Namana
Ny fomba nahatonga ahy ho vita batisa
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ny fomba nahatonga ahy ho vita batisa,” Namana, aogositra 2023, 12–13.

Ny fomba nahatonga ahy ho vita batisa

Sary
alt text

Manahoana! Aranoarii no anarako. Mipetraka any Tahiti aho. 11 taona aho, ary reharehako ny milaza fa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho.

Ahoana no nahafantaranao ny Fiangonana?

Sary
alt text
Sary
alt text

Nisy namana vitsivitsy nanasa ny fianakaviako hamonjy fiaraha-mientan’ny Fiangonana. Nasaina nanatrika batisan’ankizy iray koa izahay. Nanontany ny reniko aho raha afaka mihaona amin’ireo misiônera satria tena naniry ny hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Toy ny ahoana ny fihaonana tamin’ireo misiônera?

Sary
alt text

Tena nahafinaritra ireo misiônera! Nampientanentana ahy foana ny handray lesona avy tamin’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Tiako ireo tantara notantarain’izy ireo tamiko sy ireo kilalao nataonay mba hanampiana ahy hianatra.

Nanao ahoana ny batisanao?

Sary
alt text

Ny dadako ny nanao batisa ahy sy ny reniko ny andro naha-feno 11 taona ahy. Tena faly tokoa aho! Nanasa olona betsaka tianay izahay. Tonga nanohana ahy ireo mpiara-mianatra amiko sy ny mpampianatro.

Rehefa nivoaka avy tao anaty rano aho dia diboky ny hafaliana. Nitsikitsiky be mihitsy aho! Faly tokoa aho fa afaka nanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy.

Nanao ahoana izany nandeha tao amin’ny Kilonga voalohany izany?

Sary
alt text

Tamin’ny voalohany dia natahotra aho ary efa saika nitomany. Fa taorian’izay aho dia nanatrika fiaraha-mientana ho an’ny Kilonga. Lasa nahafantatra ny olona rehetra aho ary nahazo mamana vitsivitsy.

Raha vaovao ianao dia manoro hevitra aho ny handehananao ao amin’ny kilasin’ny Kilonga misy anao, na dia matahotra aza ianao amin’ny voalohany. Tianay ireo olona vaovao!

Ahoana no fomba hanarahanao an’i Jesoa?

Sary
alt text

Mivavaka aho ary mankany am-piangonana isaky ny alahady. Miresaka amin’ny fianakaviako momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Miezaka mitady ireo olona izay mila fanampiana aho. Ao an-trano dia manampy ny neniko amin’ny raharaha aho. Manampy ny dadako amin’ny fikarakarana zaridaina sy ny fikapana hazo ary ny fanamboarana zavatra aho. Volana vitsivitsy lasa izay dia nanao fampisehoana talenta ny paroasinay. Mpitendry zava-maneno aho, ka dia nively amponga nandritra ny hariva manontolo!

Sary
alt text here

Sary nalain’i Stéphane Sayeb