Namana
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, aogositra 2023, 49.

Miara-manara-dia an’i Jesoa

Sary
alt text

Nisafidy ny handeha amin’ny lalana vaovao aho ary hanara-dia an’i Jesoa Kristy rehefa natao batisa. Tsotra kanefa nahatsapana fientanam-po be ny batisako, ary nahatsapa ho olom-baovao aho. Te hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho.

Happiness D., 9 taona, Accra, Ghana

Sary
alt text

Miezaka manara-dia an’i Jesoa aho hatramin’ny nanaovana batisa ahy amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny zandriko vavy mbola zazakely. Manampy amin’ny fanosehana ny poussette fasiana azy aho. Faly aho rehefa tsara fanahy, ary fantatro fa mahafaly an’i Jesoa koa izany.

Simon P., 9 taona, Massachusetts, Etazonia

Sary
alt text

Manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fivavahana, ny fitiavana ny hafa ary ny fananana finoana.

Yoreli T., 6 taona, Zumpango, Meksika

Sary
alt text

Tamin’ny Krismasy dia nanatitra sakafo ho an’ireo olona tsy manan-kialofana izaho sy ny dadako. Nahafinaritra ilay izy! Mahatonga ahy ho faly ny fanarahana an’i Jesoa.

Akari F., 9 taona, Chiba, Japana

Sary
alt text

Manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina sy ny fanarahana ny didiny.

Luke W., 9 , Wyoming, Etazonia

Sary
alt text

Manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fitiavana ny fianakaviako sy fanaovako irakiraka ho an’ny neniko.

Chloe D., 4 taona, Région de la capitale nationale, Filipina

Sary
alt text

Isaky ny mivavaka aho, na mamaky soratra masina, na manao zavatra tsara, dia faly. Toy ireny hoe fihinin’ny olona iray tia ahy ireny aho. Fantatro fa ny Fanahy Masina izany.

Caileen D., 6 taona, Région de la capitale nationale, Filipina

Sary
alt text

Mahatsapa ny Fanahy Masina aho rehefa mandalo fotoan-tsarotra. Manampy ahy hahazo aina kokoa izany.

Hunter O., 11 taona, Caroline du Nord, Etazonia

Sary
alt text

Mahatsapa ny Fanahy Masina aho rehefa mampitony ny saiko sy misafidy ny tsara. Rehefa mihaino ny dada sy neniko aho dia afaka mahatsapa fa akaiky ahy ny Fanahy Masina.

Oliver B., 10 taona, Washington, Etazonia

Sary
alt text

Hahatsapana hafanana sy mampatanjaka ny Fanahy Masina. Eo ny Fanahy Masina hanampy anao raha mila izany ianao, ka izay no tena mampiavaka Azy.

Aisea A., 9 taona, Division Centrale, Fidji

Sary
alt text

Mahatonga ahy ho faly sy ravo ary mahery ny Fanahy Masina.

Hailey G., 7 taona, Santa Cruz, Bolivie

Sary
alt text

Rehefa natao batisa aho dia nahatsapa ho nangatsiaka noho ilay rano. Fa rehefa vita batisa aho dia nahatsapa hafanana sy nahatsapa ho nadio. Rehefa natao batisa aho dia nanao dingana lehibe nanatona an’i Kristy sy ny Raintsika any An-danitra.

Malayla S., 8 taona, Yukon, Kanadà