitra ny fakan-drivotra.

Nilahatra mba hiverina hiditra tao am-pianarana ny ankizy. Nahenan’i Ethan ho lasa moramora ny fikisaky ny savily notaingenany. Dia niala teo amin’ilay savily izy mba hiverina tany an-dakilasy.

Saingy rehefa nidona teo amin’ny tany ny tongotr’i Ethan, dia nahatsapa fanaintainana mafy tao amin’ny tongony izy. Nianjera teo amin’ny vovoka izy. Niezaka nitsangana izy, saingy toa nanaintaina mafy ny tongony. Tena narary tokoa ilay izy!

“Vonjeo!” Hoy i Ethan nihiakiaka. Nitsotsorika teo amin’ny takolany ny ranomasony. Nihazakazaka nanampy azy ny ankizy sy ny mpampianatra.

“Fa misy inona?” hoy ny mpampianatra iray nanontany.

“Tapaka ny tongotro!”

Tsy vao izay akory no fotoana nahatapaka ny taolan’i Ethan. Tsy fanin-droany na fanin-telony koa aza izany! Manana aretina taolana marefo i Ethan, izay aretina mahatonga ny taolany ho mora tapaka. Na zavatra kely tahaka ny hoe misolifatra amin’ny sisin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra na ny fifandonana aman’olona aza dia efa mety hanapaka ny taolany.

“Hiantso ny ray aman-dreninao izahay haka mpitsabo ho anao,” hoy ilay mpampianatra. “Aza manahy fa hilamina ny zavatra rehetra.”

Faly i Ethan fa nisy olona tonga nanampy azy. Mbola marary mafy ny tongony, kanefa fantany fa tsy haninona izy.

Nankany an-tsekoly i Neny sy i Dada dia nitondra an’i Ethan tany amin’ny dokotera. Nasiana platira manga ny tongony dia nandeha nody naka aina izy.

Noho ny tongony tapaka, dia teo am-pandriana no nandanian’i Ethan ny fotoanany. Namaky boky be dia be izy. Indraindray dia tonga tao aminy ny namany mba hiara-hilalao taminy. Saingy mbola leo foana izy.

Indray hariva dia taitra tamin’ny torimasony i Ethan ary tsy nety nahita tory intsony. Niezaka nampitony ny tenany izy, kanefa mbola feno fanahiana ihany. Dia ahoana raha misy tapaka ny taolako kanefa tsy misy olona hanampy ahy, ohatra hoe amin’ny alina be? Hoy i Ethan nieritreritra. Nidobodoboka mafy ny fony. Natahotra izy.

“Dada a!” Hoy i Ethan niantso mafy.

Nihazakazaka nankao amin’ny efitranon’i Ethan i Dada. “Fa misy inona?”

“Matahotra aho,” hoy i Ethan. “Dia ahoana raha misy tapaka ny taolako kanefa tsy misy olona hanampy ahy?”

Nipetraka teo akaikiny teo ambonin’ny fandriana i Dada. “Mampatahotra izany eritreritrao izany,” hoy izy. “Na dia miezaka ny mitandrina tsara sy tsy ho azon-doza aza isika, dia mety mbola hisy zavatra ratsy hitranga ihany. Kanefa na inona na inona mitranga, dia miahy anao ny Ray any An-danitra.”

“Midika ve izany fa miaraka amiko foana Izy?” Hoy i Ethan.

“Izay indrindra.” Namihina moramora an’i Ethan i Dada.

Nieritreritra ny hafainganan’ny fahatongavan’i Dada namonjy azy i Ethan. Fantany fa tia azy i Dada ary te hanampy azy foana. Mety ho toy izany koa ny Ray any An-danitra.

Ny ampitson’io dia namaky soratra masina iray tao amin’ny gazetiboky Namana izy. Nilaza izany hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”*

Nahatsapa ho tony sy voaro i Ethan rehefa namaky ilay soratra masina, tahaka izay tsapany rehefa niresaka tamin’ny Dadany izy. Fantany fa ny Fanahy Masina no nampionona azy tamin’izay. Toy ny hoe namihina an’i Dada indray izy.

Tsy maintsy mbola hisy ho tapaka ny taolako, hoy i Ethan nieritreritra, kanefa tsy tokony hatahotra aho. Fantany fa tsy ho tena irery na oviana na oviana izy.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Simini Blocker