Namana
Nisedra olana tao amin’ny toeram-pilalaovana
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Nisedra olana tao amin’ny toeram-pilalaovana,” Namana, aogositra 2023, 46–47.

Nisedra olana tao amin’ny toeram-pilalaovana

Nisento lalina i Hunter. “Tsy mampiasa teny toy izany aho.”

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nihazakazaka namakivaky ny toeram-pilalaovana niaraka tamin’ny namany i Hunter. Nitsiky be izy rehefa nahatsapa ny rivotra nandalo nitsoka mafy eo aminy. Nahatsapa ho nahery nandeha sy maivana izy!

I Kyle no nahakasika ny fefy voalohany. “Izaho no naharesy!” hoy izy niteny mafy be.

Tonga teo amin’ny fefy i Hunter fotoana fohy taorian’izay. “Tsy rariny! Nandeha aloha ianao.”

“Eny,” hoy i Miguel. “Izay iray isika tonga voalohany eny amin’ny hazo!”

Nanomboka nihazakazaka indray i Hunter. Tamin’ity indray mitoraka ity dia izy no nikasika ilay hazo voalohany. Saingy vao tonga izy dia tonga koa i Miguel.

“Izaho no no naharesy!” Hoy i Miguel.

“Tsia, I Hunter no naharesy,” hoy i Piper.

“Izay mihitsy,” hoy i Kyle.

Naforitr’i Miguel hitanam-bokovoko ny sandriny. Dia niteny ratsy izy avy eo.

Nihomehy ireo ankizy hafa. Naverin’i Miguel indray ilay teny, dia vao mainka izy ireo nihomehy.

Nalahelo tao anatiny tao i Hunter. Fantany fa tsy tsara ny mampiasa ilay teny. Saingy tsy te horaborabiana izy. Tsy niteny na inona na inona izy.

Nilaza teny ratsy hafa i Piper. Dia niteny iray hafa i Kyle avy eo.

“Ialahy indray izao no miteny ry Hunter,” hoy i Kyle.

“Izay mihitsy, alefaso lehity a,” hoy i Miguel. “Milazà teny ratsy iray hafa.”

Nisento lalina i Hunter. “Tsy mampiasa teny toy izany aho.”

“Hilaza teny iray koa ve dia hampaninona an’ialahy e!” hoy i Kyle.

“Izaho tsy hiteny,” hoy i Hunter.

“Matahotra be angaha ialahy?” Nihomehy i Miguel.

Tsapan’i Hunter ho nafana ny tarehiny. “Handeha hilalao any amin’ny toeran-kafa aho.”

Mbola nihomehy ihany ireo ankizy sisa sady niteny ratsy. Te hiala teo i Hunter. Tsy nahafinaritra ny tao amin’ilay toeram-pilalaovana tamin’izay. “Rehefa avy eo mihaona,” hoy izy niteny moramora.

Sary
alt text

Nataon’i Hunter tao am-paosiny ny tanany dia nandeha moramora nandalo teo amin’ireo ankizy hafa rehetra izy. Tsy nahatsapa ho nahery nandeha sy maivana intsony izy. Nahatsapa ho navesatra izy.

Nahita an’i Dada sy i Neny nipetraka teo amina seza lava iray izy. Napetrak’i Dada ny bokiny. “Ao tsara ve ianao?”

Nanainga soroka i Hunter. “Nanomboka niteny ratsy izy ireo. Tsy te hanao izany aho, ka dia naleoko nandeha.”

Nitsiky i Neny. “Tena be herim-po ianao.”

“Reherehanay ianao,” hoy i Dada. “Sarotra ny manao safidy tsara rehefa tsy manao izany ny olona manodidina antsika.”

Nisento i Hunter. Faly izy fa nanao safidy tsara, saingy tsy mbola nahazo aina foana izy.

“Te hody ve ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nieritreritra izany i Hunter. “Tsy mbola ka!” hoy izy. Nijery andiana ankizy hafa nilalao teo amin’ny tyrolienne izy. “Handeha ho ery aho.”

Rehefa nandeha teny i Hunter dia nikopakopaka azy ny iray tamin’ireo ankizilahy. “Manahoana, Davida no anarako.”

“Hunter no anarako. “Afaka miaraka mitsambikina amin’ialahy ve aho?”

“Afaka tsara mihitsy!”

Nitaingina ilay tyrolienne i Hunter dia nahatsapa ny rivotra nitsoka mafy teo aminy. Rehefa nilalao niaraka tamin’i David sy ireo ankizy hafa izy dia nahatsapa ho nahery nandeha sy maivana indray. Nanao ny tsara izy, na dia sarotra aza izany. Faly izy fa nanao safidy tsara.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney