Namana
Fanomezana miavaka
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Fanomezana miavaka,” Namana, aogositra 2023, 18–19.

Fanomezana miavaka

“Tena ny Fanahy Masina izany,” hoy i Mehrimah nieritreritra.

Tany Frantsa no nitrangan’ity tantara ity.

“Mehrimah! Fatima! “Tonga ato ny misiônera!” hoy i neny niantso.

Nakombon’i Mehrimah ny bokiny mirakitra tantara ao amin’ny soratra masina dia nihazakazaka tany amin’ny trano fandraisam-bahiny izy. Nampianatra ny fianakaviany momba an’i Jesoa Kristy ny misiônera. Hatao batisa tsy ho ela i Mehrimah sy ny fianakaviany. Efa tsy andriny intsony izany!

Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany i Mehrimah.

Sary
alt text

“Androany isika dia hiresaka mikasika ny Fanahy Masina,” hoy i Elder Moea. “Manampy antsika hahatsapa fiadanana sy fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra Izy.”

“Mamporisika antsika hanao zavatra tsara koa Izy,” hoy i Elder Campbell nanampy. “Ary manampy antsika Izy hahafantatra ny marina. Mety efa nahatsapa ny Fanahy Masina ianareo teo aloha.”

Nieritreritra ny fotoana nahafantarany ny Bokin’i Môrmôna i Mehrimah. Nahatsapa ho nanana fiadanam-po sy faly izy. Toy izany no nahafantarany fa marina ilay boky. Ny Fanahy Masina ve izany?

“Rehefa vita batisa ianareo dia homena ny fanomezana ny Fanahy Masina,” hoy i Elder Moea. “Izany dia midika hoe afaka miaraka aminareo mandrakariva Izy mba hanampy sy hitarika anareo.”

“Amin’ity herinandro ity dia mifantoha tsara amin’ny eritreritra tonga ao an-tsainareo sy ny zavatra tsapanareo,” hoy i Elder Campbell. “Tadiavo ireo fotoana izay iresahan’ny Fanahy Masina aminareo.”

Tamin’io alina io, nandritra ny vavaky ny mpianakavy, dia tsikaritr’i Mehrimah ny zavatra tsapany. Nahatsapa ho tony sy nanana fiadanam-po izy. Efa hila hitovy tamin’ny hoe nisy olona iray namihina azy mafy izany. Tena ny Fanahy Masina izany, hoy izy nieritreritra.

Tany am-piangonana ny alahady, dia nihaino hira iray momba an’i Jesoa Kristy i Mehrimah. Nahatsapa ho faly izy. Nahatonga azy te hanampy olona hafa izany. Tena ny Fanahy Masina koa izany, hoy izy nieritreritra.

Talohan’ny hatory, dia namaky ny bokiny mirakitra tantara ao amin’ny soratra masina i Mehrimah. Nangataka ny hanomezana azy ilay boky mba hamakiany izany koa i Fatima rahavaviny. Tsy nanaiky i Mehrimah.

Nanohy namaky i Mehrimah. Saingy tsapany ho diso izy satria tsy nizara.

“Mifona aho,” hoy izy tamin’i Fatima. “Tianao ve raha miara-mamaky isika?”

Dia nipetraka teo akaikiny i Fatima. Nifandimby namaky izy ireo. Nahatsapa hafanana sy nahatsapa ho faly i Mehrimah. Tena ny Fanahy Masina izany, hoy izy nieritreritra.

Tonga ihany ny andron’ny batisan’izy ireo nony farany. Nandeha tany amin’ny trano Fiangonana i Mehrimah sy ny fianakaviany dia nisolo ankanjo akanjo fotsy.

I Mehrimah no natao batisa voalohany. Nangatsiaka ilay rano, kanefa faly izy nanao fanekempihavanana tamin’ny Ray any An-danitra. Norakofan’i Neny lamba famaohana izy. Avy eo izy dia nijery an’i Neny sy i Dada ary i Fatima natao batisa.

Dia namerina nampiditra ireo akanjony maina indray i Mehrimah. Tonga amin’izay ary ny fotoana handraisana azy ho mpikambana.

Sary
alt text

Napetrak’ireo misiônera teo ambony lohan’i Mehrimah ny tanan’izy ireo. “Mandray anao ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay,” hoy i Elder Campbell, “ary miteny aminao hoe raiso ny Fanahy Masina.” Nahatsapa hafanana nanerana ny vatany i Mehrimah rehefa nihaino ny ambin’ilay tsodrano.

Rehefa vita ny fandraisana an’i Mehrimah ho mpikambana, dia nofihinin’i Neny izy. “Manao ahoana ny fahatsapanao?”

“Tena tsara,” hoy i Mehrimah. “Rehefa avy nametraka ny tanany teo ambony lohako izy ireo dia nahatsapa zavatra aho, ary toy ny fiadanana no nahatsapako izany.” Nitsiky izy. “Tsapako ho toy ny hoe nisy olona niteny ahy mba hiaina fiainana tsara, hanampy olona, ary hitandrina ny didy.”

“Fantatrao ve hoe inona no tsapanao?” Hoy i Neny nanontany.

“Eny, fantatro,” hoy i Mehrimah, sady namirapiratra ny masony. “Ny Fanahy Masina izany!”

Sary
alt text here

Sary nataon’i Alyssa Petersen